Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Izay Hahombiazan’ny Fahatanoranao

Ataovy Izay Hahombiazan’ny Fahatanoranao

Ataovy Izay Hahombiazan’ny Fahatanoranao

TSARA tarehy, sa manankarena, sa ho tanora? Rehefa nasaina nifidy ny iray tamin’ireo ny mponina tao amin’ny tany eoropeanina iray, dia ny ho tanora no be mpifidy indrindra. Eny, mihevitra ny olona avy amin’ny sokajin-taona rehetra fa fotoana manokana eo amin’ny fiainana, ny fahatanorana, manomboka eo amin’ny faha-13 taona ka hatreo am-piandohan’ny faha-20 taona. Irin’ny rehetra handeha tsara ny fandaozan’ny tanora ny fahazazany ka hahatongavany ho olon-dehibe. Amin’ny fomba ahoana anefa?

Afaka manampy ve ny Baiboly? Eny dia eny tokoa. Andao isika handinika lafin-javatra roa ahafahan’ny Tenin’Andriamanitra manampy manokana ny tanora, mihoatra noho ny sokajin-taona hafa rehetra angamba.

Mifankahazo amin’ny hafa

Ny Tanora 2000 (alemà) dia mitatitra ny fanadihadiana lehibe iray momba ny toe-tsaina sy ny filamatra ary ny fitondran-tenan’ny tanora maherin’ny 5 000 tany Alemaina. Asehon’io fanadihadiana io fa rehefa miala voly ny tanora, toy ny hoe mihaino mozika, manao fanatanjahan-tena, na mandehandeha fotsiny, dia saika miaraka amin’ny olon-kafa foana izy ireo. Amin’ny sokajin-taona rehetra angamba, dia ny tanora no te hiaraka amin’ireo mitovy taona aminy indrindra. Hita avy amin’izany àry fa ny fifankahazoana amin’ny hafa no anisan’ny fomba tsara indrindra ahombiazan’ny fahatanorana.

Tsy mora foana anefa ny mifankahazo amin’ny hafa. Miaiky ny tanora lahy sy vavy fa manahirana azy ireo matetika ny mifandray amin’ny hafa. Tena afaka manampy amin’io lafiny io ny Baiboly. Misy tari-dalana fototra ho an’ny tanora ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hahaizany hifandray tsara amin’ny hafa. Inona no lazain’ny Baiboly?

Anisan’ny toro lalana sarobidy indrindra rehefa mifandray amin’ny hafa ilay antsoina hoe Fitsipika Volamena: “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” Raha manaja sy mihevitra ny hafa ianao ary tsara fanahy aminy, dia ho voatosika hanao toy izany aminao koa izy. Mampihena ny fifandonana sy ny fihenjanana ny hatsaram-panahy. Raha malaza ho mihevitra ny hafa ianao, dia azo inoana fa hahamarika anao ny olona, sy hankasitraka anao. Tsy mahafaly anao ve ny hoe ankasitrahan’ny hafa?​—Matio 7:12.

Manoro hevitra anao ho ‘tia ny namanao tahaka ny tenanao’ ny Baiboly. Mila ny ho tia ny tenanao ianao amin’ny heviny hoe karakarainao izy io ary manana ny hajan’ny tenanao ianao, araka ny antonony fa tsy tafahoatra na kely loatra. Nahoana izany no manampy? Raha mahatsiaro tena ho tsy misy vidiny ianao, dia mety hanakiana tafahoatra ny hafa, ka tsy afaka hifandray tsara aminy. Ny fiheverana araka ny antonony ny hajan’ny tena kosa anefa dia fototra ahafahanao manana namana maharitra.​—Matio 22:39.

Raha vao mitombo ny fisakaizana, dia mila manamafy izany ny andaniny roa. Tokony hahasambatra anao ny manokana fotoana ho an’ny namanao satria “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Endriny iray amin’ny fanomezana ny famelan-keloka, tafiditra amin’izany ny finiavana tsy hijery ny fahadisoana madinika ataon’ny hafa sy tsy fanantenana fahalavorariana avy aminy. Hoy ny Baiboly amintsika: “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo.” Tena “ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” Ahoana raha misy namanao mampiseho aminao ny fahalemenao? Ahoana no fihetsikao? Mariho ity torohevitra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly ity: “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao”, satria “azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza.” Tsy marina ve fa manan-kery eo amin’ny eritreritrao sy ny teninao ary ny fihetsikao ny namanao? Koa mampitandrina àry ny Baiboly hoe: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” Kanefa kosa, “izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry.”​—Asan’ny Apostoly 20:35; Filipiana 4:5; Romana 12:17, 18; Mpitoriteny 7:9; Ohabolana 13:20; 27:6; 1 Korintiana 15:33.

Misolo tena tanora lahy sy vavy maro i Marco, rehefa milaza hoe: “Manampy be ny toro lalana ao amin’ny Baiboly mba hifankahazoana amin’ny hafa. Misy olom-pantatro tsy mahalala afa-tsy ny tenany sy izay hahasoa ny tenany ihany. Mampianatra antsika ny Baiboly mba hieritreritra ny hafa koa fa tsy ny tenantsika ihany. Raha ny fahitako azy, dia izany no fomba tsara indrindra hifandraisana tsara amin’ny hafa.”

Tsy vitan’ny hoe manampy ny tanora toa an’i Marco mandritra ny fahatanorany fotsiny izay ianarany avy ao amin’ny Baiboly, fa manampy azy amin’ny hoavy koa. Ary momba ny hoavy, dia misy fomba hafa ahafahan’ny Baiboly manampy manokana ny tanora koa.

Fanahiana momba ny hoavy

Tia mamotopototra ny tanora maro. Mihoatra noho ny sokajin-taona hafa rehetra angamba, dia izy ireo no maniry hahafantatra izay mitranga sy ny anton’izany. Manazava ny antony maha toy izao ny fiainana sy milaza amintsika izay hitranga amin’ny hoavy, ny Baiboly, mihoatra noho ny boky hafa rehetra. Izany no irin’ny tanora ho fantatra. Nahoana no azontsika antoka fa izany no izy?

Na dia maro aza no mino fa tsy miaina afa-tsy ho an’ny ankehitriny ny tanora, dia tsy mitovy loatra amin’izany no ahariharin’ny fanadihadiana sasany. Asehon’izy ireny fa matetika ny tanora no manamarika tsara izay mitranga manodidina azy, ary avy eo, dia manatsoaka ny heviny manokana momba ny mety ho fiainana amin’ny hoavy. Izao no porofon’izany: Raha misy tanora lahy sy vavy 4, dia 3 amin’ireo no mieritreritra “matetitetika” na “matetika be” momba ny hoavy. Na dia be fanantenana aza amin’ny ankapobeny ny tanora, dia manahy ny amin’ny hoavy ny ankamaroany.

Nahoana no manahy? Tanora maro amin’izao fotoana izao no mahita sahady olana amin’ny heloka bevava sy ny herisetra ary ny fidorohana. Misy tanora matahotra sao tsy hahita asa azo antoka eo anivon’ny fiaraha-monina anjakan’ny fifaninanana. Mahatsapa fanerena hahazo naoty tsara izy ireo any am-pianarana na ho mpiasa mamokatra be any am-piasana. Nitaraina ny tanora iray 17 taona hoe: “Samy mandeha, samy mitady, sady tsy misy indrafo ny fiaraha-monina misy antsika. Samy manao izay saim-pantany ny rehetra. Tsy maintsy porofoinao foana izay zavatra hainao atao, ka tena mandreraka ahy ilay izy.” Hoy ny tanora hafa iray, 22 taona: “Tafita amin’ny fiainana sy miadana ireo ambinina. Tsy tafavoaka kosa izay ratsy vintana, ka tsy maharaka ny namany noho ny antony maro samy hafa.” Nahoana ny fiainana no ifaninanana toy izany? Ho toy izany foana ve ny fiainana?

Fanazavana mitombina

Rehefa very hevitra na manahy ny tanora mahita ny fiaraha-monina, dia manaiky izay voalazan’ny Baiboly izy ireo, na fantany izany na tsia. Asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa mampiavaka izao androntsika izao ny “fiaraha-monina samy mandeha, samy mitady sy tsy misy indrafo” ankehitriny. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny tovolahy iray antsoina hoe Timoty, mahakasika ny androntsika: “Hisy andro mahory.” Nahoana no mahory? Satria nanoratra i Paoly avy eo fa ny olona dia ho “tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, ... tsy misaotra, tsy manaja izay masina, ... lozabe.” Tsy izany mihitsy ve no fihetsiky ny olona maro ankehitriny?​—2 Timoty 3:1-3.

Milaza ny Baiboly fa hitranga ‘atỳ am-parany’ izany andro mahory izany, alohan’ny hisian’ny fiovana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina rehetra. Ho voakasik’izany fiovana izany avokoa, na lehibe na kely. Fiovana inona? Tsy ho ela dia hitantana ny raharahan’olombelona ny fanjakana iray any an-danitra, ka hahita ‘fiadanana be dia be’ ny olom-peheziny hatraiza hatraiza. “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Tsy hisy intsony ny fanahiana sy ny tahotra.​—Salamo 37:11, 29.

Ny Baiboly irery ihany no manome fanazavana azo itokiana momba ny hoavy. Rehefa fantatry ny tanora iray hoe inona no miandry azy atsy ho atsy, dia afaka miomana ho amin’izany izy ary hilamin-tsaina sy hahafehy kokoa ny fiainany. Mampihena ny fihenjanana sy ny fanahiana izany. Koa resahin’ny Baiboly àry ny zavatra manokana ilain’ny tanora, dia ny hahatakatra izay mahazo ny fiaraha-monina misy azy sy hahafantatra ny hoavy.

Fahatanorana mahomby

Ahoana no amaritana ny atao hoe fahatanorana mahomby? Fianarana ambony sy harena ary namana be dia be ve? Betsaka no mihevitra izany. Ny fahatanorana manomboka eo amin’ny faha-13 taona ka hatreo am-piandohan’ny faha-20 taona dia tokony ho fiaingana tsara eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe raha mahomby ny fahatanoranao, dia mety hiankina amin’izany ny fiainanao any aoriana.

Araka ny hitantsika, dia afaka manampy ny tanora iray hahomby eo amin’ny fahatanorany ny Baiboly. Tanora maro no efa nahatsapa izany teo amin’ny fiainany. Mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro izy ireo ary mampihatra izay ianarany. (Jereo ny “Torohevitry ny Tanora Iray Manompo An’i Jehovah”, pejy faha-6.) Tena boky natao ho an’ny tanora ankehitriny tokoa ny Baiboly satria afaka manampy azy ireo “ho tanteraka ..., ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”, izy io.​—2 Timoty 3:16, 17.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Anisan’ny fomba tsara indrindra ahombiazan’ny fahatanorana ny fifankahazoana amin’ny hafa

[Teny notsongaina, pejy 6]

Maniry hahafantatra izay mitranga sy ny anton’izany ny tanora, mihoatra noho ny sokajin-taona hafa rehetra

[Efajoro, pejy 6, 7]

Torohevitry ny Tanora Iray Manompo An’i Jehovah

Sivy ambin’ny folo taona i Aleksandra. Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviany ary mafana fo amin’ny finoany izy. Tsy toy izany foana anefa no izy. Hoy ny fanazavan’i Aleksandra:

“Gaga angamba ianareo fa mpitory tsy vita batisa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny fito taona mahery aho. Tsy nafana fo tamin’ny fivavahako aho nandritra izany fotoana izany, fa fahazarana fotsiny ilay izy. Heveriko fa tsy sahy nandini-tena marina aho.” 

Niova ny fihetsik’i Aleksandra avy eo. Hoy izy:

“Nampirisihin’ny ray aman-dreniko sy ny namako tao amin’ny fiangonana foana aho mba hamaky ny Baiboly isan’andro, mba tena hahafantarako an’i Jehovah. Tapa-kevitra ny hanandrana ihany aho tamin’ny farany. Nahenako àry ny fijereko tele ary nataoko fahazarana ny namaky Baiboly vao maraina. Nanomboka takatro tamin’ny farany izay raketin’ny Baiboly. Nanjary hitako ny fomba ahafahan’izy io manampy ahy. Ny tena zava-dehibe dia hoe takatro fa irin’i Jehovah ny hahafantarako azy. Raha vao nataoko izany, dia nanomboka nitombo ny fifandraisako taminy, ary nihatsara ny fifandraisako tamin’ny namako tao amin’ny fiangonana. Nanova be ny fiainako ny Baiboly! Mampirisika ny tanora rehetra manompo an’i Jehovah aho mba hamaky ny Baiboly isan’andro.”

Misy tanora an-tapitrisany maro maneran-tany miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izy ireny ve ianao? Ta handray soa amin’ny famakiana tsy tapaka ny Baiboly ve ianao? Nahoana raha manao toa an’i Aleksandra? Ahenao ny fotoana lany amin’ny zavatra tsy dia lehibe ary ataovy ho fahazaranao isan’andro ny mamaky Baiboly. Azo antoka fa handray soa ianao.