Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Ketraka Amin’ny Fanaovan-tsoa

Aza Ketraka Amin’ny Fanaovan-tsoa

Aza Ketraka Amin’ny Fanaovan-tsoa

“Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.”​—GALATIANA 6:9.

1, 2. a) Nahoana no ilaina ny faharetana mba hanompoana an’Andriamanitra? b) Ahoana no nampisehoan’i Abrahama ny faharetany, ary inona no nanampy azy hanao izany?

FALY isika Vavolombelon’i Jehovah manao ny sitrapony. Mamelombelona antsika koa ny fitondrana ny ziogan’i Jesosy. (Matio 11:29) Tsy mora foana anefa ny manompo an’i Jehovah miaraka amin’i Kristy. Nanazava izany tsara ny apostoly Paoly, rehefa nampirisika ny Kristianina namany toy izao: “Tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.” (Hebreo 10:36) Ilaina ny faharetana, satria mety ho sarotra ny fanompoana an’Andriamanitra.

2 Manaporofo izany tsara ny fiainan’i Abrahama. Niatrika safidy sarotra sy toe-javatra nampikorontan-tsaina izy, matetika. Vao fiandohana fotsiny ilay didy handao ny fiainana nampiadana tany Ora. Tsy ela, dia niatrika mosary izy, nankahalain’ny mpiara-monina, saika namoy ny vadiny, nankahalain’ny havany, ary niatrika ny habibian’ny ady. Hisy fisedrana mbola mafy kokoa aza. Tsy ketraka tamin’ny fanaovan-tsoa mihitsy anefa i Abrahama. Mahatalanjona izany, satria tsy nanana ny Tenin’Andriamanitra manontolo, toa antsika, izy. Tsy isalasalana anefa fa fantany ilay faminaniana voalohany nataon’Andriamanitra, manao hoe: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany.” (Genesisy 3:15) Avy amin’i Abrahama no hiavian’ilay Taranaka, hany ka nataon’i Satana lasibatra izy. Tsy isalasalana fa nanampy an’i Abrahama hiaritra tamim-pifaliana ny fisedrana azy ny fahafantarany izany.

3. a) Nahoana ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny no tokony hanampo fahoriana? b) Inona ny fampaherezana omen’ny Galatiana 6:9 antsika?

3 Tokony hanampo fahoriana koa ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. (1 Petera 1:6, 7) Mampitandrina antsika mantsy ny Apokalypsy 12:17 fa “hiady” amin’ny sisa voahosotra i Satana. Tezitra amin’ny “ondry hafa” koa i Satana, satria mifandray akaiky amin’ny voahosotra izy ireo. (Jaona 10:16) Ankoatra ny fanoherana mety ho hitan’ny Kristianina eo amin’ny fanompoana ataony ho an’ny besinimaro, dia mety hisedra azy ireo koa ny zava-manahirana eo amin’ny fiainany manokana. Mananatra antsika toy izao i Paoly: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” (Galatiana 6:9) Eny, na dia miezaka mafy handrava ny finoantsika aza i Satana, dia tsy maintsy manohitra azy sy miorina tsara amin’ny finoana isika. (1 Petera 5:8, 9) Inona no mety ho vokatry ny tsy fivadihantsika? Hoy ny Jakoba 1:2, 3: “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.”

Fanafihana mivantana

4. Inona no fanafihana mivantana nataon’i Satana mba hahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hivadika?

4 Mampiseho tsara ny fisedrana samy hafa atrehin’ny Kristianina ankehitriny ny fiainan’i Abrahama. Tsy maintsy nanao zavatra ho setrin’ny fanafihan’ireo avy tany Sinara, ohatra, izy. (Genesisy 14:11-16) Tsy mahagaga raha manafika mivantana amin’ny alalan’ny fanenjehana i Satana. Nanomboka tamin’ny faran’ny Ady Lehibe II, dia noraran’ny fanjakana tany amin’ny tany maro ny asa fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitantara ny nampijalian’ny fahavalo ny Kristianina tany Angola ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2001. Niantehitra tamin’i Jehovah ny rahalahintsika any amin’ny tany toy ireny, ka tsy nivadika mihitsy! Tsy namaly faty na nikomy izy ireo, fa nanohy nitory tamim-pahamalinana kosa.​—Matio 24:14.

5. Inona no fanenjehana mety hihatra amin’ny tanora kristianina any am-pianarana?

5 Tsy voatery ho fampijaliana ara-bakiteny foana anefa ny fanenjehana. Nanan-janaka roa lahy i Abrahama tamin’ny farany, dia i Isimaela sy i Isaka. “Nihomehy” an’i Isaka i Isimaela indray mandeha, araka ny Genesisy 21:8-12. Tsy sangisangin’ankizy fotsiny izany, satria lazain’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Galatianina fa nanenjika an’i Isaka i Isimaela! (Galatiana 4:29) Azo antsoina hoe fanenjehana àry ny fanesoan’ny mpiara-mianatra sy ny fanaratsian’ny mpanohitra. Izao no nolazain’i Ryan, tovolahy kristianina, momba ny fampijalian’ny mpiara-mianatra taminy azy: “Ela be tamiko ilay fahefak’adiny nandroso sy niverina avy tany am-pianarana, satria niteny ratsy ahy ry zareo. Nodoran-dry zareo tamin’ny vy kely aho.” Nahoana izy no nampijalina toy izany? “Tsy nitovy tamin’ny ankizy hafa tany am-pianarana aho, noho ny fampiofanana kristianina azoko.” Tsy nivadika mihitsy anefa i Ryan, satria nampian’ny ray aman-dreniny. Mahakivy anareo tanora ve ny fanesoan’ny hafa anareo? Aza ketraka mihitsy! Raha miaritra hatramin’ny farany ianareo, dia ho tanteraka aminareo izao tenin’i Jesosy izao: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.”​—Matio 5:11.

Zavatra mpitranga eo amin’ny fiainana

6. Inona no mety hanimba ny fihavanan’ny samy Kristianina?

6 Zavatra mpitranga eo amin’ny fiainana ny ankamaroan’ny fisedrana mahazo antsika ankehitriny. Tsy maintsy nandamina ny adin’ny mpiandry ombiny sy ny an’i Lota zana-drahalahiny, ohatra, i Abrahama. (Genesisy 13:5-7) Mety hanimba fihavanana na handrava ny fiadanan’ny fiangonana mihitsy koa ankehitriny ny tsy fifankahazoana sy ny fialonalonana. “Izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.” (Jakoba 3:16) Tsy tokony ho ketraka mihitsy àry isika, na hamela ny avonavona handrava fihavanana, fa hitady izay hahasoa ny hafa kosa toy ny nataon’i Abrahama!​—1 Korintiana 13:5; Jakoba 3:17.

7. a) Inona no tokony hatao raha nisy Kristianina nanafintohina antsika? b) Inona no ohatra tsara navelan’i Abrahama momba ny fitandroana fihavanana?

7 Sarotra ny mitandro fihavanana rehefa mihevitra isika fa tsy rariny ny nataon’ny mpiray finoana tamintsika. Hoy ny Ohabolana 12:18: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra.” Mety hampalahelo mafy ny teny tsy tsaroana, na dia tsy fanahy iniana aza. Vao mainka malahelo be aza isika raha nisy nanendrikendrika na nanaratsy antsika. (Salamo 6:6, 7) Tsy mamela ny alahelo hahaketraka azy anefa ny Kristianina! Raha izany no manjo anao, dia manaova ny dingana voalohany, ka miresaha moramora amin’ilay olona nanafintohina anao. (Matio 5:23, 24; Efesiana 4:26) Miezaha hamela ny helony. (Kolosiana 3:13) Sady hampitony ny alahelontsika isika no hanatsara ny fihavanantsika amin’ny rahalahintsika, rehefa tsy mitahiry lolompo. Tsy nitahiry lolompo tamin’i Lota i Abrahama. Izy mihitsy aza no mailaka namonjy an’i Lota sy ny fianakaviany!​—Genesisy 14:12-16.

Fisedrana avy amintsika ihany

8. a) Inona no mety hahatonga ny Kristianina ‘hanindrona ny tenany amin’ny alahelo be’? b) Inona no nanampy an’i Abrahama tsy hitoky tamin’ny harena?

8 Avy amintsika ihany ny fisedrana sasany. Nandidy ny mpanara-dia azy toy izao, ohatra, i Jesosy: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra.” (Matio 6:19) Misy rahalahy ‘manindrona ny tenany amin’ny alahelo be’ anefa, satria mikatsaka harena alohan’ny tombontsoan’ilay Fanjakana. (1 Timoty 6:9, 10) Nanaiky hamoy ny fananany i Abrahama mba hampifaliana an’Andriamanitra. “Finoana no nivahiniany tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona, mitoetra an-day, mbamin’Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy; fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.” (Hebreo 11:9, 10) Nanampy an’i Abrahama mba tsy hitoky tamin’ny harena ny finoany ilay “tanàna” ho avy, dia ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy fahendrena koa ve ny hanaovantsika toy izany?

9, 10. a) Nahoana ny fanirian-daza no mety hisedra? b) Inona no azon’ny rahalahy iray atao mba hitondrany tena toy ny “kely indrindra”?

9 Diniho koa izao. Mananatra mafy toy izao ny Baiboly: “Raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.” (Galatiana 6:3) Ampirisihina koa isika mba tsy ‘hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na handrani-tena foana; fa hanetry tena.’ (Filipiana 2:3) Misedra ny tenany ny sasany, satria tsy manaraka io torohevitra io. Maniry laza izy fa tsy maniry hanao “asa tsara”, hany ka manjary kivy sy sosotra rehefa tsy mahazo tombontsoa ao amin’ny fiangonana.​—1 Timoty 3:1.

10 Ohatra tsara i Abrahama, satria tsy nihevi-tena “mihoatra izay tokony hoheverina.” (Romana 12:3) Tsy nihevi-tena ho ambony i Abrahama, rehefa nihaona tamin’i Melkizedeka, na dia nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra aza. Nekeny kosa fa ambony i Melkizedeka satria mpisorona, ka nomeny ny ampahafolon-karenany. (Hebreo 7:4-7) Tokony hihevi-tena ho toy ny “kely indrindra” koa ny Kristianina, fa tsy hitady hisongadina foana. (Lioka 9:48) Raha toa tsy omena tombontsoa sasany ao amin’ny fiangonana ianao, dia mandiniha tena tsara mba hahitana izay tokony hohatsarainao amin’ny toetranao na ny fomba fanaovanao zavatra. Aza tezitra noho ny tombontsoa tsy anananao, fa mahaiza kosa manararaotra ny tombontsoa efa anananao, dia ny fahafahanao manampy ny hafa hahafantatra an’i Jehovah. Eny, “manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro.”​—1 Petera 5:6.

Finoana ny zavatra tsy hita

11, 12. a) Nahoana ny sasany ao amin’ny fiangonana no manadino fa akaiky ny farany? b) Inona no ohatra tsara navelan’i Abrahama raha ny amin’ny fampifantohana ny fiainany tamin’ny fampanantenan’Andriamanitra?

11 Mety hisedra koa ny toa fahelan’ny faran’izao tontolo ratsy izao. Araka ny 2 Petera 3:12, dia tokony ‘hanantena ny fihavian’ny andron’Andriamanitra’ ny Kristianina. Efa an-taonany na am-polony taona maro mihitsy anefa ny sasany no niandry an’io ‘andro’ io. Noho izany, dia mety ho kivy izy na hanadino fa akaiky ny farany.

12 Diniho indray ny ohatr’i Abrahama. Nampifantohany tamin’ny fampanantenan’Andriamanitra ny fiainany, na dia tsy ho tanteraka tamin’ny androny mihitsy aza izy rehetra. Marina fa hitany ny nahalehibe an’i Isaka zanany. Taonjato maro tatỳ aoriana anefa vao ho “tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra” na “ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina” ny taranany. (Genesisy 22:17) Tsy tezitra na kivy anefa i Abrahama. Noho izany, dia izao no nolazain’ny apostoly Paoly momba an’i Abrahama sy ny loham-pianakaviana hafa: “Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy.”​—Hebreo 11:13.

13. a) Nahoana ny Kristianina ankehitriny no toy ny “mpivahiny”? b) Nahoana i Jehovah no hamarana ity tontolo ity?

13 Mbola “eny lavitra eny” ny fahatanterahan’ny fanantenan’i Abrahama, nefa nafantony tamin’izany ny fiainany. Koa tsy tokony hampifantoka ny fiainantsika amin’ny fanantenana efa ho tanteraka ve isika? Toa an’i Abrahama, dia tsy maintsy mihevi-tena ho “mpivahiny” eo amin’ny tontolon’i Satana isika, ka tsy hanaram-po amin’izay atolotr’ity tontolo ity. Rariny raha irintsika ho tonga izao dia izao ny “faran’ny zavatra rehetra”, fa tsy hoe efa antomotra fotsiny. (1 Petera 4:7) Marary mafy angamba isika, na sahirana mafy ara-bola. Tsy maintsy tadidintsika anefa fa ny antony hamaranan’i Jehovah ny tontolo ratsy, dia mba hanamasinana ny anarany, fa tsy mba hamonjena antsika amin’ny fahoriana fotsiny. (Ezekiela 36:23; Matio 6:9, 10) Tsy voatery ho amin’ny fotoana mety amintsika anefa no hahatongavan’ny farany, fa amin’ny fotoana mety indrindra amin’ny fikasan’i Jehovah.

14. Inona no soa raisin’ny Kristianina avy amin’ny faharetan’Andriamanitra?

14 Tadidio koa fa i Jehovah “tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (2 Petera 3:9) Mariho fa “mahari-po aminareo”, ao amin’ny fiangonana kristianina, Andriamanitra. Azo inoana fa mila fotoana bebe kokoa mba hiovana ny sasany amintsika, mba “ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana.” (2 Petera 3:14) Tsy tokony ho velom-pankasitrahana àry ve isika, satria naharitra toy izany Andriamanitra?

Faly na dia voasedra aza

15. Inona no nanampy an’i Jesosy ho faly hatrany na dia nosedraina aza, ary inona no soa raisin’ny Kristianina ankehitriny rehefa manahaka azy?

15 Miana-javatra betsaka avy amin’ny fiainan’i Abrahama ny Kristianina ankehitriny. Tsy finoana ihany no nasehony, fa faharetana sy fahendrena sy herim-po ary fitiavana tsy mitady valiny koa. Napetrany teo amin’ny toerana voalohany tamin’ny fiainany ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy maintsy tadidintsika anefa fa i Jesosy Kristy no ohatra tsara indrindra ho antsika. Niatrika fisedrana sy fitsapana maro koa izy, nefa faly mandrakariva. Nahoana? Satria nifantoka tamin’ilay fanantenana ho avy izy. (Hebreo 12:2, 3) Noho izany, dia nivavaka toy izao i Paoly: “Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy.” (Romana 15:5) Hahita fifaliana isika na dia mety hosedrain’i Satana aza, raha tsara ny fomba fijerintsika zavatra.

16. Inona no azontsika atao rehefa toa be loatra ny zava-manahirana antsika?

16 Rehefa toa be loatra ny zava-manahirana anao, dia tadidio fa tia anao, toy ny nitiavany an’i Abrahama, i Jehovah. Tiany hahomby ianao. (Filipiana 1:6) Matokia tanteraka an’i Jehovah, ary minoa fa “tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo [izy]; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:13) Ataovy fahazarana ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. (Salamo 1:2) Mahareta amin’ny fivavahana, ka mangataha hery amin’i Jehovah mba hiaretana. (Filipiana 4:6) “Hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy” izy. (Lioka 11:13) Ampiasao tsara ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hanatanjahana anao ara-panahy, toy ny boky sy gazety ara-baiboly. Mangataha koa fanampiana amin’ny rahalahy. (1 Petera 2:17) Manatreha fivoriana tsy tapaka, satria any ianao no hahazo ny fampaherezana ilainao mba hiaretana. (Hebreo 10:24, 25) Mifalia amin’ny finoana fa hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ianao rehefa miaritra, ary hampifaly ny fony rehefa tsy mivadika!​—Ohabolana 27:11; Romana 5:3-5.

17. Nahoana ny Kristianina no tsy kivy?

17 Tia an’i Abrahama ‘sakaizany’ Andriamanitra. (Jakoba 2:23) Na izany aza, dia niatrika fisedrana sy fahoriana maro i Abrahama. Manampo izany koa ny Kristianina amin’izao andro farany feno faharatsiana izao. Mampitandrina antsika ny Baiboly fa “ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.” (2 Timoty 3:1, 13) Aza kivy, fa tadidio hoe ny fisedrana mahazo antsika dia porofo fa antomotra ny faran’ity tontolo ratsin’i Satana ity. Mampahatsiahy antsika anefa i Jesosy fa “izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13) ‘Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa’ àry! Manahafa an’i Abrahama, ary aoka ianao ho anisan’ireo “mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana.”​—Hebreo 6:12.

Nomarihinao Ve?

• Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no tokony hanampo fitsapana sy fahoriana?

• Inona no fanafihana mivantana mety hampiasain’i Satana?

• Ahoana no andaminana ny tsy fifankahazoan’ny samy Kristianina?

• Nahoana ny avonavona sy ny fitiavan-tena no mety hisedra?

• Inona no ohatra tsara navelan’i Abrahama raha ny amin’ny fiandrasana ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Tanora kristianina maro no voasedra satria esoin’ny namany

[Sary, pejy 29]

‘Teny lavitra teny’ ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra, tamin’ny andron’i Abrahama, nefa nampifantoka ny fiainany tamin’izy ireny izy