Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanazavana ao Amin’ny Tanànan’ny Fahazavana

Fanazavana ao Amin’ny Tanànan’ny Fahazavana

Fanazavana ao Amin’ny Tanànan’ny Fahazavana

Fluctuat nec mergitur, na “Nakipilipilin’ny onja izy nefa tsy rendrika” no teny filamatry ny tanànan’i Paris.

TOY ny sambo iray, dia niaritra fanafihana tsy hita isa nataon’ny vahiny sy fikomiana maro teo an-toerana i Paris tao anatin’ny 2 000 taona, mba tsy ho rendrika. Anisan’ny tanàna tsara indrindra eran-tany i Paris ankehitriny. Mampitolagaga ny rafi-tranony fatratra dia fatratra sy ny arabeny misy hazo mitandahatra ary ireo tranombakoka malaza eran-tany misy eo aminy. Misy mihevitra azy ho ambohipihaonan’ny poety sy mpanao hoso-doko ary filozofa. Ny hafa mankafy ny sakafony mafilotra ary miaiky ny amin’ireo mpanao zaitra mihaja eo aminy.

Araka ny tantara, dia natanjaka be ny Fivavahana Katolika tao Paris. Nanjary nantsoina hoe Tanànan’ny Fahazavana i Paris, 200 taona lasa izay, noho izy nanana anjara lehibe tamin’ilay hetsiky ny avara-pianarana eoropeanina fantatra tamin’ny hoe Taonjaton’ny Fahazavana. Na tsapan’ny ankamaroan’ny mponin’i Paris izany, na tsia, dia manan-kery kokoa eo amin’izy ireo ankehitriny ny filozofia tamin’izany fotoana izany noho ny fivavahana.

Tsy nanazava ny fiainan’ny olona araka ny nanantenana azy anefa ny fahendren’olombelona. Mitady fahazavana any an-toeran-kafa ny maro ankehitriny. ‘Niseho tahaka ny fanazavana’ tao Paris ny Vavolombelon’i Jehovah, efa hatramin’ny 90 taona eo ho eo izao. (Filipiana 2:15) Toy ny tantsambo kinga, dia tsy maintsy mahay miatrika foana ny fiovaovan’ny onjan’ny fiainana na ny fisehoan-javatra izy ireo mba hakana ny zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra.​—Hagay 2:7.

Tanàna ahitana zava-tsarotra

Nisy 600 000 ny mponina tao Paris tamin’ny 1850. Maherin’ny sivy tapitrisa izy io ankehitriny, tafiditra amin’izany ny faritra manodidina. Vokatr’izany, dia nanjary ny tanàna misy mponina samy hafa fiaviana indrindra any Frantsa, i Paris. Foibe eran-tanin’ny fianarana ambony izy, ary manana ny iray amin’ireo oniversite tranainy indrindra eran-tany, sady ahitana mpianatry ny oniversite 250 000 eo ho eo. Ny faritra sasany manodidina an’i Paris izay ahitana fitambaran-trano avo be, malaza amin’ny ditra sy ny tsy fisian’ny asa, no lafy ratsin’i Paris. Tena mila ny ho kinga sy mahay mampifanara-javatra mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahatonga ny vaovao tsara hanintona ny karazan’olona rehetra.​—1 Timoty 4:10.

Maherin’ny 20 tapitrisa ny mpizaha tany mitsidika an’i Paris, isan-taona. May erỳ izy ireo miakatra ny Tour Eiffel, mandehandeha eny amoron’ny ony Seine, na mipetrapetraka maharitra any amin’ny toerana fialana hetaheta sy bara eny amoron-dalana, sondriana amin’ilay rivo-piainana. Kanefa mety ho hazakaza-dava ny fiainana andavanandro ao Paris. “Mirotoroto foana ny olona”, hoy ny fanazavan’i Christian, mpanompo manontolo andro iray. “Lanaka izy ireo rehefa avy miasa.” Tsy mora ny miresaka amin’ny olona be atao toy izany.

Ny mahita olona any an-tranony anefa no anisan’ny olana lehibe indrindra ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Paris. Manana telefaonina eo am-bavahady ny trano sasany. Kanefa noho ny fitomboan’ny heloka bevava, dia matetika no misy fitaovana elektronika miaro ny fidirana ao amin’ireo trano fonenana, hany ka tsy azo idirana mihitsy izy ireo. Tsy isalasalana fa izany no anisan’ny antony tsy ahitana afa-tsy Vavolombelona 1 amin’ny olona 1 400, any amin’ny faritra sasany. Koa mihamitombo àry ny fitoriana an-telefaonina sy ny fanambarana tsy ara-potoana. Afaka ‘nampahazava ny fahazavany’ tamin’ny fomba hafa koa ve ny Vavolombelon’i Jehovah?​—Matio 5:16.

Betsaka ny fahafahana hanao fanambarana tsy ara-potoana sy ny toerana anaovana izany. Kivy erỳ ny fahitan’i Martine ny vehivavy iray nijoro niandry aotobisy. Vao maty ny zanakavavy tokan’ilay ramatoa. Nomen’i Martine bokikely miresaka ny amin’ny fanantenana mampionona momba ny fitsanganana amin’ny maty hita ao amin’ny Baiboly izy. Tsy nahita azy intsony izy avy eo nandritra ny volana vitsivitsy. Rehefa nihaona tamin’ilay ramatoa indray i Martine, dia afaka nanomboka fampianarana Baiboly taminy. Na dia nanohitra aza ny vadin’ilay vehivavy, dia tonga Vavolombelona izy.

Fanambarana tsy ara-potoana ahitam-bokatra

Anisan’ny ary fomba indrindra eran-tany ny fitateram-bahoakan’i Paris. Mitatitra mpandeha 5 000 000 isan’andro ilay fiarandalamby malaza mandeha ambanin’ny tany. Lazaina fa i Châtelet-Les-Halles, ilay gara foibe ambanin’ny tany ao Paris, no lehibe indrindra sy feno olona somebiseby indrindra eran-tany. Afaka mahita olona maro be ianao ao. Mandray fiarandalamby ambanin’ny tany i Alexandra rehefa mandeha miasa isan’andro. Indray andro izy dia niresaka tamin’ny tovolahy iray efa madiva ho fatin’ny kanseran’ny ra. Nomen’i Alexandra taratasy mivalona momba ny fampanantenana Paradisa izy. Niara-nidinika ny Baiboly isan’andro izy ireo tamin’io toerana io ihany sy tamin’ny ora nitovy nandritra ny iray volana sy tapany. Tsy tonga intsony ilay lehilahy indray andro. Taoriana kelin’izay, dia niantso an-telefaonina an’i Alexandra ny vadin’ilay lehilahy, mba ho tonga tany amin’ny hopitaly satria efa ho faty ny vadiny. Nampalahelo anefa fa tara loatra i Alexandra vao tonga. Rehefa maty ilay lehilahy, dia nifindra tany Bordeaux, any atsimoandrefana amin’i Frantsa, ny vadiny. Notsidihin’ny Vavolombelona teo an-toerana izy tany. Faly erỳ i Alexandra nahare herintaona tatỳ aoriana fa tonga Kristianina Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ilay vehivavy, izay manantena hahita ny vadiny hatsangana amin’ny maty!​—Jaona 5:28, 29.

Niresaka tamin’i Renata ny vehivavy kristianina zokiolona iray teny ambonin’ny fiarandalamby avy ao Paris ho any Limoges, any afovoan’ny Frantsa. Nianatra teolojia sy teny hebreo ary teny grika nandritra ny dimy taona i Renata tany Polonina, tany niaviany, saingy tsy nino an’Andriamanitra intsony izy. Nivavaka tamin’Andriamanitra izy, telo volana talohan’izay. Na dia tsy tena liana tamin’izay nolazain’ilay anabavy zokiolona aza i Renata, sady nieritreritra ny tsy hahita azy intsony, dia nomeny azy ihany ny nomerao telefaoniny. Nikiry anefa ilay anabavy ka nataony izay hisian’ny olona hitsidika an’i Renata taoriana kelin’izay. Nieritreritra toy izao i Renata rehefa nisy mpivady Vavolombelona nitsidika azy: ‘Inona koa no mba hampianarin’izy ireo ahy?’ Nanetry tena i Renata ka voasinton’ny fahamarinana ara-baiboly, na dia efa nianatra momba ny teolojia aza izy. “Tonga dia takatro fa io no fahamarinana”, hoy ny fanazavany. Faly izy ankehitriny milaza amin’ny hafa ny hafatry ny Baiboly.

Nianatra nitondra fiara i Michèle. Nanomboka niresaka momba ny firaisana alohan’ny fanambadiana ireo mpiara-mianatra taminy tao amin’ilay kilasy fianarana mitondra fiara. Nilaza ny tsy fankasitrahany i Michèle. Herinandro tatỳ aoriana, dia nanontany azy i Sylvie, ilay mpampianatra mitondra fiara, hoe: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?” Nampiaiky volana an’i Sylvie ny fomba fihevitr’i Michèle miorina amin’ny Baiboly. Natomboka ny fampianarana Baiboly, ary vita batisa i Sylvie, herintaona tatỳ aoriana.

Toerana tsara hiresahana amin’ny olona, ireo zaridainam-panjakana maro be ao Paris. Nanararaotra ny fotoana fiatoana i Josette mba handehanana tany amin’ny zaridainam-panjakana. Nitsangantsangana tao i Aline, vehivavy zokiolona iray, tamin’izay. Nohazavain’i Josette taminy ny fampanantenana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly. Nalamina ny fampianarana Baiboly, ary vetivety dia nandroso ho amin’ny batisa i Aline. Mpisava lalana maharitra tena mahita vokatra i Aline, izay 74 taona ankehitriny, ary faly milaza ny fahamarinana kristianina amin’ny hafa.

Fahazavana ho an’ny firenena rehetra

Tsy voatery handeha lavitra ny Vavolombelona ao Paris, mba hahitana kolontsaina maro isan-karazany. Efa ho 20 isan-jaton’ny mponina ao no vahiny. Misy fiangonana sy antoko-mpitory kristianina mampiasa fiteny 25 eo ho eo ao.

Mahomby matetika ny fananana talenta sy fahaiza-mamoron-javatra, amin’io fanendrena manokana hitory ny filazantsara io. Nanao ny olona iray fiaviana aminy ho faritaniny manokana ny Vavolombelona iray avy any Philippines. Afaka nanomboka fampianarana Baiboly be dia be izy rehefa niantsena, tamin’ny firesahana tamin’ireo olona avy any Philippines hitany tany amin’ny mpivarotra.

Tsy very maina ny fahasahiana hanombo-javatra rehefa mitory. Tamin’ny Desambra 1996, dia ren’ny Vavolombelona anisan’ny fiangonana iray miteny vahiny, fa hisy mpanao fampisehoana malaza eran-tany ho tonga ao amin’ilay tanàna. Nanapa-kevitra ny hihaona tamin’ireo mpilalao àry izy ireo. Indray hariva, taorian’ny fampisehoana, dia afaka niresaka tamin’ireo mpilalao nody tany amin’ny hotely fatoriana, izy ireo. Noho izany fahasahiana hanombo-javatra izany, dia Baiboly 28, boky kristianina 59 sy bokikely 131 ary gazety 290 no voapetraka. Rehefa tapitra ny roa tokom-bolana nipetrahan’izy ireo tao, dia nanontany ny iray tamin’ireo mpanao tsingolobatita hoe: “Ahoana no ahafahako ho tonga Vavolombelon’i Jehovah?” Ny hafa iray nilaza hoe: “Hitory aho rehefa any amin’ny taniko!”

Fahitana harena miafina

Na aiza na aiza jeren’ny mpitsidika an’i Paris, dia mahita ny hasarobidin’ireo rafi-trano mahafinaritra nisy hatramin’ny fahagola izy ireo. Mbola misy zava-tsarobidy kokoa mbola tokony ho hita anefa. Nankany Frantsa niaraka tamin’ny dadatoany diplaomaty, i Aniza. Namaky tsy tapaka ny Baiboly izy tany aminy. Maika be izy nivoaka ny trano indray andro, ka nomen’ny mpisava lalana iray ilay taratasy mivalona hoe Nahoana Ianao no Afaka Mitoky Amin’ny Baiboly. Nanao fotoana izy ireo ny herinandro nanaraka, ary natomboka ny fampianarana Baiboly. Nanohitra be ny fianakavian’i Aniza. Nandroso tamin’ny fianarany anefa izy, hatramin’ny batisa. Ahoana no fahitany ny tombontsoany milaza ny fahamarinana amin’ny hafa? “Sarotra tamiko ny nitory tamin’ny voalohany, satria saro-kenatra aho. Nandrisika ahy anefa ny famakiako Baiboly. Tsy afaka mipetra-potsiny aho.” Ny toe-tsaina toy izany dia mampiavaka ireo Vavolombelona maro ao Paris, izay ‘mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.’​—1 Korintiana 15:58.

Mamiratra koa ny fahamarinana ara-baiboly any amin’ireo tetik’asa fanorenana any ivelan’ny Paris, ka mampiharihary “vatosoa” hafa. Nandeha nindrana kasety tany amin’ny namany iray vao lasa Vavolombelon’i Jehovah i Bruce. Nahita io namany io niresaka Baiboly tamin’ny olom-pantany hafa i Bruce, ka nihaino ilay resaka. Nanaiky hianatra ny Baiboly izy nefa nisy olana. “Be dia be ny olona nahafantatra ahy tao amin’ilay faritra. Miady amin’olona foana ny zokiko lahy ary mpandamina lanonana nikotaba be aho. Ahoana hoy ny olona rehefa ho fantany hoe tonga Vavolombelona aho?” Na dia nisy olona nangataka foana an’i Bruce handamina lanonana aza, dia tsy nanao izany intsony izy. Nanomboka nitory izy, iray volana tatỳ aoriana: “Ta hahafantatra daholo ny olona tao amin’ilay toerana hoe nahoana aho no lasa Vavolombelona.” Vita batisa izy tsy ela taorian’izay. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanana tombontsoa hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana izy.

Mety hila ezaka be ny fitadiavana harena. Mahafaly erỳ anefa rehefa mody ventiny ny rano nantsakaina! Mpanao mofo tao Paris i Jacky sy i Bruno ary i Damien. “Tsy tratra an-trano mihitsy izahay satria niasa foana”, hoy ny fanazavan’i Jacky. Hitan’i Patrick, mpisava lalana maharitra, fa nisy efitrano kely tany amin’ny farany ambony amin’ny trano iray, koa nanatsoaka hevitra izy fa nisy olona nipetraka tao amin’ny iray amin’izy ireny, fara faharatsiny. Nisy vokany ihany tamin’ny farany ny fikirizany hahita ny olona nipetraka tao, indray tolakandro, rehefa nihaona tamin’i Jacky izy. Sendra nijanona an-trano i Jacky tamin’izay. Inona no vokany? Tonga Vavolombelona ireo mpinamana telo ireo ary afaka nahita asa hafa izay namela azy ireo handray anjara bebe kokoa amin’ny asan’Andriamanitra.

Fampitonena ny tafio-drivotra

Vao haingana, ny fampitam-baovao sasany tany Frantsa dia nampiseho ny Vavolombelon’i Jehovah ho toy ny sekta mampidi-doza. Tamin’ny 1996, dia nizara tamin-kafanam-po trakta maherin’ny sivy tapitrisa ny Vavolombelona. Nirakitra fanazavana manokana io trakta io, izay nitondra ny lohateny hoe Ny Tsara ho Fantatrao Momba ny Vavolombeloni Jehovah (frantsay). Tsara dia tsara ny vokany.

Niezahana manokana ny hanatratra ny rehetra. Manam-pahefana maro no nankasitraka ireo Vavolombelona. Nanoratra toy izao ny mpanolo-tsaina monisipaly iray: “Tsara ny nizaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ity trakta ity. Manitsy ny zava-misy izy ity.” Nilaza toy izao ny dokotera iray: “Efa ela no niandrasako an’izao!” Nanoratra toy izao ny lehilahy iray avy ao amin’ny faritr’i Paris: “Sendra namaky Ny Tsara ho Fantatrao Momba ny Vavolombeloni Jehovah aho. Ta hahalala bebe kokoa aho ary ta hahazo fampianarana Baiboly maimaim-poana atỳ an-tokantrano.” Hoy ny nosoratan’ny iray hafa: “Misaotra noho ny fahatsoranareo.” Hoy ny vehivavy katolika iray tamin’ireo Vavolombelona: “Hay! Nanohitra ireny lainga ireny ihany ianareo!”

Nahafaly manokana ireo tanora Vavolombelona tao amin’ny faritr’i Paris ilay fitoriana manokana nalamina tamin’ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora Katolika, tamin’ny 1997. Na dia nihoatra ny 35 degre aza ny hafanana, dia 2 500 teo ho eo ny Vavolombelona nandray anjara. Tao anatin’ny andro vitsivitsy monja, dia bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra 18 000 no voapetrak’izy ireo tamin’ny tanora avy tamin’ny vazan-tany efatra. Tsy vitan’ny hoe nanome fanambarana tsara momba ny anaran’i Jehovah sy namboly ny voan’ny fahamarinana fotsiny ilay ezaka manokana, fa nandrisika ireo tanora Vavolombelona koa. Hoy ny nosoratan’ny anabavy tanora iray, izay nanafohy ny vakansiny mba handraisana anjara feno tamin’ilay ezaka manokana: “Manana vahoaka falifaly eto an-tany i Jehovah, ary mampiasa ny heriny hiderana ny anarany izy io. Tsara noho ny vakansy rehetra eo amin’ny fiainana ireny roa andro tena feno sy nahafa-po ireny! (Salamo 84:10)”

Ny 28 Febroary 1998 no faha-65 taonan’ny namoahan’i Hitler didy niafara tamin’ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina. Tamin’io daty io, ny Vavolombelona tany Frantsa dia nanofa trano mba hampisehoana amin’ny besinimaro ilay vidéo hoe Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia (frantsay). Manome tsipiriany ny amin’ny fanenjehana niaretan’ny vahoakan’i Jehovah izy io. Maherin’ny fito tapitrisa ny fanasana nozaraina. Nisy mpahay tantara sy gadra tany amin’ny toby fitanana taloha nanao fanambarana nampihetsi-po. Efa ho 5 000 no nanatrika izany tao amin’ny faritr’i Paris, anisan’izany ny olona maro be tsy Vavolombelona.

Maro ao Paris no tena mankasitraka ny fahazavana ara-panahy. Faly izy ireo fa mamiratra tahaka ny fahazavana ny mpitory ilay Fanjakana. Nilaza izany toy izao i Jesosy: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy.” (Matio 9:38) Nahatonga an’i Paris ho Tanànan’ny Fahazavana amin’ny heviny manokana, ho fiderana an’i Jehovah, ny fahatapahan-kevitry ny Vavolombelon’i Jehovah handresy ny zava-tsarotra amin’ny fitoriana ao amin’ilay tanàna.

[Sary, pejy 9]

Lapan’ny Tanàna

[Sary, pejy 9]

Opéra Garnier

[Sary, pejy 9]

Tranombakok’i Louvre

[Sary, pejy 10]

Firesahana ny hafatry ny Baiboly amin’ny olona be atao, na aiza na aiza misy azy ireo