Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandresena Ara-pitsarana Tany Alemaina

Fandresena Ara-pitsarana Tany Alemaina

Fandresena Ara-pitsarana Tany Alemaina

NAHAZO fandresena izay midika ho fiovana lehibe tany amin’ny Fitsarana Federaly Momba ny Lalàm-panorenana, any Karlsruhe, ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina. Koa nanao fandrosoana lehibe àry ny Vavolombelona, ny amin’ilay fanekena nangatahin’izy ireo.

Efa 100 taona mahery izao no nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina. Tafavoaka velona izy ireo, rehefa niharam-panenjehana mafy avy tamin’ny fitondrana jadona roa tamin’ny taonjato faha-20, dia ny Nazia sy ny Kominista. Efa nekena ho ara-dalàna izao ny fikambanan’izy ireo, nefa nanomboka tamin’ny 1990, dia nataon’ny Vavolombelona izay hahazoany ireo tombontsoa omen’ny Fanjakana an’ireo fivavahana hafa. Nahazo rariny indroa tany amin’ny fitsarana izy ireo. Rehefa nofoanana anefa ilay didim-pitsarana tatỳ aoriana, dia nangataka fitsarana ambony tany amin’ny Fitsarana Federaly Momba ny Lalàm-panorenana izy ireo. Nivoaka tamin’ny 19 Desambra 2000 ny didim-pitsarana.

Niray hevitra ny mpitsara rehetra

Mpitsara fito no niara-namoaka ilay didim-pitsarana, ary samy nanome rariny ny Vavolombelona izy rehetra. Nofoanan’izy ireo ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Federaly Momba ny Raharaham-panjakana tamin’ny 1997. Nasainy handinika indray ny fangatahan’ny Vavolombelona io fitsarana io.

Nohararaotin’ny Fitsarana Federaly Momba ny Lalàm-panorenana ilay fahafahana mba hanazavana ny fifandraisana misy eo amin’ny Fanjakana sy ny fivavahana. Raha fintinina, dia “miankina amin’ny zavatra ataony, fa tsy amin’ny zavatra inoany” ny toerana tanan’ny fivavahana manoloana ny lalàna.

Nomarihin’ilay fitsarana koa fa, rehefa tsy mety miditra ao amin’ny raharahan’izao tontolo izao ny Vavolombelona, dia “tsy mandrodana ny fototry ny demokrasia” izy ireo ary “tsy ta hanolo ny demokrasia amin’ny karazam-pitondrana hafa.” Noho izany, rehefa mitaky ireny tombontsoa ireny ny Vavolombelona, dia tsy tokony hampiasaina ho antony handavana izany ny tsy fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fifidianana.​—Jaona 18:36; Romana 13:1.

Neken’ilay fitsarana koa fa mety ho ao anatin’ny adin-tsaina ny mpivavaka indraindray, na Vavolombelona izy na anisan’ny fivavahana hafa. Mitranga izany rehefa mifanipaka izay takin’ny Fanjakana sy izay takin’ny finoany. Mety hanaraka ny feon’ny fieritreretany àry ilay olona, ka “hankatò ny fitsipiky ny finoana mihoatra noho ny lalàm-panjakana.” Amin’izay, dia mety hoheverin’ny Fanjakana fa azo hamarinina sy ao anatin’ny faritry ny fahalalahana ara-pivavahana izany.​—Asan’ny Apostoly 5:29.

Lasa matoan-dahatsoratra an-gazety ilay didim-pitsarana. Saika nanao tatitra momba ilay raharaha avokoa ny gazety rehetra tany Alemaina. Nandefa tatitra na fanadinadinana avokoa ny televiziona sy ny radio lehibe rehetra. Hatramin’izay, dia mbola tsy nisy resa-be toy izany mihitsy momba ny anaran’i Jehovah, tany Alemaina.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

AP Photo/​Daniel Maurer