Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Naharitra hafiriana moa ny fijalian’i Joba?
Misy mihevitra fa naharitra an-taonany maro ny fisedrana an’i Joba. Tsy manondro fijaliana lava be toy izany anefa ny bokin’i Joba.
Nitranga tao anatin’ny fotoana fohy ireo fisedrana voalohany nahazo an’i Joba, izany hoe ny famoizany ireo mpianakaviny sy ny harenany. Izao no vakintsika: “Ary tamin’ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy.” Nahazo tatitra nisesisesy i Joba avy eo, hoe nafoiny avokoa ny ombiny, ny borikiny, ny ondry aman’osiny, ny ramevany, ary ireo mpanompo niandry ny bibiny. Toa taorian’izay avy hatrany no nandrenesan’i Joba ny nahafatesan’ny zanany lahy sy ny zanany vavy, izay “nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa.” Mety ho andro iray ihany no nitrangan’izany rehetra izany.—Joba 1:13-19.
Tsy maintsy ho naharitra kokoa ireo fisedrana nanaraka nahazo an’i Joba. Nanatona an’i Jehovah i Satana, ary niampanga hoe hivadika i Joba raha toa ka ny tenany mihitsy, izany hoe ny vatany, no iharan’ilay fahoriana. Nanjary voan’ny ‘vay ratsy àry i Joba, hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany.’ Mety ho elaela vao nihanaka nanerana ny vatany ilay aretina. Ary ela koa angamba vao henon’ireo mpampionona sandoka ny “fahoriana rehetra izay nanjo azy”, ka tamin’izay izy ireo vao nankany aminy.—Joba 2:3-11.
Avy tany Temana, tanin’i Edoma, i Elifaza, ary i Zofara avy tany avaratrandrefan’i Arabia. Noho izany, dia tsy lavitra an’i Joba tao Oza, izay angamba tany avaratr’i Arabia, ny tany niavian’izy ireo. I Bildada kosa anefa Sohita, avy tany Soaha, nonina teny amin’ny moron’i Eofrata niaraka tamin’ny mpiray foko taminy. Raha avy tany izy no niainga, dia mety ho herinandro maro, na amam-bolana vao nandre momba an’i Joba, ka tonga tany Oza. Mety ho tsy lavitra koa anefa no nisy azy telo lahy, fony niandoha ny fahorian’i Joba. Na ahoana na ahoana, dia tonga ireo namany, “ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ny tany hafitoan’andro sy hafitoan’alina”, tsy nifampiresaka.—Joba 2:12, 13
Nanaraka izany ireo fisedrana farany, izay mameno toko maro ao amin’ilay boky. Nanao adihevitra na kabary nisesisesy ireo mpampionona sandoka, ary namaly azy ireo i Joba. Rehefa vita izany, dia nananatra azy ireo ilay zatovolahy nantsoina hoe Eliho. I Jehovah kosa, avy tany an-danitra, nanome fanitsiana an’i Joba.—Joba 32:1-6; 38:1; 40:1-6; 42:1.
Araka izany, dia mety ho naharitra volana vitsivitsy, na herintaona latsaka, ny fijalian’i Joba sy ny niafaran’ilay izy. Araka ny mety ho efa niainanao, rehefa mandia fisedrana mafy ianao, dia toa tsy ho tapitra ilay izy. Kanefa tsy tokony hohadinointsika fa tsy maintsy hifarana izy ireny, toy ny an’i Joba. Na ela be toy inona aza ny faharetan’izy ireny, dia aoka hotadidintsika fa manohana antsika Andriamanitra. Izany no asehon’izao teny ara-tsindrimandry izao: “Ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay.” (2 Korintiana 4:17) Hoy koa ny apostoly Petera: “Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.”—1 Petera 5:10.