Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Finoana Tahaka ny An’i Abrahama!

Manàna Finoana Tahaka ny An’i Abrahama!

Manàna Finoana Tahaka ny An’i Abrahama!

“Izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama.”​—GALATIANA 3:7.

1. Inona no nataon’i Abrama mba hiatrehana ny fitsapana nahazo azy tany Kanana?

NANDAO ny fiainana nampiadana tany Ora i Abrama, ho fankatoavana ny didin’i Jehovah. Nanomana azy hiatrika ny fitsapana ny finoany tany Ejipta fotsiny ny zava-nanahirana natrehiny nandritra ireo taona nanaraka. Hoy ny Baiboly: “Ary nisy mosary teo amin’ny tany.” Ara-dalàna raha ho sosotra tamin’ny nanjo azy i Abrama! Tsy sosotra anefa izy, fa nikarakara izay nilain’ny fianakaviany kosa. “Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin’ny tany.” Tsy maintsy ho voamariky ny olona tany Ejipta ny fianakaviamben’i Abrama. Hanatanteraka ny fampanantenany ve i Jehovah, ka hiaro an’i Abrama?​—Genesisy 12:10; Eksodosy 16:2, 3.

2, 3. a) Nahoana no nafenin’i Abrama hoe vadiny i Saray? b) Ahoana no fomba nitondran’i Abrama ny vadiny, rehefa nandamina ilay zava-manahirana izy?

2 Hoy ny Genesisy 12:11-13: “Rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin’i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy hianao, ka raha hitan’ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa hianao kosa hovelominy. Masìna hianao, lazao fa anabaviko hianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka hianao no hamelomany ahy.” Mbola tsara tarehy be i Saray na dia efa 65 taona aza. Nety ho nahitan’i Abrama loza izany. * (Genesisy 12:4, 5; 17:17) Ny mbola zava-dehibe kokoa dia tafiditra tamin’izany ny fikasan’i Jehovah, satria nilaza izy fa amin’ny alalan’ny taranak’i Abrama no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. (Genesisy 12:2, 3, 7) Zava-dehibe mihitsy ny hahaveloman’i Abrama, satria mbola tsy nanan-janaka izy.

3 Niresaka tamin’i Saray momba ilay tetika efa nifaneken’izy mivady i Abrama: Holazain’i Saray fa mpianadahy izy ireo. Mariho fa i Abrama no loham-pianakaviana, nefa tsy nanampatra ny fahefany izy, fa nangataka an’i Saray mba hiara-miasa taminy sy hanohana azy kosa. (Genesisy 12:11-13; 20:13) Ohatra tsara ho an’ny lehilahy manambady i Abrama teo, satria nampihatra tamim-pitiavana ny fahefany. Ohatra tsara ho an’ny vehivavy manambady koa i Saray, satria nanaiky ny vadiny.​—Efesiana 5:23-28; Kolosiana 4:6.

4. Inona no tokony hataon’ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky rehefa tandindomin-doza ny ain’ny rahalahiny?

4 Tsy diso i Saray nilaza fa anabavin’i Abrama izy, satria tena iray ray izy mivady. (Genesisy 20:12) Tsy voatery nilaza zavatra iray tamin’ny olona tsy tokony hahafantatra izany koa i Abrama. (Matio 7:6) Manao ny marina araka ny andidian’ny Baiboly ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky ankehitriny. (Hebreo 13:18) Tsy handainga mihitsy, ohatra, izy ireo, rehefa mianiana eo amin’ny fitsarana. Kanefa, rehefa tandindomin-doza ny ain’ny rahalahiny na ny fahasalamana ara-panahin’izy ireo, toy ny rehefa misy fanenjehana na ady an-trano, dia manaraka izao torohevitr’i Jesosy izao izy ireo: “Hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.”​—Matio 10:16; jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 1 Novambra 1996, pejy faha-18, fehintsoratra faha-19.

5. Nahoana i Saray no nanao izay nangatahin’i Abrama taminy?

5 Nataon’i Saray ve izay nangatahin’i Abrama? “Nanantena an’Andriamanitra” ny vehivavy toa azy, hoy ny apostoly Petera. Noho izany, dia nazava tamin’i Saray ny raharaha ara-panahy tafiditra tamin’ilay izy. Tia sady nanaja ny vadiny koa i Saray. “Nanaiky ny vadiny” àry i Saray, ka nanafina fa vadin’i Abrama izy. (1 Petera 3:5) Mazava ho azy fa nety ho nahitany loza izany. “Rehefa tonga tany Egypta Abrama dia hitan’ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy. Ary nahita azy ny tandapan’i Farao ka nidera azy tamin’i Farao; dia nentina tao an-tranon’i Farao izy.”​—Genesisy 12:14, 15.

Ny famonjen’i Jehovah

6, 7. Inona no toe-javatra nahakivy natrehin’i Abrama sy Saray, ary ahoana no namonjen’i Jehovah an’i Saray?

6 Tsy maintsy ho nahakivy an’i Abrama sy Saray izany toe-javatra izany! Toa saika nisy nisavika i Saray. Nomen’i Farao zavatra betsaka koa i Abrama, satria tsy fantany fa izy no vadin’i Saray, hany ka “nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva” i Abrama. * (Genesisy 12:16) Tsy maintsy ho naharikoriko an’i Abrama ireny fanomezana ireny! Tsy nanary an’i Abrama anefa i Jehovah, na dia nety ho nahakivy aza ny tarehin-javatra.

7 “Dia nasian’i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin’i Saray, vadin’i Abrama.” (Genesisy 12:17) Tsy fantatra ny fomba nahalalan’i Farao ny antony nahatonga ireny “areti-mandoza” ireny, fa nanao zavatra avy hatrany izy: “Ary Farao dia nampaka an’i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy? Nahoana hianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana. Dia nomen’i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin’i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra ireo.”​—Genesisy 12:18-20; Salamo 105:14, 15.

8. Mampanantena ny hiaro ny Kristianina amin’ny inona i Jehovah ankehitriny?

8 Tsy mampanantena ny hiaro antsika amin’ny fahafatesana na ny heloka bevava na ny mosary na ny loza araka ny natiora, i Jehovah. Mampanantena kosa izy fa hiaro antsika foana amin’ireo zavatra mety hanimba ny fihavanantsika aminy. (Salamo 91:1-4) Ny fomba voalohany hanaovany izany dia ny fampitandremana ara-potoana, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina.” (Matio 24:45) Ary raha rahonana ho faty isika, rehefa enjehina? Na mety ho faty aza ny sasany, dia tsy havelan’Andriamanitra ho ripaka mihitsy ny vahoakany manontolo. (Salamo 116:15) Afaka matoky koa isika fa hatsangana amin’ny maty ny olona mahatoky, raha sanatria ka maty.​—Jaona 5:28, 29.

Nahafoy zavatra mba hitandrovana fihavanana

9. Inona no nampiseho fa tsy nijanona teo amin’ny toerana iray i Abrama, fony tany Kanana?

9 Toa efa nifarana ilay mosary tany Kanana, rehefa “niakatra niala tany Egypta [i Abrama], dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin’ny tany atsimo [tany tsy dia misy orana any atsimon’ny tendrombohitr’i Joda]. Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman-ondry sy volafotsy ary volamena.” (Genesisy 13:1, 2) Noho izany, dia nihevitra azy ho nanam-pahefana, na andrian-dehibe mahery, ny olona tao an-tanàna. (Genesisy 23:6) Tsy naniry hanorim-ponenana tao Kanana sy hitsabaka tamin’ny politikany i Abrama. “Nifindrafindra hatrany amin’ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan’ny lainy tamin’ny voalohany, teo anelanelan’i Betela sy Ay”, kosa izy. Napetrany teo amin’ny toerana voalohany foana ny fanompoana an’i Jehovah, na taiza na taiza nalehany.​—Genesisy 13:3, 4.

10. Inona no olana nipoitra teo amin’ny mpiandry ombin’i Abrama sy ny an’i Lota, ary nahoana no tsy maintsy nalamina haingana izany?

10 “Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin’i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay. Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy. Dia niady ny mpiandry ombin’i Abrama sy ny mpiandry ombin’i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.” (Genesisy 13:5-7) Tsy ampy ho an’ny ombin’i Abrama sy ny ombin’i Lota ny rano sy ny vilona tao amin’ilay tany. Nanjary nisy tsy fifankahazoana sy lonilony teo amin’ny mpiandry ombin’izy mirahalahy. Tsy tokony ho niadiady toy izany ny mpanompon’ilay Andriamanitra marina. Ho nisaraka tanteraka izy ireo, raha nitohy ilay fifamaliana. Ahoana àry no nandaminan’i Abrama ilay raharaha? Nitaiza an’i Lota toy ny zanany mihitsy angamba izy nony maty ny rain’i Lota. Tsy nanan-jo haka izay tsara indrindra ve i Abrama, satria izy no zokiny?

11, 12. Inona no safidy malalaka nomen’i Abrama an’i Lota, ary nahoana no tsy nampiseho fahendrena ny safidin’i Lota?

11 Nilaza tamin’i Lota anefa i Abrama hoe: “Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika. Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna hianao, aoka hisaraka amiko hianao; raha hianavaratra hianao, dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo hianao, dia hianavaratra kosa aho.” Tsy lavitra an’i Betela no misy “ny iray amin’ireo toerana fitazanana tsara indrindra any Palestina.” Avy teo angamba i Lota no “nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’i Jordana hatrany akaikin’i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ny nandravan’i Jehovah an’i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.”​—Genesisy 13:8-10.

12 Na dia milaza aza ny Baiboly fa “marina” i Lota, dia tsy navelany hifidy i Abrama, ary toa tsy nitady torohevitra tamin’io zokiolona io izy. (2 Petera 2:7) “Nofidin’i Lota ho azy ny tany rehetra amoron’i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy. Ary Abrama nonina tao amin’ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin’ny tany amoron’i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.” (Genesisy 13:11, 12) Nanankarena sady nampiadana i Sodoma. (Ezekiela 16:49, 50) Toa nampiseho fahendrena ny safidin’i Lota raha jerena amin’ny lafiny ara-nofo, nefa tsy toy izany izy io tamin’ny lafiny ara-panahy. Nahoana? Satria “ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’i Jehovah”, hoy ny Genesisy 13:13. Niteraka zava-nanahirana ho an’ny fianakaviany io safidin’i Lota io, tatỳ aoriana.

13. Inona no azon’ny Kristianina ianarana avy amin’ny ohatr’i Abrama, raha mety hiady noho ny resa-bola izy?

13 Nino anefa i Abrama fa homen’i Jehovah ny taranany ilay tany manontolo, araka ny nampanantenainy. Tsy niady mba hahazo tapany kely tamin’izy io izy. Nalala-tanana izy, ka nanaraka ilay fitsipika ao amin’ny 1 Korintiana 10:24, manao hoe: “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.” Fampahatsiahivana tsara ho an’izay rehetra mety hiady amin’ny mpiray finoana noho ny resa-bola izany. Tsy nanaraka ny torohevitra ao amin’ny Matio 18:15-17 ny sasany, fa nampiakatra ny rahalahiny teny amin’ny fitsarana. (1 Korintiana 6:1, 7) Asehon’ny ohatr’i Abrama fa aleo matiantoka toy izay hanala baraka ny anaran’i Jehovah na hanimba ny fihavanan’ny fiangonana kristianina.​—Jakoba 3:18.

14. Inona no valisoa azon’i Abrama noho izy nalala-tanana?

14 Novalian-tsoa i Abrama noho izy nalala-tanana. Hoy Andriamanitra: “Hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.” Nampahery an’i Abrama tokoa izany, satria mbola tsy nanan-janaka izy! Nandidy toy izao koa Andriamanitra: “Miaingà hianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin’ny lavany sy any amin’ny sakany; fa homeko anao izy.” (Genesisy 13:16, 17) Tsy nahazo nijanona tao amina tanàna nampiadana i Abrama. Tsy maintsy nisaraka tamin’ny Kananita izy. Tsy maintsy misaraka amin’izao tontolo izao koa ny Kristianina ankehitriny. Tsy mihevi-tena ho ambony noho ny hafa izy ireo, nefa tsy mifanerasera be amin’ny olona mety hitarika azy hanao zavatra mifanohitra amin’ny Soratra Masina koa.​—1 Petera 4:3, 4.

15. a) Inona no mety ho dikan’ireo fivezivezen’i Abrama? b) Inona no ohatra navelan’i Abrama ho an’ny fianakaviana kristianina ankehitriny?

15 Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nanan-jo hizaha ny tany iray ny olona izay ho tompony. Mety ho nasehon’ireo fivezivezen’i Abrama tao amin’io tany io àry fa ho tompon’izy io ny taranany indray andro any. Nankatò i Abrama, ka “nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’i Jehovah izy.” (Genesisy 13:18) Nasehon’i Abrama teto indray fa ny fanompoana no zava-dehibe indrindra taminy. Zava-dehibe indrindra amin’ny fianakavianao ve ny fianaram-pianakaviana sy ny fiaraha-mivavaka ary ny fanatrehana fivoriana?

Manafika ny fahavalo

16. a) Nahoana no manambara zava-dratsy ny teny fampidiran’ny Genesisy 14:1? b) Nahoana ireo mpanjaka efatra avy any atsinanana no nanafika?

16 “Ary tamin’ny andron’i Amrafela, mpanjakan’i Sinara, sy Arioka, mpanjakan’i Elasara, sy Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, * ary Tìdala, mpanjakan’ny Goima, dia nandeha izy ireo ka nanafika.” Amin’ny teny hebreo tany am-boalohany, dia manambara zava-dratsy ny teny fampidirana hoe “Ary tamin’ny andron’i” sady manondro fotoam-pisedrana miafara amin’ny fitahiana. (Genesisy 14:1, 2) Nanomboka ny fisedrana rehefa nanafika an’i Kanana ireo mpanjaka tatsinanana efatra ireo sy ny tafiny. Ny tanjony dia ny hampitsahatra ny fikomian’ny tanànan’i Sodoma, Gomora, Adma sy Zeboima ary Bela. Nandresy ireo mpanjaka efatra, ary “nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’i Sidima (dia ny Ranomasintsira izany).” Tsy lavitra teo no nisy an’i Lota sy ny fianakaviany.​—Genesisy 14:3-7.

17. Nahoana no voasedra ny finoan’i Abrama rehefa nalaina ho babo i Lota?

17 Niady mafy tamin’ny fahavalo ireo mpanjaka kananita dimy, nefa resy tanteraka. “Ary izy ireo [ny mpandresy] namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra, dia lasa nandeha. Ary namabo ny zana-drahalahin’i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin’ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.” Tsy ela dia tonga tany amin’i Abrama izany vaovao ratsy izany: “Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’i Abrama Hebreo, izay nonina teo an-kazo terebintan’i Mamre Amorita, rahalahin’i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’i Abrama. Ary ... nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny.” (Genesisy 14:8-14) Tena nitsapa ny finoana izany! Nitana lolom-po tamin’ny zana-drahalahiny ve i Abrama, satria naka ny tany tsara indrindra izy? Tadidio koa fa avy tany Sinara, tanindrazan’i Abrama, ireto mpanafika ireto. Tsy ho afaka nody tany an-tanindrazany intsony i Abrama, raha niady tamin’izy ireo. Ny tafika kananita rehetra nitambatra aza tsy naharesy an’io tafika io, koa inona no ho azon’i Abrama natao taminy?

18, 19. a) Ahoana no nahafahan’i Abrama namonjy an’i Lota? b) Avy amin’iza izany famonjena izany?

18 Natoky tanteraka an’i Jehovah indray i Abrama. “Nitondra ny ompikeliny valo ambin’ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika hatrany Dana. Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay eo avaratr’i Damaskosy. Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin’ny vehivavy sy ny vahoaka.” (Genesisy 14:14-16) Naneho finoana natanjaka an’i Jehovah i Abrama, ka nandresy ary namonjy an’i Lota sy ny fianakaviany, na dia vitsy kely noho ny an’ny fahavalo aza ny tafiny. Nifankahita tamin’i Melkizedeka mpanjaka sady mpisoron’i Salema i Abrama, taorian’izay. “Melkizedeka mpanjakan’i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra. Dia nitso-drano azy izy ka nanao hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao. Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.”​—Genesisy 14:18-20.

19 Jehovah tokoa no nandresy. Novonjen’i Jehovah indray i Abrama, satria nanam-pinoana. Tsy manao ady ara-bakiteny ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, nefa miatrika fitsapana sy zava-tsarotra maro tokoa. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa manampy antsika hiatrika tsara ireny fisedrana ireny ny ohatr’i Abrama.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Araka ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah), dia “milaza ny taratasy iray efa tonta fa nasain’ny Farao iray naka vehivavy iray tsara tarehy sy namono ny vadin’izy io, ny miaramilany.” Rariny àry raha natahotra i Abrama.

^ feh. 6 Anisan’ny andevo nomena an’i Abrama tamin’io fotoana io angamba i Hagara, izay lasa vaditsindranon’i Abrama.​—Genesisy 16:1.

^ feh. 16 Milaza ny sasany fa tsy nanan-kery toy izany tany Sinara i Elama, ary noforomporonina, hono, ilay fanafihan’i Kedorlaomera. Raha mila porofo ara-tsiansa manamarina ny tantara ao amin’ny Baiboly, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1989, pejy faha-4-7.

Nomarihinao Ve?

• Nahoana no nitsapa ny finoan’i Abrama ilay mosary tany Kanana?

• Inona no ohatra tsara navelan’i Abrama sy Saray ho an’ny lehilahy sy vehivavy manambady?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nandaminan’i Abrama ilay adin’ny mpiasany sy ny mpiasan’i Lota?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 22]

Tsy nanizingizina ny zony i Abrama fa nihevitra izay hahasoa an’i Lota aloha

[Sary, pejy 24]

Nitoky tamin’i Jehovah i Abrama rehefa namonjy an’i Lota zana-drahalahiny