Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mari-pankasitrahana Ambony Indrindra

Mari-pankasitrahana Ambony Indrindra

Mari-pankasitrahana Ambony Indrindra

IZANY no omen’ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Afrikanina sy Kongoley ho Amin’ny Fampandrosoana (AJOCAD) any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo “ho mari-pankasitrahana ny olona na fikambanana ara-tsosialy, noho ny nandraisany anjara niavaka tamin’ny fampandrosoana an[’i Congo].”

Nomena an’io mari-pankasitrahana io ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 17 Novambra 2000, noho “ny nandraisany anjara tamin’ny fampandrosoana ny Kongoley [tamin’ny alalan’ny] fanabeazana sy fampianarana ao anatin’ny bokiny.”

Hoy ny gazety Fanilo (frantsay) any Kinshasa, rehefa niresaka momba ilay mari-pankasitrahana: “Saika efa namaky ny gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, na boky hafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny Kongoley. [Miresaka] ny lafim-piainana rehetra ireo gazety ireo.” Nanambara koa ilay lahatsoratra fa manazava “ny fomba iatrehana zava-manahirana” ary manasongadina “ny hevitry ny fisehoan-javatra ankehitriny” ireo gazety ireo. “Sady tsy miresaka politika no tsy manavakavaka foko” ny nomerao tsirairay amin’ny Mifohaza! Ambonin’izany, dia “manome toky ny fampanantenan’ny Mpamorona tontolo hanjakan’ny fihavanana sy filaminana izay hisolo toerana ity tontolo ratsy sy mpandika lalàna ity” ireo boky ireo.

Nanamarika ny AJOCAD fa nitondra soa ho an’ny ankamaroan’ny vahoaka kongoley ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mandray soa avy amin’io hafatra mitondra fanantenana, izay avoaka amin’ny fiteny an-jatony maro io koa, ianao.

Vakio ny fanazavana eto ambany, raha ta handray soa avy amin’izany ianao.