Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanana Finoana Fakan-tahaka i Abrahama

Nanana Finoana Fakan-tahaka i Abrahama

Nanana Finoana Fakan-tahaka i Abrahama

“Rain’ny olona rehetra izay mino [i Abrahama].”​—ROMANA 4:11.

1, 2. a) Inona no ahatsiarovan’ny Kristianina marina an’i Abrahama ankehitriny? b) Nahoana i Abrahama no antsoina hoe “rain’ny olona rehetra izay mino”?

RAZAMBEN’NY firenena natanjaka iray izy, mpaminany sy mpandraharaha ary mpitarika. Ny finoany matanjaka anefa no tena ahatsiarovan’ny Kristianina azy ankehitriny, satria io toetrany io no nahatonga an’i Jehovah Andriamanitra hiantso azy hoe sakaizany. (Isaia 41:8; Jakoba 2:23) Abrahama no anarany, ary antsoin’ny Baiboly hoe “rain’ny olona rehetra izay mino” izy.​—Romana 4:11.

2 Tsy efa nisy lehilahy hafa naneho finoana ve talohan’i Abrahama, toa an-dry Abela sy i Enoka ary i Noa? Naneho finoana izy ireo, nefa tamin’i Abrahama no natao ilay fanekena mba hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. (Genesisy 22:18) Nanjary toy ny rain’izay rehetra mino ilay Taranaka nampanantenaina àry izy. (Galatiana 3:8, 9) Azo lazaina hoe raintsika i Abrahama, satria naneho finoana fakan-tahaka. Azo heverina ho fanehoana finoana ny fiainany manontolo, satria niatrika fitsapana sy fisedrana maro izy. Efa nanaporofo ny finoany koa i Abrahama, tao anatin’ny fisedrana kely maro, talohan’ilay fitsapam-pinoana lehibe indrindra natrehiny, izany hoe ilay didy hanao sorona an’i Isaka zanany. (Genesisy 22:1, 2) Handinika ny sasany tamin’ireny fitsapam-pinoana voalohany natrehiny ireny isika ary haka lesona avy amin’izany.

Ilay didy handao an’i Ora

3. Inona no lazain’ny Baiboly amintsika momba an’i Abrama?

3 Ao amin’ny Genesisy 11:26 ny Baiboly no miresaka voalohany momba an’i Abrama (Abrahama tatỳ aoriana). Izao no voalaza ao: “Rehefa fito-polo taona ny andro niainan’i Tera, dia niteraka an’i Abrama sy Nahora ary Harana izy.” Taranak’i Sema, izay natahotra an’Andriamanitra, i Abrama. (Genesisy 11:10-24) Milaza ny Genesisy 11:31 fa niara-niaina tamin’ny fianakaviany i Abrama, tao “Oran’ny Kaldeana.” Tany atsinanan’ny Ony Eofrata no nisy io tanàna nanankarena io taloha. * Araka izany, dia tsy zatra nipetraka tao anaty trano lay toy ny mpifindrafindra monina izy, satria mponina an-tanàn-dehibe nanankarena sy nampiadana. Nisy entana avy tany ivelany azo novidina tao an-tsenan’i Ora. Nisy trano fotsy maro be nilahatra nanaraka ny arabe. Samy nisy rano tao amin’ireo trano ireo ary nisy efitra 14 avy.

4. a) Inona no zava-tsarotra natrehin’ny mpanompon’ilay Andriamanitra marina tao Ora? b) Inona no nahatonga an’i Abrama hino an’i Jehovah?

4 Marina fa nampiadana tany Ora, nefa koa nisy zava-tsarotra lehibe ho an’ny mpanompon’ilay Andriamanitra marina. Nanjaka tao ny fanompoan-tsampy sy ny finoanoam-poana. Tempoly mijoalajoala iray manome voninahitra an’i Nana, andriamanitra volana, no trano nisongadina indrindra tao amin’io tanàna io. Tsy isalasalana fa nanery an’i Abrama hanaraka izany fivavahana ratsy izany ny hafa, mety ho ny havany mihitsy aza. Misy lovantsofina jiosy milaza fa mpanamboatra sampy i Tera, rain’i Abrama. (Josoa 24:2, 14, 15) Na izany na tsy izany, dia tsy nandray anjara tamin’ny fivavahan-diso nampikororosy i Abrama. Mbola velona i Sema razambeny ary tsy isalasalana fa nilaza tamin’i Abrama izay fantany momba ilay Andriamanitra marina izy. Noho izany, dia i Jehovah no ninoan’i Abrama, fa tsy i Nana!​—Galatiana 3:6.

Fitsapam-pinoana

5. Inona no didy sy fampanantenan’Andriamanitra ho an’i Abrama, fony izy mbola tany Ora?

5 Hotsapaina ny finoan’i Abrama. Niseho taminy Andriamanitra ary nandidy azy hoe: “Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.”​—Genesisy 12:1-3; Asan’ny Apostoly 7:2, 3.

6. Nahoana no lazaina fa tsy maintsy nanam-pinoana i Abrama matoa nandao an’i Ora?

6 Efa antitra i Abrama nefa tsy nanan-janaka. Ahoana no hahatongavany ho “firenena lehibe”? Ary aiza marina io tany nasaina nandehanany io? Mbola tsy nolazain’Andriamanitra taminy izany. Noho izany, dia tsy maintsy nanam-pinoana i Abrama, matoa nandao an’i Ora nanankarena sy nampiadana. Hoy ny boky Ny Fianakaviana sy ny Fitiavana ary ny Baiboly (anglisy) momba ny zava-nitranga fahiny: “Ny sazy mafy indrindra azo nampiharina tamin’ny olona iray nanao heloka lehibe dia ny fandroahana azy tsy ho anisan’ny fianakaviana intsony. ... Noho izany, dia tena niavaka ny fankatoavana tanteraka sy fitokiana an’Andriamanitra nasehon’i Abrahama, noho izy sahy nandao ny taniny sy ny ankohonany, araka ny didin’Andriamanitra.”

7. Inona no fitsapana mitovy amin’ny an’i Abrama mety hatrehin’ny Kristianina ankehitriny?

7 Mety hiatrika fitsapana toy izany koa ny Kristianina ankehitriny. Toa an’i Abrama, dia mety ho voatarika hametraka ny zavatra ara-nofo alohan’ny zavatra ara-panahy izy ireo. (1 Jaona 2:16) Mety hanohitra antsika ny havantsika tsy mpino, anisan’izany ny mpianakavy voaroaka, izay mety hitarika antsika hifanerasera amin’ny naman-dratsy. (Matio 10:34-36; 1 Korintiana 5:11-13; 15:33) Ohatra tsara ho antsika àry i Abrama. Ny fisakaizany tamin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra taminy, zava-dehibe noho ny fianakaviany mihitsy aza. Tsy fantany tsara ny fomba na ny fotoana na ny toerana hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany. Vonona ny hampifanaraka ny fiainany tamin’ireny fampanantenana ireny anefa izy, satria azony antoka fa ho tanteraka izy ireny. Tena mampirisika antsika hametraka ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika izany!​—Matio 6:33.

8. Inona no vokatry ny finoan’i Abrama tamin’ny havany, ary inona no ianaran’ny Kristianina avy amin’izany?

8 Ahoana kosa ny amin’ny havan’i Abrama akaiky? Tena nisy vokany tamin’izy ireo ny finoan’i Abrama, satria nankatò ny didin’Andriamanitra i Saray vadiny sy i Lota, zana-drahalahiny efa kamboty, ka nandao an’i Ora. Tatỳ aoriana, dia nandao an’i Ora i Nahora rahalahin’i Abrama sy ny sasany tamin’ny taranany, ka nanorim-ponenana sy nanompo an’i Jehovah tao Harana. (Genesisy 24:1-4, 10, 31; 27:43; 29:4, 5) Nanaraka an’i Abrama mihitsy aza i Tera rainy! Noho izany, dia lazain’ny Baiboly fa i Tera, loham-pianakaviana, no nitarika ilay dia ho any Kanana. (Genesisy 11:31) Mety hahomby koa ve isika raha mitory amin’ny havantsika, ka miezaka tsy hanafintohina azy rehefa manao izany?

9. Inona no fiomanana tsy maintsy nataon’i Abrama talohan’ilay dia, ary nahoana no nety ho nahafoy zavatra izy tamin’izany?

9 Betsaka ny zavatra tsy maintsy nataon’i Abrama talohan’ny nanaovany ilay dia. Tsy maintsy nivarotra tany sy entana izy, ary koa nividy lay sy rameva ary sakafo sy izay fitaovana nilaina. Nety ho matiantoka i Abrama tamin’izany fiomanana maimaika izany, nefa faly izy nankatò an’i Jehovah. Tsy maintsy ho nientam-po ny rehetra rehefa vita ny fiomanana, ka vonona ny hanainga teo ivelan’i Ora i Abrama sy ny mpiara-dia taminy! Nandeha nianavaratrandrefana nanaraka ny Ony Eofrata ireo mpandeha. Nanao dia 1 000 kilaometatra, nandritra ny herinandro maromaro izy ireo, vao tonga tao Harana, tanàna fijanonan’ny olona, any andrefan’i Mezopotamia.

10, 11. a) Nahoana i Abrama no nijanona vetivety tao Harana? b) Inona no fampaherezana azo omena ny Kristianina mikarakara ray aman-dreny be taona?

10 Azo inoana fa nijanona tao Harana i Abrama, noho ny fiahiany an’i Tera rainy efa be taona. (Levitikosy 19:32) Kristianina maro koa ankehitriny no mikarakara ny ray aman-dreniny be taona na marary, ary voatery manamboatra ny fiainany mihitsy aza ny sasany mba hanatanterahana izany. Afaka matoky izy ireo fa “ankasitrahan’Andriamanitra” ny sorona ataony amim-pitiavana.​—1 Timoty 5:4.

11 Nandeha ny fotoana. “Dimy amby roan-jato taona ny andro niainan’i Tera; dia maty tao Harana izy.” Tsy maintsy ho nalahelo i Abrama tamin’izay, nefa nanainga avy hatrany izy rehefa tapitra ny andro fisaonana. “Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy. Ary Abrama nitondra an’i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ny fananan’izy rehetra izay efa noharìny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ny tany Kanana izy.”​—Genesisy 11:32; 12:4, 5.

12. Inona no nataon’i Abrama fony izy tao Harana?

12 Tsara homarihina fa ‘nihary fananana’ i Abrama, tao Harana. Na dia namoy fananana sasany aza izy rehefa nandao an’i Ora, dia nanankarena izy rehefa niala tao Harana. Niharihary fa vokatry ny fitahian’Andriamanitra izany. (Mpitoriteny 5:18) Na dia tsy mampanantena ny hampanan-karena ny vahoakany rehetra aza i Jehovah, dia manatanteraka ny fampanantenany hanome izay ilain’ireo ‘nahafoy trano, rahalahy, na anabavy’ noho ilay Fanjakana. (Marka 10:29, 30) ‘Nahazo olona’, izany hoe mpiasa maro, koa i Abrama. Araka ny Baiboly sasany amin’ny teny aramianina, dia ‘nitaona ny hafa hanaraka ny finoany’ i Abrama. (Genesisy 18:19) Manosika anao hiresaka amin’ny mpifanila trano na ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminao ve ny finoanao? Tsy nanorim-ponenana tao Harana sy nanadino ny didin’Andriamanitra i Abrama, fa nampiasa tsara ny fotoanany kosa. Tapitra tamin’izay anefa ny fotoana nijanonany tao. “Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy.”​—Genesisy 12:4.

Tany ampitan’i Eofrata

13. Oviana i Abrama no nita ny Ony Eofrata, ary inona no hevitr’izany?

13 Tsy maintsy nandeha indray i Abrama. Nandao an’i Harana izy sy ny mpiara-dia taminy, ka nandeha tokony ho 90 kilaometatra niankandrefana. Mety ho niato kely teo amoron’i Eofrata, teo ampitan’ny tsenabe taloha tany Karkemisy, i Abrama. Teo no fiampitan’ny olona maro. * Oviana ry Abrama no nita io ony io? Asehon’ny Baiboly fa 430 taona talohan’ny andro nialan’ny Jiosy tany Ejipta tamin’ny 14 Nisana 1513 al.f.i. no nanaovany izany. Hoy ny Eksodosy 12:41: “Rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’izany andro izany indrindra no nivoahan’ny antokony rehetra izay an’i Jehovah tamin’ny tany Egypta.” Azo inoana àry fa nanomboka nanan-kery tamin’ny 14 Nisana 1943 al.f.i. ilay fanekena tamin’i Abrahama, rehefa nita an’i Eofrata izy.

14. a) Inona no hitan’i Abrama tamin’ny mason’ny finoana? b) Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny no mahazo tombontsoa kokoa noho i Abrama?

14 Nandao tanàna nanankarena i Abrama. Azony sary an-tsaina anefa ilay “tanàna misy fanorenana”, dia fitondram-panjakana marina hanjaka amin’ny olombelona. (Hebreo 11:10) Na dia vitsy aza ny zavatra fantatr’i Abrama, dia nihanazava taminy ireo lafiny lehibe tamin’ny fikasan’i Jehovah mba hanavotana ny olombelona voaozona ho faty. Manana tombontsoa isika, satria mahatakatra tsara kokoa ny fikasan’Andriamanitra noho i Abrama. (Ohabolana 4:18) Tena misy io “tanàna” na Fanjakana nantenain’i Abrama io ankehitriny, ary efa tafaorina tany an-danitra tamin’ny 1914. Tsy tokony hampiseho ny finoantsika sy fitokisantsika an’i Jehovah amin’ny asa àry ve isika?

Tao amin’ny Tany Nampanantenaina

15, 16. a) Nahoana i Abrama no tsy maintsy nanana herim-po mba hananganana alitara ho an’i Jehovah? b) Ahoana no ahafahan’ny Kristianina manahaka ny herim-pon’i Abrama?

15 Hoy ny Genesisy 12:5, 6: “Tonga tany amin’ny tany Kanana izy. Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema; dia tao an-kazo terebintan’i More.” Dimampolo kilaometatra any avaratr’i Jerosalema no misy an’i Sekema, ao amin’ny lohasaha lonaka nantsoina hoe “paradisan’ny tany masina.” “Ny Kananita [anefa] no tompon-tany tany Kanana fahizay.” Koa satria tena ratsy fitondran-tena ny Kananita, dia tsy maintsy niezaka mafy i Abrama mba hiarovana ny fianakaviany tsy hotaomin’izy ireo hanao ratsy.​—Eksodosy 34:11-16.

16 “Jehovah niseho [fanindroany] tamin’i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity.” Nahafaly tokoa izany! Mazava ho azy fa tsy maintsy nanam-pinoana i Abrama matoa faly tamin’ny zavatra tsy ho azony, fa ho azon’ny taranany. Na izany aza, dia “nanorina alitara teo izy ho an’i Jehovah Izay niseho taminy.” (Genesisy 12:7) Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Nampiseho izy fa naka ilay tanàna, rehefa nanorina ilay alitara, satria natoky ny fampanantenan’Andriamanitra hoe ho tompon’io tanàna io ny taranany.” Nampiseho herim-po koa izy rehefa nanorina ilay alitara. Tsy isalasalana fa nitovy tamin’ny alitara resahin’ny faneken’ny Lalàna tatỳ aoriana izy io, izany hoe vita tamina vato tsy voapaika. (Eksodosy 20:24, 25) Samy hafa tanteraka tamin’ny alitaran’ny Kananita izy io. Araka izany, dia sahin’i Abrama naseho tamin’ny besinimaro fa mpanompon’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina izy, hany ka mety ho nankahalaina na nahita loza mihitsy aza izy. Ary isika? Misy amintsika ve, indrindra fa ny tanora, tsy sahy mampahafantatra amin’ny mpifanila trano na ny mpiara-mianatra fa mpanompon’i Jehovah isika? Enga anie ny fahasahian’i Abrama ka hahatonga antsika rehetra hirehareha satria hoe mpanompon’i Jehovah isika!

17. Ahoana no nampisehoan’i Abrama fa mpitory ny anaran’Andriamanitra izy, ary mampahatsiahy inona ho an’ny Kristianina ankehitriny izany?

17 Napetrak’i Abrama teo amin’ny toerana voalohany foana ny fanompoana an’i Jehovah, na taiza na taiza nisy azy. “Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’i Jehovah izy ka niantso ny anaran’i Jehovah.” (Genesisy 12:8) Ny teny hebreo hoe “niantso ny anaran’i” dia midika koa hoe “manambara (mitory) ny anaran’i.” Tsy isalasalana fa sahy nanambara ny anaran’i Jehovah tamin’ny Kananita mpiara-monina taminy i Abrama. (Genesisy 14:22-24) Izany dia mampahatsiahy antsika ny adidintsika handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fitoriana mba hampahafantarana ny anaran’i Jehovah.​—Hebreo 13:15; Romana 10:10.

18. Nanao ahoana ny fifandraisan’i Abrama tamin’ny Kananita?

18 Tsy nijanona ela tany amin’ireo toerana ireo i Abrama. “Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin’ny tany atsimo”, dia ilay faritra tsy dia misy rano any atsimon’ireo tendrombohitr’i Joda. (Genesisy 12:9) “Nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany” i Abrama sy ny fianakaviany, rehefa nifindrafindra monina sy nampahafantatra tany amin’ny toerana rehetra nandehanany fa mpanompon’i Jehovah izy. (Hebreo 11:13) Tsy nifanerasera be tamin’ny mpanompo sampy niara-monina taminy, izy ireo. “Tsy naman’izao tontolo izao” koa ny Kristianina ankehitriny. (Jaona 17:16) Na dia tsara fanahy sy mahalala fomba amin’ny mpifanila trano sy ny mpiara-miasa amintsika aza isika, dia mitandrina koa mba tsy ho voatarika hanaraka ny fitondran-tenan’izao tontolo izao lavitra an’Andriamanitra.​—Efesiana 2:2, 3.

19. a) Nahoana no sarotra tamin’i Abrama sy i Saray ny nifindrafindra monina? b) Inona no zava-tsarotra niandry an’i Abrama?

19 Tadidio fa tsy mora tamin’i Abrama sy Saray mihitsy ny nifindrafindra monina. Ny vokatry ny fiompiany no nohaniny, fa tsy sakafo novidina tany amin’ny tsenaben’i Ora. Trano lay, fa tsy trano tsara tarehy no nipetrahany. (Hebreo 11:9) Be raharaha foana i Abrama; tsy maintsy nikarakara ny bibiny sy ny mpiasany izy. Tsy isalasalana fa nanao ny asa fanaon’ny vehivavy mpifindrafindra monina i Saray: Nanao koba sy mofo, nanao tenona, ary nanjaitra akanjo. (Genesisy 18:6, 7; 2 Mpanjaka 23:7; Ohabolana 31:19; Ezekiela 13:18) Efa nananontanona anefa ny fisedrana hafa. Hiatrika toe-javatra mety hampidi-doza ny ainy i Abrama sy ny fianakaviany! Hatanjaka tsara ve ny finoan’i Abrama mba hiatrehana izany zava-tsarotra izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Na dia 16 kilaometatra eo ho eo any atsinanan’ilay toerana nisy an’i Ora taloha aza i Eofrata ankehitriny, dia voaporofo fa nikoriana tany andrefan’i Ora io renirano io taloha. Koa tsy diso ny filazana hoe “avy tany an-dafin’ny Ony [Eofrata]” i Abrama.​—Josoa 24:3.

^ feh. 13 Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nandeha sambo kely i Assournasirpal II mpanjaka asyrianina, mba hitana an’i Eofrata tamin’ny toerana iray tsy lavitra an’i Karkemisy. Tsy lazain’ny Baiboly raha nita tamin’ny lakana koa ry Abrama na nirobo-drano.

Nomarihinao Ve?

• Nahoana i Abrama no nantsoina hoe “rain’ny olona rehetra izay mino”?

• Nahoana no tsy maintsy ho nanam-pinoana i Abrama matoa nandao an’i Oran’ny Kaldeana?

• Ahoana no nampisehoan’i Abrama fa napetrany teo amin’ny toerana voalohany ny fanompoana an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

DIAN’I ABRAMA

Ora

Harana

Karkemisy

KANANA

Ranomasina Lehibe

[Sary nahazoan-dalana]

Based on a map copyrighted by Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel

[Sary, pejy 15]

Tsy maintsy nanam-pinoana i Abrama matoa nandao ny fiainana nampiadana tao Ora

[Sary, pejy 18]

“Nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany” i Abrama sy ny fianakaviany rehefa nipetraka tao anaty trano lay