Tadidinao Ve?
Tadidinao Ve?
Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany amin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:
• Nahoana ireo fanontaniana ao amin’ny Joba toko faha-38 no mendrika hodinihina na dia amin’izao andro izao aza?
Nisarika ny saina ho amin’ny asa mahatalanjona maro Andriamanitra. Na dia ireo mpahay siansa amin’ny andro ankehitriny aza anefa, dia tsy mahazo azy ireny amin’ny an-tsipiriany. Anisan’izany ny hoe ahoana no ihazonan’ny hery misintona ny tany ho eo amin’ny lalany mihodidina ny masoandro, inona marina ny fahazavana, nahoana no misy karazana bohabohan’orampanala tsy hita isa, ahoana no iforonan’ny teten-dranonorana, sy ny angovo avoakan’ny tafio-drivotra arahin-kotroka.—15/4, pejy faha-4-11.
• Inona avy ny ohatra ao amin’ny Baiboly manampy antsika handresy ny fihetseham-po manimba?
Niatrika fotoam-pahakiviana na koa nanana fihetseham-po manimba hafa i Asafa, i Baroka, ary i Naomy. Mety hanampy antsika ny fitantarana ao amin’ny Baiboly ny amin’ny nandresen’izy ireo izany toe-javatra izany.—15/4, pejy faha-22-24.
• Ahoana no azo anampiana ireo vehivavy kristianina maty vady?
Azon’ireo namana atao ny manolotra fanampiana amin-katsaram-panahy sy mivantana. Mety ho afaka hanampy ara-bola na hanome zavatra ny mpianakavy na ny hafa, raha tena ilaina izany. Amin’ny maha namana be fitiavana, dia afaka mitondra fanampiana ara-panahy sy fampiononana ny Kristianina.—1/5, pejy faha-5-7.
• Nahoana no zava-dehibe ny hanambadiana “ao amin’ny Tompo” ihany, araka ny torohevitra ao amin’ny 1 Korintiana 7:39?
Hita fa matetika dia mampidi-doza ny fanambadiana tsy mpino. Ankoatra izany, dia raharaha mahakasika ny tsy fivadihana amin’i Jehovah ny fanarahana io torohevitr’Andriamanitra io. Tsy manameloka antsika ny fontsika, rehefa manaraka ny Tenin’Andriamanitra isika. (1 Jaona 3:21, 22)—15/5, pejy faha-20, 21.
• Koa satria i Jehovah no afaka mamela ny fahotantsika, nahoana ny Kristianina no miaiky ny fahotana lehibe amin’ireo anti-panahin’ny fiangonana?
Eny, famelan-keloka avy amin’i Jehovah tokoa no ilain’ny Kristianina nanao fahotana lehibe. (2 Samoela 12:13) Tsy misy hafa amin’ny nanampian’i Natana mpaminany an’i Davida anefa, dia toy izany koa, fa afaka manampy ireo mpanota mibebaka ireo anti-panahin’ny fiangonana. Ny fanatonana ireo anti-panahy dia mifanaraka amin’ny toromarika omena ao amin’ny Jakoba 5:14, 15.—1/6, pejy faha-31.
• Inona no mampiseho fa tokony hikarakara ny kamboty sy ny vehivavy maty vady sahirana isika?
Asehon’ny tantara fa nampiavaka ny fivavahana marina teo amin’ny Hebreo fahiny sy ny Kristianina tany am-boalohany ny fikarakarana toy izany. (Eksodosy 22:22, 23; Galatiana 2:9, 10; Jakoba 1:27) Nampidirin’ny apostoly Paoly ao amin ny Baiboly ny toromarika mazava ho an’ny Kristianina, mba hikarakara ny mpitondratena mahantra. (1 Timoty 5:3-16)—15/6, pejy faha-9-11.
• Inona no ilaina mba hananana fiainana sambatra sy misy zava-kendrena?
Tsy maintsy manolokolo sy mihazona fifandraisana tsara amin’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, isika. Fanampiana sarobidy mba hanaovantsika izany indrindra ny fianarana ny Baiboly.—1/7, pejy faha-4, 5.
• Manana fanahy tsy mety maty mbola velona aorian’ny fahafatesana ve ny olombelona?
Heverin’ny olona fa tsy mety maty ny fanahy. Tsy manaiky izany anefa ny Baiboly. Asehony fa miverina ho vovoka ny olona rehefa maty, ary tsy misy intsony. Mahay mamelona azy indray anefa Andriamanitra. Miankina aminy àry ny fanantenana fiainana ho avy, amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. (Mpitoriteny 12:7)—15/7, pejy faha-3-6.
• Taiza i Daniela fony nosedraina teo amin’ny lemak’i Dora ireo Hebreo telo lahy?
Tsy milaza izany ny Baiboly. Angamba tsy voatery nanatrika teo i Daniela noho izy nanana toerana ambony, na mety ho nirahina tany an-toeran-kafa izy. Azontsika antoka anefa fa tsy ho nanaiky hivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy.—1/8, pejy faha-31.