Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ahafahan’ny Fiadanan’i Kristy Manapaka ao Am-pontsika?

Ahoana no Ahafahan’ny Fiadanan’i Kristy Manapaka ao Am-pontsika?

Ahoana no Ahafahan’ny Fiadanan’i Kristy Manapaka ao Am-pontsika?

“Aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray.”​—KOLOSIANA 3:15.

1, 2. Amin’ny fomba ahoana no anapahan’ny “fiadanan’i Kristy” ao am-pon’ny Kristianina?

TSY be mpitia ny teny hoe fanapahana, noho izy io mahatonga ny olona hieritreritra fameperana sy fametsifetsena. Koa mety ho hitan’ny sasany ho tafahoatra àry ilay fampirisihan’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Kolosia hoe: “Aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy.” (Kolosiana 3:15) Fa angaha moa isika tsy afaka manao izay tiantsika hatao? Nahoana no tokony hisy zavatra na olona havela hanapaka ao am-pontsika?

2 Tsy nilaza tamin’ny Kolosianina mba hamoy ny safidiny malalaka akory i Paoly. Ny teny grika nadika hoe “hanapaka” ao amin’ny Kolosiana 3:15, dia mifandray amin’ny teny ilazana ny mpitsara, izay nanolotra ny loka tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena tamin’izany andro izany. Afaka nanao izay tiany ihany ireo mpifaninana, raha mbola tsy nandika koa ny fitsipi-dalao. Tamin’ny farany anefa, dia ilay mpitsara no nanapaka hoe iza no nanara-dalàna ka naharesy. Toy izany koa fa, afaka manao fanapahan-kevitra maro isika eo amin’ny fiainana. Eo am-panaovantsika izany anefa, dia ny fiadanan’i Kristy foana no tokony ho “mpitsara”, na ho “hery manapaka” ao am-pontsika, araka ny nandikan’i Edgar J. Goodspeed azy.

3. Inona no atao hoe “fiadanan’i Kristy”?

3 Inona no atao hoe “fiadanan’i Kristy”? Izy io dia ny filaminana sy ny fahatoniana anaty tsapantsika rehefa tonga mpianatr’i Jesosy isika, sy rehefa mahafantatra fa tia sy mankasitraka antsika i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, fony izy handao azy ireo: “Ny fiadanako no omeko anareo ... Aza malahelo na matahotra ny fonareo.” (Jaona 14:27) Efa ho 2 000 taona izao, no nanana io fiadanana io ny mpikambana voahosotra mahatoky anisan’ny tenan’i Kristy. Manana anjara amin’izany koa ankehitriny ny naman’izy ireo, dia ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16) Tokony ho hery manapaka ao am-pontsika io fiadanana io. Afaka manampy antsika tsy hipararetra noho ny tahotra na hanahy tafahoatra izy io, rehefa voasedra mafy isika. Andao hojerentsika ny fahamarinan’izany, rehefa sendra ny tsy rariny isika sy rehefa tototry ny fanahiana ary rehefa mihevi-tena ho tsy mendrika.

Rehefa sendra ny tsy rariny isika

4. a) Ahoana no nahalalan’i Jesosy ny atao hoe tsy rariny? b) Inona no nataon’ny Kristianina rehefa niharan’ny tsy rariny izy ireo?

4 Hoy i Solomona Mpanjaka: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” (Mpitoriteny 8:9) Fantatr’i Jesosy fa marina ireo teny ireo. Hitany ny tsy rariny nahatsiravina nifanaovan’ny olombelona, fony izy tany an-danitra. Ary teto an-tany, dia ny tenany mihitsy no niharan-javatra faran’izay tsy rariny, rehefa nampangaina ho niteny ratsy an’Andriamanitra sy novonoina toy ny mpanao heloka bevava izy, izay tsy nanana ota akory. (Matio 26:63-66; Marka 15:27) Mbola miely patrana ny tsy rariny ankehitriny, ary mizaka ny tsy eran’ny aina ny Kristianina marina, izay “halan’ny firenena rehetra.” (Matio 24:9) Niaritra zavatra nampihoron-koditra izy ireo tany amin’ny toby famonoana nazia sy ny toby fanaovana asa an-tery vozona sovietika. Niharan’ny herisetram-bahoaka romotra sy ny fiampangana lainga ary ny fanosoram-potaka koa izy ireo. Na izany aza anefa, dia nampiorina mafy azy ireo hatrany ny fiadanan’i Kristy. Nanahaka an’i Jesosy izy ireo. Izao no vakintsika momba azy: “Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina.”​—1 Petera 2:23.

5. Rehefa rentsika fa toa misy tsy rariny ao amin’ny fiangonana, inona no tokony hodinihintsika aloha?

5 Mety hiseho amin-javatra madinika kokoa ny tsy rariny. Mety hihevitra isika fa niharan’ny tsy rariny ny olona iray tao amin’ny fiangonana kristianina. Amin’izay isika dia mety hitovy fihetseham-po amin’i Paoly, izay nilaza hoe: “Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?” (2 Korintiana 11:29) Inona no azontsika atao? Tokony hanontany tena isika hoe ‘Tena tsy rariny ve ilay izy?’ Matetika no tsy fantatsika ilay raharaha manontolo. Mety hisafoaka isika rehefa avy nandre izay nolazain’ny olona iray mihambo ho mahafantatra tsara ilay raharaha. Mitombina ilay lazain’ny Baiboly hoe: “Ny kely saina mino ny teny rehetra.” (Ohabolana 14:15) Koa mila mitandrina isika.

6. Inona no azontsika atao raha heverintsika fa misy tsy rariny ao amin’ny fiangonana?

6 Aoka anefa hatao hoe isika mihitsy no heverintsika fa niharan’ny tsy rariny. Ahoana no ho fihetsiky ny olona iray manana ny fiadanan’i Kristy ao am-pony? Ilaintsika angamba ny hiresaka amin’ilay olona heverintsika fa diso tamintsika. Rehefa izany, nahoana raha apetraka amin’i Jehovah amim-bavaka ilay raharaha ary matoky fa hataony izay hivoahan’ny rariny, toy izay hiresaka ilay izy amin’ny olona rehetra? (Salamo 9:10; Ohabolana 3:5) Azo inoana mihitsy aza fa raha nanao izany isika, dia ho vonona handamina ilay raharaha ao am-pontsika ary ‘hangina.’ (Salamo 4:4) Hihatra amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra ilay fananaran’i Paoly hoe: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.”​—Kolosiana 3:13.

7. Inona foana no tokony hotadidintsika rehefa mifampiraharaha amin’ny rahalahintsika isika?

7 Na inona na inona ataontsika anefa, dia mila mitadidy isika fa na dia tsy azontsika fehezina aza izay mitranga, dia azontsika fehezina kosa ny fihetseham-pontsika. Marina fa manimba ny fiadanantsika ny tsy rariny, kanefa mety ho ratsy kokoa noho izany ny vokatry ny fihetsika tafahoatra manoloana izay heverina fa tsy rariny. (Ohabolana 18:14) Mety ho tafintohina mihitsy aza isika ka tsy hiaraka amin’ny fiangonana intsony raha tsy rehefa heverintsika fa nivoaka ny rariny. Nanoratra ny mpanao salamo fa “tsy misy mahatafintohina” ireo tia ny lalàn’i Jehovah. (Salamo 119:165) Ny zava-misy dia hoe iharan’ny tsy rariny ny rehetra tsindraindray. Aza avela hanakantsakana ny fanompoanao an’i Jehovah mihitsy ny zavatra mampalahelo toy izany. Aoka kosa ny fiadanan’i Kristy no hanapaka ao am-ponao.

Rehefa tototry ny fanahiana

8. Inona avy no zavatra sasany miteraka fanahiana, ary inona no mety ho vokatr’izy io?

8 Tena anisan’ny fiainana ny fanahiana amin’izao andro farany izao. (2 Timoty 3:1) Marina fa nilaza i Jesosy hoe: “Aza manahy ny amin’ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo, izay hotafinareo.” (Lioka 12:22) Kanefa tsy ny zavatra ilain’ny vatana ihany akory no mampanahy. “Ory dia ory” i Lota noho ny fahambanian-toetra tao Sodoma. (2 Petera 2:7) Tototry ny ‘fanahiana momba ny fiangonana rehetra’ i Paoly. (2 Korintiana 11:28) Fadiranovana mafy i Jesosy ny alina talohan’ny nahafatesany, hany ka ‘tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany ny dininy.’ (Lioka 22:44) Mazava àry fa tsy midika ho fahalemen’ny finoana akory ny fanahiana rehetra. Na inona na inona miteraka ilay fanahiana anefa, dia mety tsy hahatsapa fiadanana intsony isika raha mafy be sy maharitra izy io. Resin’ny fanahiana ny sasany, ka mihevitra fa tsy afaka miantsoroka ny andraikiny eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah intsony. Hoy ny Baiboly: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy.” (Ohabolana 12:25) Inona àry no azontsika atao raha ianjadian’ny fanahiana isika?

9. Inona no fepetra azo ampiharina sasany azo raisina mba hanamaivanana ny fanahiana, kanefa antony miteraka fanahiana inona avy no tsy azo ialana?

9 Mety ho afaka handray fepetra azo ampiharina isika indraindray. Raha aretina no miteraka ilay fanahiana, dia ho fahendrena ny hijerena izany akaiky, na dia raharahan’ny tena manokana aza izany. * (Matio 9:12) Raha be andraikitra loatra isika, dia mety ho azo atao ny hanankina ny sasany amin’ny hafa. (Eksodosy 18:13-23) Ahoana kosa anefa ny amin’ireo olona, toy ny ray aman-dreny, izay manana andraikitra mavesatra nefa tsy afaka manankina azy ireny amin’ny hafa? Ahoana ny amin’ny Kristianina manana vady manohitra? Ahoana ny amin’ny fianakaviana faran’izay sahirana ara-bola na miaina any amin’ny tany miady? Mazava fa tsy azontsika foanana daholo ny antony rehetra miteraka fanahiana eto amin’ity tontolo ity. Azontsika atao anefa ny mihazona ny fiadanan’i Kristy ao am-pontsika. Amin’ny fomba ahoana?

10. Inona ireo fomba roa azon’ny Kristianina anamaivanana fanahiana?

10 Mitady fampiononana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no fomba iray. Hoy ny nosoratan’i Davida Mpanjaka: “Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.” (Salamo 94:19) Hita ao amin’ny Baiboly ‘ny fampiononan’i Jehovah.’ Hanampy mba hihazonana ny fiadanan’i Kristy ao am-pontsika ny fandinihana tsy tapaka io Boky ara-tsindrimandry io. Hoy ny Baiboly: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22) Hoy koa ny nosoratan’i Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7) Hanampy antsika hihazona ny fiadanantsika ny vavaka amin-kafanam-po tsy tapaka.

11. a) Amin’ny ahoana i Jesosy no ohatra tsara raha ny amin’ny vavaka? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny vavaka?

11 Ohatra tsara dia tsara tamin’io lafiny io i Jesosy. Nivavaka tamin-dRainy tany an-danitra nandritra ny ora maro izy indraindray. (Matio 14:23; Lioka 6:12) Nanampy azy hiaritra fisedrana faran’izay mafy ny vavaka. Ory dia ory mafy izy ny alina talohan’ny nahafatesany. Koa inona no nataony? “Nivavaka mafimafy kokoa” izy. (Lioka 22:44) Eny, olona tia vavaka ilay Zanak’Andriamanitra lavorary. Koa vao mainka àry tokony ho zatra mivavaka ny mpanara-dia azy tsy lavorary! Nampianatra ny mpianany mba ‘hivavaka mandrakariva ka tsy ho reraka’ i Jesosy. (Lioka 18:1) Tena resaka iankinan’ny aina amin’Ilay mahalala antsika bebe kokoa noho ny tenantsika, ny vavaka. (Salamo 103:14) Raha tena mihazona ny fiadanan’i Kristy ao am-pontsika isika, dia ‘tsy hitsahatra ny hivavaka.’​—1 Tesaloniana 5:17.

Fifehezana ireo zavatra mametra ny vitantsika

12. Inona avy no antony mahatonga ny sasany hihevitra fa tsy mendrika ny fanompoany?

12 Sarobidy amin’i Jehovah ny mpanompony tsirairay. (Hagay 2:7) Sarotra ekena anefa izany ho an’ny maro. Mety hisy ho kivy noho ny fandrosoan’ny taona, na ny andraikitra ara-pianakaviana mihamitombo, na ny fahasalamana miharatsy. Mety hihevi-tena ho latsa-danja ny hafa satria nijaly nandritra ny fahazazany. Ny hafa kosa mety ho sahiran-tsaina noho ny fahadisoany tamin’ny lasa, ka tsy matoky hoe afaka hamela azy i Jehovah. (Salamo 51:3) Inona no azo atao amin’ny fihetseham-po toy izany?

13. Inona no fampiononan’ny Baiboly an’ireo mihevi-tena ho tsy mendrika?

13 Hanome toky antsika ny amin’ny fitiavan’i Jehovah, ny fiadanan’i Kristy. Afaka mamerina io fiadanana io ao am-pontsika isika raha misaintsaina fa tsy nilaza mihitsy i Jesosy hoe miankina amin’ny fampitahana ny zavatra ataontsika amin’izay ataon’ny hafa, ny hasarobidintsika. (Matio 25:14, 15; Marka 12:41-44) Ny tsy fivadihana no tena nohamafisiny. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13) Nataon’ny olona “tsinontsinona” i Jesosy, nefa tsy nisalasala mihitsy izy fa tia azy ny Rainy. (Isaia 53:3; Jaona 10:17) Nilaza tamin’ny mpianany izy fa tiana koa izy ireo. (Jaona 14:21) Nanantitrantitra izany toy izao i Jesosy: “Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Matio 10:29-31) Tena manome toky ny amin’ny fitiavan’i Jehovah tokoa izany!

14. Inona no toky ananantsika fa sarobidy amin’i Jehovah isika tsirairay?

14 Hoy koa i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:44) Tsy maintsy irin’i Jehovah ho voavonjy isika matoa notaominy hanaraka an’i Jesosy. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ireny madinika ireny.” (Matio 18:14) Koa afaka mifaly amin’ny asa tsara ataonao àry ianao raha manompo amin’ny fonao manontolo. (Galatiana 6:4) Raha manahiran-tsaina anao ny fahadisoanao tamin’ny lasa, dia matokia fa “hamela heloka dia hamela heloka” ny olona tena mibebaka tokoa, i Jehovah. (Isaia 43:25; 55:7) Raha kivy ianao noho ny antony hafa, dia tadidio fa “akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.”​—Salamo 34:18.

15. a) Ahoana no iezahan’i Satana hanala amintsika ny fiadanantsika? b) Matoky isika fa manao ahoana i Jehovah?

15 Ny hanala aminao ny fiadananao no zavatra irin’i Satana indrindra. Izy no niavian’ilay fahotana nolovantsika sy iadiantsika rehetra. (Romana 7:21-24) Azo antoka fa iriny ny hiheveranao fa tsy eken’Andriamanitra ny fanompoanao, satria tsy lavorary ianao. Aza avela hanakivy anao mihitsy ny Devoly! Fantaro ny teti-dratsiny ary aoka izany hahatonga anao ho tapa-kevitra ny hiaritra. (2 Korintiana 2:11; Efesiana 6:11-13) Tadidio fa “Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.” (1 Jaona 3:20) Tsy ny fahadisoantsika ihany ho hitan’i Jehovah fa ny antony manosika sy ny fikasantsika koa. Aoka hampionona anao àry ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Jehovah tsy mba hanary ny olony, ary ny lovany tsy hafoiny.”​—Salamo 94:14.

Tafaray ao amin’ny fiadanan’i Kristy

16. Amin’ny heviny ahoana no hoe tsy irery isika rehefa miezaka mafy ny hiaritra?

16 Nanoratra i Paoly fa tokony havelantsika hanapaka ao am-pontsika ny fiadanan’i Kristy satria ‘amin’izany no niantsoana antsika ho tena iray.’ Nantsoina mba ho anisan’ny tenan’i Kristy ny Kristianina voahosotra nanoratan’i Paoly, toy ny sisa amin’ny voahosotra ankehitriny. Tafaray amin’izy ireo ho “andiany iray” ny “ondry hafa” naman’izy ireo, eo ambanin’ny fitarihan’ny ‘Mpiandry iray ihany’, dia i Jesosy Kristy. (Jaona 10:16) Miara-mamela ny fiadanan’i Kristy hanapaka ao am-pony ireo olona an-tapitrisany maro anisan’io “andiany” io. Manampy antsika hiaritra ny fahafantarana fa tsy irery isika. Hoy ny nosoratan’i Petera: “Tohero [Satana], ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.”​—1 Petera 5:9.

17. Inona no mandrisika antsika hamela ny fiadanan’i Kristy hanapaka ao am-pontsika?

17 Koa aoka àry isika rehetra hanohy hiezaka hanana fiadanana, izay vokatry ny fanahy masina anisan’ny tena lehibe. (Galatiana 5:22, 23) Amin’ny farany dia hahazo fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany, izay hitoeran’ny fahamarinana, ireo hitan’i Jehovah fa tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana. (2 Petera 3:13, 14) Tsy misy isalasalana intsony fa tokony hamela ny fiadanan’i Kristy hanapaka ao am-pontsika isika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Indraindray, dia ny tsy fahasalamana, toy ny fahakiviana efa zary aretina, no mety hiteraka na hampitombo ny fanahiana.

Tadidinao Ve?

• Inona no atao hoe fiadanan’i Kristy?

• Ahoana no ahafahan’ny fiadanan’i Kristy manapaka ao am-pontsika rehefa sendra ny tsy rariny isika?

• Ahoana no anampian’ny fiadanan’i Kristy antsika hiatrika fanahiana?

• Ahoana no ampiononan’ny fiadanan’i Kristy antsika rehefa mihevi-tena ho tsy mendrika isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Niantehitra tamin’i Jehovah i Jesosy nanoloana ny mpiampanga azy

[Sary, pejy 16]

Toy ny tambitambin’ny ray be fitiavana, dia afaka mampitony ny fanahiantsika ny fampiononan’i Jehovah

[Sary, pejy 18]

Sarobidy amin’Andriamanitra ny fiaretana