Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amboadia Izahay Taloha, fa Ondry Izahay Izao!

Amboadia Izahay Taloha, fa Ondry Izahay Izao!

Amboadia Izahay Taloha, fa Ondry Izahay Izao!

Iray tanàna izahay sy i Sakina fony izahay mbola kely. Vaventy sy natanjaka i Sakina, fa izaho kosa sady fohy no nahia. Nifamaly matetika izahay, fa indray andro dia niady be mihitsy. Tsy nifampiresaka na nifampiarahaba intsony izahay nanomboka tamin’io andro io. Samy nifindra trano izahay avy eo, ary tsy nifankahita intsony.

Nanomboka nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny 1994, ary niova tsikelikely ny toetrako. Efa-taona tatỳ aoriana, dia talanjona aho nahita an’i Sakina tany amin’ny fivoriambe manokana tao Bujumbura, any Burundi. Faly aho nahita azy, nefa somary nangatsiaka ny fifampiarahabanay. Rehefa avy eo, dia saika tsy nino aho nahita azy nandeha hatao batisa! Niova tanteraka koa izy. Tsy ilay olona tia ady sy nifamaly matetika tamiko intsony. Nahafinaritra erỳ ny nahita azy nampiseho ny fanoloran-tenany tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano!

Rehefa nivoaka avy tao anaty rano izy, dia namihina azy haingana aho ary nibitsibitsika taminy hoe: “Tadidinao ve isika niady ireny?” “Tadidiko”, hoy izy, “nefa efa lasa izany. Olom-baovao aho izao.”

Samy faly izahay nahita ny fahamarinana ara-baiboly izay mampiray saina. Faly koa izahay satria niova, ka tsy manana toetran’amboadia intsony, fa toetran’ny ondrin’i Jehovah, ilay Mpiandry Ondry Lehibe. Manova ny fiainan’ny olona tokoa ny fahamarinana ara-baiboly.