Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mankasitraka mba ho Sambatra

Mahaiza Mankasitraka mba ho Sambatra

Mahaiza Mankasitraka mba ho Sambatra

“MAMPIAVAKA ny olombelona ny fahatsapana sy ny fanehoana fankasitrahana”, hoy ny gazety kanadianina iray. Nilaza izy io fa nasain’ny mpampianatra nanoratra momba ny zavatra rehetra nankasitrahany ny ankizy sivy taona sasany tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra iray. Nilaza ny iray taminy fa velom-pankasitrahana noho ny fianakaviany izy, ‘noho ny fikarakarany azy.’ Toy izany koa ny ankizivavy iray, izay nanao hoe: “Miaro ahy sy manao izay hahasalama ahy izy ireo, sady mikarakara ahy sy tia ahy ary mamelona ahy. Raha tsy noho i Dada sy i Neny dia tsy ho nisy akory aho.”

Manjary tsy faly lava ny olona tsy mahay mankasitraka. Hoy ilay filozofa sady teolojianina atao hoe J. Packer: “Natao hiankina amin’Andriamanitra sy amin’olon-kafa isika.” Izany dia mifandray amin’ilay torohevitra feno fahendren’ny Baiboly, nosoratana taonjato maro lasa izay, manao hoe: “Aoka ho feno fisaorana hianareo.” (Kolosiana 3:15) Ny teny fisaorana sy fankasitrahana amim-pahatsorana dia mahatonga antsika hifampiahy sy hifanampy.

Ankoatra izany, raha mankasitraka ny hafa isika, dia mampiseho koa fa velom-pankasitrahana an’i Jehovah, ary manamarika izany izy. Hoy ny Baiboly: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (2 Tantara 16:9) Manome toky antsika Andriamanitra fa tadidiny sady ankamaminy ny fitiavantsika ny anarany. (Hebreo 6:10) Eny tokoa, manana antony tsara hahaizana mankasitraka isika, satria mampifaly an’i Jehovah sy mampitombo ny fahasambarantsika io toetra tsara io, rehefa asehontsika isan’andro. Hoy ny Ohabolana 15:13: “Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy.”