Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamiratra eto Moyen-Orient ny Fahazavana Ara-panahy

Mamiratra eto Moyen-Orient ny Fahazavana Ara-panahy

Tantaram-piainana

Mamiratra eto Moyen-Orient ny Fahazavana Ara-panahy

NOTANTARAIN’I NAJIB SALEM

Avy teto Moyen-Orient no namirapiratan’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ka nielezany hatrany amin’ny faran’ny tany. Nandritra ny taonjato faha-20, dia niverina indray izany fahazavana izany mba hanazava ity faritra amin’ny tany ity. Mamelà ahy hilaza aminareo ny fomba nitrangan’izany.

TERAKA tao amin’ny tanànan’i Amioun, atỳ amin’ny faritra avaratr’i Liban aho, tamin’ny 1913. Io no taona farany nilamindamina teto amin’izao tontolo izao, satria nipoaka ny Ady Lehibe I, herintaona taorian’izay. Rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1918, dia tena nikororosy be ny toe-karena sy ny politika teto Liban, ilay nalaza ho vatosoan’i Moyen-Orient.

Rehefa niverina niasa indray ny paositra teto Liban, tamin’ny 1920, dia nisy taratasy voaray avy tamin’ireo Libaney nipetraka tany andafy. Anisan’izy ireny i Abdullah sy i George Ghantous, dadatoako. Nanoratra ho an’i Habib Ghantous rainy, izay raibeko, izy ireo, ary nilaza taminy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Raha vao niresaka fotsiny ny votoatin’ny taratasin-janany tamin’ny olona teo an-tanàna ny raibeko, dia efa nihomehezana. Niely ny tsaho tao an-tanàna hoe nampirisika ny rainy hivarotra ny taniny sy hividy ampondra ary handeha hitory, hono, ny zanakalahin’i Habib.

Fielezan’ny fahazavana tany am-boalohany

Ny taona nanaraka, tamin’ny 1921, dia niverina tao Tripoli, eto Liban, i Michel Aboud, izay nipetraka tany Brooklyn, any New York, Etazonia. Tonga Mpianatra ny Baiboly izy, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. Na dia tsy nandray tsara ny hafatry ny Baiboly aza ny ankamaroan’ny namana aman-tsakaizan’ny Rahalahy Aboud, dia nanao izany kosa ny olona be mpahalala anankiroa, dia i Ibrahim Atiyeh, mpampianatra, sy i Hanna Shammas, mpitsabo nify. Namela ny tranony sy ny toeram-pitsaboany hanaovana fivoriana kristianina mihitsy aza ny Dr. Shammas.

Mbola kely aho fony nitsidika an’i Amioun, toerana nipetrahanay, ny Rahalahy Aboud sy ny Rahalahy Shammas. Nanohina ahy lalina ny fitsidihan’izy ireo, ka nanomboka niara-nitory tamin’ny Rahalahy Aboud aho. Niaraka tsy tapaka teny amin’ny fanompoana izahay mianaka nandritra ny 40 taona, mandra-pahafatin’ny Rahalahy Aboud tamin’ny 1963.

Nitatra tamin’ny vohitra maro tatỳ amin’ny faritra avaratr’i Liban, ny fahazavan’ny fahamarinana ara-baiboly, teo anelanelan’ny 1922 sy 1925. Nisy olona 20 ka hatramin’ny 30 teo ho eo niara-nivory mba hidinika momba ny Baiboly tany an-tranon’olona, toy ny tao aminay teto Amioun. Naniraka ankizy hikapokapoka kapoaka vifotsy sy hitabataba ary hikiakiaka ny mpitondra fivavahana, mba hampitsaharana ny fivorianay, hany ka niara-nivory tany anaty alan-kazo kesika izahay tsindraindray.

Tamin’ny fahatanorako, dia nahazo ilay anaram-bositra hoe Timoty aho, noho ny zotom-poko tamin’ny fanompoana sy ny fanatrehana ny fivoriana kristianina rehetra. Nandidy ahy ny talen’ny sekoly mba tsy hanatrika intsony ilay nantsoiny hoe “ireny fivoriana ireny.” Noroahina aho rehefa tsy nanaiky.

Fitoriana tany amin’ny tany resahin’ny Baiboly

Tsy ela taorian’ny batisako tamin’ny 1933, dia natomboko ny asan’ny mpisava lalana, araka ny iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanompoana manontolo andro. Na dia vitsy aza izahay tamin’izany fotoana izany, dia nitory tany amin’ny ankamaroan’ireo vohitra tatỳ amin’ny faritra avaratr’i Liban. Tsy vitan’izay ihany fa tonga hatrany Beyrouth sy ny manodidina koa izahay, ary ny lalana mankany amin’ny faritra atsimon’i Liban. Tamin’ireny fotoana ireny, dia mazàna nandeha an-tongotra na nitaingina boriky izahay, tahaka an’i Jesosy Kristy sy ny mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany.

Tamin’ny 1936, dia nitsidika an’i Liban, i Yousef Rahhal, Vavolombelona libaney iray nipetraka tany Etazonia nandritra ny taona maro. Nitondra fanamafisam-peo sy grafofaonina roa izy. Nataonay teo ambonin’ny fiara Ford 1931 ilay fitaovana, ary nitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana hatrany amin’ny faritra lavitra be, nanerana an’i Liban sy i Syria izahay. Re hatrany amin’ny folo kilaometatra mahery ilay fanamafisam-peo. Niakatra teny an-tampon-tranony ny olona mba hihaino ilay feo, nolazainy fa avy tany an-danitra. Namela ny asany kosa ireo tany an-tsaha ary nanatona mba hihaino.

Tany Aleppo, any Syria, ny iray tamin’ireo dia farany nataoko niaraka tamin’i Yousef Rahhal, tamin’ny ririnin’ny 1937. Nankany Palestina koa izahay, talohan’ny niverenany tany Etazonia. Nitsidika ny tanànan’i Haifa sy i Jerosalema mbamin’ireo vohitra tao izahay. Iray tamin’ireo olona notsidihinay tany i Ibrahim Shehadi, izay efa nifanoratra tamiko teo aloha. Efa nandroso tamin’ny fahalalana ny Baiboly i Ibrahim, hany ka nanomboka niara-nitory isan-trano taminay izy, nandritra ilay fitsidihanay.​—Asan’ny Apostoly 20:20.

Tsy andriko koa izay hihaonana tamin’ny Profesora Khalil Kobrossi, Katolika iray nafana fo nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny fifanoratana. Ahoana no nahazoany ny adiresin’ny Vavolombelona tany Liban? Nividy entana tao amin’ny mpivarotra iray tany Haifa i Khalil, ka rovitra bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah no namonosan’ilay mpivarotra ny entany. Nisy ny adiresinay teo amin’ilay taratasy famonosana. Nahafinaritra ilay fitsidihanay azy, ary tonga mba hatao batisa tany Tripoli izy tatỳ aoriana, tamin’ny 1939.

Tonga tany Tripoli i Petros Lagakos sy ny vadiny, tamin’ny 1937. Nandritra ireo taona vitsivitsy nanaraka, dia nandeha tany amin’ny ankamaroan’ny faritra tao Liban sy Syria izahay telo mianadahy, nitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana tany an-tranon’ny olona. Tamin’ny fotoana nahafatesan’ny Rahalahy Lagakos tamin’ny 1943, dia efa nentin’ny Vavolombelona tany amin’ny ankamaroan’ny tanàna sy vohitra teto Liban sy Syria ary Palestina ny fahazavana ara-panahy. Indraindray, dia 30 teo ho eo izahay no naka fiara na aotobisy vao maraina be, tamin’ny telo ora, mba hanatratrarana faritra lavitra be.

Nandika Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny arabo i Ibrahim Atiyeh tany amin’ireo taona 1940. Taorian’izay, dia nanao kopia efatra natao tanana tamin’ilay gazety aho, ary nalefako tany amin’ireo Vavolombelona tany Palestina sy Syria ary Ejipta. Lehibe ny fanoherana ny asa fitorianay tamin’ireny fotoanan’ny Ady Lehibe II ireny, nefa nanohy nifandray tamin’izay rehetra tia ny fahamarinana ara-baiboly tany Moyen-Orient izahay. Nanao sarintanin’ny tanàna sy ny vohitra manodidina ny tenako, ary nanao ezaka manokana izahay mba hanatratrarana azy ireo tamin’ny vaovao tsara.

Raha mbola nafotaka ny Ady Lehibe II tamin’ny 1944, dia nalaiko ho vady i Evelyn, zanakavavin’i Michel Aboud, izay mpisava lalana namako. Niteraka telo izahay tamin’ny farany: roa lahy, iray vavy.

Niara-niasa tamin’ny misionera

Tonga teto Liban ireo nahazo diplaoma voalohany tamin’ny Sekolin’i Gileada ho an’ny misionera, raha vao vita ny ady. Koa niforona àry ny fiangonana voalohany teto Liban, ary voatendry ho mpikarakara fitambaran’olona aho. Avy eo, dia nitsidika an’i Liban i Nathan H. Knorr sy i Milton G. Henschel, mpitan-tsorany tamin’ny 1947. Nampahery be an’ireo rahalahy izy ireo. Tsy ela, dia nisy misionera maro kokoa tonga, ary nanampy be anay izy ireo tamin’ny fandaminana ny fanompoana sy ny fitarihana ny fivorian’ny fiangonana.

Tamin’ny dianay indray mandeha tany amin’ny faritra lavitra iray tany Syria, dia nanohitra anay ny eveka teo an-toerana. Niampanga anay ho nizara boky sy gazetin’ny Jiosy izy. Mahatsikaiky, fa talohan’ny 1948, dia matetika nantsoin’ny mpitondra fivavahana hoe “Kominista” izahay. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia nosamborina izahay ary nadinina nandritra ny adiny roa. Nisy fitoriana tsara dia tsara natao tamin’izany.

Tamin’ny farany, dia hoy ilay mpitsara izay nihaino ilay raharaha: “Na dia manozona an’i be volombava [sarin-teny ilazana an’ilay eveka] aza aho noho izy niampanga anareo, dia misaotra azy ihany aho, noho ny nahafahako nihaona taminareo sy nahafantatra izay ampianarinareo.” Niala tsiny izy avy eo, noho ny fahasahiranana naterak’izany ho anay.

Raha nizotra nankany Beyrouth aho, folo taona tatỳ aoriana, dia nanombo-dresaka tamin’ny lehilahy iray nipetraka teo akaikiko tao anaty aotobisy. Injeniera momba ny fambolena sy ny fiompiana izy. Rehefa avy nihaino anay minitra vitsivitsy nanazava ny finoanay izy, dia nilaza fa nisy namany tany Syria efa niresaka an’izany taminy. Iza ilay namany? Ilay mpitsara nihaino ny raharahanay folo taona lasa izay!

Nitsidika Vavolombelona tany Irak aho nandritra ireo taona 1950, ary niara-nitory isan-trano tamin’izy ireo. Nankany Jordania sy ny faritra andrefan’i Jordania imbetsaka koa aho. Anisan’ireo Vavolombelona efatra nankany Betlehema aho, tamin’ny 1951. Nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo izahay tany. Taloha kokoa tamin’io andro io ihany, dia nandeha aotobisy nankany amin’ny Ony Jordana ireo rehetra tonga hanatrika ilay fotoana. Nisy 22 no natao batisa tao, ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah. Hoy izahay, isaky ny tojo fanoherana tao amin’io faritra io: “Tonga hilaza aminareo izahay fa ho tonga Mpanjakan’ny tany manontolo ny iray amin’ireo tera-taninareo! Inona no mahasosotra anareo amin’izany? Tokony ho faly aza ianareo!”

Fitoriana tao anatin’ny fotoan-tsarotra

Tsara fanahy sy manetry tena ary tia mandray vahiny amin’ny ankapobeny, ny olona any Moyen-Orient. Maro no liana mihaino ny hafatry ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha ny marina, dia tsy misy mamelombelona kokoa noho ny fahafantarana fa ho tanteraka tsy ho ela ity fampanantenan’ny Baiboly ity: “Andriamanitra no hitoetra eo [amin’ny vahoakany], dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.”​—Apokalypsy 21:3, 4.

Hitako fa tsy azon’ny ankamaroan’ny olona manohitra ny hoe inona ny asantsika sy ny hafatra entintsika. Nampiseho antsika tamin’ny fomba diso mihitsy ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana! Koa tojo zava-tsarotra maro ireo Vavolombelona nandritra ny ady an-trano nanomboka teto Liban tamin’ny 1975, ary naharitra 15 taona mahery.

Nisy fotoana nitarihako fampianarana Baiboly tamin’ny fianakaviana iray, izay mpiangona be zotom-po. Nahasorena ny mpitondra fivavahana ny fandrosoana tsara nataon’izy ireo tamin’ny fianarana ireo fahamarinana ara-baiboly. Noho izany, dia nampirisika ny mpikambana tao aminy, ny fivavahana iray teo an-toerana, indray alina, mba hanafika ny fivarotan’ilay fianakaviana. Nodoran’izy ireo ny entam-barotra izay nitentina 68 700 000 FMG teo ho eo, fara fahakeliny. Tonga naka ahy an-keriny ireo mpivavaka ireo, tamin’iny alina iny. Afaka nampisaintsaina ny lehiben’izy ireo anefa aho, ka nanazava taminy fa tsy ho baribariànina toy izao izy ireo raha tena Kristianina. Tamin’izay, dia nanome baiko ny hanajanona ilay fiara izy ary nandidy ahy hivoaka.

Naka ahy an-keriny indray ny miaramila efatra, indray mandeha. Nilaza ny lehiben’izy ireo fa handeha hitifitra ahy. Rehefa nandrahona ahy imbetsaka izy, dia niova hevitra tampoka ka nanafaka ahy. Migadra noho ny vonoan’olona sy ny fandrobana ny roa amin’ireo lehilahy ireo ankehitriny, ary novonoina ho faty ny roa hafa.

Fomba hafa ahafahana mitory

Nanana fahafahana handeha fiaramanidina aho matetika rehefa nandeha ho any an-tany hafa. Indray mandeha aho tao anaty fiaramanidina avy tao Beyrouth nankany Etazonia, dia nipetraka teo akaikin’i Charles Malek, minisitry ny raharaham-bahiny libaney teo aloha. Nihaino tsara ahy izy, ary nankasitraka ny andininy rehetra novakiko taminy avy tao amin’ny Baiboly. Nilaza izy tamin’ny farany fa nianatra tao amin’ny sekoly iray tao Tripoli, ka i Ibrahim Atiyeh no mpampianatra azy. Tsy iza izy io, fa ilay lehilahy niresahan’ny rafozako ny fahamarinana ara-baiboly! Nilaza Atoa Malek fa nampianatra azy hanaja ny Baiboly, i Ibrahim.

Nandritra ny dia tamin’ny fiaramanidina hafa iray, dia nipetraka teo akaikin’ny Palestinianina iray, solontenan’ny Firenena Mikambana aho. Afaka nilaza taminy ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra aho. Tamin’ny farany, dia nampahafantariny ahy ny fianakavian’ny rahalahiny any New York, ka nitsidika azy ireo matetika aho tany. Nisy havanay koa niasa tao amin’ny tranon’ny Firenena Mikambana any New York. Naharitra adiny telo ny fitsidihako azy tany amin’ny biraony indray andro, ka afaka nitory taminy ny Fanjakan’Andriamanitra aho tamin’izay.

Efa 88 taona aho izao, ary mbola afaka mandray anjara mavitrika amin’ny fiantsorohana ny andraikitry ny fiangonana. Mbola manompo an’i Jehovah eto anilako i Evelyn, vadiko. Nanambady Vavolombelon’i Jehovah, mpiandraikitra mpitety faritany ny zanakay vavy. Anti-panahy ao amin’ny fiangonana iray ao Beyrouth izy io ankehitriny. Vavolombelona koa ny zanak’izy ireo vavy. Vavolombelona ny zanako faralahy sy ny vadiny, ary ao amin’ny fahamarinana koa ny zanak’izy ireo vavy. Raha ny amin’ny lahimatoanay indray, dia nalentika tao am-pony ny finoana kristianina, ka manantena aho fa hanaiky ny fahamarinana izy rehefa mandeha ny fotoana.

Voatendry ho mpisava lalana aho tamin’ny 1933; mpisava lalana voalohany indrindra teto Moyen-Orient. Tsy nisy fomba tsara kokoa nampiasako ny fiainako noho ireo 68 taona nanompoako an’i Jehovah tamin’ny maha mpisava lalana. Ary tapa-kevitra ny handeha amin’ny fahazavana ara-panahy omeny aho.

[Sary, pejy 23]

Najib tamin’ny 1935

[Sary, pejy 24]

Niaraka tamin’ny fiara nisy fanamafisam-peo tany amin’ireo Tendrombohitr’i Liban, tamin’ny 1940

[Sary, pejy 25]

Mitsangana: Najib sy Evelyn; mipetraka: ny lahimatoan’i Najib, ny Rahalahy Aboud, sy ny zanak’izy ireo vavy, tamin’ny 1952

Eo ambany (laharana voalohany): ny Rahalahy Shammas, Knorr, Aboud, sy Henschel tany an-tranon’i Najib, Tripoli, tamin’ny 1952

[Sary, pejy 26]

Najib sy Evelyn, vadiny