Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Misy Mioko Hanao Teti-dratsy ve eto Frantsa?”

“Misy Mioko Hanao Teti-dratsy ve eto Frantsa?”

“Misy Mioko Hanao Teti-dratsy ve eto Frantsa?”

“Ry Fahafahana, fahafahana malala.” Anisan’ny tonon’ny La Marseillaise, hiram-pirenena Frantsay, ireo teny ireo. Tena sarobidy tokoa ny fahafahana. Mampanahy anefa ireo zava-niseho vao haingana tany Frantsa, satria nozimbazimbaina ny fahafahana fototra. Izany no nahatonga Vavolombelon’i Jehovah an’aliny maro, hizara taratasy mivalona manokana miisa 12 tapitrisa, mitondra ny lohateny hoe: “Misy Mioko Hanao Teti-dratsy ve eto Frantsa? Mety Hihena ve ny Fahalalahana?”, ny zoma 3 Novambra 2000.

EFA taona vitsivitsy izao no namely ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa ny mpanao politika sy antoko mpanohitra sekta samihafa. Nanasaro-javatra ho an’ny Vavolombelona tsirairay sy isam-piangonana ary tao amin’ilay tany manontolo izany. Namoaka didim-pitsarana manan-tantara anefa ny Filan-kevi-pitondrana, tamin’ny 23 Jona 2000. Nanamafy ny didy navoakan’ny fitsarana ambany kokoa 31, tamin’ny raharaha maherin’ny 1 100, io fitsarana tampony frantsay io. Nohamafisin’io fitsarana tampony io fa tena araka ny lalàna frantsay ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tokony homena fahafahana tsy handoa hetra toy ny fivavahana hafa ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo.

Tsy niraharaha an’io fanapahan-kevitra io anefa ny Minisiteran’ny Raharaham-bola Frantsay, ka tsy mety manome ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahafahana tsy handoa hetra, izay omen’ny lalàna ho an’ny fikambanana ara-pivavahana. Notakiny kosa ny handoavana hetra 60 isan-jato avy amin’ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ny Vavolombelona sy ireo namany, mivory any amin’ny toeram-pivoriana 1 500 any Frantsa. Mbola eo an-tanan’ny fitsarana izao ilay raharaha.

Natao hanalana sarona an’io tsy fanarahan-dalàna io, ilay ezaka manokana voalaza etsy ambony, sady hanasongadinana ny loza mety hateraky ny fitakiana hetra tsy ara-dalàna, sy ny volavolan-dalàna mety hampihena ny fahalalahana ara-pivavahana ho an’ny rehetra. *

Iray andro manontolo

Nisy Vavolombelon’i Jehovah nizara ilay taratasy mivalona teny amin’ny gara, sy orinasa, ary teny amin’ny seranam-piaramanidina, nanomboka tamin’ny roa maraina. Manomboka mivezivezy ny olona any Paris amin’ny enina maraina. Mpiasa an-tsitrapo 6 000 teo ho eo no napetraka teny amin’ny toerana rehetra fandalovan’ireo mpiasa handeha hiasa. Nilaza toy izao ny tovovavy iray: “Mety mihitsy izao ataonareo ho an’ny fahalalahana ara-pivavahana izao. Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no voakasik’io.” Vavolombelona maherin’ny 350, tany Marseille, no nizara ilay taratasy mivalona teny amin’ny garan-damasinina ambanin’ny tany, sy teny amin’ny arabe. Noresahina tao amin’ny radiom-pirenena nandritra ny adiny iray ilay ezaka manokana. Nilazana ny mpihaino mba tsy ho gaga raha misy Vavolombelon’i Jehovah manatona azy ireo. Naharitra nilahatra mba hahazo ny anjarany tamin’ilay taratasy mivalona ireo mpandeha teo amin’ny foibem-pitaterana, tany Strasbourg, misy ny foiben’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Nilaza ny mpisolovava iray, fa tsy mitovy finoana amintsika izy, nefa manaraka akaiky io raharaha momba antsika io, satria ady goavana sady ara-drariny no ataontsika.

Avy be ny orana tamin’ny valo, nefa Vavolombelona 507, tany Alpes any Grenoble, no nameno ny lalana, na nametraka ny taratasy mivalona tao amin’ny boaty fandatsahana taratasy. Nijanona daholo ny fiara raha nahita izay nitranga, ka nangataka tamin’ilay izy. Efa nahazo taratasy mivalona tany amin’ny toerana niaingany ireo mpandeha lamasinina izay tonga tany amin’ny faritra andrefan’i Poitiers, tamin’ny sivy. Ary 40 000 no efa voazara tany Mulhouse, any akaikin’ny sisin-tanin’i Alemaina.

Betsaka ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah no efa nahazara ny antsasany mahery tamin’ny anjarany, tamin’ny folo teo ho eo. Vitsy no tsy nandray ilay taratasy mivalona, ary betsaka ny resaka nahafinaritra. Nisy tovolahy iray liana tamin’ny Baiboly tany Besançon, 80 kilaometatra mahery avy eo amin’ny sisin-tanin’i Soisa, ka nanontany hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy. Nanasa azy hanohy ny dinidinika tao amin’ny Efitrano Fanjakana teo akaiky ilay Vavolombelona, ka natomboka avy hatrany ny fianarana ny Baiboly, tamin’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?

Vavolombelona maro no nitory nandritra ny adiny iray na roa, nandritra ny fiatoana antoandro. Nitohy ny hariva ny fizarana, ary fiangonana maro be no efa nahavita tamin’ny telo na tamin’ny efatra. Nisy olona efa nianatra, na niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah taloha tany Reims, ka nilaza fa te hifandray amin’ny fiangonana indray. Fampianarana Baiboly telo no natomboka tany Bordeaux. Nisy Vavolombelona nividy gazety tao amin’ny fivarotana iray tao amin’io tanàna io, ka nahita taratasy mivalona maro be teo ambonin’ny latabatra. Vavolombelona taloha ilay mpivarotra. Nataony fotokopia mba hozaraina ilay taratasy mivalona, rehefa hitany fa zava-dehibe.

Tezitra ny vehivavy protestanta iray tany Le Havre, any Normandie raha nandre tao amin’ny radio fa nitakiana handoavan-ketra ny fanomezana azon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mailaka izy handray ilay taratasy mivalona, ary noderainy ny Vavolombelona noho ny fahasahiana manohitra ny tsy rariny toy izany. Niresaka momba ilay fizarana, ny vaovao tao amin’ny telem-paritra tany Lyon, tamin’ny 7.20 hariva, ka nilaza hoe: “Mora kokoa androany maraina ny niala ny orana, noho ny niala ny taratasy mivalon’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nisy Vavolombelona roa nadinadinina, ary nanazava ny anton’ilay ezaka manokana.

Nizara taratasy mivalona tamin’ireo mpiasa handeha hody ireo Vavolombelona avy niasa izay naniry handray anjara, ary nametraka azy ireny tao amin’ny boaty fandatsahana taratasy. Ireo olona avy nijery sarimihetsika tamin’ny 11 ora alina, tany Brest sy Limoges (toerana malaza amin’ny bakoly) no anisan’ireo farany nahazo ilay taratasy mivalona nandritra ilay andro. Nangonina ny ambiny, ary nozaraina ny ampitson’iny.

Inona no vokany?

Nanoratra toy izao ny Vavolombelona iray: “Ny hampahosa antsika no notadiavin’ireo fahavalo, kanjo, mifanohitra amin’izany no nitranga.” Maherin’ny 75 isan-jaton’ny Vavolombelona no nizara ilay taratasy mivalona tamin’io andro io, tany amin’ny ankamaroan’ny fiangonan’izy ireo, ary ny sasany nanao izany nandritra ny adiny 10, 12, na 14. Nisy Vavolombelona iray mpiasa alina tany Hem, any avaratr’i Frantsa. Nanomboka tamin’ny dimy maraina ka hatramin’ny telo hariva izy no nizara ilay taratasy mivalona. Nandany 200 ora tamin’ny fizarana ilay taratasy mivalona ny Vavolombelona 75 tany Denain, ny zoma. Efa nisy fiangonan’izy ireo tao nanomboka tamin’ny 1906. Tapa-kevitra handray anjara ny hafa, na dia teo aza ny fahanterana sy ny kilema ary ny andro ratsy. Nisy vehivavy telo, 80 taona teo ho eo avy, nandany adiny roa, nizarana ilay taratasy mivalona tao anaty boaty fandatsahana taratasy tany Le Mans. Nisy koa Vavolombelona mandeha amin’ny seza misy kodiarana, nizara ilay taratasy mivalona teny anoloan’ny gara. Nampahery erỳ ny nahita Vavolombelona maro tsy nitory intsony, nefa nandray anjara tamin’io ezaka manokana io!

Azo antoka fa tena fitoriana lehibe no vita tamin’iny fizarana iny. Nahazo daholo ny karazan’olona rehetra, izay tsy tratra an-trano matetika ny ankamaroany. Tsapan’ny maro fa tsy ny tombontsoan’ny Vavolombelona fotsiny akory no voaro noho iny hetsika iny. Maro no nihevitra azy iny ho fiarovana ny fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretana, sy ny fahalalahana ara-pivavahana ho an’ny mponin’i Frantsa. Manamarina izany ny fisian’ny olona maro nangataka taratasy mivalona fanampiny, homeny ny namana, na mpiara-miasa na havana.

Mirehareha tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa, mampahafantatra ny anaran’i Jehovah sy miaro ny tombontsoan’ilay Fanjakana. (1 Petera 3:15) Tena fanantenan’izy ireo ny hiaina “miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra”, ary olona an’arivony maro no mbola hiaraka amin’izy ireo, hidera an’i Jehovah Rainy any an-danitra.​—1 Timoty 2:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Nisy ezaka manokana toa an’io, natao hanoherana ny fanavakavahana ara-pivavahana, tamin’ny Janoary 1999. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1999, pejy 9, sy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2000, pejy 24-26.