Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy ve ny Devoly?

Misy ve ny Devoly?

Misy ve ny Devoly?

“Nisy fotoana ninoan’ny Kristianina fa tena nisy ny Devoly sady tena nanan-kery. Nantsoina hoe Belzeboba izy na Satana, na koa ny Fototry ny Ratsy Rehetra. Ninoan’ny olona fa nisy izy, toy ny mbola inoan’ny olom-bitsy ankehitriny fa misy ‘Andriamanitra.’ Ny Jiosy sy ny Kristianina voalohany no namorona ny Devoly, izay nolazainy fa bibiolona mahatonga ny faharatsiana. Takatry ny Kristianina tatỳ aoriana fa angano fotsiny izany, sady tsy marim-pototra, hany ka nanjary tsy nino ny fisian’ny Devoly izy ireo, rehefa nandeha ny fotoana.”​—“Hevi-dravina​—Fanilihana An’Andriamanitra” (anglisy), nosoratan’i Ludovic Kennedy.

NILAZA i Ludovic Kennedy, mpanoratra sady mpiteny ao amin’ny radio sy televiziona, fa nandritra ny taonjato maro, dia tsy nisy nisalasala momba ny fisian’ny Devoly mihitsy ny olona nilaza ho Kristianina. “Nampifantoka be loatra ny sainy tamin’ny herin’i Satana sy ny demoniany mihitsy aza” izy ireo indraindray, hoy ny Profesora Norman Cohn. (Misy Devoly i Eoropa, anglisy) Tsy ny olon-tsotra tsy nahita fianarana ihany no nino izany. Naka endrika biby, hono, ny Devoly ary nitarika ny fanaovana fombafomba ratsy sy naharikoriko. “Tsy avy tamin’ny lovantsofin’ny sarambaben’olona tsy nahita fianarana izany finoana izany, fa avy tamin’ireo avara-pianarana mihitsy”, hoy ny Profesora Cohn. Ireo “avara-pianarana” ireo, anisan’izany ny mpitondra fivavahana, no tompon’andraikitra tamin’ilay fisamborana mpamosavy maro be tany Eoropa, nanomboka tamin’ny 1450 teo ho eo ka hatramin’ny 1700. Nandritra io fotoana io, dia voalaza fa nampijalijaly sy namono olona 50 000, nampangaina ho mpamosavy, ny mpitondra fivavahana sy ny manam-pahefana.

Tsy mahagaga àry raha maro no tsy mety mino ireo hevitra adaladala sy finoanoam-poana momba ny Devoly. Na dia tamin’ny 1726 aza i Daniel Defoe dia efa naneso ny olona izay nino ny Devoly ho biby mampahatahotra be, “manana elatra ramanavy sy tandroka, kitro mivaky roa, ary rambo lava be, sy ny toy izany.” Nolazainy fa hevitra “adaladala sy tsy misy dikany ireny”, ary namboamboarin’ny “mpamorona devoly sy mpanao devoly”, izay “nitady hamitaka ireo tsy nahita fianarana mba hino fa tena misy tokoa izany devoly mahatsiravina noforonin’izy ireo izany.”

Izany koa ve no hevitrao? Mino koa ve ianao fa “ny olona ihany no namorona ny Devoly mba hanalana tsiny ny fahotany”, araka ny voalazan’ny rakipahalalana iray momba ny Baiboly? Olona maro milaza ho Kristianina no manaiky izany. Lazain’i Jeffrey Russell fa “tsy mino ny fisian’ny Devoly sy ny demonia” ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny fivavahana kristianina, satria “finoanoam-poana fotsiny izany” aminy.

Misy anefa mino fa tena misy ny Devoly. Mino izy ireo fa tsy maintsy misy hery ratsy iray mahery noho ny olombelona, matoa tsy misy farany toy izao ny faharatsiana. Nilaza i Russell fa “ny habibiana nitranga nandritra ny taonjato faha-20” dia antony iray mahatonga ny maro “hino indray ny fisian’ny Devoly, na dia efa ela aza no tsy ninoana azy io.” Nolazain’i Don Lewis, mpanoratra, fa olona maro nahita fianarana no “mihomehy” ny “razambeny tsy nahita fianarana”, noho izy ireo nino sy natahotra ny Devoly. “Nanjary liana be amin’ny herin’ny fanahy ratsy indray anefa ireo olona nahita fianarana ireo.”​—Tantaran’ny Finoanoam-poana Ara-pivavahana (anglisy).

Inona àry no marina? Finoanoam-poana sy hevitra adaladala fotsiny ve ny hoe misy ny Devoly? Sa tokony hihevitra isika fa tena misy izy, na dia amin’izao androntsika izao aza?

[Sary, pejy 4]

Bibiolona ny Devoly, araka ny finoanoam-poana taloha, asehon’ity sary sokitra nataon’i Gustave Doré ity

[Sary nahazoan-dalana]

The Judecca​—Lucifer/The Doré Illustrations For Dante’s Divine Comedy/Dover Publications Inc.