Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mitadiava Fihavanana ary Manaraha Azy’

‘Mitadiava Fihavanana ary Manaraha Azy’

‘Mitadiava Fihavanana ary Manaraha Azy’

“Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.”​—ROMANA 12:18.

1, 2. Nahoana no tsy hisy haharitra ny fiadanana entin’olombelona?

ALAO sary an-tsaina ny trano iray, izay malemy ny fotony, efa boboka ny hazo nandrafetana azy, ary miletsy ny tafony. Ho tianao ve ny hifindra any amin’izany trano izany ka honina ao? Azo inoana fa tsia. Eny, fa na dia lokoana aza io trano io, dia mbola tsy ho mafy orina ihany. Azo inoana fa hirodana izy io, na ho ela na ho haingana.

2 Sahala amin’io trano io ny fiadanana avy amin’ity tontolo ity. Malemy ny fotony satria miorina amin’ny fampanantenana sy tetikady ataon’olombelona “tsy mahavonjy.” (Salamo 146:3) Asehon’ny tantara fa nisesy ny ady nifanaovan’ireo firenena sy ireo foko. Marina aloha fa nisy fotoam-piadanana fohy, nefa fiadanana nanao ahoana? Raha miady ny firenena roa, ary avy eo mihavana satria resy ny iray, na samy tsapan’izy ireo fa tsy misy tombony ny iadiana, manao ahoana moa izany fiadanana izany? Mbola eo foana ny fankahalana sy ny fiahiahiana ary ny fialonana niteraka ilay ady. Ivelany fotsiny ilay fiadanana, toy ny ‘loko manarona’ fifankahalana. Tsy fiadanana maharitra izany.​—Ezekiela 13:10.

3. Nahoana no tsy mitovy amin’ny fiadanana entin’olombelona ny fiadanan’ny vahoakan’Andriamanitra?

3 Tena misy anefa ny tena fiadanana eto amin’ity tontolo rotidrotiky ny ady ity. Aiza? Eo anivon’ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, dia ireo Kristianina marina izay manaraka ny tenin’i Jesosy sy miezaka mafy manahaka ny fiainany. (1 Korintiana 11:1; 1 Petera 2:21) Tena fiadanana no misy eo amin’ireo Kristianina marina samy hafa volon-koditra sy saranga ary fiaviana ireo, satria tsara fihavanana amin’Andriamanitra izy ireo. Miorina amin’ny finoan’izy ireo ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy izany fifandraisany tsara amin’Andriamanitra izany. Avy amin’Andriamanitra ny fiadanan’izy ireo fa tsy avy amin’olombelona. (Romana 15:33; Efesiana 6:23, 24) Io fiadanana io dia vokatry ny faneken’izy ireo an’i Jesosy Kristy, ilay “Andrian’ny fiadanana” sy ny fivavahany amin’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana.”​—Isaia 9:5; 2 Korintiana 13:11.

4. Ahoana no ataon’ny Kristianina mba ‘hanarahana ny fihavanana’?

4 Tsy tongatonga ho azy eo amin’ny olona tsy lavorary akory ny fiadanana. Koa nilaza àry i Petera fa tokony ‘hitady fihavanana sy hanaraka azy io’ ny Kristianina tsirairay. (1 Petera 3:11) Ahoana no ahafahantsika manao izany? Mamaly izany ny faminaniana tranainy iray. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13; Filipiana 4:9) Eny, mahita ny tena fiadanana ireo mitandrina ny fampianaran’i Jehovah. Ankoatra izany, ny fiadanana mbamin’ny “fitiavana, fifaliana, ..., fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po” dia vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra. (Galatiana 5:22, 23) Tsy afaka ny hanana azy io ny olona tsy manam-pitiavana, tsy falifaly, tsy mahari-po, masiaka, manao ratsy, tsy marina, lozabe, na tsy mahafehy tena.

‘Mihavana amin’ny olona rehetra’

5, 6. a) Inona no tsy mampitovy ny hoe tsy tia ady sy ny hoe tia fihavanana? b) Miezaka hihavana amin’iza ny Kristianina?

5 Lazaina fa filaminana na fahatoniana, ny fiadanana. Betsaka ny toe-javatra tsy isian’ny ady voafaoka ao amin’io filazana io, hany ka na ny maty aza lazaina hoe miadana, na mandry feizay! Mba hisian’ny tena fiadanana anefa, dia tsy ampy ny hoe tsy tia ady. Hoy i Jesosy tamin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny mpampihavana [na tia fihavanana]; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra.” (Matio 5:9) Niresaka ny amin’ireo ho tonga zanak’Andriamanitra ara-panahy sy hahazo fiainana tsy mety maty any an-danitra, eto i Jesosy. (Jaona 1:12; Romana 8:14-17) Hahazo ilay “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” koa amin’ny farany, ny olona mahatoky rehetra tsy manantena ny ho any an-danitra. (Romana 8:21) Ny tia fihavanana ihany no afaka manantena an’izany. Samy hafa matetika ny hoe tsy tia ady, na tony, sy ny hoe tia fihavanana. Ao amin’ny Baiboly, ny hoe tia fihavanana dia midika hoe marisika mampandroso ny fihavanana, ary indraindray manao izay hisian’ny fihavanana eo amin’izay tsy nisian’izany.

6 Tadidio izany eo am-pandinihana ity torohevitry ny apostoly Paoly ho an’ny Romanina ity: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” (Romana 12:18) Tsy nilaza tamin’ny Romanina mba ho tony fotsiny i Paoly, na dia ilaina aza izany. Nampirisika azy ireo hihavana izy. Amin’iza? Amin’ny “olona rehetra” na mpianakavy izany, na Kristianina hafa, eny fa na dia ireo tsy nitovy finoana taminy aza. Nampirisika ny Romanina hihavana tamin’ny hafa i Paoly, raha mbola niankina tamin’izy ireo koa izany. Tsy hoe niriny hampandefitra ny finoany akory izy ireo mba hitandroana ny fihavanana. Nefa kosa, tokony hanatona ny hafa amim-pihavanana izy ireo, fa tsy hampahatezitra azy tsy amin’antony. Tokony hanao izany ny Kristianina rehefa nifandray tamin’olona na tao amin’ny fiangonana na tany ivelany. (Galatiana 6:10) Nifanaraka tamin’izany, dia hoy ny nosoratan’i Paoly: “Miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra.”​—1 Tesaloniana 5:15.

7, 8. Amin’ny fomba ahoana ary nahoana ny Kristianina no mihavana amin’ireo tsy mitovy finoana aminy?

7 Ahoana no ahafahantsika mihavana amin’ireo tsy mitovy finoana amintsika, na amin’ireo manohitra azy io mihitsy aza? Tsy tokony hanambony tena isika. Raha manambany olona sasany isika, ohatra, rehefa miresaka momba azy, dia ho sarotra amintsika ny hihavana aminy. Tsy manan-jo hiresaka olona iray ho toy ny efa voaheloka isika, na dia efa nahariharin’i Jehovah aza fa hisy fikambanana sy fitambaran’olona hiharan’ny didim-pitsarany. Tsy mitsara ny hafa mihitsy isika, eny fa na dia ny mpanohitra antsika aza. Nilaza tamin’i Titosy i Paoly mba hanoro hevitra ny Kristianina tany Kreta momba ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny manam-pahefana. Avy eo dia niteny taminy i Paoly mba hampahatsiahy azy ireo “tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.”​—Titosy 3:1, 2.

8 Ny fihavanana amin’ireo tsy mitovy finoana amintsika dia mahatonga azy ireo ho mora handray kokoa ny fahamarinana. Mazava loatra fa tsy hisakaiza amin’izay “manimba ny fitondrantena tsara” isika. (1 Korintiana 15:33) Kanefa, afaka ny hahalala fomba isika, ary tokony hanaja sy ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra. Izao no nosoratan’i Petera: “Ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.”​—1 Petera 2:12.

Tia fihavanana eo amin’ny fanompoana

9, 10. Inona no ohatra tsara nomen’ny apostoly Paoly rehefa nifampiraharaha tamim-pihavanana tamin’ny tsy mpino izy?

9 Fantatra noho ny fahasahiany ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nanatsatso ny hafatra nentiny izy, ary tapa-kevitra ny hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona, rehefa tojo fanoherana. (Asan’ny Apostoly 4:29; 5:29) Tsy nafangarony anefa ny fahasahiana sy ny tsy fahalalam-pomba. Diniho ny tari-dresak’i Paoly rehefa niaro ny finoany teo anatrehan’ny mpanjaka Heroda Agripa II izy. Nanambady olom-pady, izany hoe i Berenika, anabaviny, i Heroda Agripa. Tsy nandevilevy an’i Agripa momba ny atao hoe fitondran-tena tsara anefa i Paoly. Nasongadiny kosa izay marimaritra niraisany, ary noderainy i Agripa fa nahafantatra tsara ny fanaon’ny Jiosy sy nino ny mpaminany.​—Asan’ny Apostoly 26:2, 3, 27.

10 Nandokadoka ilay olona afaka ny hanafaka azy ve i Paoly? Tsia. Nanaraka ny torohevitry ny tenany ihany i Paoly ary nilaza ny marina. Tsy nisy lainga izay nolazainy tamin’i Heroda Agripa. (Efesiana 4:15) Mpampihavana anefa i Paoly ary fantany ny fomba hahatongavana ho ‘zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.’ (1 Korintiana 9:22) Ny hiaro ny zony hitory an’i Jesosy no tanjony. Koa ny zavatra niombonany tamin’i Agripa àry aloha no noresahiny satria mpampianatra mahay izy. Tamin’izany no nanampian’i Paoly an’ilay mpanjaka ratsy fitondran-tena hihevitra tamin’ny fomba tsara kokoa ny Kristianisma.​—Asan’ny Apostoly 26:28-31.

11. Ahoana no hahatongavantsika ho mpampihavana eo amin’ny fanompoantsika?

11 Ahoana no hahatongavantsika ho mpampihavana eo amin’ny fanompoantsika? Toa an’i Paoly, dia tokony hohalavirintsika ny fifandirana. Ekena aloha fa misy fotoana ilantsika “hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin’ny tahotra”, sy ho sahy hiaro ny finoantsika. (Filipiana 1:14) Ny hitory ny vaovao tsara anefa no tena tanjontsika. (Matio 24:14) Afaka hanary ireo hevi-diso ara-pivavahana sy hanafa-tena amin’ny fanao maloto ny olona iray rehefa mahafantatra ny marina momba ny fikasan’Andriamanitra. Araka izay azo atao àry, dia tsara ny hanasongadinana zavatra izay hanintona ny mpihaino antsika, ka hitady izay marimaritra iraisana aloha. Tsy ho tratra ny tanjona raha toa ka mampahatezitra olona iray nety ho nihaino ilay hafatra isika, satria tsy voalanjalanja ny tari-dresaka natao taminy.​—2 Korintiana 6:3.

Mpampihavana ao amin’ny fianakaviana

12. Inona avy no fomba ahafahantsika ho tonga mpampihavana ao amin’ny fianakaviana?

12 Nilaza i Paoly fa “hanam-pahoriana amin’ny nofo” ireo manambady. (1 Korintiana 7:28) Hiatrika zava-tsarotra isan-karazany izy ireo, anisan’izany ny tsy fifanarahan’ny mpivady indraindray. Ahoana no tokony handaminana izany? Amim-pihavanana. Hiezaka tsy hanitatra ilay ady ny mpampihavana iray. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fifehezana ny lelany aloha, voalohany indrindra. Rehefa ampiasaina mba hanesoana na hanompana io taova kely io dia mety ho tena “zava-dratsy tsy manam-pijanonana ... feno ody mahafaty.” (Jakoba 3:8) Mampiasa ny lelany mba hampandrosoana ny hafa ny mpampihavana, fa tsy hanambaniana ny hafa.​—Ohabolana 12:18.

13, 14. Ahoana no hitandroana ny fihavanana rehefa manao teny tsy tsaroana isika na rehefa miakatra ny fahatezerana?

13 Milaza zavatra izay anenenantsika isika rehetra indraindray, satria tsy lavorary. Rehefa mitranga izany, dia aoka ianao ho mailaka hanonitra ka hihavana. (Ohabolana 19:11; Kolosiana 3:13) Aza miditra amin’ny “fiadian-teny” sy “fifandirana lalandava.” (1 Timoty 6:4, 5) Aza mijery ivelany fotsiny fa iezaho takarina kosa ny fihetseham-pon’ny vadinao. Aza mamaly toa azy raha manao teny henjana aminao izy. Tadidio fa “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.”​—Ohabolana 15:1.

14 Mety hilainao indraindray ny mihevitra ilay torohevitra ao amin’ny Ohabolana 17:14 manao hoe: “Ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” Ialao ny toe-javatra mampitroatra. Rehefa mangatsiatsiaka ny fonareo atỳ aoriana, dia azo inoana fa ho afaka handamina ilay olana amim-pisakaizana ianareo. Mety ho fahendrena ny hangatahana ny fanampian’ny mpiandraikitra kristianina matotra amin’ny toe-javatra sasany. Afaka mitondra fanampiana mamelombelona ireny olona za-draharaha sy mahay miombom-pihetseham-po ireny, rehefa tandindomin-doza ny fiadanan’ny fanambadiana.​—Isaia 32:1, 2.

Mpampihavana eo anivon’ny fiangonana

15. Toetra ratsy inona no lazain’i Jakoba fa nisy teo amin’ny Kristianina sasany, ary nahoana izany no “araka ny etỳ an-tany” sy “araka ny nofo”, ary “araka ny an’ny demonia”?

15 Nampalahelo fa nisy Kristianina tamin’ny taonjato voalohany be fialonana sy tia nifanditra, izay mifanohitra tanteraka amin’ny fihavanana. Hoy i Jakoba: “Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia. Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.” (Jakoba 3:14-16) Misy mihevitra fa ny teny grika nadika hoe “fifampiandaniana” dia milaza koa hoe fanirian-daza feno fitiavan-tena sy ady seza. Mety àry ny iantsoan’i Jakoba azy io hoe ‘araka ny etỳ an-tany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia.’ Nifandramatra toy ny biby ireo mpitondra teto amin’ity tontolo ity nandritra ny tantara manontolo. Tena “araka ny etỳ an-tany” sy “araka ny nofo” tokoa ny fifampiandaniana. “Araka ny demonia” koa izy io. Nampiseho voalohany io toetra misoko mangina io ilay anjely liam-pahefana nanohitra an’i Jehovah Andriamanitra ka tonga Satana, ilay filohan’ny demonia.

16. Ahoana no nampisehoan’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany toe-tsaina toy ny an’i Satana?

16 Nampirisika ny Kristianina i Jakoba mba tsy hifampiandany, satria izany tsy mampihavana. Hoy ny nosoratany: “Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ny momba ny tenanareo?” (Jakoba 4:1) Eto ny hoe “filana” dia mety hanondro fitiavan-karena tafahoatra na faniriana laza sy fanapahana na fahefana. Toa an’i Satana, dia toa nisy te ho lohany tao amin’ny fiangonana fa tsy te ho “kely indrindra.” Nilaza anefa i Jesosy fa tokony ho toy ny “kely indrindra” ny tena mpanara-dia azy. (Lioka 9:48) Tsy mampisy fiadanana ao amin’ny fiangonana ny toe-tsaina toy izany.

17. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina ankehitriny ho tonga mpampihavana ao amin’ny fiangonana?

17 Tsy maintsy toherintsika ankehitriny koa ny fironana hiahy fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny fialonana ary ny fanirian-daza. Raha tena mpampihavana isika, dia tsy hanahy raha misy mahay asa sasany kokoa noho isika ao amin’ny fiangonana. Tsy hanala baraka azy eo imason’ny hafa koa isika amin’ny fiahiahiana ny amin’ny antony manosika azy. Raha manana talenta manokana isika, dia tsy hampiasa azy io mba hisehoana ho tsara kokoa noho ny hafa, ka toy ny te hilaza fa noho ny fahalalantsika sy ny fahaizantsika no mahatonga ny fiangonana hiroborobo. Hiteraka fisaratsarahana izany toe-tsaina izany fa tsy fihavanana. Tsy mampideradera ny talentany ny mpampihavana fa mampiasa azy io amim-panetren-tena kosa mba hanompoana ny rahalahiny sy hanomezam-boninahitra an’i Jehovah. Takany fa amin’ny farany dia ny fitiavana, fa tsy ny talenta akory, no mampiavaka ny tena Kristianina.​—Jaona 13:35; 1 Korintiana 13:1-3.

“Fiadanana no hataoko fanapahana anao”

18. Ahoana no hampandrosoan’ny anti-panahy ny fihavanana eo amin’izy samy izy?

18 Loha laharana eo amin’ny fampihavanana ny anti-panahin’ny fiangonana. Izao no nolazain’i Jehovah mialoha momba ny vahoakany: “Ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” (Isaia 60:17) Mifanaraka amin’ireo teny ara-paminaniana ireo, dia miezaka mafy ny mpiandry kristianina mba hampandroso ny fihavanana eo amin’izy ireo sy ny andian’ondry. Afaka ny hihavana amin’izy samy izy hatrany ireo anti-panahy raha maneho ny ‘fahendrena avy any ambony’ izay tia fihavanana sy mandefitra. (Jakoba 3:17) Tsy hitovy hevitra foana akory ireo anti-panahin’ny fiangonana noho ny fiaviana sy ny zavatra niainana samy hafa. Midika ve anefa izany fa tsy misy fihavanana eo amin’izy ireo? Tsia, raha toa ka voalamina araka ny tokony ho izy ny toe-javatra toy izany. Milaza ny heviny amim-panetren-tena ny mpampihavana ary manaja sy mihaino ny an’ny hafa. Tsy hanizingizina ny heviny manokana ny mpampihavana, fa handinika amim-bavaka kosa ny hevitry ny rahalahiny. Rehefa tsy misy fitsipika ara-baiboly voadika, dia eo foana ny mety hisian’ny fomba fihevitra samy hafa. Rehefa tsy manaiky ny heviny ny hafa, dia hanaiky sy hanohana izay fanapahan-kevitra lanin’ny besinimaro ny mpampihavana iray. Hampiseho izany fa mandefitra izy. (1 Timoty 3:2, 3) Fantatry ny mpiandraikitra za-draharaha fa ny fitandroana ny fihavanana no zava-dehibe kokoa noho ny fanaovana izay tian’ny tenany.

19. Ahoana no ataon’ny anti-panahy mba hahatongavana ho mpampihavana ao amin’ny fiangonana?

19 Mampandroso ny fihavanana eo amin’ny mpikambana amin’ny andian’ondry ny anti-panahy, rehefa manohana azy ireo sy tsy manakiana azy ireo tafahoatra. Ekena aloha fa mety hila fanitsiana ny sasany indraindray. (Galatiana 6:1) Tsy ny hanafay anefa no asan’ny mpiandraikitra kristianina voalohany indrindra. Matetika manao teny fiderana izy. Miezaka hahita izay tsara ao amin’ny hafa ny anti-panahy be fitiavana. Mankasitraka ny asa mafy ataon’ny Kristianina hafa ireo mpiandraikitra ary matoky fa manao izay tsara indrindra vitany ny mpiray finoana aminy.​—2 Korintiana 2:3, 4.

20. Ahoana no handraisan’ny fiangonana soa raha mpampihavana avokoa ny rehetra?

20 Miezaka mafy àry isika ho tia fihavanana sy hanao izay hisian’ny fihavanana ao amin’ny fianakaviana, ao amin’ny fiangonana ary rehefa mifandray amin’ireo tsy mitovy finoana amintsika. Raha mazoto mampandroso ny fihavanana isika, dia manao izay hahasambatra ny fiangonana. Ho voaro sy hohatanjahina amin’ny fomba maro koa isika, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Tadidinao Ve?

• Inona no dikan’ny hoe tia fihavanana?

• Ahoana no hahatonga antsika ho tia fihavanana rehefa mifampiraharaha amin’olona tsy Vavolombelona?

• Inona avy no fomba hampitomboana ny fihavanana ao amin’ny fianakaviana?

• Ahoana no hampandrosoan’ny anti-panahy ny fihavanana ao amin’ny fiangonana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Tsy manambony tena ny mpampihavana

[Sary, pejy 10]

Mpampihavana ny Kristianina eo amin’ny fanompoana, ao an-tokantrano ary ao amin’ny fiangonana