Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Misy ny Devoly

Tena Misy ny Devoly

Tena Misy ny Devoly

“Ao amin’ny Testamenta Vaovao manontolo, dia mifanohitra be amin’ny herin’Andriamanitra sy ny herin’ny tsara, ny herin’ny ratsy tarihin’i Satana. Tsy hevitry ny mpanoratra Baiboly vitsivitsy fotsiny izany, fa iombonan’izy rehetra. ... Mazava àry ny porofo omen’ny Testamenta Vaovao: Tena misy i Satana, ratsy fanahy izy, ary miady amin’Andriamanitra sy ny vahoakany foana.”​​—“Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly” (anglisy).

NAHOANA àry ny olona maro milaza ho Kristianina sady mino ny Baiboly no tsy mino fa tena misy ny Devoly? Satria tsy ekeny fa Tenin’Andriamanitra izy io, raha ny marina. (Jeremia 8:9) Lazainy fa ny zavatra ninoan’ny firenena nanodidina azy no nampitain’ireo mpanoratra ny Baiboly, fa tsy ny tena fahamarinana avy tamin’Andriamanitra. Nanoratra toy izao, ohatra, ilay pretra atao hoe Hans Küng: “Avy tamin’ny angano babylonianina no nipoiran’ireo hevi-diso momba an’i Satana sy ny andiana demony, ary tafiditra tao amin’ny fivavahana jiosy, ary avy eo tao amin’ny Testamenta Vaovao.”​—Ny Atao hoe Kristianina (anglisy).

Tsy tenin’olombelona fotsiny anefa ny Baiboly. Tena Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry izy io. Fahendrena àry ny handinihantsika tsara izay lazainy momba ny Devoly.​—2 Timoty 3:14-17; 2 Petera 1:20, 21.

Inona no hevitr’i Jesosy?

Nino i Jesosy Kristy fa tena misy ny Devoly. Tsy zava-dratsy tao anatin’i Jesosy akory no naka fanahy azy. Tena nisy zavaboary iray naka fanahy azy, ary nantsoiny hoe “andrianan’izao tontolo izao” izy io, tatỳ aoriana. (Jaona 14:30; Matio 4:1-11) Nino koa izy fa nisy zavaboary ara-panahy hafa nanampy an’i Satana hanatanteraka ny teti-dratsiny. Nanasitrana olona “demoniaka” i Jesosy. (Matio 12:22-28) Izao mihitsy no voalaza ao amin’ny boky iray nosoratan’ny olona tsy mino an’Andriamanitra: “Sosotra foana ny manam-pahaizana momba ny fivavahana, rehefa mahita ao amin’ny Filazantsara fa nino ny fisian’ny demonia i Jesosy.” Tsy finoanoam-poana avy tamin’ny angano babylonianina no naverin’i Jesosy, rehefa niresaka momba ny Devoly sy ny demonia izy. Fantany fa tena nisy izy ireo.

Miana-javatra betsaka momba ny Devoly isika, rehefa mandinika izao tenin’i Jesosy tamin’ny mpampianatra ara-pivavahana tamin’ny androny izao: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.”​—Jaona 8:44.

Araka izany, dia ‘mpandainga sady rain’ny lainga’ ny Devoly. “Mpanendrikendrika” no dikan’ny hoe Devoly. Izy no zavaboary voalohany nandainga momba an’Andriamanitra, ary tao amin’ny Saha Edena no nanaovany izany. Nilaza tamin’i Adama sy i Eva i Jehovah, fa ho “faty tokoa” izy ireo, raha mihinana amin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nampiasa bibilava i Satana, mba hilazana fa tsy marina ireo teny ireo. (Genesisy 2:17; 3:4) Tena mety àry ny iantsoana azy hoe “ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana.”​—Apokalypsy 12:9.

Nandainga momba ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy ny Devoly. Nilaza izy fa tsy rariny ilay fandrarana tsy hihinana amin’io hazo io, fa fanamparam-pahefana. Mety ho “tahaka an’Andriamanitra” i Adama sy i Eva, hoy izy, ka hisafidy samirery izay tsara sy izay ratsy. Nanipy hevitra i Satana fa tokony hanapa-kevitra samirery momba ny zava-drehetra izy mivady, satria nomena safidy malalaka. (Genesisy 3:1-5) Araka izany, dia nilaza i Satana fa tsy mahay mitondra ny olombelona Andriamanitra. Niteraka zava-manahirana tsy maintsy alamina izany. Namela fotoana àry i Jehovah mba handaminana azy ireo. Navela hiaina vetivety i Satana, ary efa ho tapitra ny fotoana kely nomena azy. (Apokalypsy 12:12) Mandainga sy mamitaka ny olona foana anefa izy mba hialan’izy ireo amin’Andriamanitra. Mampiasa olona tahaka ny mpanora-dalàna sy Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy izy mba hanaparitahana ny fampianarany.​—Matio 23:13, 15.

Nilaza koa i Jesosy fa “mpamono olona hatramin’ny taloha” ny Devoly, ary “tsy nitoetra tamin’ny marina.” Tsy midika akory izany fa namorona ny Devoly mba ho “mpamono olona” Andriamanitra. Tsy noforonina mba ho biby mampahatahotra, nasaina hiambina afobe fampijaliana an’izay manohitra an’Andriamanitra, ny Devoly. Tsy fonenan’i Satana ny “fiainan-tsi-hita”, na “afobe” resahin’ny Baiboly. Asehony kosa fa any am-pasana no misy ny maty, fa tsy any amin’ny afobe na any amin’ny fonenan’i Satana akory.​—Asan’ny Apostoly 2:25-27; Apokalypsy 20:13, 14.

“Tamin’ny marina” ny Devoly tamin’ny voalohany. Anisan’ny fianakavian’i Jehovah tany an-danitra izy taloha, izany hoe zanak’Andriamanitra lavorary. “Tsy nitoetra tamin’ny marina” anefa izy. Naleony nandainga, araka ny fanaony. Ny hoe “hatramin’ny taloha” dia tamin’izy ninia nikomy tamin’i Jehovah sy nandainga tamin’i Adama sy i Eva, fa tsy tamin’izy noforonin’Andriamanitra ho anjely zanany akory. Tahaka ireo olona nikomy tamin’i Jehovah tamin’ny andron’i Mosesy i Satana Devoly. Izao no vakintsika momba azy ireny: “Efa nasian-dratsy Izy; tsy zanany ireny​—tsininy izany.” (Deoteronomia 32:5) Nanjary “mpamono olona” izy rehefa nikomy, ka lasa tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’i Adama sy i Eva sy ny fahafatesan’ny olona rehetra mihitsy.​—Romana 5:12.

Anjely tsy nankatò

Nisy anjely hafa nikomy nanaraka an’i Satana. (Lioka 11:14, 15) “Nandao ny fonenany” ireny anjely ireny, tamin’ny andron’i Noa, ary nitafy vatan’olombelona mba hanaovana firaisana tamin’ny “zanakavavin’ny olona.” (Joda 6; Genesisy 6:1-4; 1 Petera 3:19, 20) “Ny ampahatelon’ny kintana”, izany hoe zavaboary ara-panahy vitsy, no nanao izany.​—Apokalypsy 12:4.

Asehon’ny boky ara-paminanian’ny Apokalypsy fa toy ny “dragona mena lehibe” ny Devoly. (Apokalypsy 12:3) Nahoana? Tsy mampahatahotra be akory ny vatany. Tsy fantatsika hoe manao ahoana ny vatan’ny zavaboary ara-panahy, nefa azo inoana fa mitovy amin’ny an’ny anjely hafa ny vatan’i Satana. Milaza tsara ny toetran’i Satana anefa ilay anarana hoe “dragona mena lehibe”, satria mitady remby izy, mampahatahotra sady mahery, ary mpandrava.

Tena voafetra izao ny zavatra azon’i Satana sy ny demonia atao. Tsy afaka mitafy vatan’olombelona toy ny taloha intsony izy ireo. Nazera tetỳ amin’ny manodidina ny tany izy ireo, taoriana kelin’ny 1914, rehefa avy nomena an’i Jesosy ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Apokalypsy 12:7-9.

Fahavalo sarotra resena ny Devoly

Na izany aza, dia mbola fahavalo sarotra resena ihany ny Devoly. “Mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” izy. (1 Petera 5:8) Tsy ny toetra ratsy ao anatintsika akory ny Devoly. Marina fa tsy lavorary isika, ary miady mafy isan’andro mba tsy hanota. (Romana 7:18-20) Ny ‘mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra’ anefa no tena iadiantsika.​—Efesiana 6:12.

Hatraiza ny herin’ny Devoly? “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, hoy ny apostoly Jaona. (1 Jaona 5:19) Mazava ho azy fa tsy tiantsika hifantoka be loatra amin’ny Devoly ny saintsika, ary tsy ta hatahotra azy noho ny finoanoam-poana koa isika, ka tsy ho afaka hanao na inona na inona. Fahendrena ho antsika anefa ny mitadidy fa miezaka hanajamba antsika tsy hahita ny fahamarinana sy hitarika antsika hivadika amin’Andriamanitra izy.​—Joba 2:3-5; 2 Korintiana 4:3, 4.

Tsy herisetra foana no amelezan’ny Devoly an’izay maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Maka endriky ny “anjelin’ny mazava” izy indraindray. Nampitandrina ny Kristianina tamin’izany loza izany ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra hoe: “Matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny.”​—2 Korintiana 11:3, 14.

Koa mila ‘mahonon-tena sy miambina isika ary manohitra azy sy miorina tsara amin’ny finoana.’ (1 Petera 5:8, 9; 2 Korintiana 2:11) Aza mitsabatsabaka amin’ny zavatra mifandray amin’ny asan’ny maizina mihitsy, fa raha tsy izany dia ho voafitak’i Satana mora foana ianao. (Deoteronomia 18:10-12) Mazotoa mianatra ny Tenin’Andriamanitra, ary tadidio fa imbetsaka i Jesosy Kristy no nanonona ny Tenin’Andriamanitra, rehefa nalain’ny Devoly fanahy. (Matio 4:4, 7, 10) Mivavaha mba hahazo ny fanahin’Andriamanitra. Ny vokatr’io fanahy io dia hanampy anao tsy hanao ny asan’ny nofo. Tena hain’i Satana mantsy ny mampirisika ny olona hanao izany. (Galatiana 5:16-24) Mivavaha mafy koa amin’i Jehovah rehefa mahatsapa fanerena avy amin’ny Devoly sy ny demoniany ianao.​—Filipiana 4:6, 7.

Tsy misy antony tokony hatahorana ny Devoly. Mampanantena i Jehovah fa tena hiaro antsika amin’izay rehetra mety hataon’i Satana izy. (Salamo 91:1-4; Ohabolana 18:10; Jakoba 4:7, 8) “Mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany”, hoy ny apostoly Paoly. Hahatohitra “ny fanangolen’ny devoly” ianao amin’izay.​—Efesiana 6:10, 11.

[Sary, pejy 5]

Fantatr’i Jesosy fa tena misy ny Devoly

[Sary, pejy 6]

‘Izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa’

[Sary nahazoan-dalana]

NASA photo

[Sary, pejy 7]

Manohera ny Devoly amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fivavahana tsy tapaka