Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hahazo ny Fitahian’i Jehovah ve Ianao?

Hahazo ny Fitahian’i Jehovah ve Ianao?

Hahazo ny Fitahian’i Jehovah ve Ianao?

“Ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha [tsy mitsahatra] mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao.”​—DEOTERONOMIA 28:2.

1. Miankina amin’ny inona no hitahiana na hanozonana ny Isiraelita?

NITOBY teo amin’ny Lemak’i Moaba ny Isiraelita, rehefa nadiva hifarana ilay diany naharitra 40 taona tany an’efitra. Efa hiditra ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Tamin’izay no nanoratan’i Mosesy ny bokin’ny Deoteronomia, izay mirakitra fitahiana sy fanozonana maromaro. ‘Hahazo’ fitahiana ny vahoakan’ny Isiraely, raha tsy mitsahatra ‘mihaino ny feon’i Jehovah’, izany hoe raha mankatò azy. Tian’i Jehovah toy ny “firenena rakitra soa” izy ireo, ary niriny ny hampiasa ny heriny mba hanampiana azy ireo. Tena hihatra amin’izy ireo anefa ny fanozonana, raha mitsahatra mihaino an’i Jehovah izy ireo.​—Deoteronomia 8:10-14; 26:18; 28:2, 15.

2. Inona no dikan’ny matoanteny hebreo nadika hoe ‘tsy mitsahatra mihaino’, ao amin’ny Deoteronomia 28:2?

2 “Mihaino” no matoanteny ampiasain’ny Baiboly malagasy ao amin’ny Deoteronomia 28:2. “Tsy mitsahatra mihaino” anefa no ampiasain’ny Baiboly hebreo tany am-boalohany. Milaza fanaovan-javatra mitohy izany. Tsy maintsy mihaino an’i Jehovah foana amin’ny zava-drehetra, ny vahoakany, fa tsy hoe mihaino azy tsindraindray fotsiny. Rehefa manao izany ihany izy ireo vao hahazo ny fitahian’Andriamanitra.

3. Ahoana no hanahafantsika an’i Josoa, ary nahoana izany no zava-dehibe?

3 Nankatò an’i Jehovah i Josoa, mpitarika ny Isiraelita, hany ka nahazo fitahiana. Hoy i Josoa: “Fidionareo anio ary izay hotompoinareo ... fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” Dia namaly ny vahoaka hoe: “Sanatria raha hahafoy an’i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.” (Josoa 24:15, 16) Koa satria tsara ny toe-tsain’i Josoa, dia nahazo tombontsoa ho anisan’ireo olom-bitsy tafiditra ny Tany Nampanantenaina izy. Tsy ho ela koa isika dia hiditra ao amin’ilay Tany Nampanantenaina tsara lavitra noho io, dia ilay paradisa an-tany. Any dia maro kokoa noho ny tamin’ny andron’i Josoa ny fitahiana miandry ny olona ankasitrahan’Andriamanitra. Hahazo ireo fitahiana ireo ve ianao? Izany tokoa, raha tsy mitsahatra mihaino an’i Jehovah ianao. Mba hanampiana anao ho tapa-kevitra tsara hanao izany, dia diniho ny tantaran’ny firenen’ny Isiraely fahiny sy ny an’ny olona sasany, izay handraisantsika lesona.​—Romana 15:4.

Fitahiana sa fanozonana?

4. Inona no nomen’Andriamanitra an’i Solomona, ho valin’ny vavaka nataony, ary ahoana no tokony handraisantsika ny fitahiana toy ireny?

4 Nahazo fitahiana tondraka tamin’i Jehovah ny Isiraelita, tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. Nilamina sy nanana zava-tsoa maro izy ireo. (1 Mpanjaka 5:5) Nanjary nalaza ho nanankarena i Solomona, na dia tsy harena aza no nangatahiny tamin’Andriamanitra. Mbola tanora sady tsy ampy fahendrena kosa izy dia efa nivavaka mba hahazo saina malady. Namaly ny vavaka nataony i Jehovah, ka nanome azy fahendrena sy fahazoana hevi-javatra. Nanjary nahay nitsara ny olona i Solomona, ary nahay nanavaka ny tsara sy ny ratsy koa. Na dia nomen’Andriamanitra harena sy voninahitra koa aza i Solomona tanora, dia ny harena ara-panahy no sarobidy indrindra taminy. (1 Mpanjaka 3:9-13) Na manam-be isika na tsia, dia velom-pankasitrahana, raha mahazo ny fitahian’i Jehovah sy manankarena ara-panahy!

5. Inona no nitranga rehefa tsy nihaino an’i Jehovah intsony ny vahoakan’ny Isiraely sy Joda?

5 Tsy nankasitraka ny fitahian’i Jehovah ny Isiraelita. Tsy nihaino an’i Jehovah intsony izy ireo, ka tonga taminy ireo ozona voambara mialoha: Resin’ny fahavalo izy ireo, ary nentina ho babo ny firenen’ny Isiraely sy Joda. (Deoteronomia 28:36; 2 Mpanjaka 17:22, 23; 2 Tantara 36:17-20) Takatry ny vahoakan’Andriamanitra ve, noho izany fijaliana izany, fa izay tsy mitsahatra mihaino an’i Jehovah ihany no tahiny? Ny Jiosy sisa tavela, niverina tany an-tanindrazany tamin’ny 537 al.f.i., dia afaka nampiseho raha nahazo “fo hendry” izy ireo na tsia, ary raha takany amin’izay fa mila mihaino an’Andriamanitra foana izy.​—Salamo 90:12.

6. a) Nahoana i Jehovah no naniraka an’i Hagay sy i Zakaria mba haminany tamin’ny vahoakany? b) Inona no fitsipika hita ao amin’ny hafatr’Andriamanitra nentin’i Hagay?

6 Nanorina alitara ireo Jiosy tafaverina, ary nanomboka nanamboatra ny tempoly tao Jerosalema. Nihena anefa ny zotom-pony, rehefa nisedra mafy azy ny mpanohitra, ary nitsahatra mihitsy ny fanorenana. (Ezra 3:1-3, 10; 4:1-4, 23, 24) Ny hampiadana ny tenany indray no nahiny voalohany. Noho izany, dia naniraka an’i Hagay sy i Zakaria i Jehovah mba hampirisika ny vahoakany hazoto amin’ny fivavahana marina indray. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Hagay: “Moa andro tokony hitoeran’ny tenanareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano [fivavahana] ity? ... Hevero ny làlanareo. Efa namafy be hianareo, nefa kely no taomina: mihinana hianareo, nefa tsy voky ... ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.” (Hagay 1:4-6) Tsy mahazo ny fitahian’i Jehovah àry izay mahafoy zavatra ara-panahy mba hikatsahana zavatra ara-nofo.​—Lioka 12:15-21.

7. Nahoana i Jehovah no nilaza tamin’ny Jiosy hoe: “Hevero ny làlanareo”?

7 Variana tamin’ny fiainana andavanandro ny Jiosy, ka nanadino fa tsy handrotsaka orana na hanome vokatra tondraka ho azy ireo Andriamanitra, raha tsy hoe mankatò azy hatrany izy ireo, na dia iharan’ny fanoherana aza. (Hagay 1:9-11) Mety tsara àry ilay fampirisihana hoe: “Hevero ny làlanareo.” (Hagay 1:7) Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoy i Jehovah taminy: ‘Eritrereto tsara! Jereo fa matoa very maina ny asa mafy ataonareo eny an-tsaha, dia satria rava ny tempoliko.’ Nanohina ny fon’ny mpihaino ihany, tamin’ny farany, ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny, satria niverina nanamboatra ny tempoly ny vahoaka, ka namita azy io tamin’ny 515 al.f.i.

8. Inona no nasain’i Jehovah nataon’ny Jiosy tamin’ny andron’i Malakia, ary nahoana?

8 Nanjary matimaty ara-panahy indray ny Jiosy tamin’ny andron’i Malakia mpaminany, ary nanao fanatitra tsy azon’Andriamanitra nekena mihitsy aza. (Malakia 1:6-8) Nasain’i Jehovah nentin’izy ireo ho ao amin’ny trano firaketany àry ny ampahafolon-karenany rehetra, mba hahitan’izy ireo raha tsy hovohan’i Jehovah ho azy ireo ny varavaran’ny lanitra, mba hampidinany fitahiana manana amby ampy ho azy ireo. (Malakia 3:10) Tena adala ny Jiosy, satria nikely aina mba hahazo zavatra izay homen’Andriamanitra azy ihany, ary be dia be mihitsy, raha tsy mitsahatra mihaino azy izy ireo!​—2 Tantara 31:10.

9. Handinika ny fiainan’ny olona telo ao amin’ny Baiboly isika. Iza avy izy ireo?

9 Sady mirakitra ny tantaran’ny firenen’ny Isiraely fahiny ny Baiboly, no mitantara ny fiainan’ny olona maro izay notahin’i Jehovah na nozoniny, arakaraka ny hoe nanohy nihaino azy izy ireo na tsia. Aoka isika handinika izay azontsika ianarana avy amin’ny telo amin’izy ireo, dia i Boaza sy i Nabala ary i Hana. Tsara raha vakinao ny bokin’i Rota sy ny 1 Samoela 1:1–2:21 ary ny 1 Samoela 25:2-42.

Nihaino an’Andriamanitra i Boaza

10. Inona no nampitovy an’i Boaza sy i Nabala?

10 Nisy zavatra nitovian’i Boaza sy i Nabala, na dia tsy niara-belona aza izy ireo. Samy nipetraka tany Joda, ohatra, izy ireo. Samy tompon-tany nanankarena, ary samy afaka nampiseho hatsaram-panahy tamin’olona sahirana koa. Izay ihany anefa no mampitovy azy.

11. Ahoana no nampisehoan’i Boaza fa tsy nitsahatra nihaino an’i Jehovah izy?

11 Niaina tamin’ny andron’ny mpitsaran’ny Isiraely i Boaza. Nanaja ny hafa izy, ary tena nohajain’ny mpijinjany koa. (Rota 2:4) Nankatò ny Lalàna i Boaza, ka tsy navelany hotsimponina izay vokatra latsaka, mba hisy ho an’ny mahantra. (Levitikosy 19:9, 10) Inona no nataon’i Boaza, rehefa nahafantatra an’i Rota sy i Naomy izy, ka nahita fa nazoto nikarakara an’i Naomy rafozany efa be taona i Rota? Tena tsara fanahy tamin’i Rota izy, ary nibaiko ny mpiasany mba hamela an’i Rota hitsimpona izay latsaka teny an-tsahany. Hita tamin’ny tenin’i Boaza sy ny fitiavana nasehony, fa lehilahy araka ny fanahy izy, ary nihaino an’i Jehovah. Nahazo sitraka sy fitahiana tamin’Andriamanitra izy, noho izany.​—Levitikosy 19:18; Rota 2:5-16.

12, 13. a) Ahoana no nampisehoan’i Boaza fa tena nanaja ny lalàn’i Jehovah momba ny fanavotana izy? b) Inona avy ireo fitahiana azony?

12 Izao no fomba niavaka indrindra nampisehoan’i Boaza fa tsy nitsahatra nihaino an’i Jehovah izy: Tsy tia tena izy fa nankatò ny lalàn’Andriamanitra momba ny fanavotana. Maty i Elimeleka vadin’i Naomy, sady havan’i Boaza. Nanao izay rehetra azony natao àry i Boaza mba tsy hifindran’ny lovan’i Elimeleka. Araka ny lalàna momba ny loloha, dia tsy maintsy nanambady ny havam-badiny akaiky indrindra ny vehivavy iray, rehefa maty ny vadiny, mba tsy hifindra ny lovany, fa ho an’ny zanakalahin’izy ireo ihany. (Deoteronomia 25:5-10; Levitikosy 25:47-49) Efa antitra loatra sady tsy afaka hiteraka intsony i Naomy, ka i Rota no nisolo azy mba ho vadin’i Boaza. Nampakatra an’i Rota i Boaza, rehefa tsy nety nanavotra an’i Naomy ny havan’i Elimeleka akaiky. Nekena ho taranak’i Naomy sy mpandova ara-dalàna an’i Elimeleka i Obeda zanak’izy ireo.​—Rota 2:19, 20; 4:1, 6, 9, 13-16.

13 Nahazo fitahiana maro i Boaza, satria nankatò ny lalàn’Andriamanitra fa tsy tia tena. Nomem-boninahitra izy sy i Rota, satria nanjary razamben’i Jesosy Kristy, tamin’ny alalan’i Obeda zanany. (Rota 2:12; 4:13, 21, 22; Matio 1:1, 5, 6) Izao no ianarantsika avy amin’ny fihetsik’i Boaza: Mahazo fitahiana ireo mampiseho fitiavana ny hafa sy manao izay takin’Andriamanitra.

Tsy nihaino i Nabala

14. Karazan’olona nanao ahoana i Nabala?

14 Mifanohitra amin’i Boaza kosa i Nabala, satria tsy nihaino an’i Jehovah. Nandika izao lalàn’Andriamanitra izao izy: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Levitikosy 19:18) Tsy olona araka ny fanahy i Nabala fa ‘saro-po sy ratsy tamin’izay nataony’ kosa. Ny mpanompony aza niantso azy hoe “lehilahy tena ratsy fanahy.” Mifanentana aminy tsara ilay anarany hoe Nabala, izay midika hoe “adala” na “vendrana.” (1 Samoela 25:3, 17, 25) Inona àry no nataon’i Nabala, rehefa afaka nampiseho hatsaram-panahy tamin’olona sahirana izy, ohatra hoe tamin’i Davida, ilay voahosotr’i Jehovah?​—1 Samoela 16:13.

15. Inona no nataon’i Nabala tamin’i Davida, ary nahoana i Abigaila no tsy nitovy tamin’ny vadiny?

15 Niaro maimaim-poana ny ondry aman’osin’i Nabala tsy ho azon’ny jiolahy i Davida sy ny olony, rehefa nitoby teo akaikin’ireo biby ireo. “Izy no mandanay andro aman-alina”, hoy ny iray tamin’ny mpiandry ondrin’i Nabala. Rehefa nangataka sakafo anefa ny irak’i Davida, dia “nisafoaka tamin’ireny” i Nabala, ary tsy nanome na inona na inona azy ireo. (1 Samoela 25:2-16) Nandeha faingana i Abigaila, vadin’i Nabala, nitondra sakafo tany amin’i Davida. Saika hamono an’i Nabala sy ny mpanompony i Davida, satria tezitra mafy. Namonjy ain’olona maro àry ny zavatra nataon’i Abigaila, ary nisakana an’i Davida tsy hivesatra trosan-dra koa. Kahidy sy nasiaka loatra anefa i Nabala. Folo andro tatỳ aoriana, dia ‘nasian’i Jehovah i Nabala, ka maty.’​—1 Samoela 25:18-38.

16. Ahoana no hanahafantsika an’i Boaza sy hanalavirantsika ny fitondran-tenan’i Nabala?

16 Tena tsy nitovy i Boaza sy i Nabala! Tsy tokony hasiaka na ho tia tena toa an’i Nabala isika, fa hanahaka an’i Boaza kosa, izay sady tsara fanahy no tsy tia tena. (Hebreo 13:16) Ho toy izany isika, rehefa manaraka izao torohevitry ny apostoly Paoly izao: “Araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Galatiana 6:10) Ankehitriny, ny “ondry hafa”, izany hoe ireo Kristianina manantena hiaina eto an-tany, dia manana tombontsoa hanampy ny voahosotr’i Jehovah, dia ny sisa amin’ireo 144 000, izay tsy ho faty mandrakizay any an-danitra. (Jaona 10:16; 1 Korintiana 15:50-53; Apokalypsy 14:1, 4) Raisin’i Jesosy toy ny hoe atao amin’ny tenany ireny asa maneho fitiavana ireny, ary ahazoana fitahiana maro avy amin’i Jehovah koa.​—Matio 25:34-40; 1 Jaona 3:18.

Nosedraina sy notahina i Hana

17. Inona no fisedrana nahazo an’i Hana, ary inona no nataony?

17 Notahin’i Jehovah koa i Hana, izay tena tia azy. Tany an-tendrombohitr’i Efraima no nipetraka izy sy i Elkana, Levita vadiny. Araka ny navelan’ny Lalàna natao, dia nanambady an’i Penina koa i Elkana. Tsy niteraka i Hana, ary tena fahafaham-baraka ho an’ny vehivavy isiraelita izany. Nanan-janaka maromaro anefa i Penina. (1 Samoela 1:1-3; 1 Tantara 6:16, 33, 34) Tsy nampionona an’i Hana i Penina, fa vao mainka ratsy fanahy taminy, ka nanorisory azy, hany ka nitomany sy tsy nety nisakafo intsony i Hana. Nanao izany “isan-taona” mihitsy aza i Penina, rehefa ho any an-tranon’i Jehovah any Silo izy mianakavy. (1 Samoela 1:4-8) Tena ratsy fanahy i Penina, ary voasedra mafy i Hana! Sady tsy nanome tsiny an’i Jehovah mihitsy anefa i Hana no tsy nijanona tao an-trano fotsiny, rehefa nankany Silo ny vadiny. Hahazo fitahiana lehibe àry izy any aoriana.

18. Inona no ohatra navelan’i Hana?

18 Ohatra tena tsara ho an’ny vahoakan’i Jehovah i Hana, indrindra fa ho an’izay nanaovana teny henjana, ka mety halahelo. Tsy hampiova na inona na inona ny fitokana-monina, rehefa mitranga izany. (Ohabolana 18:1) Na dia voasedra aza i Hana, dia naniry ho any amin’ny toerana nampianarana ny Tenin’Andriamanitra sy nivorian’ny mpivavaka tamin’i Jehovah foana. Natanjaka ara-panahy hatrany izy, noho izany. Hita ao amin’ilay vavaka kanto nataony, ao amin’ny 1 Samoela 2:1-10, fa tena tia zavatra ara-panahy izy. *

19. Ahoana no hampisehoantsika fa mankasitraka ny zavatra ara-panahy isika?

19 Tsy manompo an’i Jehovah any amin’ny tabernakely isika ankehitriny. Afaka mampiseho fankasitrahana zavatra ara-panahy toa an’i Hana anefa isika. Mampiseho ny fankasitrahantsika lalina ny harena ara-panahy, ohatra, isika, rehefa manatrika tsy tapaka ireo fivoriana sy fivoriambe kristianina. Mandritra ireny fivoriana ireny, dia aoka isika hifandrisika mba hanohy ny fanompoana an’i Jehovah, izay nanome antsika ny tombontsoa ‘hanompo azy tsy amin-tahotra, fa amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana.’​—Lioka 1:74, 75; Hebreo 10:24, 25.

20, 21. Inona no valisoa azon’i Hana, noho izy tena tia an’Andriamanitra?

20 Hitan’i Jehovah fa tena tia azy i Hana, ka nomeny valisoa betsaka. Rehefa nandeha ho any Silo izy mianakavy, indray mandeha, dia nitomany i Hana nivavaka mafy tamin’Andriamanitra, sy nivoady hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro ô, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’i Jehovah kosa izy amin’ny andro rehetra hiainany.” (1 Samoela 1:9-11) Nihaino ny fitalahoan’i Hana i Jehovah, ka nanome azy zazalahy nantsoiny hoe Samoela. Nentiny tany Silo, mba hanompo an’i Jehovah tany amin’ny tabernakely io zanany io, rehefa nisara-nono.​—1 Samoela 1:20, 24-28.

21 Nampiseho fitiavana an’Andriamanitra i Hana ary nanatanteraka ny voadiny momba an’i Samoela. Nahazo fitahiana maro koa izy mivady, satria nanompo tao amin’ny tabernakelin’i Jehovah ny zanany malala! Maro koa ny ray aman-dreny faly sy mahazo fitahiana toy izany, satria mpisava lalana maharitra ny zanany, na miasa ao amin’ny Betela, na manome voninahitra an’i Jehovah amin’ny fomba hafa.

Aza mitsahatra mihaino an’i Jehovah!

22, 23. a) Inona no azontsika antoka raha tsy mitsahatra mihaino an’i Jehovah isika? b) Inona no hovelabelarin’ny lahatsoratra manaraka?

22 Inona no azontsika antoka raha tsy mitsahatra mihaino an’i Jehovah isika? Hanankarena ara-panahy isika, raha mampiseho fa tia an’i Jehovah amin’ny fanahintsika rehetra sy miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika. Na dia voasedra mafy aza isika rehefa manao izany, dia hitahy antsika tokoa i Jehovah, eny, mihoatra noho izay eritreretintsika aza matetika.​—Salamo 37:4; Hebreo 6:10.

23 Hahazo fitahiana maro ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny hoavy. Hisy “olona betsaka” ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe”, satria nihaino sy nankatò an’i Jehovah, hany ka hankafy ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:9-14; 2 Petera 3:13) Hotanterahin’i Jehovah daholo ny faniriana tsara ananan’ny olony rehetra, ao amin’io tontolo vaovao io. (Salamo 145:16) Hasehon’ny lahatsoratra manaraka anefa fa efa mandray ‘soa sy fanomezana tanteraka avy any ambony’ ny olona tsy mitsahatra mihaino an’i Jehovah ankehitriny.​—Jakoba 1:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Misy itoviana ny tenin’i Hana sy ny teny nataon’i Maria tovovavy virjiny, taoriana kelin’ny nahafantarany fa ho renin’ny Mesia izy.​—Lioka 1:46-55.

Tadidinao Ve?

• Inona no ianarantsika momba ny fitahian’ i Jehovah, avy amin’ny tantaran’ny Isiraely?

• Inona no tsy nampitovy an’i Boaza sy i Nabala?

• Ahoana no hanahafantsika an’i Hana?

• Nahoana isika no tsy tokony hitsahatra hihaino an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Nivavaka mba hahazo saina malady i Solomona mpanjaka, ka nomen’i Jehovah fahendrena

[Sary, pejy 12]

Nanaja ny hafa ary tsara fanahy tamin’izy ireo i Boaza

[Sary, pejy 15]

Nahazo fitahiana maro i Hana, satria natoky an’i Jehovah