Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Zava-tsarobidy Indrindra?

Inona no Zava-tsarobidy Indrindra?

Inona no Zava-tsarobidy Indrindra?

Mampientanentana erỳ ny fananana zava-tsarobidy. Zavatra toy ny inona anefa izany? Vola be ve? Sa firavaka lafo vidy na tsy misy mpanana? Sa laza amam-boninahitra? Olona maro no mihevitra an’ireo ho tena sarobidy. Rehefa manana azy ireo ianao, dia afaka mivelona tsara, manjary misy dikany kokoa ny fiainanao, manaja anao ny hafa, ary mahatsiaro ho afa-po ianao satria nahavita zavatra. Moa ve isika miezaka mafy hahazo zavatra toy izany, satria manantena azy ireny hanatanteraka ny fikasantsika sy ny faniriantsika ho an’ny hoavy?

MAZÀNA no heverin’ny olona ho sarobidy ireo zavatra ilainy, na iriny manokana, ka azony. Ankamamintsika ireo zavatra mitondra fahasambarana sy fanantenana hoavy azo antoka ho antsika. Izay mitondra fanamaivanana, sy fiadanana, ary fanajan’ny hafa eo no ho eo, dia tena sarobidy koa amintsika. Kanefa, miankina amin’ny anton-javatra maivana sy tsy lasa lavitra isika raha mihevitra zavatra iray ho sarobidy, satria hoe irintsika na ilaintsika ilay izy. Raha ny marina, ny zavatra tena sarobidy dia izay heverintsika ho tena ilaintsika indrindra.

Inona àry no tena ilaintsika indrindra? Tsy misy dikany ny zavatra hafa rehetra, raha tsy eo ilay zavatra ilaina voalohany indrindra, dia ny aina. Tsy misy isika, raha tsy misy ny aina. Nanoratra toy izao i Solomona, mpanjakan’i Isiraely fahiny: “Fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona ... Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [fasana iombonan’ny olona rehetra].” (Mpitoriteny 9:5, 10) Raha maty isika, dia ho voatery hamoy ny fananantsika rehetra. Ny tena ilaintsika indrindra àry dia zavatra izay afaka miaro ny aintsika. Inona moa izany?

Inona no afaka miaro ny aintsika?

“Fialokalofana ny vola”, hoy i Solomona Mpanjaka. (Mpitoriteny 7:12) Raha manam-bola isika, dia afaka mahazo sakafo sy trano mampiadana. Ho afaka hanao dia any an-tany lavitra koa isika. Ary rehefa tsy afa-miasa intsony isika, satria efa antitra na osa, dia mbola afaka mahazo izay ilaintsika ihany raha manam-bola. Maro àry ny soa azo avy amin’ny vola. Na izany aza, dia tsy afaka miaro ny aintsika ny vola. Nampirisika an’i Timoty toy izao ny apostoly Paoly: “Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra.” (1 Timoty 6:17) Na ny vola rehetra eran’izao tontolo izao aza tsy mahavidy ny aintsika.

Diniho ny zavatra niainan’ny lehilahy iray atao hoe Hitoshi. Naniry mafy ny hanankarena izy, satria notezaina tao amin’ny fianakaviana nahantra. Tena nino izy hoe manan-kery lehibe ny vola, ka hoe azo vidina na dia ny olona aza. Tamin’izay dia nisy lehilahy tonga teo am-baravarany, ary nanontany azy raha fantany fa namoy ny ainy ho azy i Jesosy Kristy. Nanitikitika ny sain’i Hitoshi io fanontaniana io, satria nino izy fa tsy hisy olona hanaiky ho faty ho an’ny olona toa azy mihitsy. Nandeha nihaino lahateny ara-baiboly iray izy ary gaga nahare ilay fampirisihana hoe aoka ho tsotra ny masonao. Nanazava ilay mpandahateny fa mibanjina ny hoavy ny maso tsotra, ary mifantoka amin’ny zavatra ara-panahy. (Lioka 11:34) Tsy nisasatra mafy hahazo vola intsony i Hitoshi. Ny zavatra ara-panahy kosa no nataony ho zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainany.

Ny fananana ara-nofo koa dia mahatonga antsika hahatsiaro ho tsy manana ahiahy sy ho voaro. Raha manana ny ampy isika, dia tsy hanahy izay ilaintsika isan’andro. Mety hitondra fahafaham-po ny fananana trano tsara tarehy eo amin’ny faritra mahafinaritra. Angamba ikoizan’ny hafa koa ny akanjontsika ara-damaody sy ny fiarantsika lafo vidy.

Fitahiana ny fahafahana ho ‘finaritra amin’ny fisasarantsika rehetra.’ (Mpitoriteny 3:13) Ary mety ho afaka ‘hisonanina, hihinana sy hisotro, ary hifaly’ koa ireo hava-malalantsika, raha manana ny ampy isika. Mihelina ihany anefa ny hasarobidin’ny zavatra hita maso. Rehefa nampitandrina ny amin’ny fitsiriritana i Jesosy Kristy, dia nanao hoe: “Ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” (Lioka 12:15-21) Tsy afaka miantoka ny aintsika ny fananana, na toy inona na toy inona habetsahany na vidiny.

I Liz, ohatra, dia nanambady lehilahy nanankarena be. Hoy izy: “Nanana trano tsara tarehy sy fiara roa izahay. Azonay novidina daholo izay zavatra rehetra natolotr’ity tontolo ity. Mahagaga anefa fa mbola nanahy momba ny vola ihany aho.” Nanazava izy hoe: “Natahotra ny hamoy ny harem-benay izahay. Toa arakaraka ny habetsahan’ny anananao no mampanahy anao.”

Heverin’ny maro ho tena manan-danja koa ny laza amam-boninahitra, satria mety hahazoana dera sy haja. Tanjona tsiriritin’ny olona fatratra koa ankehitriny ny asa mahomby. Mety hahatonga antsika halaza ny fananana talenta na fahaizana tsy ananan’ny hafa. Mety hidera antsika ny olona, sy hanaja ny fomba fihevitsika, ary hila sitraka amintsika. Mampientanentana sady mahafinaritra avokoa izany rehetra izany. Ho lefy ihany anefa izany amin’ny farany. I Solomona no mpanjaka nanam-boninahitra sy nanan-kery indrindra hatramin’izay, nefa nitaraina toy izao izy: “Samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala ... Samy ho hadino ela izy.” (Mpitoriteny 2:16) Tsy azo avy amin’ny laza amam-boninahitra sy ny toerana ambony ny aina.

Ny mpanao sokitra iray atao hoe Celo dia nahita fa misy zavatra sarobidy lavitra noho ny laza. Noho ny talentany, dia afaka nanohy fianarana, izay nampitombo ny fahaizany, izy. Tsy ela dia nankalazain’ny mpanao gazety sy ny mpanao tsikera zavakanto, ny asa tanany. Maro amin’ireo sary sokitra nataony no nanaovana fampirantiana tany amin’ny tanàna eoropeanina maro. Hoy izy: “Tsy maintsy miaiky aho fa nisy fotoana nanaovako ny zavakanto ho ny zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainako. Kanefa, nanjary tsapako tsikelikely fa raha mbola nanohy ny asako aho, dia ho toy ny niezaka nanompo tompo roa. (Matio 6:24) Niaiky aho fa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra azoko atao. Koa nanapa-kevitra àry aho fa hajanoko ny asan’ny mpanao sokitra.”

Inona no sarobidy indrindra?

Koa satria tsy misy dikany ny zavatra rehetra raha tsy misy ny aina, inona àry no afaka manome antoka fa ho velona foana isika? Avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny aina. (Salamo 36:9) Eny tokoa, “Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika.” (Asan’ny Apostoly 17:28) Hanolotra fiainana mandrakizay ho fanomezana ho an’ireo izay tia azy izy. (Romana 6:23) Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho mendrika io fanomezana io?

Miankina amin’ny fananantsika fifandraisana akaiky amin’i Jehovah ny fahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Ny fankasitrahan’Andriamanitra àry dia sarobidy noho ny zavatra hafa rehetra mety hananantsika. Rehefa manana ny fankasitrahany isika, dia afaka manantena fahasambarana marina mandrakizay. Raha tsy izany kosa, dia miatrika fandringanana mandrakizay isika. Mazava àry fa faran’izay sarobidy izay rehetra hanampy antsika hanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah.

Izay tsy maintsy ataontsika

Ny fahombiazantsika dia miankina amin’ny fahazoantsika fahalalana. Ny Baiboly, Tenin’i Jehovah, no loharanon’ny fahalalana marina. Izy io irery no milaza amintsika izay tsy maintsy ataontsika mba hampifaliana an’Andriamanitra. Mila mianatra tsara ny Soratra Masina àry isika. Ny vokatry ny ezaka mafy ataontsika mba hianarana momba an’i Jehovah sy Jesosy Kristy, dia ‘fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.’ (Jaona 17:3) Harena sarobidy tokony hankamamina ny fahalalana toy izany!​—Ohabolana 2:1-5.

Ny fahalalana azontsika avy amin’ny Tenin’Andriamanitra dia manomana antsika ho amin’ny dingana manaraka, dia ny finoana an’i Jesosy Kristy. Nodidian’i Jehovah fa tsy maintsy amin’ny alalan’i Jesosy no hanatonana azy. (Jaona 14:6) Raha ny marina tokoa, dia “tsy misy famonjena amin’ny hafa.” (Asan’ny Apostoly 4:12) Ny fahavelomantsika amin’ny farany dia tsy miankina amin’ny ‘volafotsy na ny volamena, fa amin’ny ra soan’i Kristy.’ (1 Petera 1:18, 19) Tsy maintsy manaporofo ny finoantsika isika, amin’ny fanekena ny fampianaran’i Jesosy sy amin’ny fanarahana ny ohatra navelany. (Hebreo 12:1-3; 1 Petera 2:21) Tena sarobidy tokoa ny sorona nataony! Miantoka hoavy mandrakizay ho an’ny olombelona rehetra ny vokatra entin’izy io. Rehefa hampiharina amintsika amin’ny fomba feno izy io, dia hahazo ilay fanomezana sarobidy indrindra isika, dia ny fiainana mandrakizay.​—Jaona 3:16.

Hoy i Jesosy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.” (Matio 22:37) Raha tia an’i Jehovah isika, dia ‘hitandrina ny didiny.’ (1 Jaona 5:3) Ary mandidy antsika izy mba hisaraka amin’izao tontolo izao, sy hanana fitondran-tena mahitsy, ary hampandroso ny Fanjakany. Izany no fomba ampisehoantsika fa ‘mifidy ny fiainana’ isika, fa tsy ny fahafatesana. (Deoteronomia 30:19) Raha ‘manatona an’Andriamanitra isika, dia hanatona antsika izy.’​—Jakoba 4:8.

Ny fananantsika toky ny amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra dia sarobidy lavitra noho ny harena rehetran’ny tany. Izay manana azy io no olona manankarena indrindra eto an-tany! Enga anie àry isika hiezaka mafy mba hahazo ilay harena sarobidy indrindra​—ny fankasitrahan’i Jehovah. Eny tokoa, aoka isika handray am-po an’ity fampirisihan’ny apostoly Paoly ity: “Miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay.”​—1 Timoty 6:11, 12.

[Sary, pejy 21]

Inona no tena sarobidy aminao? Ny vola, ny fananana, ny laza, sa zavatra hafa?

[Sary, pejy 23]

Mila mianatra tsara ny Soratra Masina isika