Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanampiana Zanaka “Adala”?

Ahoana no Hanampiana Zanaka “Adala”?

Ahoana no Hanampiana Zanaka “Adala”?

‘Miravoravoa fa efa very izy, fa hita indray.’​—LIOKA 15:32.

1, 2. a) Inona no ataon’ny tanora sasany nobeazina tao amin’ny fahamarinana? b) Inona no mety ho tsapan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ao anatin’izany toe-javatra izany?

“HIALA tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony aho!” Toy ny nilatsaham-baratra ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra mahare ny zanany miteny toy izany! Niezaka mafy erỳ izy ireo nitaiza azy araka ny fomba fiaina kristianina. Misy indray tanora hafa tsy tena milaza izay tiany hatao fa dia ‘miala’ fotsiny. (Hebreo 2:1) Maro amin’izy ireny no mitovy amin’ilay zanaka adala ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Nandao ny tranon-drainy ilay zanaka ka nandany ny fananany tany an-tany lavitra.​—Lioka 15:11-16.

2 Marina fa tsy voan’izany olana izany ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa ho an’izay voa, dia tsy misy teny fampiononana mahafaka tanteraka ny alahelony. Tsy azo odian-tsy hita koa ny fahoriana mety ho hitan’ilay tanora nania. Mety hanenjika azy ny eritreriny. ‘Nody ny sain’ilay’ zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy tamin’ny farany, hany ka faly ny rainy. Inona no azon’ny ray aman-dreny sy ny hafa ao amin’ny fiangonana atao mba hanampiana ny zanaka adala, ka ‘hody ny sainy’?​—Lioka 15:17.

Nahoana no manapa-kevitra ny hiala ny sasany?

3. Inona avy no antony sasany mahatonga ny tanora hanapa-kevitra handao ny fiangonana kristianina?

3 Misy tanora ana hetsiny maro faly manompo an’i Jehovah ao amin’ny fiangonana kristianina. Koa nahoana àry no mandao azy io ny tanora hafa? Mety hahatsiaro ho maty antoka izy ireo satria tsy mba manararaotra ny zavatra atolotr’ity tontolo ity. (2 Timoty 4:10) Na mety hihevitra izy ireo fa maneritery loatra ny fiarovan’i Jehovah ny andian’ondriny. Mety hiala amin’ny andian’ondrin’i Jehovah koa ny tanora satria manameloka azy ny fieritreretany, na liana mafy amin’ny ankizilahy iray na ankizivavy iray izy, na te hila sitraka amin’ny namany mitovy taona aminy. Mety tsy hanompo an’Andriamanitra intsony koa ny tanora satria heveriny fa mihatsaravelatsihy ny ray aman-dreniny na ny Kristianina hafa sasany.

4. Inona matetika no tena antony mahatonga ny tanora iray hania?

4 Malemy ara-panahy ny ankizy mampiseho toe-tsaina sy fihetsika mikomy. Mampiharihary ny ao am-pony izany. (Ohabolana 15:13; Matio 12:34) Na inona na inona mahatonga ny tanora hania, ny tena antony matetika dia satria tsy ‘mahalala tsara ny marina’ izy. (2 Timoty 3:7) Tsy tokony hanompo an’i Jehovah amim-pahazarana fotsiny ny tanora. Zava-dehibe ny hananany fifandraisana akaiky sy manokana amin’i Jehovah. Inona no hanampy azy hanao izany?

Manatòna an’Andriamanitra

5. Inona no tena ilain’ny tanora mba hananany fifandraisana manokana amin’Andriamanitra?

5 “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy”, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra. (Jakoba 4:8) Tsy maintsy ampiana mba ho tia ny Tenin’Andriamanitra ny tanora mba hanaovany izany. (Salamo 34:8) Hila “ronono”, izany hoe ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, aloha izy. Rehefa mahafinaritra azy anefa ny Tenin’Andriamanitra ka mihamanjary tiany ny “ventin-kanina”, izany hoe ny fanazavana ara-panahy lalina, dia ho matotra ara-panahy tsy ho ela izy. (Hebreo 5:11-14; Salamo 1:2) Nanomboka nankasitraka zavatra ara-panahy ny tanora iray variana tanteraka tamin’ny fiainan’izao tontolo izao. Inona no nampiova azy? Nanaiky ny torohevitra hamaky ny Baiboly manontolo izy, ka nanao izany tsy tapaka. Eny, tena ilaina mba hananana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah ny famakiana ny Teniny tsy tapaka.

6, 7. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany ho tia ny Tenin’Andriamanitra?

6 Tena ilaina mihitsy ny hanampian’ny ray aman-dreny ny zanany ho tia ny Tenin’Andriamanitra! Na dia nahazo fianaram-pianakaviana tsy tapaka aza ny zatovovavy iray, dia ninamana tamin’ny ankizy maditra izy. Izao no tadidiny mahakasika ny fianaram-pianakaviany: “Rehefa nanontany i Dada, dia novakiko fotsiny ny valiny, sady tsy nojereko akory izy.” Tsy hanao izay hahavitana ilay fianaram-pianakaviana fotsiny ny ray aman-dreny hendry, fa haneho fahaiza-mampianatra kosa. (2 Timoty 4:2) Tsy maintsy tsapan’ny tanora iray fa mahakasika azy ilay fianarana, izay izy vao hankafy azy io. Nahoana raha anontaniana ny heviny sy avela hiteny izy? Ampirisiho ilay tanora hilaza ny fomba azony ampiharana ilay fianarana. *

7 Ataovy velombelona koa ilay dinidinika ara-baiboly. Asaivo lalaovin’ny ankizy ireo fisehoan-javatra sy ny tantara ao amin’ny Baiboly, rehefa mety ny hanaovana izany. Ampio izy ireo hahita an’eritreritra ny toerana sy ny endrik’ilay tany nisehoan’ireo zavatra dinihina. Mety hanampy ny fampiasana sarintany. Eny, azo atao velombelona sy miovaova ny fianaram-pianakaviana rehefa mahay mamoron-kevitra kely. Tokony handinika ny fifandraisany manokana amin’i Jehovah koa ny ray aman-dreny. Rehefa manatona akaiky kokoa an’i Jehovah izy ireo, dia afaka manampy ny zanany hanao toy izany.​—Deoteronomia 6:5-7.

8. Amin’ny ahoana ny vavaka no manampy ny olona hanatona an’Andriamanitra?

8 Manampy ny olona hanatona an’Andriamanitra koa ny vavaka. Sahiran-tsaina ny zatovovavy iray satria samy tsy foiny na ny fomba fiaina kristianina na ny fiarahana tamin’ny namana tsy nitovy finoana taminy. (Jakoba 4:4) Inona no nataony? Nibaboka izy hoe: “Sambany aho vao mba tena nivavaka tamin’i Jehovah momba izay tsapako.” Nanatsoaka hevitra izy fa voavaly ny vavaka nataony rehefa nahita namana azony namborahana ny tao am-pony izy tao amin’ny fiangonana kristianina. Tsapany fa nitari-dalana azy i Jehovah, ka nanomboka nanana fifandraisana manokana taminy izy. Rehefa manatsara ny vavaka ataony ny ray aman-dreny, dia afaka manampy ny zanany. Azon’ny ray aman-dreny atao ny mamboraka ny ao am-pony rehefa miara-mivavaka ny fianakaviana, mba hahitan’ny zanany fa manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah izy ireo.

Maharitra nefa hentitra

9, 10. Inona no ohatra nomen’i Jehovah rehefa nahari-po tamin’ireo Isiraelita nania?

9 Rehefa manomboka miala amin’ny fahamarinana ny tanora, dia mety hitokantokana izy sy tsy hanaiky hiresadresaka zavatra ara-panahy amin’ny ray aman-dreniny. Inona àry no azon’ny ray aman-dreny atao amin’izany? Diniho ny nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely fahiny. Nandefitra tamin’ireo Isiraelita “mafy hatoka” izy nandritra ny 900 taona mahery, izay vao nandao ireo Isiraelita naniasia ireo. (Eksodosy 34:9; 2 Tantara 36:17-21; Romana 10:21) “Be famindrampo” tamin’izy ireo i Jehovah, na dia “naka fanahy an’Andriamanitra” imbetsaka aza izy ireo. “Nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany.” (Salamo 78:38-42) Tsy nanan-tsiny Andriamanitra teo amin’ny fifampiraharahany tamin’izy ireo. Manahaka an’i Jehovah ny ray aman-dreny be fitiavana ka maharitra, na dia tsy mandray avy hatrany ny fanampiany aza ilay zanany.

10 Ny hoe be fahari-po sy maharitra dia midika koa hoe tsy manary toky fa hilamina ny tsy fifanarahana. Nanome ohatra ny amin’ny fomba anehoana fahari-po i Jehovah. Nanao ny dingana voalohany izy ka “nifoha maraina koa” nampitondra teny ny irany tany amin’ny Isiraelita. “Namindra fo tamin’ny olony” i Jehovah, na dia “nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny” aza izy. (2 Tantara 36:15, 16) Niangavy ny Isiraelita izy hoe: “Samia miala amin’ny làlan-dratsinareo avy hianareo.” (Jeremia 25:4, 5) Tsy nampandefitra ny fitsipiny marina anefa i Jehovah. Nasaina niverina tamin’Andriamanitra sy ny lalany ny Isiraelita.

11. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny ho be fahari-po nefa hentitra rehefa mifampiraharaha amin’ny zanaka nania?

11 Afaka ny ho be fahari-po sahala amin’i Jehovah ny ray aman-dreny, ka tsy halaky hamoy fo satria mania ny zanany. Tsy hanary toky izy, fa afaka manao ny dingana voalohany kosa ka hifampiresaka tsara hatrany amin’ny zanany, na hamerina hanao izany indray. Afaka mifikitra amin’ireo toro lalana marina ny ray aman-dreny mangataka ny zanany hiverina amin’ny lalan’ny fahamarinana no sady afaka ‘mifoha maraina’ koa.

Rehefa misy tsy ampy taona voaroaka

12. Inona no andraikitry ny ray aman-dreny raha misy zaza tsy ampy taona miara-mipetraka aminy, nefa voaroaka avy ao amin’ny fiangonana?

12 Ahoana raha manao fahadisoana lehibe ny tanora tsy ampy taona miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny, ka voaroaka avy ao amin’ny fiangonana satria tsy mibebaka? Mbola andraikitry ny ray aman-dreniny ihany ny mampianatra sy manitsy azy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra, satria mbola miara-mipetraka aminy izy. Ahoana no azo anaovana izany?​—Ohabolana 6:20-22; 29:17.

13. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manohina ny fon-janany izay nania?

13 Raha azo atao, ary izany rahateo moa no tsara indrindra, dia mandritra ny fianarana ny Baiboly mitokana no anomezana izany fampianarana sy fanitsiana izany. Tsy tokony hitsara ny fihetsika henjana asehon’ilay zanany ny ray aman-dreny, fa hiezaka kosa hamantatra ny ao am-pony. Tonga hatraiza ny fahalemeny ara-panahy? (Ohabolana 20:5) Mbola azo atao ve ny manohina ny fony? Inona no andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina mety handaitra aminy? Manome toky antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Hebreo 4:12) Tsy tokony hianina fotsiny amin’ny filazana amin-janany mba tsy hamerina ny fahadisoany, ny ray aman-dreny. Azony ezahina hatomboka ny fanasitranana, ka hataony izay hampiverina tsikelikely ny fahasalamany, ambara-pahasitrany.

14. Inona no dingana voalohany tokony hataon’ny tanora nania mba hifandraisany indray amin’i Jehovah, ary ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreniny manampy azy hanao izany?

14 Mila miverina mifandray amin’i Jehovah indray ny tanora nania. Ny ‘mibebaka sy miverina’ no dingana voalohany tsy maintsy ataony. (Asan’ny Apostoly 3:19; Isaia 55:6, 7) Mba hanampiana ilay tanora ao an-trano hibebaka, dia tsy maintsy ‘mahalefitra sy mananatra amim-pahamoram-panahy’ ilay zaza manohitra, ny ray aman-dreny. (2 Timoty 2:24-26) Mila ‘mananatra’ azy araka ny hevitry ny Baiboly izy ireo. Azo adika koa hoe “mampiaiky” ny teny grika hoe ‘mananatra.’ (Apokalypsy 3:19; Jaona 16:8) Voafaoka amin’ny hoe mananatra ny manome porofo ampy an’ilay zanaka, mba hampiekena azy fa ratsy ny ataony. Ekena aloha fa tsy mora ny manao izany. Afaka manohina ny fon’ilay zaza ny ray aman-dreny isaky ny azo atao, amin’ny fampiasana izay fomba rehetra eken’ny Soratra Masina, mba hampiekena azy. Tokony hiezaka izy ireo hanampy azy hahatakatra fa ilaina ny ‘mankahala ny ratsy sy tia ny tsara.’ (Amosa 5:15) Mety hody “ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly.”

15. Inona no anjara asan’ny vavaka mba hananan’ny tanora nania fifandraisana indray amin’i Jehovah?

15 Tena ilaina ny vavaka mba hifandraisana indray amin’i Jehovah. Mazava loatra fa tsy tokony hisy “hangataka” ho an’ny olona niaraka tamin’ny fiangonana kristianina teo aloha, nefa zatra manao fahotana mibaribary sady tsy mibebaka. (1 Jaona 5:16, 17; Jeremia 7:16-20; Hebreo 10:26, 27) Afaka mangataka fahendrena amin’i Jehovah anefa ny ray aman-dreny mba hiatrehana ilay zava-tsarotra. (Jakoba 1:5) Raha miharihary fa nibebaka ny tanora iray voaroaka nefa tsy manana “fahasahiana eo anatrehan’Andriamanitra” izy, dia azon’ireo ray aman-dreny atao ny mivavaka amin’Andriamanitra mba hanaovany izay heveriny fa mety, raha hitany fa misy fototra hamelana ny fahadisoan’ilay zaza. (1 Jaona 3:21) Ny fandrenesan’ny tanora ireny vavaka ireny dia tokony hanampy azy hahita fa Andriamanitra be famindram-po i Jehovah. *​—Eksodosy 34:6, 7; Jakoba 5:16.

16. Ahoana no ahafahantsika manampy ny fianakavian’ny tanora tsy ampy taona voaroaka?

16 Tsy tokony ‘hiharoharo’ amin’ny tanora vita batisa nefa voaroaka ny mpikambana ao amin’ny fiangonana. (1 Korintiana 5:11; 2 Jaona 10, 11) Mety ‘hampody ny sainy’ izany amin’ny farany, ka hampiverina azy ao amin’ny valan’Andriamanitra. (Lioka 15:17) Na miverina anefa izy na tsia, dia afaka mampahery ny fianakavian’ilay tanora voaroaka ny mpikambana ao amin’ny fiangonana. Afaka ‘miara-ory’ sy mangoraka amim-pitiavana azy ireo isika rehetra.​—1 Petera 3:8, 9.

Ahoana no ahafahan’ny hafa manampy?

17. Inona no tokony hotadidin’ny mpikambana ao amin’ny fiangonana rehefa miezaka hanampy ankizy nania izy ireo?

17 Ahoana kosa anefa raha misy tanora tsy voaroaka, nefa nanjary nihaosa ny finoany? “Raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba [azy]”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (1 Korintiana 12:26) Afaka miahy ny tanora toy izany ny hafa. Mazava loatra fa ilaina ihany ny mitandrina, satria mety hanana fitaoman-dratsy eo amin’ny tanora hafa ny tanora marary ara-panahy. (Galatiana 5:7-9) Tao amin’ny fiangonana iray, dia nisy olon-dehibe tsara fikasa naniry hanampy tanora sasany nanjary nalemy ara-panahy. Nasainy tamin’ny fiaraha-mikorana izy ireo mba hiara-mitendry mozika be mpitia. Na dia nanaiky avy hatrany sy nankafy izany fandaharana izany aza ireo tanora ireo, dia nanjary nifampitaona ka tonga hatramin’ny tsy fiarahany intsony tamin’ny fiangonana. (1 Korintiana 15:33; Joda 22, 23) Tsy ny fiaraha-mikorana tsy misy tari-dalana ara-panahy akory no afaka hanasitrana ilay zanaka marary ara-panahy, fa ny fiarahana izay manampy azy ho tia zavatra ara-panahy. *

18. Ahoana no ahafahantsika manahaka ny fihetsiky ny rain’ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?

18 Eritrereto ny mety ho tsapan’ny tanora nandao ny fiangonana rehefa miverina ao amin’ny Efitrano Fanjakana na manatrika fivoriambe izy. Tsy tokony handray azy tsara toy ny rain’ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy ve isika? (Lioka 15:18-20, 25-32) Hoy ny zatovo iray nandao ny fiangonana kristianina ary avy eo nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra: “Noheveriko fa tsy hisy hiraharaha ahy, nefa nanatona niarahaba ahy tonga soa ireo rahalahy sy anabavy. Nanohina ahy lalina izany.” Niverina nianatra ny Baiboly io zatovo io, ka vita batisa tatỳ aoriana.

Aza manary toky

19, 20. Nahoana isika no manantena hatrany raha ny amin’ny zanaka adala?

19 Mitaky faharetana ny ‘mampody ny sain’ny’ zanaka “adala”, ary mety ho sarotra ho an’ny ray aman-dreny sy ny hafa izany. Kanefa, aza manary toky. “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (2 Petera 3:9) Manome toky antsika ny Soratra Masina fa irin’i Jehovah hibebaka sy ho velona ny olona. Izy mihitsy no nanao ny dingana voalohany hampihavanana ny olona aminy. (2 Korintiana 5:18, 19) Nody ny sain’ny olona an-tapitrisany maro satria nahari-po izy.​—Isaia 2:2, 3.

20 Koa tsy tokony hampiasa ny fomba rehetra eken’ny Soratra Masina àry ve ny ray aman-dreny mba hampodiana ny sain-janany tsy ampy taona? Aoka ianao ho be fahari-po toa an’i Jehovah rehefa manao zavatra hentitra hanampiana ny zanakao hiverina aminy. Mifikira amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Miezaha koa hanome taratry ny toetran’i Jehovah, toy ny fitiavana sy ny fitiavana ny rariny ary ny fahendrena, sady angataho amim-bavaka ny fanampiany. Nisy mpikomy nikoizana maro nanaiky hiverina noho ny fanasan’i Jehovah tamim-pitiavana. Koa mba mety hiverina toy izany ao amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ahitana fiarovana ilay zanakao adala.​—Lioka 15:6, 7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Misy fanoloran-kevitra fanampiny ny amin’ny fomba mandaitra ampianarana ny tanora, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, 1 Jolay 1999, pejy faha-13-17.

^ feh. 15 Tsy atao ampahibemaso any amim-pivoriana ny vavaka ho an’ny tanora tsy ampy taona voaroaka toy izany, satria mety tsy ho fantatry ny hafa ny momba ilay voaroaka.​—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Aprily 1980, pejy faha-32.

^ feh. 17 Raha mila fanoloran-kevitra voafaritra tsara, dia jereo ny Mifohaza! 8 Oktobra 1996, pejy faha-22-24; Mifohaza! (frantsay) 22 Oktobra 1972, pejy faha-13-16.

Tadidinao Ve?

• Inona no mety ho tena antony handaozan’ny tanora ny fiangonana?

• Ahoana no ahafahana manampy ny zanaka hanana fifandraisana manokana amin’i Jehovah?

• Nahoana no tokony ho be fahari-po nefa hentitra ny ray aman-dreny rehefa manampy zanaka adala?

• Ahoana no ahafahan’ny fiangonana manampy ny tanora adala hiverina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Ny vavaka amim-pahatsorana ataon’ny ray aman-dreny dia afaka manampy ny zanany hahita fa manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah izy ireo

[Sary, pejy 15]

Tena ilaina ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra mba hananana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah

[Sary, pejy 17]

Raiso tsara ny zanaka adala rehefa ‘mody ny sainy’

[Sary, pejy 18]

Manaova zavatra hentitra mba hiverenan’ny zanakao amin’i Jehovah