Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

“Fitsaharana” inona no resahina ao amin’ny Hebreo 4:9-11, ary ahoana no ‘hidirana amin’izany fitsaharana izany’?

Nanoratra toy izao ho an’ny Kristianina hebreo tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Paoly: “Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra. Fa izay niditra tao amin’ny [fitsaharan’Andriamanitra], dia izy koa no nitsahatra tamin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy. Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany.”​—Hebreo 4:9-11.

Toa izay voalazan’ny Genesisy 2:2 no tao an-tsainy raha niresaka ny amin’ny fitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany izy. Izao no vakintsika ao: “Tamin’ny andro fahafito dia vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ny andro fahafito Izy tamin’ny asany rehetra izay efa nataony.” Nahoana i Jehovah no “nitsahatra tamin’ny andro fahafito”? Azo antoka fa tsy nila naka aina “tamin’ny asany rehetra izay efa nataony” izy. Manazava ny andininy manaraka hoe: “Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izany no nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ny nanaovany azy.”​—Genesisy 2:3; Isaia 40:26, 28.

Hafa noho ireo andro enina teo aloha ny “andro fahafito”, satria nitahy sy nanamasina azy Andriamanitra. Natokana na voatokana ho amin’ny tanjona manokana io andro io. Tanjona inona izany? Efa nambaran’Andriamanitra tany am-piandohana ny antony namoronany ny olombelona sy ny tany. Hoy Izy tamin’ilay mpivady voalohany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28) Marina fa nataon’Andriamanitra lavorary ny olombelona sy ny tany tamin’ny voalohany. Hila fotoana anefa vao ho lasa paradisa sy ho feno olombelona lavorary, araka ny fikasany, ny tany manontolo. Koa nitsahatra, na niato tsy nanao famoronana hafa teto an-tany àry izy, tamin’ny “andro fahafito”, mba hahafahan’ireo zavatra efa noforoniny hitombo araka ny fikasany. Ho tanteraka avokoa ny fikasan’Andriamanitra, amin’ny faran’io “andro” io. Haharitra hafiriana io fitsaharana io?

Hiverenantsika ilay tenin’i Paoly ao amin’ny Hebreo. Hitantsika eo fa nasehony hoe “mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra”, ary nampirisihiny ny namany kristianina mba hanao izay farany azo atao ‘hidirana amin’izany fitsaharana izany.’ Midika izany fa tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly an’ireo teny ireo, dia mbola nitohy ny “andro fahafito” fitsaharan’Andriamanitra, izay efa nanomboka 4 000 taona talohan’izay. Tsy hifarana izy io raha tsy tanteraka daholo ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona sy ny tany, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy, ilay “Tompon’ny Sabata.”​—Matio 12:8; Apokalypsy 20:1-6; 21:1-4.

Niandrandra io fampanantenana kanto io i Paoly ka nanazava ny fomba hidirana ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra. Hoy izy: “Izay niditra tao amin’ny [fitsaharan’Andriamanitra], dia izy koa no nitsahatra tamin’ny asany.” Milaza izany fa na dia lavorary aza ny fiandohan’ny olombelona, dia tsy ny rehetra no niditra tao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra. Tsy nanohy nitandrina ny fitsaharan’Andriamanitra tamin’ny “andro fahafito” mantsy i Adama sy i Eva. Tsy nekeny ny fandaharan’Andriamanitra. Nikomy izy, ka naleony tsy niankina tamin’Andriamanitra. Ny teti-dratsin’i Satana no notohanany raha ny marina, fa nolaviny kosa ny fitarihana feno fitiavana avy amin’Andriamanitra. (Genesisy 2:15-17) Nafoiny àry ilay fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Nanjary andevon’ny ota sy ny fahafatesana ny olombelona rehetra nanomboka teo.​—Romana 5:12, 14.

Tsy nahasakana izay nokasain’Andriamanitra hatao anefa ny fikomian’ny olombelona. Mitohy ihany ny andro fitsaharany. Nanao fandaharana feno fitiavana i Jehovah, dia ny avotr’i Jesosy Kristy zanany. Koa afaka miandrandra fanafahana amin’ny fangejan’ny ota sy ny fahafatesana, izay rehetra manaiky izany amim-pinoana. (Romana 6:23) Izany no nahatonga an’i Paoly hiteny tamin’ireo namany kristianina mba ‘hitsahatra amin’ny asany.’ Nila nanaiky ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra izy ireo, ka tsy hanandrana hanomana ny hoaviny araka izay tiany toy ny nataon’i Adama sy i Eva. Nila nitandrina koa izy ireo mba tsy hanamarin-tena.

Ho afaka hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika, raha ialantsika ny fikatsahan-javatra feno fitiavan-tena sy tsy misy dikany. Mamelombelona tokoa izany. Nilaza ity fanasana ity i Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”​—Matio 11:28-30.

Niaritra fanenjehana maro sy fanarabiana noho ny finoany ny Kristianina hebreo tany Jerosalema. Koa azo antoka fa nampahery azy ireo ny fanazavan’i Paoly momba ny fitsaharan’Andriamanitra, sy ny fomba hidirana amin’izany. (Asan’ny Apostoly 8:1; 12:1-5) Mbola mampahery ny Kristianina amin’izao andro izao koa ny tenin’i Paoly. Fantatsika fa ho tanteraka tsy ho ela ny fampanantenan’Andriamanitra hanorina paradisa eto an-tany, eo ambanin’ny Fanjakany hampihatra ny rariny. Koa tokony hitsahatra amin’ny asantsika koa isika, ka hanao izay farany azo atao mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra.​—Matio 6:10, 33; 2 Petera 3:13.

[Sary, pejy 31]

Amin’ny faran’ny andro fitsaharan’Andriamanitra no ho tanteraka ny fampanantenany paradisa eto an-tany