Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Feno Zavatra Tsy Nampoizina ny Fanompoana

Feno Zavatra Tsy Nampoizina ny Fanompoana

Tantaram-piainana

Feno Zavatra Tsy Nampoizina ny Fanompoana

NOTANTARAIN’I ERIC SY HAZEL BEVERIDGE

“Sazìko enim-bolana am-ponja ianao izany.” Mbola tao an-tsaiko ireo teny ireo, fony aho nentina ho any amin’ny fonjan’i Strangeways, Manchester, any Angletera. Tamin’ny Desambra 1950 no nitrangan’izany, ary 19 taona aho tamin’izay. Vao avy niatrika ny fitsapana mafy indrindra teo amin’ny fahatanorako aho. Nanda tsy hanao raharaha miaramila mantsy aho.​—2 Korintiana 10:3-5.

VAVOLOMBELON’I Jehovah manompo manontolo andro aho, ka tokony hanana zo tsy hanao raharaha miaramila. Tsy neken’ny lalàna anglisy anefa izany, ka tany am-ponja no niafarako. Lasa tany amin’i Dada ny saiko. Azo lazaina hoe noho izy no nahatonga ahy higadra.

Polisin’ny fonja i Dada. Avy any Yorkshire izy, ary olona tena mijoro amin’ny heviny, sady mpanara-dalàna. Halany ny Fivavahana Katolika, noho ny zavatra hitany tao amin’ny tafika sy tao amin’ny fonja. Tany am-piandohan’ireo taona 1930 izy no nifandray voalohany tamin’ny Vavolombelona. Handroaka azy ireo no nankanesany tao am-baravarana tamin’izay, nefa niverina avy any izy niaraka tamin’ny bokin’izy ireo! Nanao famandrihana tamin’ny gazety Fampiononana (Mifohaza! ankehitriny) izy tatỳ aoriana. Nitsidika azy isan-taona ny Vavolombelona, mba hampirisika azy hanavao ny famandrihany. Niara-nidinika tamin’i Dada indray izy ireo, fony aho 15 taona. Nandray anjara tamin’ilay izy koa aho, ary nanohana ny hevitr’ireo Vavolombelona. Tamin’izay no nanombohako nianatra Baiboly.

Nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa aho rehefa 17 taona, tamin’ny Martsa 1949. Nifankahita tamin-dry John sy Michael Charuk aho tamin’ny faramparan’io taona io. Vao nahazo diplaoma tamin’ny sekolin’i Gileada izy mirahalahy, ary handeha ho any Nizeria. Nampiaiky ahy ny toe-tsain’izy ireo tia ny asa misionera. Tsy fantatr’izy ireo akory angamba, fa namboly io toe-tsaina io tao am-poko ry zareo.

Tsy nahaliana ahy intsony ny hanohy hianatra tany amin’ny oniversite, rehefa nianatra ny Baiboly aho. Tsy nipetraka tany aminay aho nandritra ny herintaona, fa niasa tany amin’ny biraon’ny Fadin-tseranana sy Hetra tany Londres. Tsapako anefa fa tsy hahatanteraka ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra mihitsy aho, raha nanohy ny asam-panjakana. Nidera ahy noho ny nialako tamin’ilay “asa manimba olona”, ny mpiara-miasa iray efa ela nihetezana.

Ny fitsapana natrehiko talohan’izay anefa, dia ny filazana tamin’i Dada fa hiala tamin’ny asako aho, mba hanompoako manontolo andro. Novakiko ny resaka indray hariva, raha nanao vakansy tany aminay aho. Efa nandrasako ny fitabataban’i Dada. Tsy nampoiziko anefa, fa hoy fotsiny izy: “Izay hataonao, fa ianao ihany no hizaka ny vokany. Raha misy manjo anao kosa, dia zakao.” Izao no voalazan’ny diariko, datin’ny 1 Janoary 1950: “Firesahana tamin’i Dada ny asan’ny mpisava lalana. Tsy nampoiziko ny fihetsiny. Tsy tanako ny ranomasoko noho hatsaram-panahiny.” Nialako ny asam-panjakana, ary nekeko ny fanendrena ho mpanompo manontolo andro.

Voatendry hipetraka tamin’ny “trano kely”

Notsapaina indray avy eo ny fifikirako tamin’Andriamanitra. Voatendry ho mpisava lalana aho, ka hipetraka amin’ny “trano kely” iray, hiaraka amin’i Lloyd Griffiths, mpiara-manompo kristianina avy any Pays de Galles. Tonga tany Bacup, tanàna ratsy sady be orana izahay, raha mbola nanonofinofy ilay trano kely iny indrindra aho. Tsy ela anefa dia hitako fa hay fitoeran’entana ilay trano kely nonofinofisiko. Totozy sy kalalao no namanay tao rehefa alina. Saika niova hevitra aho hoe hiverina hody. Nivavaka mangina anefa aho, ka nangataka tanjaka hiatrehako io fitsapana io. Nahatsiaro fahatoniana tampoka teo aho, ary nanomboka nijery zavatra araka ny tena izy. Hoy aho hoe: fanendrena ahy avy amin’ny fandaminan’i Jehovah io. Hiantehitra amin’i Jehovah aho mba hahazoako fanampiana. Velom-pankasitrahana erỳ aho fa afaka niaritra. Ho niova tanteraka mandrakizay mantsy ny fiainako raha niala tsy ho mpisava lalana aho!​—Isaia 26:3, 4.

Nandritra ny sivy volana aho no nitory tao Rossendale Valley, tanàna nitotongana ara-toe-karena tamin’izay. Nampidirina am-ponja aho taorian’izay, satria nanda tsy hanao raharaha miaramila. Tapa-bolana aho tao amin’ny fonjan’i Strangeways, ary nafindra tany amin’ny fonjan’i Lewes, tany amin’ny morontsiraka atsimon’i Angletera avy eo. Dimy izahay no Vavolombelona niaraka tao am-ponja, ary afaka nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tao am-pigadrana.

Tonga nitsidika ahy indray mandeha i Dada. Be hambom-po izy ka tsy mora taminy izany. Polisy be mpahalala tao amin’ilay fonja izy, nefa indro nitsidika ny zanany lahy nigadra! Tsy hohadinoiko mihitsy iny fitsidihany iny. Nafahana ihany aho tamin’ny farany, tamin’ny Aprily 1951.

Rehefa nafahana tao Lewes aho dia nandray fiarandalamby nankany Cardiff, any Pays de Galles. Lehiben’ny polisy tany amin’ny fonja tany i Dada. Izaho no zokiny indrindra taminay efatra mianadahy, telo lahy sy vavy iray. Tsy maintsy nitady asa tapa-potoana aho mba hanohizako ny asan’ny mpisava lalana. Niasa tao amin’ny fivarotana akanjo aho, nefa ny fanompoana no tena zava-dehibe tamiko. Tamin’izay no nandao anay i Neny. Nangidy tamin’i Dada sy izahay ankizy izany. Teo anelanelan’ny 8 sy 19 taona izahay. Nampalahelo fa nisaraka ny ray aman-dreninay.

Nahita vady tsara

Maromaro ny mpisava lalana tao am-piangonana. Anisan’ireny ny anabavy iray avy any amin’ny toeram-pitrandrahana arintany, any Rhondda Valley. Tonga isan’andro izy niasa sy nitory. Hazel Green no anarany. Mpisava lalana mahafinaritra izy. Nahalala ny fahamarinana taona maromaro talohako izy. Nanatrika ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly (fantatra ankehitriny hoe Vavolombelon’i Jehovah) efa hatramin’ireo taona 1920 ny ray aman-dreniny. Nefa aoka izy no hilaza ny tantarany.

“Tsy noheveriko ho zava-dehibe ny Baiboly, mandra-pamakiko ilay bokikely hoe Mijinja Tadio ny Fivavahana (anglisy), tamin’ny 1944. Nampirisika ahy hanatrika fivoriamben’ny faritra iray, tany Cardiff i Neny. Tsy nahafanta-javatra firy momba ny Baiboly aho, nefa nandeha teny amin’ny toerana be fivarotana, niambozona sora-baventy nampahafantarana lahateny iray ho an’ny besinimaro. Vitako ihany ilay izy, na dia teo aza ny fanorisorenan’ny mpitondra fivavahana sy ny hafa koa. Natao batisa aho tamin’ny 1946, ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, ny Desambra tamin’io taona io ihany. Tonga tany Cardiff, tamin’ny 1951, ny tanora mpisava lalana iray vao nivoaka ny fonja, dia i Eric izany.

“Niara-nitory izahay. Nifanaraka tsara erỳ! Nitovy ny tanjonay teo amin’ny fiainana, dia ny hampandroso ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nivady àry izahay tamin’ny Desambra 1952. Mpanompo manontolo andro izahay, ka voafetra ny fidiram-bolanay, nefa nahazo izay nilaina foana izahay. Nanome anay kaonfitira na savony ny Vavolombelona sasany indraindray, raha betsaka loatra ny nohafarany tamin’ny mpivarotra. Tamin’ny fotoana nilanay azy indrindra ireny! Tena nahafaly anay ireny fanomezana tena nilaina ireny. Mbola maro anefa ny zavatra tsy nampoizina niandry anay.”

Zavatra tsy nampoizina nanova ny fiainanay

Nisy zavatra tsy nampoizina voarainay mivady, tamin’ny Novambra 1954: taratasin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Londres, nangataka ahy ho mpiandraikitra mpitety faritra (mitsidika fiangonana samy hafa isan-kerinandro). Noheverinay fa fahadisoana ilay izy, ka tsy niteniteny tamin’olona tao am-piangonana izahay. Nofenoiko ihany anefa ilay fangatahana, ka nalefako niverina, ary tsy tafatombina izahay teo am-piandrasana ny valiny. Nivaly ilay izy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. “Tongava atỳ Londres ianao homena fiofanana”!

Tsy nampino ahy, rehefa tonga tany ny hoe izaho, vao 23 taona tamin’izay, no niaraka tamin’ireo rahalahy niavaka, efa matotra be ara-panahy. Anisan’izany ry Pryce Hughes, Emlyn Wynes, Ernie Beavor, Ernie Guiver, Bob Gough, Glynn Parr, Stan sy Martin Woodburn, sy ny maro hafa koa, izay efa nodimandry ny ankamaroany. Nametraka fototra mafy orin’ny zotom-po sy tsy fivadihana tany Grande-Bretagne izy ireo, tamin’ireo taona 1940 sy 1950.

Tsy nankaleo ny fitetezam-paritra tany Angletera

Nanomboka ny fitetezam-paritra izahay tamin’ny ririnina 1954/1955 izay nisy orampanala natevina. Nalefa tany East Anglia izahay, lemaka iray any Angletera, tratran’ny rivotra mangatsiaka avy amin’ny Ranomasina Avaratra. Vavolombelona 31 000 monja no tany Grande-Bretagne tamin’izay. Fotoan-tsarotra nianaran-javatra iny fitsidihana voalohany iny ho anay, ary tsy mora koa ho an’ireo rahalahy notsidihina. Mbola tsy za-draharaha mantsy aho sady nivantambantam-piteny, ka nanafintohina ireo rahalahy indraindray. Tao anatin’ireo taona maro lasa anefa, dia tsy maintsy nianarako fa zava-dehibe kokoa ny hatsaram-panahy noho ny fahaiza-manao zavatra, ary zava-dehibe kokoa ny olona noho ny fomba fanaovan-javatra. Mbola miezaka aho, nefa tsy hoe vitako foana akory ny manaraka ny ohatr’i Jesosy izay namelombelona ny hafa.​—Matio 11:28-30.

Tany East Anglia izahay nandritra ny 18 volana, ary avy eo dia voatendry hanompo tany Newcastle sy Northumberland, any avaratratsinanan’i Angletera. Tiako fa tena be fitiavana ny olona tany amin’io faritra mahafinaritra io. Nanampy be ahy ny fitsidihan’i Don Ward, mpiandraikitra ny vondrom-paritra, avy tany Seattle, any Washington. Nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasin’i Gileada faha-20 izy. Niteny haingana be aho taloha rehefa nandaha-teny. Izy no nampianatra ahy hiteny miadana, sy hiato ary hampianatra.

Zavatra tsy nampoizina nanova ny fiainanay

Nanova ny fiainanay ny taratasy voarainay tamin’ny 1958. Nasaina izahay hanatrika ny Sekolin’i Gileada tatsy South Lansing, New York, Etazonia. Namidinay ny fiaranay, mba hividiananay tapakila niondrananay an-tsambo nanketo New York. Nanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah teto aloha izahay. Avy eo izahay dia nankany Peterborough, any Ontario, nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny enim-bolana, izay vao nianatsimo ho any amin’ny Sekolin’i Gileada.

Anisan’ny mpampianatra i Albert Schroeder, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izao, sy i Maxwell Friend, ary i Jack Redford, izay samy efa maty. Tena nampahery ny fiarahana tamin’ireo mpianatra 82, avy amin’ny tany 14. Nanomboka nifankahalala kolontsaina izahay. Niaraka tamin’ireo mpianatra vahiny niezaka mafy hiteny anglisy izahay, ka hitanay sahady ny olana hatrehinay rehefa hianatra fiteny hafa. Dimy volana ny fiofanana, ary notendrena tany amin’ny tany 27 samy hafa izahay. Tonga avy eo ny fotoana nizarana ny diplaoma, ary teto New York izahay nandritra ny andro maromaro, niandry ny sambo Mpanjakavavy Elizabeth, nitondra anay niverina tany Eoropa.

Fanendrena voalohany tany an-tany hafa

Taiza ny fanendrena voalohany azonay? Tany Portogaly! Tonga tany Lisbonne izahay tamin’ny Novambra 1959. Ho hita izao raha ho zatra ny fiteny sy kolontsaina vaovao izahay. Vavolombelona mazoto 643 no tany tamin’ny 1959, ary efa ho 9 tapitrisa ny mponina. Tsy nekena ho ara-dalàna anefa ny asanay. Nanana Efitrano Fanjakana izahay, nefa tsy nisy soratra fampahafantarana teo ivelany.

Nampianatra fiteny portogey anay mivady ny misionera Elsa Piccone, ary nitsidika fiangonana sy antoko-mpitory tany amin’ny manodidina an’i Lisbonne, sy Faro, Evora ary Beja izahay avy eo. Nanomboka niova ny fiainana tamin’izay, tamin’ny 1961. Niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny tovolahy iray nantsoina hoe João Gonçalves Mateus aho. Tapa-kevitra ny hitoetra ho Kristianina tsy momba ny atsy na ny aroa izy, ka tsy nanaiky hanao raharaha miaramila. Voantso tany amin’ny polisy aho taoriana kelin’izay mba hadinadinina. Tsy nampoizina indray! Nilazana izahay, andro vitsy taorian’izay, fa nomena 30 andro handaozanay an’i Portogaly! Toy izany koa ireo misionera hafa, ry Eric sy Christina, Britten sy Domenick, ary Elsa Piccone.

Nampakatra fitsarana aho mba hanome fanazavana, ka navela niresaka tamin’ny lehiben’ny polisy miafina izahay. Notereny izahay hilaza ny antony nandroahana anay, ary notononiny ny anaran’i João Gonçalves Mateus, ilay nampianariko Baiboly. Nilaza izy fa tsy nitovy i Grande-Bretagne sy i Portogaly, ka tsy hekeny mihitsy izany handa tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana fotsiny izany. Tsy maintsy nandao an’i Portogaly àry izahay, ka tsy afaka nifandray tamin’i João intsony. Toy inona anefa ny hafaliana, 26 taona tatỳ aoriana, nahita azy sy ny vadiny ary ny zanany telo vavy, nandritra ny fitokanana ny Betela vaovao tany Portogaly! Tsy very maina ny fanompoana nataonay tany!​—1 Korintiana 3:6-9.

Taiza ny fanendrena anay manaraka? Tsy nampoizina indray! I Espaina teo akaiky teo. Tamin-dranomaso no nandraisanay ny fiarandalamby tao Lisbonne, ho any Madrid, tamin’ny Febroary 1962.

Nizatra kolontsaina hafa

Tsy maintsy nizatra niafina izahay rehefa nitory sy nivory, tany Espaina. Tsy nitsidika trano roa nisesy izany mihitsy izahay rehefa nitory. Nifindra lalana hafa mihitsy, nankany amin’ny trano hafa, rehefa avy nitory tao amin’ny trano iray. Sarotra tamin’ny polisy na ny pretra tamin’izay ny nahatratra anay. Teo ambanin’ny fitondrana jadona nataon’ny Katolika fasista izahay, ka norarana ny asa fitoriana. Vahiny izahay, ka nomena anarana espaniola mba tsy hahafantarana anay. Nantsoina hoe Pablo àry aho, ary i Hazel kosa Juana.

Tao Madrid izahay nandritra ny volana vitsivitsy, ary voatendry ho mpitety faritra tany Barcelone avy eo. Nitsidika fiangonana samy hafa izahay tany, ka tapa-bolana na roa tokom-bolana tao amin’ny fiangonana tsirairay. Naharitra be toy izany ny fitsidihana satria notsidihinay toy ny hoe fiangonana iray mihitsy ny fianarana boky tsirairay, izany hoe fianarana boky roa eo ho eo isan-kerinandro.

Zava-tsarotra tsy nampoizina

Nasaina nanomboka ny asan’ny vondrom-paritra tany Espaina izahay tamin’ny 1963. Mba hanampiana ireo Vavolombelona mazoto efa ho 3 000, dia tsy maintsy nitety an’i Espaina manontolo izahay, ka sivy ny faritra notsidihinay tamin’izany. Ny fivoriamben’ny faritra tsy hay hadinoina indrindra, dia ireo nataonay niafina. Nisy natao tany anaty kirihitr’ala akaikin’i Seville, tany amin’ny toeram-piompiana akaikin’i Gijón, sy tany amoron’ny renirano akaikin’i Madrid sy i Barcelone ary i Logroño.

Malina aho, ka nojereko mialoha ny firafitry ny lalana rehefa nitory isan-trano izahay, hahitana hoe aiza no handosirana raha sendra nisy zava-nitranga. Niara-nitory tamin’ny Vavolombelona iray tany Madrid aho indray mandeha. Tany ambony rihana izahay no nandre tampoka tabataba sy kiakiaka tany ambany. Nidina izahay, ka nahita antokona tovovavy Katolika anisan’ny Zanak’i Masina Maria, nandrara ny olona tsy handray anay. Tsy afaka nifanazava tamin-dry zareo izahay, ary fantatro fa tsy maintsy nitsoaka haingana izahay, raha tsy izany dia ho tratran’ny polisy teo. Nandositra haingana àry izahay!

Fotoana nampitaintaina tany Espaina ireny. Niezaka izahay nampahery ny rahalahy sy anabavy nahafinaritra tany, anisan’izany ireo mpisava lalana manokana. Niandry azy ireo foana ny fonja, ary matetika izy no tsy navela hahazo izay nilainy hitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra sy hampaherezana ny fiangonana.

Naharay vaovao ratsy koa izahay nandritra izany fotoana izany. Hoy i Hazel: “Vavolombelona nahatoky i Neny. Maty izy tamin’ny 1964. Tampoka ny namoizanay azy, ka tsy nahita azy farany akory izahay. Anisan’ny zavatra tsy maintsy zakain’ny misionera izany, ary efa niaritra izany ny hafa.”

Nahazo fahalalahana ihany tamin’ny farany

Nanaiky ny asanay ho ara-dalàna ihany tamin’ny farany ny fitondran’i Franco, tamin’ny Jolay 1970. Nampientam-po anay mivady ny fisokafan’ireo Efitrano Fanjakana: Tao Madrid ny voalohany, ary tao Lesseps, Barcelone ny faharoa. Nisy soratra lehibe fampahafantarana foana teo amin’izy ireny ary nisy jiro nanazava azy matetika. Tianay ho fantatry ny olona fa nekena ho ara-dalàna izao ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ho ara-dalàna foana! Efa ho 17 000 ny Vavolombelona tany Espaina tamin’izay, tamin’ny 1972.

Nandre vaovao tena nampahery avy tany Angletera aho, tamin’izay fotoana izay. Nitsidika anay tany Espaina i Dada tamin’ny 1969. Gaga izy tamin’ny fandraisan’ny Vavolombelona espaniola azy, ka nanomboka nianatra Baiboly izy rehefa nody tany Angletera. Reko avy eo, tamin’ny 1971 fa natao batisa i Dada! Nampihetsi-po erỳ rehefa nody izahay, ny nahita azy efa rahalahiko kristianina, nanao vavaka talohan’ny sakafo. Efa 20 taona mahery no niandrasako izany fotoana izany. Lasa Vavolombelona koa i Bob rahalahiko sy i Iris vadiny, tamin’ny 1958. Mpiandraikitra ny faritra any Espaina izao ny zanany, i Phillip sy i Jean vadiny. Faly be izahay mahita azy ireo manompo any amin’io tany mahafinaritra io.

Zavatra tsy nampoizinay vao haingana

Nitsidika an’i Espaina ny mpiandraikitra mpitety sampana, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny Febroary 1980. Gaga aho fa nangataka hiara-manompo tamiko izy. Tsy fantatro, fa hay izy ity nizaha taratra ahy! Nasaina hifindra teto amin’ny foibe maneran-tany eto Brooklyn, izahay avy eo, ny Septambra! Gaga sy talanjona izahay. Nekenay ilay fanasana, na dia mafy aza ny nandao ny rahalahinay espaniola. Nisy 48 000 tamin’izay ny Vavolombelona tany.

Nanome ahy famantaranandro kely ny rahalahy iray rehefa handeha izahay. Nisy andinin-teny roa nisoratra tamin’ilay izy, “Lioka 16:10; Lioka 17:10.” Nilaza izy fa ireo no teny tsy afaka am-bavako. Manantitrantitra ny Lioka 16:10 fa tokony hatoky amin’ny kely isika, ary milaza ny Lioka 17:10 fa “mpanompo tsy mahasoa” isika, ka tsy manana antony hireharehana. Hitako foana fa izay rehetra ataontsika amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia tsy inona fa izay tokony hataontsika ihany, satria Kristianina vita fanoloran-tena isika.

Toe-pahasalamana tsy nampoizina

Nanomboka narary fo aho tamin’ny 1990. Tsy maintsy nodidiana aho tamin’ny farany, hametrahana fitaovana kely manakana lalan-dra tsy ho tsentsina. Nanohana ahy tamin’ny lafiny maro i Hazel, nandritra izany fotoana naharariako izany. Izy no nitondra ny kitapo sy ny valizy matetika, satria tsy afaka nitondra aho. Tamin’ny May 2000 dia nametrahana fitaovana kely mandrindra ny fitempon’ny fo tao amiko. Nanova zavatra betsaka izany!

Tsapanay mivady, nandritra ireo 50 taona farany fa tsy fohy ny tanan’i Jehovah, ary amin’ny fotoana voatondrony, fa tsy amin’ny fotoana mety amintsika, no tanteraka ny fampanantenany. (Isaia 59:1; Habakoka 2:3) Maro ny zavatra tsy nampoizina nahafaly teo amin’ny fiainanay, ary nisy koa ny nampalahelo, nefa nanohana anay foana i Jehovah. Faly be izahay, eto amin’ny foibe maneran-tanin’ny vahoakan’i Jehovah, afaka mifandray isan’andro amin’ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Manontany tena aho indraindray hoe ‘Tena ato tokoa ve izahay?’ Fahasoavana izany. (2 Korintiana 12:9) Matoky isika fa hiaro antsika foana amin’ny fanangolen’i Satana i Jehovah, ka hiambina antsika mba hahavelomantsika eo ambanin’ny fanjakany hampihatra ny rariny.​—Efesiana 6:11-18; Apokalypsy 21:1-4.

[Sary, pejy 26]

Fonjan’i Strangeways, any Manchester, tao no nanombohako ny saziko

[Sary, pejy 27]

Izahay sy ny fiaranay, nandritra ny fitetezam-paritany tany Angletera

[Sary, pejy 28]

Fivoriambe niafina natao tany Cercedilla, Madrid, any Espaina, tamin’ny 1962

[Sary, pejy 29]

Eo amin’ny latabatra fampirantiana ny boky sy gazetinay, eto Brooklyn