Fianarana avy Amin’ny Hazo Rofia
Fianarana avy Amin’ny Hazo Rofia
“MAHAFATIFATY ny bikany, ary miavaka ny hatsaran-tarehiny.” Izany no lazain’ny boky ara-baiboly iray momba ny antrendry, karazana iray amin’ny hazo rofia. Hatramin’ny andron’ny Baiboly ka hatramin’izao andro izao, dia mandravaka ny Lohasahan’i Neily any Ejipta io hazo rofia io, ary manome alokaloka mamelombelona aina any amin’ireo tany lonaka any amin’ny Efitr’i Negeba.
Toy ny ankamaroan’ny hazo rofia, ny antrendry dia tena manaitra, noho ny fijorony mahitsy tsara. Mahatratra 30 metatra ny sasany aminy, ary tsy mitsahatra mamoa mandritra ny 150 taona. Eny tokoa, sady mahafinaritra ny maso ny antrendry, no mahatalanjona noho ny fahavokarany. Mamokatra salohim-boankazo maro be izy io isan-taona, ary ny salohiny iray monja dia afaka mitondra voany arivo mahery. Hoy ny mpanoratra iray, momba ny voan’antrendry: “Voan’antrendry nomainina mifono any amin’ny mpivarotra ihany no hain’ny olona, ka tsy fantany fa faran’izay matsiro ilay tena voankazo.”
Mety indrindra àry raha mampitaha olona sasany amin’ny hazo rofia ny Baiboly. Mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, ny olona iray dia tsy maintsy mahitsy fitondran-tena, sy mamokatra asa tsara hatrany, tahaka ny hazo rofia. (Matio 7:17-20) Izany no anton’ireo sarina hazo rofia nandravaka ny tempolin’i Solomona, sy ilay tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. (1 Mpanjaka 6:29, 32, 35; Ezekiela 40:14-16, 20, 22) Noho izany, raha tiantsika heken’Andriamanitra ny fivavahantsika, dia tsy maintsy manana ireo toetra tsara mampiavaka ny hazo rofia isika. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny marina hamololona tahaka ny rofia.”—Salamo 92:12.