Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Dikan’ny hoe Tsy Mivadika?

Inona no Dikan’ny hoe Tsy Mivadika?

Inona no Dikan’ny hoe Tsy Mivadika?

NIHEVI-TENA ho tena tsy mivadika ny Hasidima jiosy tamin’ny taonjato faharoa al.f.i. Avy amin’ny hoe cha·sidhʹ, teny fototra hebreo ilazana hoe “tsy mivadika”, ny anaran’izy ireo. Io teny io dia avy amin’ny hoe cheʹsedh, izay matetika nadika hoe “fitiavana sy hatsaram-panahy”, “fitiavana tsy mivadika”, “hatsaram-panahy”, sy “hatsaram-po” ary “famindram-po.” Araka ny Diksioneran’ny Testamenta Taloha (anglisy), ny cheʹsedh dia “marisika, tia mifandray amin’olona, sy miaritra, [ary] tsy manondro toe-tsain’olombelona fotsiny fa ilay asa aterany koa. Asa hiarovana sy hampaharetana ny aina ilay izy. Fanampiana olona iharam-pahavoazana na iharam-pahoriana izy io. Fanehoana tena fisakaizana izy io.”

Fiteny maro no tsy manana teny tokana mahalaza ny hevitra fenon’io teny hebreo io, araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly. Tsy hoe manaja fifanekena fotsiny anefa ny hoe tsy mivadika ao amin’ny Baiboly. Voafaoka amin’izy io koa ny hoe tia sy tena manao zavatra hanampiana ny hafa. Mba hahatakarana ny tena atao hoe tsy mivadika, dia diniho ny fomba nanehoan’i Jehovah azy io tamin-dry Abrahama, Mosesy, Davida, sy ny firenen’ny Isiraely ary ny olombelona amin’ny ankapobeny.

Tsy nivadika i Jehovah

Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama sakaizany: “Izaho no ampinganao.” (Genesisy 15:1; Isaia 41:8) Tsy kobaka am-bava fotsiny akory izany. Narovan’i Jehovah sy novonjeny tamin’ny tanan’i Farao sy i Abimeleka, i Abrahama sy ny ankohonany. Nampiany koa i Abrahama fony namonjy an’i Lota tamin’ireo mpanjaka efatra niara-nivondrona. Nomen’i Jehovah fahafahana hiteraka indray i Abrahama sy i Saraha, izay efa 100 taona sy 90 taona, mba ho avy amin’izy ireo no hiavian’ilay Taranaka nampanantenaina. Nifandray tsy tapaka tamin’i Abrahama i Jehovah tamin’ny alalan’ny fahitana sy ny nofy ary ny anjely mpitondra hafatra. Tsy nivadika taminy i Jehovah fony fahavelony, ary koa ela taorian’ny nahafatesany. Tao anatin’ireo taonjato, dia notanan’i Jehovah ny teny nataony tamin’ny taranak’i Abrahama, na ny firenen’ny Isiraely, na dia nania aza izy ireo. Nasehon’ny fifandraisan’i Jehovah tamin’i Abrahama ny tena atao hoe tsy fivadihana, izay fitiavana miseho amin’ny atao.​—Genesisy toko faha-12 ka hatramin’ny toko faha-25.

Voalaza fa “Jehovah niteny nifanatrika tamin’i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany.” (Eksodosy 33:11) Eny, tsy nisy mpaminany talohan’i Jesosy Kristy nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah noho i Mosesy. Tamin’ny ahoana i Jehovah no tsy nivadika tamin’i Mosesy?

Nanana fahefana sy fahaizana i Mosesy fony izy 40 taona. Koa niana-kendry àry izy nanapa-kevitra samirery hanafaka ny fireneny. Mbola tsy tonga anefa ny fotoana. Voatery nitsoaka izy mba hanavotana ny ainy. Mpiandry ondry tany Midiana izy nandritra ny 40 taona. (Asan’ny Apostoly 7:23-30) Tsy nahafoy azy anefa i Jehovah. Rehefa tonga ny fotoana, dia nasainy niverina tany Ejipta i Mosesy hanafaka ny Isiraely.

Tsy nivadika tamin’i Davida, ilay mpanjaka nalaza faharoan’ny Isiraely, koa i Jehovah. Fony i Davida mbola tanora, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela mpaminany: “Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.” Tsy nivadika tamin’i Davida i Jehovah nanomboka hatreo fa niaro sy nitari-dalana azy. Nihamatotra i Davida nandritra izany fotoana izany, mba ho mpanjakan’ny Isiraely rehetra. Novonjen’i Jehovah “tamin’ny tànan’ny liona sy ny bera” izy ary tamin’ny tanan’i Goliata, ilay Filistinina goavam-be. Nomen’i Jehovah fandresena maro i Davida fony niady tamin’ny fahavalon’ny Isiraely. Novonjeny tamin’ny sabatr’i Saoly be fialonana sy feno fankahalana koa izy.​—1 Samoela 16:12; 17:37; 18:11; 19:10.

Mazava loatra fa tsy lavorary i Davida. Nanao fahotana lehibe mihitsy izy. Rehefa nanenina mafy anefa i Davida, dia nampiseho fitiavana tsy mivadika taminy i Jehovah fa tsy nahafoy azy. Nanao zavatra foana i Jehovah mba hiarovana sy hampandeha tsara ny fiainan’i Davida nandritra ny androm-piainany. Namonjy izay nijaly i Jehovah. Fitiavana sy hatsaram-panahy tokoa re izany!​—2 Samoela 11:1–12:25; 24:1-17.

Nanaiky ireo fepetra tao amin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy tany an-tendrombohitra Sinay ny firenen’ny Isiraely manontolo. Koa nanjary nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah àry ilay firenena nanolo-tena ho azy. (Eksodosy 19:3-8) Aseho toy ny vadin’i Jehovah ny Isiraely. Izao no voalaza momba azy: “Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady.” Ary hoy i Jehovah taminy: “Amin’ny famindrampo mandrakizay kosa no amindrako fo aminao.” (Isaia 54:6, 8) Tamin’ny ahoana i Jehovah no tsy nivadika tamin’io fifandraisana manokana io?

Nanao ny dingana voalohany i Jehovah mba hanomezana izay nilain’ny Isiraelita sy hanamafisana ny fifandraisany taminy. Nanafaka azy tany Ejipta izy, nandamina azy ho firenena ary nitondra azy tany amin’ny “tany tondra-dronono sy tantely.” (Eksodosy 3:8) Nampianatra azy zavatra ara-panahy tsy tapaka izy tamin’ny alalan’ny mpisorona, ny Levita sy ny mpaminany ary ireo iraka nifandimby. (2 Tantara 17:7-9; Nehemia 8:7-9; Jeremia 7:25) Nanitsy ilay vahoaka i Jehovah rehefa nanompo andriamani-kafa izy ireo. Navelany kosa ny helony rehefa nibebaka izy ireo. “Vady” nanahirana tokoa ny firenen’ny Isiraely. Tsy tonga dia nandao azy anefa i Jehovah. Noho ny fampanantenana nomeny an’i Abrahama, dia tsy nivadika izy fa nifikitra tamin’ny Isiraely mandra-pahatanterak’izay nokasainy ho azy ireo. (Deoteronomia 7:7-9) Ohatra tsara dia tsara ho an’ny mpivady re izany ankehitriny!

Tsy mivadika amin’ny olombelona amin’ny ankapobeny koa i Jehovah. Nomeny ny zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana ny rehetra, na marina na tsy marina. (Matio 5:45; Asan’ny Apostoly 17:25) Tsy vitan’izay ihany fa nomeny ho sorom-panavotana koa ny Zanany, mba hahafahan’ny olona rehetra ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana, ka hiandrandra ny fiainana mandrakizay lavorary ao amin’ny Paradisa. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Ny fanomezana ny avotra no asa faran’izay lehibe hiarovana sy hampaharetana ny fiainana. Tena “fanampiana olona iharam-pahavoazana na iharam-pahoriana” tokoa izy io.

Porofoy amin’ny asa ny tsy fivadihanao

Ankoatra ny hoe fitiavana sy hatsaram-panahy, dia milaza koa fanaovan-javatra avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ny teny hoe tsy mivadika. Raha anehoana fitiavana sy hatsaram-panahy ianao, dia antenaina koa ny hanaovanao toy izany. Mifamaly ny tsy fivadihana. Ireto tenin’i Davida ireto dia mampiharihary fa takany izay voafaoka tamin’ny hoe cheʹsedh: “Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho ka hidera ny anaranao.” Nahoana? “Noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao.” (Salamo 138:2) Mazava fa voatosika hivavaka sy hidera an’i Jehovah i Davida, noho ny famindram-po, na fitiavana sy hatsaram-panahy nasehony taminy. Rehefa eritreretintsika ny fitiavan’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny amintsika, voatosika hanao toy izany koa ve isika? Raha alam-baraka, ohatra, ny anaran’i Jehovah, hanosika anao hiaro azy ve ny fiahianao ny lazany?

Izany no nitranga tamin’ny olona iray, izay vao haingana ihany no tonga Kristianina. Nanatrika ny fandevenana ny havany maty tamin’ny môtô, io Kristianina io sy ny vadiny. Tsy fotoam-pivavahana ilay izy, hany ka afaka nilaza zavatra momba ilay maty ny mpanatrika. Nanomboka nanome tsiny an’Andriamanitra noho ny fahafatesan’ilay tovolahy aloha be ny iray tamin’izy ireo, ka nilaza hoe ‘Nalain’Andriamanitra ho any aminy any an-danitra izy, satria nilainy.’ Tsy afaka nangina intsony ny rahalahintsika kristianina. Nankeny amin’ny lampihazo izy, na dia tsy nisy Baiboly sy naoty aza teny aminy. “Heverinareo ve fa mankasitraka an’izao zavatra izao ny Andriamanitra Tsitoha izay mamindra fo sy miantra?”, hoy izy nanontany. Nanao lahateny tampotampoka nandritra ny folo minitra izy. Nanonona teny tao amin’ny Baiboly izy mba hanazavana ny antony ahafatesan’ny olona, ny nataon’Andriamanitra hanafahana ny olombelona amin’ny fahafatesana ary ny fanantenana mahatalanjona momba ny fananganana ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay eto amin’ny tany paradisa. Nirefodrefotra naharitra ny tehak’ireo olona maherin’ny 100 nanatrika teo. Hoy ny tsaroan’ilay rahalahy tatỳ aoriana: “Mbola tsy nahatsiaro faly toy izany mihitsy aho. Misaotra an’i Jehovah aho mampianatra ahy ny fahendreny sy nanome fahafahana ahy hiaro ny anarany masina.”

Ny hoe tsy mivadika amin’i Jehovah dia mahafaoka koa hoe tsy mivadika amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Nahoana? Satria amin’ny alalan’ny Baiboly no ampianaran’i Jehovah antsika ny fomba fiaina. Ny lalàna sy ny toro lalana ao anatiny no tena tari-dalana tsara indrindra sy mahasoa indrindra eo amin’ny fiainana. (Isaia 48:17) Aza avela hahatonga anao tsy hanaraka ny lalàn’i Jehovah ny faneren’ny hafa na ny fahalemenao. Aza mivadika amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Voafaoka amin’ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra koa ny hoe tsy mivadika amin’ny fandaminany. Tsy maintsy nahitsy sy nohatsaraina ny fahatakarantsika ny andinin-teny sasany tao anatin’ireo taona maro lasa. Tsy misy olona tsara fahana ara-panahy mihoatra noho isika. (Matio 24:45-47) Tsy isalasalana fa manohana ny fandaminany ankehitriny i Jehovah. Tsy mba afaka manao toy izany koa ve isika? Izany no nataon’i A. H. Macmillan. Hoy izy taloha kelin’ny nahafatesany: “Hitako ny nitomboan’ny fandaminan’i Jehovah hatramin’ny nanolorako tena ho an’Andriamanitra tamin’ny Septambra 1900, fony aho 23 taona. Nanjary fikambanana maneran-tany voaforon’ny olona falifaly mazoto mitory ny fahamarinan’i Jehovah izy io. ... Arakaraka ny hanatonan’ny fotoana hifaranan’ny fanompoako an’Andriamanitra eto an-tany, dia vao mainka aho miaiky fa nitarika ny vahoakany i Jehovah ary nanome izay nilainy tamin’ny fotoana nety tsara.” Nanompo tsy nivadika ny Rahalahy Macmillan nandritra ny efa ho 66 taona, mandra-pahafatiny tamin’ny 26 Aogositra 1966. Ohatra tsara dia tsara tamin’ny tsy fivadihana tamin’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso izy.

Ankoatra ny tsy fivadihantsika amin’ny fandaminana, tsy hivadika amintsika samy isika koa ve isika? Tsy hivadika hatrany amin’ny rahalahintsika sy ny anabavintsika ve isika rehefa mandrahona antsika ny fanenjehana amin-kalozana? Ohatra tsara dia tsara amin’ny tsy fivadihana ny rahalahintsika tany Holandy, nandritra ny Ady Lehibe II. Nalain’ny Gestapo nazia am-bavany tamin’ny fomba tsy nifaditrovana sy tsy nisy indrafo i Klaas de Vries, anti-panahy tao amin’ny Fiangonana Groningen. Natoka-monina izy nandritra ny 12 andro, tsy nomena afa-tsy mofo sy rano ary avy eo, nalaina am-bavany indray. Nambanana basy izy ary norahonana ho faty raha tsy nilaza tao anatin’ny roa minitra ny toerana nisy ireo rahalahy tompon’andraikitra sy nanome fanazavana tena lehibe hafa. Izao fotsiny no nolazain’i Klaas: “Tsy hilaza na inona na inona aminareo aho. ... Tsy ho mpamadika aho.” Norahonana intelo tamin’ny basy izy. Navelan’i Gestapo ihany i Klaas tamin’ny farany, ka nalefa tany amin’ny fonja hafa iray izy. Tsy namadika ny rahalahiny mihitsy izy.

Tsy hivadika amin’ny mpianakavintsika akaiky indrindra ve isika, izany hoe ny vadintsika? Tsy mivadika amin’ny voadim-panambadiantsika ve isika toa an’i Jehovah, izay nanaja ilay fifanekeny tamin’ny firenen’ny Isiraely? Aza mianina fotsiny amin’ny hoe tsy mivadika, fa miezaha koa hifandray akaiky amin’ny vadinao. Manaova ny dingana voalohany mba hiarovana ny fanambadianao. Miaraha mandany fotoana sy mifampiresaha amim-pahatsorana. Aoka ianareo hifanohana sy hifampahery, hifampihaino, hiara-mihomehy, hiara-mitomany, hiara-milalao, hanatratra tanjona iombonana, hanao izay mahafinaritra ny iray ary ho mpinamana. Mitandrema tsara mba tsy ho raiki-pitia amin’ny olon-kafa. Na dia mety sy tsara aza ny mifankahalala amin’ny hafa sy manana namana akaiky ankoatra ny vadinao, dia ny vadinao ihany no tokony haharaiki-pitia anao. Tsy tokony hisy olona akaiky kokoa anao mihoatra noho ny vadinao.​—Ohabolana 5:15-20.

Aza mivadika hatrany amin’ireo namanao kristianina sy ny fianakavianao. Aza hadinoina izy ireo rehefa mandeha ny fotoana. Mifandraisa aminy, manorata sy miantsoa amin’ny telefaonina ary mitsidiha. Iezaho ny tsy handiso fanantenana azy ireny na manao ahoana na manao ahoana ny fiainanao. Ataovy izay tsy hahamenatra azy ireo hilaza fa fantany ianao na mpihavana ianareo. Hahatonga anao ho tapa-kevitra hatrany hanao izay tsara sy hampahery anao ny tsy fivadihanao amin’izy ireo.​—Estera 4:6-16.

Eny, voafaoka amin’ny hoe tena tsy mivadika ny fanaovan-javatra hentitra mba hitsimbinana fifandraisana sarobidy. Ataovy izay azonao atao mba hamaliana ny fitiavan’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny. Tahafo ny tsy fivadihan’i Jehovah rehefa mifandray amin’ny fiangonana kristianina, ny vadinao sy ny fianakavianao ary ny namanao ianao. Manehoa tsy fivadihana amin’ny fitoriana ny hatsaran-toetran’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona aminao. Nety tsara ny nilazan’ny mpanao salamo hoe: “Ny famindrampon’i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; hatramin’ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran’ny vavako ny fahamarinanao.” (Salamo 89:1) Tsy manintona antsika ve ny Andriamanitra toy izany? Eny tokoa, “mandrakizay ny famindrampony.”​—Salamo 100:5.

[Sary, pejy 23]

A. H. Macmillan