Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Misy ve ny Tena Finoana?

Mbola Misy ve ny Tena Finoana?

Mbola Misy ve ny Tena Finoana?

“Ny olona manam-pinoana dia mampiseho izany amin’ny ataony, ary matoky tanteraka fa hitahy azy Andriamanitra, hany ka vonona ny hamoy ny ainy noho izany mihitsy izy.”​—MARTIN LUTHER, 1522.

“Sady tsy zava-dehibe amin’ny fiaraha-monina misy antsika ny fivavahana, no kely sisa dia hanjavona ny finoana sy ny fanao kristianina.”​—LUDOVIC KENNEDY, 1999.

SAMY hafa tanteraka ny fihevitry ny olona ny atao hoe finoana. Nino an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona taloha. Maro anefa ankehitriny ny olona tsy mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly intsony, satria manjaka ny fisalasalana sy ny fijaliana.

Ny tena finoana

Maro no mihevitra fa ny hoe manana “finoana” dia manana fivavahana na manaraka karazana fivavahana. Ny dikan’ny teny hoe “finoana” voalohany indrindra ao amin’ny Baiboly anefa, dia hoe fitokisana tanteraka, na fatokisana feno an’Andriamanitra sy ny fampanantenany. Toetra mampiavaka ny mpianatr’i Jesosy Kristy izy io.

Nilaza i Jesosy Kristy, indray mandeha, fa ilaina ny mivavaka sy ny miezaka mba tsy ho “reraka.” Tamin’izay, dia nanontany izy raha hisy ny tena finoana amin’izao androntsika izao. Hoy izy: “Raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?” Nahoana izy no nanontany izany?​—Lioka 18:1, 8.

Tsy manam-pinoana

Maro ny antony mety hahatonga ny olona tsy hanam-pinoana intsony. Anisan’izany ny fijaliana sy ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana. Pretra tany Manchester, any Angletera, ohatra, ny Profesora Michael Goulder, tamin’ny 1958, rehefa nianjera tany Munich ny fiaramanidina iray. Maty tamin’izany ny ankamaroan’ny mpilalao baolina tao amin’ny ekipan’i Manchester United. Nohazavain’i Joan Bakewell tao amin’ny televiziona BBC, fa “tsy afaka nanao na inona na inona ho an’ireo olona votom-pahoriana” i Michael Goulder. Nanjary “tsy nino intsony izy hoe mieritreritra izay manjo ny olombelona Andriamanitra.” Hoy izy: “Tsy tenin’Andriamanitra tsy misy diso ny Baiboly, fa tenin’olombelona misy diso, ary tapany vitsivitsy ihany angamba no ara-tsindrimandry.”

Maty tsotra izao ny finoan’ny sasany indraindray. Izany no nitranga tamin’i Ludovic Kennedy, mpanoratra sy mpiteny ao amin’ny radio sy televiziona. Nilaza izy fa “nisy zavatra nampisalasala azy [momba an’Andriamanitra]” hatramin’ny fahazazany, ary “nihamaro ny zavatra tsy ninoany intsony.” Toa tsy nisy nahavaly tsara ny fanontaniany. Vao mainka nihena be ilay finoany, izay efa tena kely, rehefa maty tany an-dranomasina ny rainy. Nivavaka tamin’Andriamanitra ny tantsambo mba “tsy ho tratran’ny loza an-dranomasina na hampijalin’ny fahavalo”, nefa tsy nahazo valiny. Notafihin’ny sambo mpiady alemà mantsy ilay sambo mpitondra olona nisy ny rainy, ka potika tanteraka, nandritra ny Ady Lehibe II.​—Hevi-dravina​—Fanilihana An’Andriamanitra (anglisy).

Mitranga matetika ny zavatra toy izany. Nilaza ny apostoly Paoly fa “tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.” (2 Tesaloniana 3:2) Ahoana ny hevitrao? Mbola afaka tena hino an’Andriamanitra sy ny Teniny ihany ve isika, na dia mihamaro aza ny olona misalasala momba izany? Diniho izay lazain’ilay lahatsoratra manaraka momba izany.