Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Jehovah Rehefa Mitaiza ny Zanakao Ianao

Tahafo i Jehovah Rehefa Mitaiza ny Zanakao Ianao

Tahafo i Jehovah Rehefa Mitaiza ny Zanakao Ianao

“Iza moa no zanaka tsy faizin-drainy?”​—HEBREO 12:7, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

1, 2. Nahoana no sahirana ny ray aman-dreny mitaiza ny zanany ankehitriny?

NASEHON’NY fanadihadiana natao tany Japon, taona vitsivitsy lasa izay, fa ny antsasany teo ho eo tamin’ireo olon-dehibe nadinadinina no nihevitra fa zara raha nifampiresaka ny ray aman-dreny sy ny zanany. Nihevitra koa izy ireo fa nampihanta loatra ny zanany ny ray aman-dreny. Araka ny fanadihadiana hafa iray natao tany koa, dia efa ho ny ampahefatr’ireo nanontaniana no niaiky fa tsy hainy ny mifampiresaka amin-janany. Tsy any Atsinanana ihany anefa no ahitana izany. “Maro ny ray aman-dreny kanadianina no niaiky fa tsy hain’izy ireo loatra ny fomba hahatongavana ho ray aman-dreny tsara”, hoy ny tatitry Ny Kintan’i Toronto (anglisy). Na aiza na aiza, dia hitan’ny ray aman-dreny fa sarotra ny mitaiza zanaka.

2 Nahoana no sahirana ny ray aman-dreny mitaiza ny zanany? Ny antony iray lehibe dia satria miaina amin’ny andro farany isika ary “andro mahory” izao. (2 Timoty 3:1) Milaza koa ny Baiboly fa “ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Ny tanora no tena mora voan’ny fanafihan’i Satana, izay toy ny “liona mierona” miremby izay mbola tsy nahita fiainana. (1 Petera 5:8) Azo antoka fa miatrika olana maro ny ray aman-dreny kristianina izay tapa-kevitra ny hitaiza ny zanany “amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo.” (Efesiana 6:4) Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany ho tonga mpanompon’i Jehovah matotra, mahay manavaka “ny tsara sy ny ratsy”?​—Hebreo 5:14.

3. Nahoana no tena ilaina ny fifehezana sy ny fitarihan-dalan’ny ray aman-dreny mba ho tsara taiza ny zanany?

3 “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”, hoy ny nomarihin’i Solomona Mpanjaka hendry. (Ohabolana 13:1; 22:15) Mila manitsy ny zanany amim-pitiavana ny ray aman-dreny mba hanesorana izany hadalana izany ao am-pony. Tsy tian’ny tanora foana anefa ny hahitsy toy izany. Ny torohevitra mihitsy matetika no mahasosotra azy ireo, na avy amin’iza na avy amin’iza. Koa tsy maintsy mianatra ‘manazatra ny zanany amin’izay lalana tokony halehany’ àry ny ray aman-dreny. (Ohabolana 22:6) Mety ho ny ain’ilay zanaka mihitsy no ho voavotra raha arahiny akaiky izany fifehezana izany. (Ohabolana 4:13) Tena ilain’ny ray aman-dreny mihitsy àry ny mahafantatra izay tafiditra amin’ny hoe mifehy ny zanany!

Inona no dikan’ny hoe fifehezana?

4. Inona no tena dikan’ny hoe “fifehezana” ao amin’ny Baiboly?

4 Misy ray aman-dreny tsy sahy manitsy ny zanany satria matahotra sao ampangaina ho mamono na manao teny mamelively na mampijaly ny zanany ara-pihetseham-po. Tsy misy tokony hatahorantsika ny amin’izany. Tsy midika ho fampijaliana na fahasiahana mihitsy ilay teny hoe “fifehezana” ao amin’ny Baiboly. Ilay teny grika hoe “fifehezana” dia mifandray indrindra amin’ny hoe fampianarana, fanabeazana sy fanitsiana, ary indraindray fanasaziana hentitra nefa amim-pitiavana.

5. Nahoana no mahasoa ny handinihana ny fomba nitondran’i Jehovah ny vahoakany?

5 Modely tonga lafatra i Jehovah Andriamanitra eo amin’ny fifehezana toy izany. Nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ny ray olombelona i Jehovah, ka izao no nosoratany: “Iza moa no zanaka tsy faizin-drainy? ... Famaizana mandritra ny andro vitsivitsy ihany no nampiharin’ireo raintsika eto an-tany, araka izay heveriny fa mety; fa soa ho antsika kosa no amaizan’Andriamanitra antsika, dia ny mba hiombonantsika anjara amin’ny fahamasinany.” (Hebreo 12:7-10, DIEM ) Eny, mifehy ny vahoakany i Jehovah mba hahamasina, na hampahadio azy ireo. Azo antoka fa afaka miana-javatra betsaka momba ny fifehezana ny ankizy isika, raha mandinika ny fomba nifehezan’i Jehovah ny vahoakany.​—Deoteronomia 32:4; Matio 7:11; Efesiana 5:1.

Ny fitiavana no hery manosika

6. Nahoana no mety ho sarotra amin’ny ray aman-dreny ny hanahaka ny fitiavan’i Jehovah?

6 “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny apostoly Jaona. Koa ny fitiavana foana àry no manosika an’i Jehovah hifehy. (1 Jaona 4:8; Ohabolana 3:11, 12) Midika ve izany fa ho mora amin’ny ray aman-dreny izay efa tia rahateo ny zanany ny hanahaka an’i Jehovah amin’io lafiny io? Tsy voatery ho izany. Fitiavana miorina amin’ny fitsipika ny fitiavan’Andriamanitra. Asehon’ny manam-pahaizana momba ny teny grika iray fa “tsy mitovy foana amin’ny fironana voajanahary” izany fitiavana izany. Tsy jamban’ny fihetseham-po Andriamanitra. Mihevitra izay tsara indrindra ho an’ny vahoakany foana izy.​—Isaia 30:20; 48:17.

7, 8. a) Inona no oha-pitiavana miorina amin’ny fitsipika nomen’i Jehovah, fony izy nifampiraharaha tamin’ny vahoakany? b) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana an’i Jehovah, rehefa manampy ny zanany hahay hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy?

7 Diniho ny fitiavana nasehon’i Jehovah fony izy nifampiraharaha tamin’ny Isiraelita. Nampiasa fanoharana mampihetsi-po i Mosesy, rehefa nilazalaza ny fitiavan’i Jehovah ny Isiraely, ilay firenena vao niforona. Izao no vakintsika: “Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ny akaniny ka manidintsidina eo ambonin’ny zanany, dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy ary nitondrany azy teo ambonin’ny elany,​—Jehovah irery no nitondra [an’i Jakoba].” (Deoteronomia 32:9, 11, 12) Mba hampianarana ny zanany hanidina, dia ‘manaitra ny akaniny’ ny reny voromahery ary manakopakopaka ny elany mba hampirisihana azy ireo hanidina. “Manidintsidina eo ambonin’ny” zanany ilay reny, rehefa milatsaka ilay voronkely avy eny amin’ilay akany, izay matetika eny amin’ny hantsam-bato avo be. Rehefa toa hidona amin’ny tany iny mihitsy ilay zanany, dia midina tampoka eo ambaniny ilay reny, ary mitondra azy ‘eo ambonin’ny elany.’ Niahy tamim-pitiavana toy izany ny firenen’ny Isiraely vao teraka koa i Jehovah. Nomeny azy ny Lalàn’i Mosesy. (Salamo 78:5-7) Nokarakarainy tsara ilay firenena avy eo, ary vonon-kanampy izy rehefa tojo fahasahiranana ilay vahoakany.

8 Ahoana no azon’ny ray aman-dreny kristianina anahafana ny fitiavan’i Jehovah? Tsy maintsy ampianariny an-janany aloha ny toro lalan’Andriamanitra sy izay zavatra takiny ao amin’ny Teniny. (Deoteronomia 6:4-9) Ny hanampy ilay tanora hianatra handray fanapahan-kevitra araka ny toro lalan’ny Baiboly no tanjona. Toy ny hoe manidintsidina eo ambonin’ny zanany ny ray aman-dreny be fitiavana amin’izay, mandinika ny fomba ampiharan’izy ireo ny toro lalana nianarany. Rehefa mihalehibe ireo ankizy ka omena fahafahana bebe kokoa, dia vonona ny “hidina tampoka” sy ‘hitondra ny zanany eo ambonin’ny elany’ ny ray aman-dreny be fiahiana, isaky ny misy loza. Loza inona?

9. Inona indrindra ilay loza tsy maintsy mahamailo ny ray aman-dreny be fitiavana? Hazavao amin’ny ohatra.

9 Nampitandrina ny Isiraelita ny amin’ny vokatry ny fiarahana tamin’ny naman-dratsy i Jehovah Andriamanitra. (Nomery 25:1-18; Ezra 10:10-14) Loza mpitranga koa ankehitriny ny fiarahana amin’ny naman-dratsy. (1 Korintiana 15:33) Tokony hanahaka an’i Jehovah ny ray aman-dreny kristianina amin’io lafiny io. Taitaitra tamin’ny ankizilahy iray i Lisa, tovovavy 15 taona. Tsy nitovy tamin’ny an’ny fianakaviany anefa ny fiheveran’ilay ankizilahy momba ny fitondran-tena sy ny zavatra ara-panahy. “Tonga dia hitan’ny ray aman-dreniko hoe niova ny fihetsiko, hany ka nanahy izy ireo”, hoy ny tantarain’i Lisa. “Indraindray izy nanitsy ahy, ary indraindray kosa nampirisika ahy tamim-pitiavana.” Niara-nidinika tamin’i Lisa izy ireo ary nihaino azy tsara. Tamin’izany no nanampian’ny ray aman-dreniny azy handresy ny fototr’ilay zava-manahirana: nila sitraka tamin’ireo namany nitovy taona taminy izy. *

Aoka ianareo hifampiresaka tsara hatrany

10. Tamin’ny lafiny inona avy i Jehovah no nanome ohatra tsara rehefa nifampiresaka tamin’ny Isiraelita?

10 Tsy maintsy miezaka hifampiresaka tsara hatrany amin’ny zanany ny ray aman-dreny raha tiany ho vanona ny fitaizany. Mampirisika antsika hiresaka aminy i Jehovah, na dia fantany daholo aza ny ao am-pontsika. (1 Tantara 28:9) Rehefa avy nanome ny Lalàna ho an’ny Isiraelita i Jehovah, dia nanendry ny Levita mba hampianatra azy ireo. Naniraka mpaminany koa izy mba hampisaintsaina sy hanitsy azy ireo. Vonon-kihaino ny vavak’izy ireo koa izy.​—2 Tantara 17:7-9; Salamo 65:2; Isaia 1:1-3, 18-20; Jeremia 25:4; Galatiana 3:22-24.

11. a) Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mifampiresaka tsara amin’ny zanany? b) Nahoana no zava-dehibe ny hihainoan’ny ray aman-dreny tsara rehefa miresaka ny zanany?

11 Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manahaka an’i Jehovah rehefa mifampiresaka amin-janany? Tsy maintsy manokana fotoana ho azy aloha izy voalohany indrindra. Tsara koa ny hanalaviran’ny ray aman-dreny ny teny tsy voahevitra maneso, toy ny hoe “Izay fotsiny ve? Noheveriko fa mba hilaza inona erỳ ianao”; “Tsy misy dikany izany”; “Izay zaza io ve ianao dia mba hahavita inona e!” (Ohabolana 12:18) Miezaka ny ho mpihaino tsara ny ray aman-dreny hendry mba hampirisihana ny zanany hiresaka. Ny ray aman-dreny tsy miraharaha ny zanany mbola kely dia mety tsy horaharahain-janany koa rehefa lehibe izy. Vonon-kihaino ny vahoakany foana i Jehovah. Mihaino ireo mivavaka aminy amim-panetren-tena izy.​—Salamo 91:15; Jeremia 29:12; Lioka 11:9-13.

12. Toetra inona no azon’ny ray aman-dreny aseho mba ho mora kokoa amin’ny zanany ny hanatona azy?

12 Diniho koa hoe tamin’ny ahoana ny lafin-toetran’Andriamanitra sasany no nanamora ny fanatonan’ny vahoakany azy. Nanao fahotana lehibe, ohatra, i Davida Mpanjakan’ny Isiraely fahiny, fony nijangajanga tamin’i Batseba. Nanao fahotana lehibe hafa i Davida teo amin’ny fiainany noho izy tsy lavorary. Nanatona an’i Jehovah foana anefa izy ary nitady famelan-keloka sy fananarana. Tsy isalasalana fa nanamora ny fiverenan’i Davida tamin’i Jehovah ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana sy ny famindram-pony. (Salamo 103:8) Manamora ny fifampiresahana tsara hatrany ny fanehoan’ny ray aman-dreny fangoraham-po sy famindram-po toy ny an’Andriamanitra, na dia manao fahadisoana aza ny ankizy.​—Salamo 103:13; Malakia 3:17.

Mahalalà ny antonony

13. Inona no voafaoka amin’ny hoe mahalala ny antonony?

13 Tsy maintsy mahalala ny antonony sy manome taratry ny “fahendrena izay avy any ambony” ny ray aman-dreny, rehefa mihaino ny zanany. (Jakoba 3:17) “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (Filipiana 4:5) Inona no dikan’ny hoe mahalala ny antonony? Anisan’ny hevitry ny teny grika nadika hoe “mahalala ny antonony” ny hoe “tsy manizingizina izay voasoratra ao amin’ny lalàna.” Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny hahalala ny antonony no sady tsy hanovaova ireo fitsipika ara-pitondran-tena sy ara-panahy?

14. Ahoana no nanehoan’i Jehovah fahalalana ny antonony, fony izy nifandray tamin’i Lota?

14 Ohatra miavaka amin’ny fahalalana ny antonony i Jehovah. (Salamo 10:17) Rehefa nandodona an’i Lota sy ny fianakaviany handao an’i Sodoma, ilay tanàna voaheloka, izy, dia “nitaredretra” i Lota. Rehefa nasain’ny anjelin’i Jehovah nandositra tany an-tendrombohitra i Lota avy eo, dia mbola niteny indray hoe: “Tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho ... indro, io vohitra io [Zoara] dia akaiky handosirana sady kely; masìna hianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?)” Ahoana no nataon’i Jehovah? Hoy izy: “Indro, efa nekeko koa hianao tamin’izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.” (Genesisy 19:16-21, 30) Nanaiky ny fangatahan’i Lota i Jehovah. Eny, ny ray aman-dreny dia mila mifikitra amin’izay takin’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Na izany aza anefa, dia mety ho azo asiana fiheverana ihany ny fanirian’ireo ankizy rehefa tsy misy fitsipiky ny Baiboly voakasika.

15, 16. Inona no fianarana azon’ny ray aman-dreny tsoahina avy amin’ilay fanoharana ao amin’ny Isaia 28:24, 25?

15 Ny hoe mahalala ny antonony dia mahafaoka hoe manomana ny fon’ny zanaka mba hanekeny torohevitra. Nampitaha an’i Jehovah tamin’ny tantsaha i Isaia tao amin’ny fanoharana iray. Hoy izy: “Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva? Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’izay va ny voan’ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin’ny tany voafaritra ho azy ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?”​—Isaia 28:24, 25.

16 “Miasa mba hamafy” ary “mitombo-doha sy mandravona ny taniny” i Jehovah. Manomana ny fon’ny vahoakany àry izy alohan’ny hanitsiany azy ireo. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny ‘miasa’ ny fon-janany rehefa manitsy azy ireo? Nanahaka an’i Jehovah ny ray iray rehefa nanitsy ny zanany lahy efa-taona. Rehefa namono ankizy teo an-tanàna ilay zanany, dia naharitra nihaino azy nanamarin-tena aloha izy. Avy eo, dia toy ny hoe ‘niasa’ ny fon-janany ilay ray, rehefa nitantara taminy hoe nisy ankizikely nijaly be mihitsy satria nisy ankizy lehibe nampijalijaly azy. Nilaza ilay ankizilahy rehefa avy nahare ilay tantara fa tokony hosazina mihitsy ilay mpampijaly kely. Nanomana ny fon’ilay ankizilahy izany ‘fiasana’ izany, ka mora kokoa taminy ny nahatakatra fa ratsy ny mamono ankizy eo an-tanàna satria ny mpampijaly kely no manao an’izany.​—2 Samoela 12:1-14.

17. Inona no lesona omen’ny Isaia 28:26-29 momba ny fanitsiana omen’ny ray aman-dreny?

17 Nampitahain’i Isaia tamin’ny fomba hafa iray ampiasain’ny tantsaha koa ny fanitsian’i Jehovah, dia ny fivelezana voa. Mampiasa fitaovana fivelezana samy hafa ny tantsaha arakaraka ny hamafin’ilay voa. Fantaka na tsora-kazo no ampiasaina ho an’ny voan’ny nigela ary tehina ho an’ny komina, fa sarety kosa ho an’ireo voa mafy kokoa. Na izany aza anefa, dia tsy hively mafy loatra ireo voa mafy kokoa izy sao ho mongomongo ireo. Toy izany koa fa rehefa maniry hanesotra zavatra tsy faniry eo amin’ny vahokany i Jehovah, dia miovaova ny fomba ampiasainy, arakaraka izay ilaina sy ny tarehin-javatra. Tsy manampatra fahefana na mampahory mihitsy izy. (Isaia 28:26-29) Misy ankizy vao jeren’ny ray aman-dreny fotsiny dia mipetraka, ka tsy mila zavatra fanampiny. Ny hafa tsy maintsy tenenina foana, ary ny hafa kosa mety hila horesena lahatra mafy kokoa. Hanitsy ireo zanany araka izay ilain’ny tsirairay aminy ny ray aman-dreny mahalala ny antonony.

Ataovy mahafinaritra ny fiaraha-midiniky ny mpianakavy

18. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mahita fotoana ho an’ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka?

18 Anisan’ny fomba tsara indrindra hampianarana ny zanakao ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka sy ny fiaraha-midinika ny Soratra Masina isan’andro. Mandaitra kokoa ny fianaram-pianakaviana rehefa atao tsy tapaka. Raha sendrasendra no anaovana azy io na tampotampoka, dia azo inoana fa mahalana vao hisy, raha hisy aza. Koa tsy maintsy ‘manararaotra ny andro’ ianarana àry ny ray aman-dreny. (Efesiana 5:15-17) Mety ho sarotra ny hifidy fotoana raikitra mety amin’ny rehetra. Tsapan’ny loham-pianakaviana iray fa rehefa nihalehibe ny zanany, dia nanjary sarotra kokoa ny namory ny fianakaviana manontolo noho ny fandaharam-potoana tsy nitovy. Teo daholo foana anefa ny mpianakavy ny takariva taorian’ny fivorian’ny fiangonana. Koa nandamina ny hisian’ny fianaram-pianakaviana ny iray tamin’ireny takariva ireny àry ilay ray. Nety tsara ilay izy. Mpanompon’i Jehovah vita batisa avokoa ankehitriny ny zanany telo.

19. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana an’i Jehovah rehefa mitarika fianaram-pianakaviana?

19 Tsy ampy fotsiny anefa ny mandinika fanazavana avy ao amin’ny Soratra Masina mandritra ilay fianarana. Nampianarin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpisorona ny Isiraelita tafaverina. ‘Nanazava tsara ny hevitry’ ny Lalàna izy ireny, ka “azon’ny olona tsara ny teny novakina.” (Nehemia 8:8) Nahavita nanampy ny zanany fito rehetra ho tia an’i Jehovah ny ray iray. Nihidy tao amin’ny efitranony foana izy talohan’ny fianaram-pianakaviana rehefa nanomana fianarana nifanaraka tamin’izay nilain’ny zanany tsirairay. Nataony izay hahatonga ilay fianarana hahafinaritra ho an’ny zanany. “Nahafinaritra foana ny fianarana”, hoy ny fitadidian’ny iray amin’ireo zanany lahy efa lehibe. “Raha sendra nilalao baolina tany an-tokotany izahay no nantsoina hanao fianaram-pianakaviana, avy hatrany dia navelanay ny baolina ary nihazakazaka nody izahay. Anisan’ny takariva nahafinaritra indrindra tamin’ny herinandro izy io.”

20. Inona no olana mety hitranga eo amin’ny fitaizan-janaka, ka tsy maintsy jerena?

20 Hoy ny mpanao salamo: “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo.” (Salamo 127:3) Mitaky fotoana sy ezaka ny fitaizan-janaka. Mety hahazoan’ny zanatsika fiainana mandrakizay anefa ny fanaovana izany araka ny tokony ho izy. Ho valisoa tsara dia tsara tokoa re izany! Koa enga anie àry isika ho vonona hanahaka an’i Jehovah rehefa mitaiza ny zanatsika. Na dia nankinina tamin’ny ray aman-dreny aza anefa ny andraikitra ‘hitaiza [zanaka] amin’ny famaizana sy ny fananaran’i Jehovah’, dia tsy antoka akory izany fa tsy maintsy mahomby izy ireo. (Efesiana 6:4) Mety hanjary hikomy sy hijanona tsy hanompo an’i Jehovah ny zaza iray, na dia nokarakaraina fatratra aza. Koa inona àry no tokony hatao? Izany no ho foto-kevitr’ilay lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Mety ho avy amin’ny tany tsy mitovy kolontsaina amin’ny anao ny fitantarana ato amin’ity lahatsoratra ity sy ao amin’ilay manaraka. Iezaho takarina anefa ny toro lalana hita ao ary ampiharo amin’ny kolontsaina misy anao.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana ny fitiavan’i Jehovah voalaza ao amin’ny Deoteronomia 32:11, 12?

• Inona no nianaranao avy tamin’ny fomba nifampiresahan’i Jehovah tamin’ny Isiraelita?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny nihainoan’i Jehovah ny fiangavian’i Lota?

• Inona no lesona momba ny fanitsiana zanaka azonao avy tamin’ny Isaia 28:24-29?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8, 9]

Nampitovin’i Mosesy tamin’ny fanaon’ny voromahery amin’ny zanany kely ny fitaizan’i Jehovah ny vahoakany

[Sary, pejy 10]

Mila manokana fotoana ho an-janany ny ray aman-dreny

[Sary, pejy 12]

“Anisan’ny takariva nahafinaritra indrindra tamin’ny herinandro izy io”