Arovy ny Fonao
Arovy ny Fonao
“Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.”—OHABOLANA 4:23.
1, 2. Nahoana isika no mila miaro ny fontsika?
NIVOAKA avy tao amin’ny fialofany ny lahiantitra iray raha vao lasa ny rivo-doza tany amin’ny nosy Caraïbes. Nijery ny simba nanodidina azy izy, ka nahita fa tsy teo intsony ilay hazo goavam-be teo anoloan’ny vavahadiny. ‘Fa inona no nahatonga izany?’, hoy izy. ‘Ny hazo madinika hafa aza tsy nianjera.’ Nojerena ilay foto-kazo tavela, ka hay lo ny atin’ilay hazo noheverina fa mafy tsara. Nasehon’ilay rivo-doza fotsiny ilay fahasimbany.
2 Tena mampalahelo ny mahita Kristianina marina, heverina ho mafy orina tsara, nefa tsy maharitra fitsapam-pinoana. Marina ny voalazan’ny Baiboly fa “ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Midika izany fa na ny fo tsara aza dia mety ho voasarika hanao ratsy, raha tsy mailo mandrakariva. Koa satria tsy lavorary ny fon’ny olona rehetra, dia mety hiharatsy, ka mila manaraka izao torohevitra izao isika: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana.” (Ohabolana 4:23) Ahoana àry no hiarovantsika ny fontsika?
Ilaina ny mandinika tsy tapaka ny fo
3, 4. a) Inona no fanontaniana mety hipetraka momba ny fo ara-bakiteny? b) Inona no hanampy antsika handinika ny fontsika tsy ara-bakiteny?
3 Raha mankany amin’ny dokotera ianao, mba hijerena ny toe-pahasalamanao ankapobe, dia tsy maintsy hijery ny fonao izy. Hitany ve fa ampy sakafo tsara ianao? Manao ahoana ny tosidranao? Mitepo tsara ve ny fonao? Ampy fanatanjahan-tena ve ianao? Mitebiteby tafahoatra ve ny fonao?
4 Raha mila mandinika matetika ny fo ara-bakiteny isika, ahoana ny amin’ny fo tsy ara-bakiteny? Mandinika azy io i Jehovah. (1 Tantara 29:17) Ary tokony handinika azy io koa isika. Amin’ny fomba ahoana? Mila mametraka ireto fanontaniana ireto, ohatra, isika: Ampy tsara ve ny sakafo ara-panahy azon’ny foko, izany hoe manao fianarana manokana sy manatrika fivoriana tsy tapaka ve aho? (Salamo 1:1, 2; Hebreo 10:24, 25) Zava-dehibe amiko ve ny hafatr’i Jehovah, ka toy ny “afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ny taolako”, manosika ahy hitory ilay Fanjakana sy hanao mpianatra? (Jeremia 20:9; Matio 28:19, 20; Romana 1:15, 16) Mikely aina ve aho, ka manao ny fanompoana manontolo andro, raha afaka? (Lioka 13:24) Iza no ifaneraserako, ka misy vokany eo amin’ny foko? Olona manompo an’i Jehovah amin’ny fony manontolo ve no tiako hiarahana? (Ohabolana 13:20; 1 Korintiana 15:33) Enga anie isika hanamarika haingana izay rehetra tsy mety, ka hanitsy izany avy hatrany.
5. Inona no zava-kendren’ny fitsapam-pinoana?
5 Miatrika fitsapam-pinoana isika matetika. Manampy antsika hahita ny toe-pontsika izy ireny. Rehefa hiditra ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita, dia nilaza toy izao taminy i Mosesy: “Ary tsarovy ny làlana rehetra izay nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao amponao, na hitandrina ny didiny hianao, na tsia.” (Deoteronomia 8:2) Tsy mahagaga antsika ve ny fihetseham-pontsika na ny faniriantsika sy ny fihetsitsika matetika, rehefa miatrika toe-javatra na fakam-panahy tsy nampoizina isika? Tena manampy antsika hahita ny fahalementsika, ka hiezaka mba hihatsara, ny fisedrana avelan’i Jehovah hihatra amintsi ka. (Jakoba 1:2-4) Aoka tsy hohadinointsika mihitsy ny misaintsaina sy mivavaka rehefa mandinika izay nataontsika nanoloana ny fisedrana!
Inona no asehon’ny resaka ataontsika?
6. Mampiseho inona momba ny fontsika ny resaka tiantsika?
6 Ahoana no ahafantarantsika izay mameno ny fontsika? Hoy i Jesosy: “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany.” (Lioka 6:45) Ny resaka ataontsika matetika no ahitana izay irin’ny fontsika hatao. Inona no ambentin-dresatsika? Zavatra ara-nofo sy ny zava-bitantsika eo amin’ny fiainana ve? Sa zavatra ara-panahy na tanjona ara-panahy? Mampiseho fitiavana ve isika, ka manarona ny fahadisoan’ny hafa, sa miresadresaka momba izany kosa? (Ohabolana 10:11, 12) Tia miresaka momba ny olona sy ny fiainany ve isika, fa tsy miresaka firy momba ny zavatra ara-panahy sy ara-pitondran-tena? Ary sao dia midika izany fa manjary mitsabaka amin’ny fiainan’olona isika?—1 Petera 4:15.
7. Inona no lesona momba ny fiarovana ny fo azo avy amin’ny tantaran’ny rahalahin’i Josefa?
7 Hevero ny zava-nitranga tao amin’ny fianakaviam-be iray. Tsy nety nanao ‘teny tsara’ tamin’i Josefa zandrin’izy ireo faralahy ireo zanak’i Jakoba folo lahy. Nahoana? Nialona izy ireo, satria i Josefa no tian-drainy indrindra. Tatỳ aoriana, rehefa nahazo nofy tamin’Andriamanitra i Josefa, ka hita fa nahazo sitraka taminy, dia “vao mainka nankahalany azy izany.” (Genesisy 37:4, 5, 11) Tsy namindran’izy ireo fo mihitsy ilay rahalahiny, fa namidiny ho andevo. Nanafina ny ratsy nataony izy ireo avy eo, ka namitaka ny rainy mba hino fa lanin’ny bibidia i Josefa. Tsy niaro ny fony ireo zokin’i Josefa tamin’izay. Raha mora manakiana ny hafa isika, sao dia midika izany fa mialona isika na mitsiriritra ao am-pontsika ao? Tokony ho mailo isika handinika izay mivoaka avy amin’ny vavantsika, ary tokony hanaisotra haingana ny fironana ratsy rehetra.
8. Inona no hanampy antsika handinika ny fontsika, raha sendra mandainga isika?
8 Tsy mahay mandainga Andriamanitra, fa mora mandainga kosa ny olombelona. (Hebreo 6:18) “Mpandainga ny olona rehetra”, hoy ny mpanao salamo. (Salamo 116:11) Na dia ny apostoly Petera aza dia nandainga, ka nanda an’i Jesosy intelo. (Matio 26:69-75) Mazava àry fa tsy maintsy miezaka isika mba tsy handainga, satria halan’i Jehovah ny “lela fandainga.” (Ohabolana 6:16-19) Raha sendra mandainga isika, dia tokony handinika ny antony nahatonga izany. Natahotra olona ve isika, sa natahotra ny ho voasazy? Sa tsy te ho afa-baraka isika, na tia tena tsotra izao fotsiny? Na inona na inona antony, dia tokony hisaintsaina izany isika, tokony hanetry tena ka hiaiky fa diso, ary tokony hitalaho famelan-keloka amin’i Jehovah, ka hangataka azy mba hanampy antsika handresy ilay fahalemena! Ny anti-panahy angamba no tsara toerana indrindra mba hanome izany fanampiana izany.—Jakoba 5:14.
9. Inona no asehon’ny vavaka ataontsika momba ny fontsika?
9 Izao no navalin’i Jehovah an’i Solomona Mpanjaka, rehefa nangataka fahendrena sy fahalalana izy: “Satria tao am-ponao izany, ka tsy nangataka vola aman-karena hianao, na voninahitra, ... dia omena anao ny fahendrena sy ny fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa hianao.” (2 Tantara 1:11, 12) Hitan’i Jehovah izay tena mamin’ny fon’i Solomona, rehefa nojereny ny zavatra nangatahiny sy ny zavatra tsy nangatahiny. Inona no asehon’ny vavaka ataontsika momba ny fontsika? Hita amin’ny vavaka ataontsika ve fa maniry hahazo fahalalana sy fahendrena ary fahaiza-manavaka isika? (Ohabolana 2:1-6; Matio 5:3) Mamin’ny fontsika ve ny tombontsoan’ilay Fanjakana? (Matio 6:9, 10) Raha lasa fahazarana fotsiny ny vavaka, dia mety hidika izany fa mila maka fotoana isika hisaintsainana momba ireo asan’i Jehovah. (Salamo 103:2) Tokony ho mailo ny Kristianina rehetra handinika izay asehon’ny vavaka ataony.
Inona no asehon’ny zavatra ataontsika?
10, 11. a) Aiza no manomboka ny fanitsakitsaham-bady sy ny fijangajangana? b) Inona no hanampy antsika tsy ‘hijangajanga ao am-pontsika’?
10 Mampiseho tsara ny tena toetrantsika ny zavatra ataontsika. Raha ny fitondran-tena, ohatra, no resahina, dia tsy ampy mba hiarovana ny fo ny fanalavirana ny fijangajangana na ny fanitsakitsaham-bady. Nilaza toy izao i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” (Matio 5:28) Inona no azontsika atao mba tsy hijangajangana na dia ao am-pontsika aza?
11 Loham-pianakaviana nahatoky i Joba ary namela ohatra ho an’ny Kristianina manambady. Tsy isalasalana fa nitondra ny tovovavy toy ny nitondrany ny olon-drehetra i Joba, ary nanampy azy ireo sy naneho hatsaram-panahy taminy mihitsy angamba, raha nila izany izy ireo. Tsy nieritreritra ny hiraiki-pitia tamin’izy ireo mihitsy anefa io lehilahy nahatoky io. Nahoana? Satria tapa-kevitra tsara izy tao am-pony, fa tsy hijery vehivavy hila azy mihitsy. “Efa nampanekeko ny masoko”, hoy izy, “koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?” (Joba 31:1) Aoka isika hanao fanekena toy izany amin’ny masontsika, ka hiaro ny fontsika.
12. Ahoana no hampiharanao ny Lioka 16:10, mba hiarovana ny fonao?
12 “Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be”, hoy ny Zanak’Andriamanitra. “Ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be.” (Lioka 16:10) Tena mila mandinika ny fitondran-tenantsika isika, na amin’ny raharaha heverina fa madinika, na any an-trano tsy hitan’ny olona any mihitsy aza. (Salamo 101:2) Tena mankatò izao teny ao amin’ny Soratra Masina izao ve isika, rehefa mijery tele na mampiasa Internet, ao an-trano: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao”? (Efesiana 5:3, 4) Ary ahoana ny amin’ny herisetra ao amin’ny televiziona na amin’ny lalao vidéo? “Jehovah mizaha toetra ny marina”, hoy ny mpanao salamo, “fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.”—Salamo 11:5.
13. Inona no tokony hotandremantsika, rehefa mandinika ny fontsika isika?
Jeremia 17:9) Hita fa mamitaka ny fo, rehefa manala tsiny na manamaivana ny fahadisoantsika isika, na koa manamarina ny kileman-toetra lehibe ananantsika, na manitatra ny zava-bitantsika. Afaka mamorom-pitaka koa ny fo manana aretina tsy azo sitranina, ka samy hafa ny zavatra lazain’ny molotra mandrobo sy ny zavatra tena atao. (Salamo 12:2; Ohabolana 23:7) Tena tokony handinika amin’ny saina tsy miangatra izay mivoaka avy ao am-pontsika isika!
13 “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”, hoy i Jeremia. (Tsotra ve ny masontsika?
14, 15. a) Inona no atao hoe maso “tsara”, na tsotra? b) Nahoana ny maso tsotra no manampy antsika hiaro ny fontsika?
14 “Ny maso no jiron’ny tena”, hoy i Jesosy. Hoy koa izy: “Raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.” (Matio 6:22) Mifantoka amina tanjona na fikasana iray ihany ny maso tsara, na tsotra, ka tsy miala amin’izany. Tena tokony hifantoka amin’ny ‘fikatsahana ilay fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra aloha’ ny masontsika. (Matio 6:33) Inona no mety hanjo ny fontsika raha tsy tsotra ny masontsika?
15 Hevero, ohatra, ny fitadiavam-bola. Adidin’ny Kristianina ny mamelona ny fianakaviany. (1 Timoty 5:8) Ahoana anefa raha manjary te hanana izay zava-baovao rehetra isika, na izay tsara indrindra, na izay be mpitia indrindra, eo amin’ny resaka sakafo, fitafiana, sy trano, na zavatra hafa? Tsy hahatonga ny fo sy ny saina ho andevo ve izany, ka tsy hanao ny fanompoana amin’ny fo manontolo intsony isika? (Salamo 119:113; Romana 16:18) Nahoana moa isika no dia ho variana be amin’ny zavatra ilaintsika, ka tsy hiraharaha afa-tsy ny fianakaviana sy ny asa ary ny zavatra ara-nofo? Tadidio izao torohevitra ara-tsindrimandry izao: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany.”—Lioka 21:34, 35.
16. Inona no torohevitra nomen’i Jesosy momba ny maso, ary nahoana?
16 Fitaovana lehibe mampifandray ny saina sy ny fo ny maso. Mety hanan-kery be amin’ny Matio 5:29) Tsy maintsy fehezina ny maso mba tsy hijery zava-dratsy. Tsy tokony havela hijery boky na sary natao hiteraka fanirian-dratsy, ohatra, izy io.
eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny ataontsika ny zavatra ifantohan’ny masontsika. Nampiasa fanoharana i Jesosy mba hanazavana fa tena mety hiteraka fakam-panahy ny maso. Hoy izy: “Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin’ny helo.” (17. Nahoana no manampy antsika hiaro ny fontsika ny fampiharana ny Kolosiana 3:5?
17 Mazava ho azy fa tsy izay hitan’ny masontsika ihany no mety hitondra antsika ho amin’ny fakam-panahy, fa izay kasihintsika na henointsika koa. Tokony hofehezintsika koa àry ny faritra hafa amin’ny vatantsika, izay mety hahatonga antsika hanota. Nananatra toy izao ny apostoly Paoly: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.”—Kolosiana 3:5.
18. Inona no tokony hataontsika raha misy eritreri-dratsy tonga ao an-tsaintsika?
18 Afaka miforona ao an-tsaintsika lalina ao ny fanirian-dratsy. Matetika no mihamafy ilay fanirian-dratsy, raha saintsainina lava, ka hisarika ny fontsika. “Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota.” (Jakoba 1:14, 15) Maro no manaiky fa izany matetika no nahatonga azy ireo hikasikasika ny filahiany na ny fivaviany mba hahazoana fahafinaretana. Tena tokony hofenointsika zavatra ara-panahy hatrany ny saintsika! (Filipiana 4:8) Ary raha misy eritreri-dratsy tonga ao an-tsaintsika, dia tokony hiezaka mafy isika hanala azy io.
‘Manompoa an’i Jehovah amin’ny fo rehetra’
19, 20. Inona no hanampy antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra?
19 Efa zokiolona i Davida Mpanjaka, rehefa nilaza tamin’ny zanany hoe: “Ary hianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa.” (1 Tantara 28:9) Nivavaka i Solomona mba hanana “fo mihaino.” (1 Mpanjaka 3:9, fanamarihana ambany pejy) Sarotra taminy anefa ny nanana fo toy izany foana, nandritra ny fiainany manontolo.
20 Raha te hahavita izany isika, dia tsy ampy ny fo mampifaly an’i Jehovah, fa ilaina arovana koa izy io. Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy mankamamy ny fampahatsiahivana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, izany hoe tokony ‘horaketintsika ao am-pontsika’ izany. (Ohabolana 4:20-22) Tokony hataontsika fahazarana koa ny mandinika ny fontsika: Mila misaintsaina sy mivavaka isika rehefa mandinika izay asehon’ny tenintsika sy ny ataontsika. Tsy hisy dikany izany fisaintsainana izany, raha tsy mangataka amin’i Jehovah isika mba hanampy antsika hanitsy izay fahalemena hitantsika. Ary tena mila mitandrina tsara koa izay jerentsika na henointsika na kasihintsika isika! Raha manao izany isika, dia afaka matoky fa ‘hiaro ny fontsika sy ny hevitsika ao amin’i Kristy Jesosy ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra.’ (Filipiana 4:6, 7) Eny, aoka isika ho tapa-kevitra tsara ny hiaro ny fontsika mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, ary koa hanompo an’i Jehovah amin’ny fo rehetra.
Tadidinao Ve?
• Nahoana no ilaina harovana ny fo?
• Nahoana no manampy antsika hiaro ny fontsika ny fandinihana ny resaka ataontsika?
• Nahoana isika no tokony hihazona ny masontsika ho tsotra?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 23]
Inona no resahintsika matetika eny am-pitoriana, na any am-pivoriana, na any an-trano?
[Sary, pejy 25]
Mifantoka amin-javatra tokana ny maso tsotra