Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azonao Hatsaraina ve ity Tontolo Ity?

Azonao Hatsaraina ve ity Tontolo Ity?

Azonao Hatsaraina ve ity Tontolo Ity?

“Tsy vitan’ny politika ny mampiray indray ny fiaraha-monina. Tsy hainy averina ireo fitsipi-pitondran-tena nekena fahiny. Na ny tetik’asa tsara indrindra aza tsy mahaverina indray ny hasin’ny fiarahana alohan’ny fanambadiana, na ny hasin’ny fanambadiana, tsy mahatonga ny ray handray ny andraikiny amin-janany, ary tsy mahatonga ny olona hahatsiaro ho tafintohina na hahalala henatra toy ny taloha intsony ... Tsy afaka mamaha ny ankamaroan’ny olana ara-pitondran-tena hitantsika ny lalàna.”

TE HIRAY hevitra amin’io mpanolo-tsaina taloha tao amin’ny fitondram-panjakana amerikanina io ve ianao? Raha izany no izy, inona àry no vahaolana amin’ireo zava-manahirana maro be ateraky ny fitiavan-karena, ny tsy fahampiam-pitiavan’ny mpianakavy, ny fitondran-tena baranahiny, ny tsy fananam-pahalalana, ary ny lafin-javatra hafa mikiky ny fiaraha-monina? Misy mihevitra fa tsy misy ny vahaolana, koa izay hampandeha tsara ny fiainany ihany no iezahany. Ny hafa kosa manantena fa indray andro any, dia hisy mpitarika mahira-tsaina sy mahay mambabo olona hitarika ny vahoaka amin’ny lalana tsara. Angamba aza ho mpitondra fivavahana mihitsy izy io.

Roa arivo taona lasa izay, dia nitady hanao an’i Jesosy Kristy ho mpanjaka ny vahoaka, satria takatr’izy ireo fa nirahin’Andriamanitra izy ary tena hahay hitondra tokoa. Nandositra anefa i Jesosy rehefa fantany ny fikasan’izy ireo. (Jaona 6:14, 15) Nanazava tamin’ny governora romanina izy tatỳ aoriana hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao.” (Jaona 18:36) Vitsy anefa ankehitriny no mijoro tahaka an’i Jesosy toy izany, na dia amin’ireo mpitondra fivavahana milaza ho mpanara-dia azy aza. Nisy tamin’izy ireny niezaka nanatsara ity tontolo ity. Nanandrana nitaona ireo mpitondra tsy ara-pivavahana izy ireny na nanao politika mihitsy. Izany no izy tany amin’ireo taona 1960 sy ireo taona 1970.

Niezaka hanatsara ity tontolo ity ny fivavahana

Niady ho an’ny mahantra sy ny nanaovana tsindry hazo lena ny mpitondra fivavahana sasany tany Amerika Latinina, tany amin’ny faramparan’ireo taona 1960. Niforona ilay hetsika hoe teolojian’ny fahafahana. Nohazavaina fa tsy mpamonjy araka ny heviny ao amin’ny Baiboly fotsiny i Kristy, fa mpamonjy ara-politika sy ara-toe-karena koa. Tany Etazonia, dia nisy mpitondra fivavahana maromaro nanahy mafy noho ny fikororosian’ny fitondran-tena. Natsangan’izy ireo àry ny fikambanana nantsoina hoe Maro An’isa Mitandro ny Fitsipi-pitondran-tena. Ny tanjony dia ny hametraka eo amin’ny fitondrana, olona izay hamoaka lalàna mitandro ny hasin’ny fianakaviana. Toy izany koa any amin’ny tany silamo maro. Misy antokon’olona mampirisika ny hanarahana akaiky kokoa ny Kôrana, mba hisakanana ny tsolotra sy ny faharatsiam-pitondran-tena tafahoatra.

Heverinao ve fa nanatsara ity tontolo ity ireny ezaka ireny? Asehon’ny zava-misy fa amin’ny ankapobeny, dia miharatsy hatrany ny fitondran-tena, ary mitombo hatrany ny hantsana manasaraka ny manankarena sy ny mahantra, na dia any amin’ny tany iroboroboan’ny teolojian’ny fahafahana aza.

Tsy nahatratra ny tena tanjony ny Maro An’isa Mitandro ny Fitsipi-pitondran-tena tany Etazonia. Koa nandrava ilay fikambanana tamin’ny 1989 àry i Jerry Falwel mpamorona azy io. Nisy fikambanana hafa nisolo toerana azy. Izao anefa no nosoratan’i Paul Weyrich, ilay nandrafitra ny teny hoe “maro an’isa mitandro ny fitsipi-pitondran-tena”, tao amin’ilay gazety hoe Kristianisma Ankehitriny (anglisy): “Na dia voafidy aza ny olona atolotray, dia tsy tratranay ilay karazana politika imasoanay.” Hoy koa izy: “Vao mainka mirefarefa amin’ny tany ny kolontsaina. Nitotongana izaitsizy ny kolontsaintsika, ary tena lehibe io fitotonganana io, hany ka resin’izy io ny politika.”

Nolazain’i Carl Thomas, mpanoratra an-gazety, izay heveriny fa tena lesoka amin’ny fiezahana hanatsara ny fiaraha-monina amin’ny fanaovana politika. Hoy izy: “Avy amin’ny tsirairay no hiavian’ny tena fiovana fa tsy avy amin’ny fahazoana toerana ao amin’ny fitondrana, satria ny resaka fitondran-tena sy fivavahana no tena manahirana antsika fa tsy ny resaka toe-karena sy politika.”

Ahoana anefa no handaminana olana ara-pitondran-tena sy ara-pivavahana eo amin’ny tontolo tsy manana filamatra arahina, fa samy manapa-kevitra ny amin’izay tsara sy ratsy? Raha tsy afaka manatsara ity tontolo ity ny olona manam-pahefana sy tsara fikasa, na mpivavaka izy na tsia, iza indray no afaka hanao izany? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valiny. Raha ny marina, dia izany valiny izany mihitsy no nahatonga an’i Jesosy hilaza fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Rano maloto: WHO/UNICEF photo; gilaoby: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Ankizy: UN photo; gilaoby: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.