Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Koa satria hita avy teo amin’ny Masina ireo bao fitondrana ny fiaran’ny fanekena, araka ny 1 Mpanjaka 8:8, nanao ahoana ny fipetrak’izy ireo?

Ny fiaran’ny fanekena no zava-dehibe indrindra tamin’ny planin’ilay tabernakely tany an’efitra, nomen’i Jehovah an’i Mosesy. Nametrahana ny vato fisaky ny Lalàna sy zavatra hafa io vata mahitsizoro sy voalalotra volamena io. Notahirizina tao amin’ny Masina Indrindra, dia ny efitra farany anatiny izy io. Nisy kerobima volamena roa namelatra ny elany teo ambonin’ny saron’ilay Fiara. Nisy mason-drojo volamena tamin’ny andaniny roan’ilay Fiara. Bao roa vita tamin’ny hazo akasia sy voalalotra volamena no nibatana azy. Ara-dalàna raha nitsofoka tamin’ireo mason-drojo ny bao, ary nanaraka ny lavan’ny Fiara. Araka izany, dia nanondro ny avaratra ny tendrony iray tamin’ireo bao, ary ny ilany nanondro ny atsimo, satria ilay Fiara nisy azy dia tao amin’ny Masina Indrindran’ilay tabernakely, nefa ilay tabernakely nitodika niantsinanana. Toy izany koa no nitoeran’ireo bao tatỳ aoriana, fony ilay Fiara tao amin’ilay tempoly nataon’i Solomona.​—Eksodosy 25:10-22; 37:4-9; 40:17-21. *

Lamba no nanasaraka ny Masina Indrindra tamin’ny Masina (ny efitra voalohany). Ireo mpisorona tao amin’ny Masina dia tsy afaka nijery tao amin’ny Masina Indrindra, ka hahita ilay Fiara, izay nisehoan’i Jehovah. (Hebreo 9:1-7) Toa tsy mazava àry ny 1 Mpanjaka 8:8, manao hoe: “Lava ny bao, ka hita ny lohany, raha amin’ny fitoerana masina eo anoloan’ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany.” Toy izany koa no voalaza ao amin’ny 2 Tantara 5:9. Ahoana no nahitan’izay rehetra tao amin’ny Masin’ny tempoly an’ireo bao?

Nisy nihevitra fa nikasika ilay lamba ireo bao, ka hita nivohitra teo aminy. Tsy ho marina anefa izany, raha toa ka nanondro ny avaratra ny tendrony iray tamin’ireo bao, ary ny ilany nanondro ny atsimo, sady nanaraka ny lavan’ilay lamba ny lavan’izy ireo. (Nomery 3:38) Misy fanazavana hafa mitombina kokoa. Nety ho hita ireo bao, raha nisy malalaka kely teo anelanelan’ilay efitra lamba sy ny rindrin’ny tempoly, na rehefa niditra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe. Takon’ilay lamba tanteraka ilay Fiara, fa ireo bao kosa nihoatra teo amin’ny andaniny sy ankilan’ilay lamba, ka nety ho hita avy teo amin’ilay malalaka kely. Na dia azo ekena aza izany fanazavana izany, dia tsy afaka mitompo teny fantatra ny amin’izany isika.

Mazava ho azy fa misy tsipiriany maro mbola mety hianarantsika. Niresaka ny sasany tamin’izany ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Hoy anefa izy avy eo: “Tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.” (Hebreo 9:5) Hampianatra antsika zavatra maro mahaliana ireo lehilahy nahatoky izay nahafantatra tsara ny bikan’ilay tabernakely sy ny fiasany, toa an-dry Mosesy sy Arona ary Bezalila, rehefa hatsangana amin’ny maty.​—Eksodosy 36:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy natao hesorina ireo bao, na dia rehefa tsy nihetsika tamin’ny toerany tao amin’ny tabernakely aza ny Fiara. Koa tsy azo nampiasaina tamin-javatra hafa àry ireo bao. Tsy azo nokasihina koa ny Fiara masina; nefa raha nesorina tamin’ireo mason-drojo nitoerany ireo bao, dia tsy maintsy voakasika izy io mba hampidirana azy ireo indray. Angamba manondro ny nanitsiana ny fipetrak’ireo bao talohan’ny nitondrana ilay vata navesatra tany amin’ny fitobiana vaovao, ilay teny ao amin’ny Nomery 4:6 hoe “hataony eo aminy ny baony.”