Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hay Izany no Manjo Ahy!”

“Hay Izany no Manjo Ahy!”

“Hay Izany no Manjo Ahy!”

IZANY no nolazain’ny lehilahy iray tany Tokyo, rehefa namaky ilay tantaram-piainana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2000 izy. Nitondra ny lohateny hoe “Tsy Mahalala ny ho Ampitso Hianareo” ilay lahatsoratra, ary nitantara ny zavatra niainan’ny misionera taloha iray, voan’ilay aretin’ny fihetseham-po roa sosona.

Nanoratra toy izao ho an’ny mpampanonta ity gazety ity io lehilahy io: “Tena ilay nanjo ahy mihitsy no voalaza tao. Nandeha tany amin’ny hopitaly fitsaboana aretin-tsaina àry aho, ary nolazaina tamiko fa voan’ny aretin’ny fihetseham-po roa sosona aho. Gaga ilay dokotera nitsabo ahy. Hoy izy: ‘Matetika no tsy mihevitra azy io ho aretina ny olona voan’izy io.’ Nampiana hamantatra ilay aretina aho dieny mbola tsy nihombo izy io.”

Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no mandray soa rehefa mamaky ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tsirairay. Hitan’izy ireo fa ahafantaran-javatra sy mahafa-po ny lahatsoratra ao. Avoaka amin’ny fiteny 141 ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana ankehitriny, ary amin’ny fiteny 86 ny Mifohaza! Hahafinaritra anao koa ny hamaky tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!