Iza no Hampisaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra?
Iza no Hampisaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra?
“Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.”—1 JAONA 4:19.
1, 2. a) Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahafantatra fa tiana isika? b) Ny fitiavan’iza no tena ilaintsika?
ZAVA-DEHIBE aminao ve ny mahafantatra fa tiana ianao? Manomboka amin’ny fahazazany ka mandra-pahalehibeny, dia sambatra ny olona rehefa tiana. Efa nandinika zazakely trotroin’ny reniny ve ianao? Na inona na inona mitranga manodidina azy, dia miadana sady mahazo aina erỳ izy matetika, mijery ny reniny mitsikitsiky sady tia azy. Sa tadidinao ny nanjo anao fony ianao zatovo, ka somary nikorontana ny fiainanao? (1 Tesaloniana 2:7) Tsy nahafantatra izay notadiavinao angamba ianao indraindray, na tsy azonao mihitsy aza izay nahazo anao. Tena nilainao anefa ny nahafantatra fa tia anao ny ray aman-dreninao! Tsy nanampy anao ve ny nahafantatra fa afaka niresaka tamin’izy ireo ianao, rehefa nanana fanontaniana na zava-nanahirana? Tena mila fitiavana isika mandritra ny fiainantsika manontolo. Ary fantatsika fa misy vidiny isika matoa tiana toy izany.
2 Tena manampy ny ankizy mba ho tonga olon-dehibe matotra ny fitiavana asehon’ny ray aman-dreniny azy mandrakariva. Tena mila matoky anefa isika fa tian’i Jehovah, Raintsika any an-danitra. Izany no hahasalama ara-panahy antsika sady hanome antsika fiadanan-tsaina. Tsy nanan-dray sy reny tena tia azy angamba ny sasany. Mahereza raha izany no nanjo anao. Na dia tsy nampiseho fitiavana taminao mihitsy, na tsy naneho izany tsara, aza ny ray aman-dreninao, dia mameno izany banga izany ny fitiavan’Andriamanitra.
3. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tena tiany ny olony?
3 Nolazain’i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, fa mety ‘hanadino’ ny zanany minono ny reny, fa izy kosa tsy hanadino ny olony. (Isaia 49:15) Feno fatokisana i Davida, nilaza hoe: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10) Tena mampahery izany! Raha nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra ianao, dia tokony hitadidy foana fa lehibe noho ny an’ny olon-kafa rehetra ny fitiavany anao, na inona na inona manjo anao!
Tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra
4. Ahoana no nahafantaran’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany fa tia azy ireo Andriamanitra?
4 Oviana no nahatsapanao voalohany ny fitiavan’i Jehovah? Mitovy amin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany angamba ianao. Miresaka momba ny mpanota tafasaraka amin’Andriamanitra i Paoly ao amin’ny Romana toko faha-5. Mahafinaritra ny filazany ny fomba nahatsapan’ireo olona ireo voalohany fa tia azy ireo i Jehovah. Hoy ny andininy faha-5: “Ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika.” Nilaza koa i Paoly ao amin’ny andininy faha-8 hoe: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.”
5. Inona no nanampy anao hahatakatra sy hankasitraka ny halehiben’ny fitiavan’i Jehovah?
5 Toy izany koa fa, nanomboka nanan-kery tao am-ponao ny fanahy masin’i Jehovah, rehefa nampahafantarina anao ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka nanomboka naneho finoana ianao. Takatrao sy nankasitrahanao tamin’izay fa tena lehibe ny zavatra nataon’i Jehovah, rehefa nandefa ny Zanany malala mba ho faty ho anao. Nampian’i Jehovah àry ianao, mba hahafantatra tsara fa tiany ny olona. Fantatrao fa mpanota ianao, ary tafasaraka tamin’i Jehovah. Tsy voatohina àry ve ny fonao, rehefa fantatrao fa nataony izay hahatonga Romana 5:10.
ny olona ho azo hamarinina, ka hiaina mandrakizay? Tsy nanjary tia an’i Jehovah ve ianao tamin’izay?—6. Nahoana isika no mety hahatsiaro tena ho somary lavitra an’i Jehovah indraindray?
6 Nanohina ny fonao ny fitiavan’ilay Rainao any an-danitra, ary nanamboatra ny fiainanao ianao mba hankasitrahany, hany ka nanolotra ny fiainanao ho azy. Tsara fihavanana aminy ianao izao. Kanefa, mahatsiaro tena ho somary lavitra an’Andriamanitra ve ianao indraindray? Mety hitranga amintsika rehetra izany. Tadidio foana anefa fa tsy miova Andriamanitra. Tsy miovaova ny fitiavany, fa toy ny masoandro, izay tsy mitsahatra mandefa tara-pahazavana sy hafanana ho an’ny tany. (Malakia 3:6; Jakoba 1:17) Isika kosa no mety hiova, na dia tsy maharitra aza ny fiovantsika. Rehefa mihodina ny tany, dia rakotry ny haizina ny ilany, ka mihamangatsiaka. Mety hihamangatsiaka koa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, raha mihodina, na miala aminy isika, na dia kely fotsiny aza. Inona no azontsika atao mba hanitsiana izany?
7. Nahoana ny fandinihan-tena no manampy antsika hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
7 Tokony hanontany tena toy izao isika, raha mahatsiaro ho tafasaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra: ‘Nohamaivaniko ve ny fitiavan’Andriamanitra? Niala tsikelikely tamin’ilay Andriamanitra velona sy be fitiavana ve aho, ka hita tamin’ny fomba samihafa fa nihena ny finoako? Mikatsaka “ny zavatry ny nofo” ve aho, fa tsy ny “zavatry ny Fanahy”?’ (Romana 8:5-8; Hebreo 3:12) Raha nisaraka tamin’i Jehovah isika, dia afaka manao ezaka mba hiverenana aminy, ka hihavana tsara aminy indray. Mampirisika antsika toy izao i Jakoba: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” (Jakoba 4:8) Ampiharo izao tenin’i Joda izao: “Hianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.”—Joda 20, 21.
Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra
8. Inona no fiovana mety hitranga tampoka eo amin’ny fiainantsika?
8 Mety hiovaova be ny fiainantsika eto amin’ity tontolo ity. Voamarik’i Solomona Mpanjaka fa ‘mahazo antsika rehetra ny fotoana sy ny sampona.’ (Mpitoriteny 9:11) Mety hiova be tampoka ny fiainantsika. Indray andro isika salama tsara, fa mety harary mafy isika ny ampitso. Indray andro tsy misy ahina ny asantsika, nefa tsy an’asa isika ny ampitso. Mety ho faty tampoka ny olona tiantsika. Mety hilamina tsara ny faritra misy ny Kristianina sasany, nefa mety hamely tampoka ny fanenjehana avy eo. Misy manendrikendrika angamba isika, ka anaovana ny tsy rariny. Tena miovaova na tsy azo antoka tokoa ny fiainana.—Jakoba 4:13-15.
9. Nahoana no tsara hodinihina ny andininy sasany ao amin’ny Romana toko faha-8?
9 Mety hahatsiaro tena ho nafoy isika, rehefa tojo zavatra mampalahelo, ka mety hieritreritra mihitsy aza fa nihena ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Mety hanjo antsika rehetra izany, ka tsara ny handinihantsika ny teny mampahery nataon’ny apostoly Paoly, ao amin’ny Romana toko faha-8. Natao ho an’ny Kristianina voahosotra ireo teny ireo, nefa azo lazaina fa mihatra koa amin’ny ondry hafa, izay nohamarinina ka tonga sakaizan’Andriamanitra toa an’i Abrahama fahiny, fony mbola tsy nisy ny Kristianisma.—Romana 4:20-22; Jakoba 2:21-23.
10, 11. a) Inona no fiampangana mety hataon’ny fahavalo amin’ny vahoakan’Andriamanitra indraindray? b) Nahoana no tsy misy dikany loatra ho an’ny Kristianina ireny fanendrikendrehana ireny?
10 Vakio ny Romana 8:31-34. Manontany i Paoly hoe: “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?” Marina fa miady amintsika i Satana sy ny tontolony ratsy. Mety hanendrikendrika antsika ny fahavalo, ary hampiakatra fitsarana antsika mihitsy aza. Nisy ray aman-dreny kristianina nampangaina ho tsy tia zanaka, satria tsy namela azy ireo handray fitsaboana mandika ny lalàn’Andriamanitra, na tsy namela azy ireo hankalaza fetin’ny mpanompo sampy. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 2 Korintiana 6:14-16) Nisy Kristianina nahatoky hafa koa nendrikendrehina ho nampirisika ny olona hikomy tamin’ny fanjakana, satria tsy nety namono olona tany amin’ny ady, na tsy nety nanao politika. (Jaona 17:16) Nampiely lainga tao amin’ny fampitam-baovao ny mpanohitra sasany, ary nanendrikendrika ny Vavolombelon’i Jehovah ho sekta mampidi-doza mihitsy aza.
11 Tadidio anefa fa efa nitranga izany tamin’ny andron’ny apostoly. Nisy nilaza hoe: “Fa ny amin’izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” (Asan’ny Apostoly 28:22) Inona moa izay fanendrikendrehana? Jehovah Andriamanitra no manamarina ny tena Kristianina, noho ny finoan’izy ireo ny soron’i Kristy. Nahoana moa izy no tsy ho tia ny mpanompony intsony, nefa efa nanome ny sarobidy indrindra taminy, dia ny Zanany malala? (1 Jaona 4:10) Efa nitsangana tamin’ny maty i Kristy, ary eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra izy izao, ka miaro tsara ny Kristianina. Iza no afaka hanohitra ny teniny, rehefa miaro ny mpanara-dia azy izy? Ary iza no hahavita hanaporofo fa tsy tokony hankasitraka ny olony mahatoky Andriamanitra? Tsy misy!—Isaia 50:8, 9; Hebreo 4:15, 16.
12, 13. a) Inona no zava-mitranga izay tsy afaka mampisaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra? b) Inona no tanjon’ny Devoly, rehefa mampahory antsika izy? d) Nahoana no handresy tanteraka ny Kristianina?
12 Vakio ny Romana 8:35-37. Misy afaka hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’i Jehovah sy i Jesosy Kristy Zanany ve, ankoatra ny tenantsika ihany? Mety hampiasa ny olony etỳ an-tany i Satana, mba hampijaliana ny Kristianina. Nenjehina mafy ny rahalahintsika sy anabavintsika tany amin’ny tany maro, nandritra ny taonjato lasa teo. Tena sahirana ara-bola ny rahalahintsika any amin’ny faritra sasany, isan’andro. Misy mijaly, satria tsy manan-kohanina na tsy ampy fitafiana. Inona no tanjon’i Satana Devoly, rehefa mampahory ny olona toy izany? Mitady hanakivy ny olona tsy hanompo an’i Jehovah izy aloha. Tiany isika hieritreritra fa nihanangatsiaka ny fitiavan’Andriamanitra. Marina anefa ve izany?
13 Nianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, toa an’i Paoly, izay nanonona ny Salamo 44:22. Fantatsika fa noho ny anaran’Andriamanitra no mahatonga an’ireny zavatra ireny hihatra amintsika ‘ondriny.’ Tafiditra amin’izany ny fanamasinana ny anarany sy ny fanamarinana ny zony hitondra ny olombelona rehetra. Ireo raharaha lehibe ireo no nahatonga an’Andriamanitra hamela antsika hosedraina, fa tsy noho izy tsy tia antsika intsony akory. Na inona na inona fahoriana mianjady amintsika, dia matoky isika fa tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra ny olony, anisan’izany isika tsirairay. Na dia toa resin’ny zava-manahirana aza isika, dia handresy izany, raha tsy mivadika. Mampahery sy manohana antsika ny fatokisana fa maharitra mandrakizay ny fitiavan’Andriamanitra.
14. Nahoana i Paoly no natoky fa tian’Andriamanitra foana ny Kristianina, na dia mety ho voasedra aza?
14 Vakio ny Romana 8:38, 39. Inona no nahatonga an’i Paoly hino fa tsy misy na inona na inona afaka hampisaraka ny Kristianina amin’ny fitiavan’Andriamanitra? Voasedra i Paoly teo amin’ny fanompoany. Azo antoka fa izany dia nanamafy ny finoany fa tian’Andriamanitra foana isika na dia misy aza ny fisedrana. (2 Korintiana 11:23-27; Filipiana 4:13) Fantatr’i Paoly koa ny fikasan’i Jehovah mandrakizay sy ny zavatra efa nataony ho an’ny olony. Ary ny fahafatesana? Afaka hampisaraka ny olona mahatoky amin’ny fitiavan’Andriamanitra ve izy io? Tsia! Hotsarovan’Andriamanitra foana izy ireo, ka hatsangany amin’ny maty, amin’ny fotoana voatondrony.—Lioka 20:37, 38; 1 Korintiana 15:22-26.
15, 16. Tanisao ny zavatra sasany tsy hisakana mihitsy an’Andriamanitra tsy ho tia ny mpanompony mahatoky.
15 Tsy misy zavatra afaka mandrava ny fitiavan’Andriamanitra ny olony mihitsy, na inona na inona fahavoazana mety hahazo antsika ankehitriny, na voina mampitondra takaitra izany, na aretina mahafaty, na fahasahiranana ara-bola lehibe. Na dia anjely mahery, toa an’ilay anjely tsy nankatò antsoina hoe Satana aza, dia tsy afaka nisakana an’i Jehovah tsy ho tia ny mpanompony mahatoky. (Joba 2:3) Mety hisy fanjakana handrara ny asan’ny mpanompon’Andriamanitra, na hampiditra azy ireo am-ponja, sy hampijaly azy ary hiantso azy hoe “faikan’ny olona.” (1 Korintiana 4:13) Mety hitarika ny olona hiady amintsika ireo firenena, rehefa mankahala antsika tsy amin’ny antony toy izany. Tsy hanary antsika noho izany anefa i Jehovah, ilay Tompon’izao Rehetra Izao.
16 Tsy tokony hatahorantsika Kristianina sao handrava ny fitiavan’i Jehovah ny olony, ilay antsoin’i Paoly hoe “zavatra ankehitriny”, dia ireo toe-javatra na zava-mitranga eo amin’ity tontolo ity. Tsy afaka hahavita izany koa ireo zavatra mbola ho avy. Manohana antsika foana ny fitiavan’Andriamanitra, na dia miady amintsika aza ireo hery eto an-tany sy any an-danitra. Tsy misakana an’Andriamanitra tsy ho tia antsika koa “na ny ambony, na ny ambany”, hoy i Paoly. Tsy afaka mampisaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra mihitsy, na ny zavatra mety hahaketraka antsika, na ny zavatra ambony na mahery noho isika. Tsy misy zavaboary afaka hanimba ny fihavanan’ilay Mpamorona amin’ny mpanompony mahatoky. Tsy ho levona ny fitiavan’Andriamanitra, fa haharitra mandrakizay.—1 Korintiana 13:8.
Ankamamio hatrany ny famindram-pon’Andriamanitra
17. a) Nahoana ny fitiavan’Andriamanitra no “tsara noho ny aina”? b) Ahoana no ampisehoantsika fa mankamamy ny famindram-pon’Andriamanitra isika?
17 Zava-dehibe aminao ve ny fitiavan’Andriamanitra? Mitovy hevitra amin’i Davida ve ianao? Hoy mantsy izy: “Fa tsara noho ny aina ny famindramponao; ny molotro hidera Anao. Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ny anaranao no hanandratako Salamo 63:3, 4) Misy zavatra tsara kokoa noho ny fitiavan’Andriamanitra na ny fisakaizany ve, eto amin’ity tontolo ity? Ohatra, aleo ve asa ahazoam-bola be, toy izay ny fiadanan-tsaina sy ny fahasambarana azo avy amin’ny fihavanana amin’Andriamanitra? (Lioka 12:15) Nisy Vavolombelon’i Jehovah tsy maintsy nisafidy hoe: Hiala amin’i Jehovah sa ho faty? Maro no niatrika izany tany amin’ny toby fitanana nazia, nandritra ny Ady Lehibe II. Tsy nety nisaraka tamin’ny fitiavan’Andriamanitra ny ankamaroan’ny rahalahintsika, ka vonona ny hamoy ny ainy mihitsy, raha nilaina izany. Ireo izay mitoetra hatrany ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, dia afaka matoky fa homeny hoavy mandrakizay. Tsy afaka hanome izany mihitsy izao tontolo izao. (Marka 8:34-36) Mbola misy zava-dehibe kokoa noho ny fiainana mandrakizay anefa.
ny tànako.” (18. Nahoana no mahafinaritra ny fiainana mandrakizay?
18 Marina fa tsy misy fiainana mandrakizay raha tsy avy amin’i Jehovah. Alao sary an-tsaina ihany, na izany aza, ny fiainana maharitra ela, nefa tsy misy an’ilay Mpamorona. Tsy hisy zava-kendrena izany fiainana izany. Nomen’i Jehovah asa mahafa-po kosa ny olony mandritra izao andro farany izao. Afaka matoky àry isika fa hianatra sy hanao zavatra maro mahafinaritra sy mahasoa isika, ao amin’ny fiainana mandrakizay omen’i Jehovah, ilay Mpikasa Lehibe. (Mpitoriteny 3:11) Na hianatra toy inona aza isika mandritra ireo arivo taona, dia tsy ho azontsika tanteraka mihitsy “ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!”—Romana 11:33.
Tia anareo ny Ray
19. Inona no toky nomen’i Jesosy Kristy ny mpianany, rehefa handao azy ireo izy?
19 Tamin’ny 14 Nisana 33 am.f.i., ny alina farany niarahan’i Jesosy tamin’ireo apostoly nahatoky 11, dia nilaza zavatra maro tamin’izy ireo i Jesosy, mba hanomanana azy ireo ho amin’ny zavatra hitranga. Nanohana an’i Jesosy izy ireo rehefa nosedraina i Jesosy, ary tsapan’izy ireo fa tia azy i Jesosy. (Lioka 22:28, 30; Jaona 1:16; 13:1) Nanome toky azy ireo i Jesosy hoe: “Ny Ray dia tia anareo.” (Jaona 16:27) Azo antoka fa takatr’izy ireo tamin’izany tenin’i Jesosy izany fa tia azy ireo tokoa ny Rainy any an-danitra!
20. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao, ary inona no azonao antoka?
20 Maro no efa nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana hatramin’ny am-polony taona maro. Tsy isalasalana fa hiatrika fisedrana maro kokoa isika, alohan’ny faran’ity tontolo ratsy ity. Aoka ianao hatoky hatrany fa tia anao foana Andriamanitra, na dia eo aza ireny fisedrana na fahoriana ireny. Tsy tafahoatra mihitsy ny fanamafisana hoe: Tia anao i Jehovah. (Jakoba 5:11) Aoka isika samy hanohy hanao izay takina amintsika, ka hankatò hatrany ny didin’Andriamanitra. (Jaona 15:8-10) Aoka isika hidera ny anarany amin’ny toe-javatra rehetra. Tokony hiezaka isika mba ho tapa-kevitra tsara ny hanatona an’i Jehovah, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana ny Teniny. Na inona na inona mety hitranga, dia hiadana hatrany isika ary hahazo antoka fa tia antsika foana i Jehovah, raha manao araka izay fara herintsika isika mba hampifaliana azy.—2 Petera 3:14.
Ahoana no Havalinao?
• Ny fitiavan’iza no tena ilaintsika, raha te ho salama ara-panahy sy hanana fiadanan-tsaina hatrany isika?
• Inona ireo zavatra tsy hisakana an’Andriamanitra ho tia ny mpanompony mihitsy?
• Nahoana ny fitiavan’i Jehovah no “tsara noho ny aina”?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 13]
Raha tafasaraka tamin’ny fitiavan’Andriamanitra isika, dia afaka manao ezaka mba hiverenana aminy
[Sary, pejy 15]
Fantatr’i Paoly ny antony nanenjehana azy