Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay Tena Hahasambatra An’ity Tontolo Ity

Izay Tena Hahasambatra An’ity Tontolo Ity

Izay Tena Hahasambatra An’ity Tontolo Ity

“I JESOSY avy any Nazareta no hany olo-malaza nanan-kery indrindra, tsy tato anatin’ny roa arivo taona fotsiny fa nandritra ny tantaran’ny olombelona manontolo mihitsy”, hoy ny gazety Fotoana (anglisy). Fony teto an-tany i Jesosy, dia olona tso-po an’arivony maro no nahita fa tsy olona niavaka fotsiny izy, fa niahy ny hafa koa. Tsy nahagaga àry raha naniry hanao azy ho mpanjaka izy ireo. (Jaona 6:10, 14, 15) Tsy nety nanao politika anefa i Jesosy, araka ny voalaza tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha.

ANTON-JAVATRA telo, fara fahakeliny, no nahatonga ny valin-tenin’i Jesosy. Voalohany, ny hevitry ny Rainy momba ny nifidianan’ny olona hanao izay tiany tsy miankina amin’iza na iza, anisan’izany ny nananganany ny fanjakan’olombelona. Faharoa, ny fahafantaran’i Jesosy fa misy hery miafina manohitra na dia ny ezaka tsara indrindra ataon’ny mpitondra olombelona aza. Fahatelo, ny fikasan’Andriamanitra hanorina fanjakana any an-danitra izay hitondra ny tany manontolo. Rehefa mandinika akaiky kokoa ireo lafin-javatra telo ireo isika, dia ho hitantsika hoe nahoana no tsy nahavita nanatsara ity tontolo ity ny olombelona. Ho hitantsika koa anefa ny fomba hahavitana izany.

Afaka manapa-tena samirery ve ny olombelona?

Nomen’Andriamanitra fahefana teo amin’ny biby ny olombelona noforoniny. (Genesisy 1:26) Ny olombelona kosa anefa teo ambanin’ny fahefan’Andriamanitra. Ho nanaiky marina an’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany raha nankatò ka tsy nihinana ny voan’ny hazo manokana iray, dia “ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 2:17) Nampalahelo fa nanararaotra ny fahafahany hanao izay tiany i Adama sy i Eva, ka tsy nankatò an’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe nangalatra fotsiny izy ireo rehefa naka ilay voankazo voarara, fa nikomy tamin’ny fahefan’Andriamanitra koa. Milaza ny fanamarihana ambany pejy amin’ny Genesisy 2:17, ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema Vaovao (anglisy), fa i Adama sy i Eva dia nitaky ny “hahaleo tena tanteraka ara-pitondran-tena, ka tamin’izany no tsy nanekeny fa zavaboary izy ... Fanoherana ny fahefan’Andriamanitra ny ota voalohany.”

Koa satria raharaha lehibe ara-pitondran-tena no tafiditra, dia navelan’Andriamanitra i Adama sy i Eva ary ny taranany hifidy izay fomba fiaina tiany, sy hametra izay heveriny fa mety sy tsy mety. (Salamo 147:19, 20; Romana 2:14) Tamin’izay no nanomboka nanandrana nanapa-tena samirery ny olona. Nahomby ve izy ireo? Afaka milaza isika hoe tsia, rehefa jerena ireo an’arivony taona maro lasa! Hoy ny Mpitoriteny 8:9: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” Izany fanapahan’olombelona mampahonena izany dia hamarinin’ny Jeremia 10:23 hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Noporofoin’ny tantara fa tsy mahay manapa-tena samirery tsy misy ny Mpamorona azy, ny olombelona.

Nanaiky tanteraka an’izany i Jesosy. Naharikoriko azy izany hoe tsy niankina tamin’Andriamanitra izany. “Tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho”, hoy izy. “Izaho manao izay sitrany [Andriamanitra] mandrakariva.” (Jaona 4:34; 8:28, 29) Tsy nieritreritra handray fanjakana avy tamin’ny olona mihitsy àry i Jesosy, satria tsy nomen’Andriamanitra lalana hanao izany. Tsy midika anefa izany fa tsy te hanampy ny mpiara-belona taminy izy. Nanao izay ho afany kosa izy mba hahitan’ny olona ny tena fahasambarana, tamin’izany fotoana izany sy amin’ny hoavy. Nanome ny ainy ho an’ny olombelona mihitsy aza izy. (Matio 5:3-11; 7:24-27; Jaona 3:16) Fantatr’i Jesosy anefa fa “ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy”, anisan’izany ny fotoana hampisehoan’Andriamanitra ny fahefany amin’ny olombelona. (Mpitoriteny 3:1; Matio 24:14, 21, 22, 36-39) Tsarovy anefa fa nanao ny sitrapon’ny fanahy ratsy, niteny tamin’ny alalan’ny bibilava, ny ray aman-drenintsika voalohany tany Edena. Mitondra antsika ho amin’ny antony faharoa tsy nanaovan’i Jesosy politika izany.

Ilay mpitondra miafin’ity tontolo ity

Lazain’ny Baiboly fa natolotr’i Satana an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny”, raha niankohoka indray mandeha teo anatrehany izy. (Matio 4:8-10) Raha tsorina, dia natolotra an’i Jesosy ny fitondrana an’ity tontolo ity, saingy araka ny fepetra notakin’i Devoly. Tsy resin’izany fakam-panahy izany i Jesosy. Tena fakam-panahy ve anefa ilay izy? Tena afaka nanolotra izany zavatra goavam-be izany tokoa ve i Satana? Eny, satria i Jesosy mihitsy no niantso ny Devoly hoe “andrianan’izao tontolo izao”, ary nilaza azy ho “andriamanitr’izao tontolo izao” ny apostoly Paoly.​—Jaona 14:30; 2 Korintiana 4:4; Efesiana 6:12.

Fantatr’i Jesosy fa tsy miahy izay hahasoa ny olombelona ny Devoly. Nolazainy fa “mpamono olona” ary “rain’ny lainga sy ny fitaka rehetra”, i Satana. (Jaona 8:44, Ny Baiboly Voazava [anglisy]) Mazava loatra fa tsy afaka ny tena ho sambatra velively ny tontolo “mipetraka” eo amin’ny fanahy ratsy toy izany. (1 Jaona 5:19) Tsy haharitra mandrakizay anefa izany fahefan’ny Devoly izany. Hanongana tsy ho ela an’i Satana sy hanafoana tanteraka ny heriny i Jesosy, izay zavaboary ara-panahy mahery ankehitriny.​—Hebreo 2:14; Apokalypsy 20:1-3.

Fantatr’i Satana fa efa madiva hifarana ny fitondrany ity tontolo ity. Koa manao araka izay fara heriny àry izy mba hahatonga ny olona ho tena ratsy, hany ka tsy ho azo ovana intsony. Tsy misy hafa amin’izany no nataony tamin’ny andron’i Noa, talohan’ny Safo-drano. (Genesisy 6:1-5; Joda 6) Hoy ny Apokalypsy 12:12: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Asehon’ny faminanian’ny Baiboly sy ny zava-miseho maneran-tany fa hifarana tsy ho ela izany ‘andro kely sisa’ izany. (2 Timoty 3:1-5) Antomotra ny fanamaivanana.

Fitondram-panjakana hitondra fiadanana

Ity no antony fahatelo tsy nanaovan’i Jesosy politika: Fantany fa hanorina fitondram-panjakana any an-danitra izay hitondra ny tany manontolo Andriamanitra. Antsoin’ny Baiboly hoe Fanjakan’Andriamanitra izy io, ary io no votoatin’ny fampianaran’i Jesosy. (Lioka 4:43; Apokalypsy 11:15) Nampianatra ny mpianany hivavaka mba hiavian’io Fanjakana io i Jesosy, satria rehefa hanapaka ihany izy io vao ‘hatao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra.’ (Matio 6:9, 10) Mety hanontany tena ianao hoe ‘Inona no hitranga amin’ny fitondram-panjakan’olombelona raha hitondra ny tany manontolo io Fanjakana io?’

Hita ao amin’ny Daniela 2:44 ny valiny: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [izay mitondra amin’ny fotoana ifaranan’ity tontolo ity] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana [an’olombelona] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Nahoana no voatery ‘hanorotoro’ ny fitondrana eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra? Satria izy ireo manao izay hitohizan’ilay toe-tsaina tia manapa-tena samirery, izay mihantsy an’Andriamanitra, sy nampirisihan’i Satana tany amin’ny saha Edena. Tsy vitan’ny hoe mitondra fahavoazana ho an’ny olombelona fotsiny ireo manao izay hitohizan’izany toe-tsaina izany, fa manohitra an’ilay Mpamorona koa. (Salamo 2:6-12; Apokalypsy 16:14, 16) Tsy maintsy manontany tena àry isika hoe ‘Momba ny fitondran’Andriamanitra ve isika sa manohitra azy io?’

Fahefan’iza no hofidinao?

Mba hanampiana ny olona handray fanapahan-kevitra voahevitra tsara momba ny fitondrana, dia nirahin’i Jesosy ny mpianany hitory ny “filazantsaran’ny fanjakana ... amin’ny firenena rehetra”, alohan’ny hifaranan’ity tontolo ity. (Matio 24:14) Iza ankehitriny no fantatra maneran-tany noho ny fitoriany ny Fanjakan’Andriamanitra? Ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa hatramin’ny ela no nahitana ireto teny ireto eo amin’ny fonon’ity gazety ity: “Manambara ny Fanjakan’i Jehovah.” Vavolombelona enina tapitrisa eo ho eo ankehitriny any amin’ny tany maherin’ny 230, no manampy olona hahalala marina an’io Fanjakana io. *

Fitahiana ho an’ny vahoakan’ilay Fanjakana

Nanao zavatra araka ny fomban’Andriamanitra foana i Jesosy. Noho izany, dia tsy nifidy ny hahaleo tena izy na niezaka ny hanohana na hanatsara ity tontolo ity tamin’ny fanaovana politika. Niezaka mafy kosa izy hampandroso ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ilay hany hamaha ny olan’ity tontolo ity. Novalian-tsoa ny tsy fivadihany rehefa izy mihitsy no tonga Mpanjakan’io Fanjakana be voninahitra any an-danitra io. Izany ka valisoa lehibe tokoa noho ny fanekeny an’Andriamanitra!​—Daniela 7:13, 14.

Hahazo fanomezana tena lehibe koa ny olona an-tapitrisany maro ankehitriny, izay mametraka ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany sy manaiky ny sitrapon’Andriamanitra, toa an’i Jesosy. Hanana tombontsoa ho tonga vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany izy ireo. (Matio 6:33) Ho tonga olombelona lavorary izy ireo ary afaka ny hiaina mandrakizay eo ambanin’ny fitondrany be fitiavana. (Apokalypsy 21:3, 4) Hoy ny 1 Jaona 2:17: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” Haharavoravo tokoa ny hiaina mandrakizay eto amin’ity tany ity rehefa haringana i Satana sy ny mpanara-dia azy ary hovana ho paradisa ny tany manontolo! Tsy hisy intsony ny fanindrahindram-pirenena mampisara-bazana, na ny tontolon’ny varotra tsy manao ny marina, na ny fivavahan-diso.​—Salamo 37:29; 72:16.

Eny, ny Fanjakan’Andriamanitra no tena hahasambatra marina an’ity tontolo ity, ary mety tsara ny hilazana ilay hafatra manambara azy io hoe vaovao tsara. Nahoana raha raisina tsara izany vaovao tsara izany rehefa tonga mitsidika anao ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny manaraka, raha mbola tsy nanao izany ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Manohana ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia tsy manao politika na mampirisika ny fikomiana amin’ny fitondram-panjakana izy ireo, na dia any amin’ny tany andrarana na anenjehana ny Vavolombelona aza. (Titosy 3:1) Toa an’i Jesosy sy ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany kosa anefa, dia miezaka hanao soa ara-panahy tsy misy ifandraisana amin’ny politika izy ireo. Ezahin’ny Vavolombelona ampiana izay mpiara-monina aminy tia ny fahamarinana mba hanana ireo toetra tsara hita ao amin’ny Baiboly, toy ny fitiavam-pianakaviana, ny fanaovana ny marina sy ny fitondran-tena madio ary ny fomba fiasa tsara. Ezahiny indrindra indrindra ny hampianatra azy ireo ny fomba hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly, sy hihevitra ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny tena fanantenana ho an’ny olombelona.

[Sary, pejy 5]

Porofoin’ny tantara fa tsy mahavita manapa-tena samirery tsy misy an’Andriamanitra ny olona

[Sary, pejy 5]

Afaka nanolotra an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao” i Satana, satria izy no mitondra an’ity tontolo ity

[Sary, pejy 7]

Nampianatra i Jesosy fa hahafinaritra be ity tontolo ity eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra