Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manao Araka Izay Fara Herinay Izahay!

Manao Araka Izay Fara Herinay Izahay!

Manao Araka Izay Fara Herinay Izahay!

“MANAOVA araka izay fara herinao.” Io no torohevitra mahasoa azon’ny misionera iray avy tamin’ny iray amin’ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ka tsy efa mahafantatra izany ve ny mpitory za-draharaha? Fa angaha tsy olona sahisahy ny ankamaroan’ny misionera, ka miady isan’andro amin’ny bibikely sy ny bibilava ary ny hafanana, miampy ny aretina sy ny zava-tsarotra samihafa?

Toy ny olona rehetra ihany ny misionera Vavolombelon’i Jehovah. Kristianina mandeha manompo any an-tany hafa izy ireo, satria tena tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona aminy. Miezaka manompo an’i Jehovah araka izay fara fahaizany izy ireo, ary miantehitra aminy mba hahazoana hery.​—Efesiana 6:10.

Mba hahafantarana tsara kokoa ny asa misionera, dia eritrereto hoe mitsidika tranona misionera any Afrika Andrefana isika, mandritra ny andro iray, mba hahitana ny fiainan’ny misionera amin’ny ankapobeny.

Andro iray niarahana tamin’ny misionera

Efa ho tamin’ny fito maraina tamin’izay. Kely sisa dia handinika ny andinin-teny natao hovakina tamin’io andro io ny misionera, rehefa tonga izahay. Nandray tsara anay izy folo mianadahy, ary nanome toerana ho anay teo amin’ny latabatra. Rehefa avy nilaza ny anaranay avy izahay, dia nitantara zavatra nahatsikaiky nitranga teny am-pitoriana ny misionera tranainy iray. Nangina anefa izahay, rehefa nilaza ilay anadahy nitarika ilay fandinihana ny andinin-teny isan’andro fa hanomboka amin’izay ilay izy. Natao tamin’ny teny frantsay ilay izy. Tsy mahay an’io fiteny io izahay, nefa hitanay fa misosa tsara ny fitenin’ireo misionera izany, na dia tsy io aza no fitenin-drazany.

Nisakafo maraina izahay, rehefa avy nandinika ilay andinin-teny sy nanao vavaka avy amin’ny fo. Karazana voamadinika no sakafonay tamin’izay. Nilaza ilay misionera teo akaikiko fa tsara ilay izy raha asiana akondro. Nilaza izahay fa tsy tia akondro, kanefa hiova hevitra izahay, hoy izy, raha manandrana ny akondro avy eo an-toerana. Nasianay akondro àry ity voamadinika. Marina tokoa ny azy! Matsiro ilay akondro sady tena mamy! Nanome toky anay koa ry zareo, fa ilay mofo dipaina aroso anay dia natao vao maraina tao amin’ilay fivarotana kely, teo ampitan’ny tranon’ny misionera.

Hiaraka amin’i Ben sy i Karen, mpivady misionera, izahay rehefa avy misakafo maraina. Renay fa mamokatra be ny fitoriana atỳ amin’ity tany iray atỳ Afrika Andrefana ity, ka tsy andrinay izay hanamarinana izany.

Efa be olona teo amin’ny fiandrasana aotobisy, rehefa tonga teo izahay. Tsy niandry ela ireto misionera, fa nanomboka resaka ara-baiboly tamina vehivavy iray sy ny zanany lahy. Tsy mahay miteny frantsay izahay, ka nijaridina sy nitsikitsiky fotsiny teo! Tonga ny aotobisy rehefa avy nandray gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! indrindra ilay ramatoa, ary niara-nisisika niditra daholo ny olona! Mba niara-nisisika sy nifanosika tamin’ny olona tao koa izahay. Nila hianjera izahay rehefa niezaka ho any aoriana amin’ilay aotobisy. Nifikitra mafy izahay rehefa nanainga ilay aotobisy. Nijanona tampoka izy io indraindray, ary vao mainka betsaka ny olona nisisika niditra. Nitsikianay ny mpandeha hafa, dia mba nitsikiany koa izahay. Raha mba afaka niresaka tamin’izy ireo mantsy izahay!

Teny ambonin’ny aotobisy, dia nijery ny zava-nitranga teny amin’ny arabe izahay. Nisy vehivavy roa niloloha enta-mavesatra. Daba feno rano no nololohavin’ny iray tamin’izy ireo. Namelatra lamba teo amin’ny sisin’ny arabe ny lehilahy iray, ary nametraka zavajavatra hamidy teo amboniny. Nisy olona nividy sy nivarotra izay rehetra azo novidina sy namidy teny rehetra teny.

Nijoro teo anilako i Ben ary reny tampoka fa nisy nitsaingoka ny ranjony. Fa inona àry izany? Marina fa tena feno hipoka ilay aotobisy, nefa mahavariana ity zavatra nitsaingoka azy. Afaka niondrika ihany i Ben. Hay ganagana ilay izy! Tao anaty harona teo an-tongotr’i Ben izy io, ary namoaka kely ny lohany mba hitsaingoka ny ranjony. Lazain’i Ben fa mety hoentin’ny tompony hamidy any an-tsena izy io.

Rehefa tonga tao amin’ny faritaninay izahay, dia faly satria hahita izany hoe tanàna tena afrikanina izany. Nitehaka mafy i Ben, mba hampandrenesana ny tompon-trano, rehefa tonga teo amin’ny trano voalohany izahay. Tsy mba mandondòna amin’ny varavarana mantsy ry zareo any, fa izany no fiantsoany ny tompon-trano. Tovolahy iray no nipoitra teo, nefa sahirana, hono, izy, ka nasainy niverina izahay rehefa afaka kelikely.

Tsy hain’i Ben ny fitenim-paritra itenenan’ilay ramatoa tao amin’ny trano nanaraka. Niantso ny zanany lahy ilay ramatoa mba handika izay nolazain’i Ben. Nandray bokikely ara-baiboly io ramatoa io, rehefa vita ny resak’i Ben, ary nampanantena ny hanazava io bokikely io taminy ilay zanany. Tanora maromaro indray no hitanay teo an-tokotany teo anoloan’ny trano fahatelo. Niala faingana tamin’ny sezany ny roa tamin’izy ireo, mba hahafahanay hipetraka. Nafana erỳ ny resakay momba ny fampiasana lakroa, avy eo. Natao ny fotoana mba hitohizan’ilay dinidinika ny herinandro nanaraka. Niverina nitsidika an’ilay tovolahy tao amin’ilay trano voalohany izahay avy eo. Asa izay nahafantarany ny resaka nataonay tamin’ireo tanora ireo. Nanana fanontaniana maro momba ny Baiboly izy, ary nangataka hianatra ny Baiboly. Nijery ny fandaharam-potoanany aloha i Ben vao nanaiky hiverina ny herin’io. Nohazavain’i Ben sy i Karen, teny an-dalana hody hisakafo any amin’ny tranon’ny misionera, fa tsy maintsy alamin’izy ireo tsara ny fampianarany Baiboly, satria mety ho be loatra, ka tsy ho arany.

Nidera azy ireo izahay, satria misosa erỳ ny teny frantsainy. Nilaza i Ben fa enin-taona izay no naha misionera azy mivady, ka efa mihamahay miteny frantsay izy ireo. Nilaza izy ireo fa tsy mora ny nianatra fiteny vahiny, nefa nahitam-bokatra ny fikirizana.

Miara-misakafo daholo ireo misionera amin’ny 12.30. Miova isan’andro, hono, ny misionera voatendry hahandro sakafo maraina sy antoandro, ary hanasa vilia. Natsiro erỳ ny sakafo nataon’ilay misionera tamin’izay: Akoho nendasina sy ovy nendasina ary voatabiha natao salady. Io no sakafo hain’ilay misionera indrindra!

Inona no hataon’i Ben sy i Karen ny tolakandro? Nilaza izy ireo fa tsy misy olona mivoaka ny trano manomboka amin’ny iray ka hatramin’ny telo, satria mafana loatra ny andro. Noho izany, dia mianatra na matoritory kely ny misionera, mandritra ny tapany amin’io fotoana io. Tsy gaga izahay rehefa nilazan’i Karen fa vetivety dia zatra amin’izany ny misionera vaovao!

Niverina nanompo teny amin’ny saha izahay rehefa avy natoritory kely. Nisy lehilahy liana izay notadiavin’i Ben efa hatry ny ela, nefa mbola tsy hita tao an-tranony. Tovolahy roa kosa no nivoaka, rehefa nitehaka i Ben. Nilaza tamin’izy mirahalahy, hono, ny tompon-trano, fa ho avy i Ben, sady nampirisika mafy azy ireo mba handray ilay boky fianarana Baiboly hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Faly izahay nametraka io boky io tamin’izy ireo. Nandeha aotobisy izahay avy eo, ho any amin’ny vehivavy liana iray, ampianarin’i Karen ny Baiboly.

Notantarain’i Karen tao anaty aotobisy, fa tany anaty taxi nisy olona maromaro hafa, no nitoriany tamin’io ramatoa io. Nomen’i Karen taratasy mivalona ilay ramatoa mba hovakiny tao anatin’ilay taxi. Nangataka iray hafa izy rehefa voavakiny izy io. Vao mainka nahaliana azy ilay faharoa. Nanao fotoana taminy mba hitsidika azy tany an-tranony i Karen, rehefa nidina ny taxi ry zareo. Nanomboka nianatra ny Baiboly ilay ramatoa, tamin’ny alalan’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, ary nandroso tsara. Hianatra ny lesona fahadimy izy ireo tamin’io andro io.

Nahafinaritra be ny fanompoana tamin’iny andro iny, nefa mbola nisy zavatra tianay ho fantatra momba ny asa misionera. Nilaza taminay ireto mpampiantrano anay, fa hanao sakafo maivana ho anay izy ireo, rehefa any an-trano, ary hamaly ny fanontanianay.

Ahoana no andrindrany ny fiainany?

Sady nankafy atody endasina sy mofo ary fromazy izahay, no niana-javatra hafa momba ny fiainan’ny misionera. Matetika no miala sasatra ny misionera ny alatsinainy, na mikarakara ny raharahany manokana. Maka fotoana ny ankamaroan’izy ireo amin’io andro io, mba hanoratana ho an’ny fianakaviany sy ny namany. Tena mila vaovao avy any an-tanindrazany ny misionera, ary faly mandray sy mandefa taratasy.

Mila mahay mifampiresaka tsara ny misionera, satria miara-miaina sy miara-miasa, ka tokony hiara-mikorana amin’ny misionera hafa sy hiresaka zavatra ara-panahy. Ankoatra ny fianarana manokana tsy tapaka ataon’ny tsirairay àry, dia miara-mianatra ny Baiboly amin’ny alalan’ny Tilikambo Fiambenana ny misionera, isaky ny alatsinainy hariva. Nilaza i Ben fa tsy maintsy misy tsy fifankahazoana kely eo amin’ny misionera miara-mipetraka, satria tsy mitovy fiaviana izy ireo. Manampy azy ireo hiara-miaina amim-piadanana sy amim-pilaminana anefa ny sakafo ara-panahy raisiny avy amin’ny fianaram-pianakaviana. Hamafisiny fa manampy azy ireo tsy hihevi-tena ho zavatra loatra izany.

Tena ilaina koa ny fanetren-tena. Irahina hanompo ny misionera, fa tsy hotompoina. Lazain’ireo misionera fa ny teny hoe “miala tsiny” no sarotra lazaina indrindra, na amin’ny fiteny inona izany na amin’ny fiteny inona, indrindra fa rehefa zavatra natao na nolazaina tsy nahy no ialana tsiny. Mampahatsiahy anay ny ohatr’i Abigaila i Ben. Niala tsiny noho ny haratsiam-panahin’ny vadiny io vehivavy io, ka nandamina toe-javatra izay nety ho niteraka loza. (1 Samoela 25:23-28) Tena mila mahay ‘mihavana’ ny misionera tsara.​—2 Korintiana 13:11.

Mivory isam-bolana ny misionera mba handinihana raharaha manokana mahakasika ilay fianakaviana, sy ny fitsinjarana ny asa ao an-trano. Avy eo dia misy tsindrin-tsakafo manokana ho an’ny rehetra. Aminay aloha, dia sady mahasoa izany fandaharana izany no mahafinaritra.

Nitsidika kely an’ilay tranon’ny misionera izahay, rehefa avy nisakafo hariva. Hitanay fa na dia tsotra aza ilay trano, dia miara-miasa ireo misionera mba hihazonana azy io ho madio tanteraka. Manana vata fampangatsiahana sy milina fanasan-damba ary fatana elektrika izy ireo. Nilaza i Karen, fa mety hanana fitaovana fampangatsiahana rivotra koa ny misionera any amin’ny tany mafana sasany, toy ity tany atỳ Afrika Andrefana ity. Salama tsara ny misionera sady afaka miasa tsara rehefa mety ny tranony, sady mahasalama ny sakafo ary voatandro ny fahasalamany.

Mifantoka amin’ny zavatra tsara

Nahavariana anay ny zavatra rehetra hitanay. Sao dia mba natao ho anay ny asa misionera? Ahoana no ahafantaranay izany? Ireto misy zavatra tokony hoeritreretina, nolazain’ireo misionera nampiantrano anay.

Voalohany, hoy izy ireo, dia tsy ny hisetra loza no tadiavin’ny misionera. Mitady olona tso-po maniry hahafantatra ireo fampanantenana mahatalanjona nataon’Andriamanitra izy ireo. Manokana 140 ora isam-bolana, fara fahakeliny, ny misionera, mba hanaovana fanompoana. Koa tena ilaina àry ny fitiavana ny fanompoana.

Manontany tena izahay hoe ahoana ny amin’ny bibilava sy ny androngo ary ny bibikely. Marina fa misy an’ireny any amin’ny ankamaroan’ny toerana anendrena ny misionera, hoy i Ben, nefa manjary zatra azy ireny izy ireo. Nilaza koa izy fa samy manana ny mampiavaka azy ny fiainan’ny misionera, ary ny zavatra tsara hitan’izy ireo no ifantohany rehefa mandeha ny fotoana. Ny zavatra nolazaina fa “tsy mahazatra”, dia lasa mahazatra vetivety, ary mahafinaritra mihitsy aza indraindray. Nisy misionera iray niasa tany Afrika Andrefana, nefa tsy maintsy nody avy eo. Nilaza izy fa sarotra kokoa taminy ny nandao ny faritany nanendrena azy, noho ny nandao ny tanindrazany taona maromaro lasa izay. Nanjary ny toerana nanendrena azy no tena tanindrazany.

Vonona ve ianao?

Betsaka ny zavatra nampieritreritra nolazain’i Ben sy i Karen taminay. Ary ianao? Efa nieritreritra ny hanao ny asan’ny misionera any an-tany hafa ve ianao? Raha izany no izy, dia mety ho efa kely sisa dia hahatratra io tanjona io ianao, fa tsy araka ny noheverinao. Ny fitiavana ny fanompoana manontolo andro sy ny fitiavana manampy olona no anisan’ny zavatra tena ilaina. Tadidio fa olona toy ny olona rehetra ihany ny misionera. Manao araka izay fara heriny fotsiny izy ireo mba hanatontosana asa iray tena lehibe.

[Sary, pejy 27]

Manomboka amin’ny fandinihana andinin-teny ao amin’ny Baiboly ny andro tsirairay

[Sary, pejy 28, 29]

Sary vitsivitsy tany Afrika

[Sary, pejy 29]

Tena mahafa-po ny fiainana misionera