Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mikoriana ny Rano Manome Fiainana Any Andes

Mikoriana ny Rano Manome Fiainana Any Andes

Mikoriana ny Rano Manome Fiainana Any Andes

Mitomandavana mamakivaky an’i Peroa ny Tendrombohitra Andes, ka mizara ilay tany ho moron-tsiraka maina any andrefana ary ala maitso mavana sady mando any atsinanana. Misy 27 tapitrisa ny mponina any Peroa. Ny ampahatelony mahery no mipetraka ao amin’io faritra be tendrombohitra io, ka na eny amin’ny lembalemba avo sy ny tehezan-tendrombohitra mitsatoka be izy ireo, na eny amin’ny hadilanana lalina be sy ny lohasaha mahavokatra.

SAROTRA idirana ny tandavan-tendrombohitr’i Andes noho izy mikitoantoana. Somary mitokana, noho izany, ireo mponina an-tapitrisany ao, ka tsy dia mahalala loatra ny zava-miseho sy ny fandrosoana any ivelan’ny faritaniny.

Nanjary feno tanàna kely ny moron-drano mba hahazoana rano ilain’ny voly sy ny andiam-biby fiompy toy ny ondry sy ireo karazan-drameva fahita any. Misy karazan-drano mahavelona hafa anefa mikoriana any Andes, dia ny rano ara-panahy mamelombelona avy amin’i Jehovah, ilay “loharanon’aina.” (Jeremia 2:13) Alefan’Andriamanitra hanambara ny momba azy sy ny fikasany any amin’ireny tanàna avo toerana ireny ny Vavolombelony.​—Isaia 12:3; Jaona 17:3.

Miezaka mafy mitondra ny rano manome fiainana avy ao amin’ny Baiboly any amin’ireny tanàna sarotra aleha ireny ny mpitory, satria fantany fa sitrapon’Andriamanitra ny ‘hahavoavonjy ny olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’ (1 Timoty 2:4) Mendri-kaja sady manome fahazavana ara-panahy io hafatra avy ao amin’ny Baiboly io. Nanafaka ny olona tso-po mipetraka any tamin’ny finoanoam-poana sy ny fombafomba io hafatra io, ary nanafaka azy ireo tamin’ny tahotra ny maty sy ny fanahy ratsy ary ny herin’ny natiora. Manome azy ireo fanantenana be voninahitra ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa mihitsy aza izy io.

Fanaovana ezaka

Tsy maintsy nanova zavatra maro nahazatra azy ny mpitory ilay Fanjakana nitsidika ireo faritra lavitra ireo. Mila mahay fiteny roa, dia ny quechua sy ny aymara ireo mpampianatra ny Baiboly mba hanohinana ny fon’ny mponina.

Sarotra ny lalana mankany Andes. Tsy dia misy lalamby any. Tsy azo antoka ny fitaterana satria ratsy ny andro sady mikitoantoana ny lalana. Ahoana àry no itondran’ny Vavolombelona ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ireny olona ireny?

Nisetra ilay zava-tsarotra ireo mpitory ny vaovao tsara be herim-po ka niteny toa an’i Isaia mpaminany hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8) Nitondra trano fiara telo izy ireo nankany amin’ny faritra avaratra sy afovoany ary atsimo. Nitondra Baiboly sy boky ary gazety tamin’ny baoritra maro be koa ireo mpisava lalana be zotom-po, na mpanompo manontolo andro, mba hizarana ny voan’ny fahamarinana ara-baiboly. Sariaka sy tia mandray vahiny ary tso-po ny olona tany.

Mampidi-doza ny lalana any an-tendrombohitra satria miolakolaka be. Tsy maintsy mandroso sy mihemotra imbetsaka ny fiara indraindray vao afaka mivily. Nitsirika ny tany ivelany ny misionera iray nipetraka tao aoriana rehefa nahemotra ny fiaran’izy ireo. Hitany tamin’izay fa efa teo amoron’ny hantsana mirefy 190 metatra ny iray tamin’ny kodiarana aoriana! Nakimpiny ny masony mandra-pandroson’ilay fiara.

Ratsy sady tery kely ny lalana sasany. Nidina tamin’izany lalan-dratsy izany indrindra ny iray tamin’ireo trano fiara no nifanena tamin’ny kamiao iray handeha hiakatra. Tsy maintsy nahemotra niakatra teo amin’ny toerana nalaladalaka kely ilay trano fiara ka saika tsy antonona azy sy ilay kamiao ilay lalana.

Miavaka anefa ny vokatr’izany ezaka mafy izany. Te hahalala bebe kokoa momba ny ezaka nataon’izy ireo ve ianao?

“Fanondrahana” ny Farihy Titicaca

Ny Farihy Titicaca no rano avo toerana indrindra maneran-tany azon’ny sambo ivezivezena. Any amin’ny 3 800 metatra ambonin’ny ranomasina no misy azy, eo amin’ny lemaka any amin’ny Tendrombohitra Andes. Miisa 25 ny renirano mivarina ao Titicaca, ka ny ankamaroan’ireo dia orampanala mitsonika avy eny amin’ireo tendrombohitra manodidina. Maherin’ny 6 400 metatra ny haavon’ny sasany amin’ireo tendrombohitra ireo. Mangatsiaka any satria faran’izay avo toerana, ary tsy salama ny vahiny tsy mahatanty toerana avo loatra.

Taloha kokoa dia nisy mpisava lalana miteny quechua sy aymara tonga tany Amantani sy Taquile, nosy any amin’ny Farihy Titicaca. Nitondra sary maizina mampiharihary ny fahadisoan’ny Kristianisma Anarana izy ireo. Mitondra ny lohateny hoe: “Fijerena Akaiky Ireo Fiangonana” izy io. Nahaliana ny olona tokoa izy io. Nisy lehilahy iray nandray tsara ireo rahalahy sady nanome azy ireo efitra malalaka tao an-tranony mba hipetrahany sy hampianarany Baiboly.

Nisy mpanatrika 100 ny fivoriana voalohany tao Amantani; ny tao Taquile kosa nisy 140. Natao tamin’ny teny quechua ny fanazavana an’ilay sary. Hoy ny mpivady nifindra avy tany an-tanety: “Ela ny ela ka mba nahatsiaro anay ihany ianareo Vavolombelon’i Jehovah. Nivavaka ny mba hahatongavanareo foana izahay.”

Ahitana nosy “mitsinkafona” 40 eo ho eo koa eo ambonin’ny Farihy Titicaca ankoatra an’ireo nosy lehibe roa. Nitoriana ny vaovao tsara koa tany. Nosy mitsinkafona hoe? Vita amin’ny zozoro maniry eny amin’ny faritra marivo kokoa izy ireny. Tsy ongotan’ny olona ny zozoro fa folahiny fotsiny, rariny hitambatambatra mba ho lasa lafika. Fatrarana fotaka avy eo ilay lafika, ary hamafisina amin’ny zozoro hafa notapatapahina. Vita amin’ny zozoro koa ny trano kely ipetrahan’ny olona eo amboniny.

Nahazo sambo mba hitoriana amin’ny olona eny ny Vavolombelon’i Jehovah. Mahazaka olona 16 ilay sambo. Ajanona eo amoron’ireo nosy mitsinkafona ny sambo, dia lasa ireo Vavolombelona mitety trano. Lazain’izy ireo fa tsapany mihetsika kely mazàna izay faritra hitsahiny. Tsy tsara ho an’ny olona tsy mahatanty mandeha sambo ilay toerana!

Mipetraka eny amin’ireo tanàna kely amoron-drano sy ireo saikinosy kosa ny olona miteny aymara. Mora kokoa ny mandeha sambo noho ny mandeha tongotra rehefa mankeny. Olona 400 000 eo ho eo no voatety, amin’ny fitambarany, rehefa mitory ilay Fanjakana ka mampiasa sambo. Sambo ihany aloha izao no tena miasa.

Fanalana hetaheta ara-panahy

Monina any Santa Lucía, any akaikin’i Juliaca, any Andes, i Flavio. Nampianarina momba ny afobe mirehitra izy tany amin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara. An-taonany maro izy no niaina tao anatin’ny tahotra an’izany afo fanasaziana mandrakizay izany. Nanontany tena matetika izy hoe nahoana ilay Andriamanitra fitiavana no hampijalijaly olona tsy misy farany ao anaty afo. Nitsidika ilay tanàna i Tito, Vavolombelon’i Jehovah manompo manontolo andro, ka nankao amin’i Flavio.

Iray amin’ireo fanontaniana napetrak’i Flavio ny hoe: “Ny fivavahanareo ve mampianatra fa hampijalina any amin’ny afobe mirehitra ny olona?” Namaly i Tito fa maharikoriko an’i Jehovah, ilay Mpamorona be fitiavana, izany fampianarana izany sady manala baraka ny anarany. Nasehon’i Tito avy tao amin’ny Baibolin’i Flavio fa tsy mahatsiaro tena mihitsy ny maty ary miandry fitsanganana ho eto an-tany izy ireo rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. (Mpitoriteny 9:5; Jaona 5:28, 29) Nanokatra ny mason’i Flavio izany. Nanaiky hianatra Baiboly avy hatrany izy ary tsy ela dia tonga Kristianina vita batisa.

Tanàna mahay mankasitraka

Eritrereto ny fifaliana azo rehefa miresaka amina tambanivohitra mbola tsy nahita Baiboly mihitsy. Misy koa tanàna mbola tsy nahare momba ny Vavolombelon’i Jehovah na ny vaovao tsara toriny akory! Izany fifaliana izany no hitan’ny mpisava lalana telo mirahavavy, dia i Rosa sy i Alicia ary i Cecilia, rehefa nitory tany amin’ny tanànan’i Izcuchaca sy i Conayca, any afovoan’i Peroa, izy ireo. Avo be ny misy ireo tanàna ireo satria any amin’ny 3 600 metatra ambonin’ny ranomasina.

Tsy nahita trano hitoerana izy telo mirahavavy raha vao tonga tao Izcuchaca. Noresahin’izy ireo tamin’ny lehiben’ny polisy teo an-toerana ny anton-diany. Inona no vokany? Navelany hatory indray alina tao amin’ny paositry ny polisy izy ireo. Nahazo trano hipetrahana sy hikarakarana ny asany izy ireo ny ampitson’iny.

Tsy ela dia tonga ny Fahatsiarovana isan-taona ny nahafatesan’i Kristy. Efa voatsidik’ireo mpisava lalana ny trano rehetra tao an-tanànan’i Izcuchaca, Baiboly maro no efa voapetrany, ary nisy fampianarana Baiboly vitsivitsy efa natomboka. Nizara fanasana izy ireo talohan’ny Fahatsiarovana, ka nanazava ny dikan’ilay fankalazana sy ireo marika ampiasaina mandritra izany. Nisy rahalahy nasaina nanampy tamin’ilay fankalazana, ka ny iray tamin’izy ireo no nanao ny lahateny. Nahafaly erỳ ny nahita olona 50 avy tao an-tanàna tonga tamin’io fotoana manokana io! Tamin’izay vao tena nazava tamin’izy ireo ny atao hoe Sakafo Harivan’ny Tompo. Tena sarobidy tamin’izy ireo koa izany hoe nanana Baiboly teny an-tanany izany!

Afaka tamin’ny enta-mavesatra

Fifaliana ny mizara ny ranon’ny fahamarinana ara-baiboly mamelombelona ho an’ny olona voagejan’ny fivavahan-diso. Foiben’ny tontolo inca fahiny ny tanànan’i Pisac. Ny ankamaroan’ny mponina any dia nampianarina ny amin’ny afobe mirehitra izay tsy araka ny Soratra Masina. Lazain’ny pretra fa tsy afaka mankany an-danitra izy ireo raha tsy izy aloha no mivavaka ho azy ireo.

Tena mila ny ranon’ny fahamarinana ara-baiboly mamelombelona tokoa ireo olona ireo. Afaka nanazava tamin’ny lehilahy iray teny am-pitoriana i Santiago, Vavolombelon’i Jehovah manompo manontolo andro, fa natao hiaina ao amin’ny tany paradisa ny olo-marina. (Salamo 37:11) Nasehon’i Santiago avy ao amin’ny Baiboly fa hitsangana ny maty ary hampianarina ny lalana tonga lafatr’i Jehovah ny olona mba hahazoany fiainana mandrakizay. (Isaia 11:9) Nifandray tamin’ny fanahy ratsy sady mamo lava ilay lehilahy taloha, na dia Katolika mpivavaka be aza. Manana fanantenana ara-baiboly sy tanjona eo amin’ny fiainana anefa izy izao, dia ny ho velona ao amin’ny Paradisa. Nodorany avokoa ny odiny ary tsy nisotro toaka intsony izy. Nanaiky hiara-mianatra Baiboly izy sy ny fianakaviany. Nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra ary vita batisa izy rehetra tatỳ aoriana.

Fahaiza-mandray vahiny nankasitrahana

Tena tia mandray vahiny ireo olona mipetraka any an-tendrombohitra. Mahantra izy ireo, tsotra ny tranony, kanefa zarainy amin’ny vahiny izay ananany. Fomban’ny olona tsy mahalala ny fitsipika ara-baiboly ny manolotra ravina coca, karazana zava-mahadomelina, hotsakoin’ny vahiny eo am-piresahana. Siramamy eran’ny sotro kosa no atolotry ny olona iray lasa Vavolombelona satria izany no mitovy vidy amin’ny ravina coca any amin’ny faritany mitokana.

Nasain’ny rahalahy iray niaraka taminy hitsidika olona ny misionera iray. Niezaka nianika tendrombohitra mideza izy ireo vao tonga tany. Nitehaka izy ireo rehefa tonga teo am-baravarana mba hampandrenesana ny tompon-trano. Nampandrosoina izy ireo, ary voatery niondrika fa iva ny varavaran’ilay trano bongo. Tsy nisy gorodona tao fa tany fotsiny, ary nitandrina tsara nanara-tsisiny izy ireo satria nohadin’ilay renim-pianakaviana ny teo afovoan-trano, nasiany bodofotsy ary nataony fametrahana ny zanany. Tsy afaka nivoaka tao ilay zaza nefa faly erỳ izy mibadabada rehefa miresaka ny olon-dehibe. Nomen’ilay ramatoa zava-pisotro vita teo an-toerana tao anaty tavoahangy izy mirahalahy taorian’ny resaka nifanaovan’izy ireo momba ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Vetivety dia nidina ilay tendrombohitra indray ireo rahalahy mba hitsidika olona hafa.

Tondraka ny vokatra

Zato eo ho eo izao ireo antoko-mpitory any, ary maherin’ny arivo ireo miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nalefa mba hanampy ireo antokon’olona ireo ho lasa fiangonana ny mpianatra nahazo diplaoma tao amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tany Lima. Afaka tamin’ny fangejan’ny fivavahan-diso sy ny finoanoam-poana ny olona mahitsy fo maro rehefa nandre ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana! (Jaona 8:32) Afa-po izy ireo rehefa avy nisotro ny ranon’ny fahamarinana.

[Sary, pejy 10]

Fitoriana eny amin’ny nosy “mitsinkafona” any amin’ny Farihy Titicaca