Andriamanitra Mahari-po i Jehovah
Andriamanitra Mahari-po i Jehovah
“Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo.”—EKSODOSY 34:6.
1, 2. a) Iza avy no efa nandray soa tamin’ny fahari-pon’i Jehovah taloha? b) Inona no dikan’ny hoe ‘mahari-po’?
TSY nitovy ny zavatra niainan’ny olona tamin’ny andron’i Noa sy ny Isiraelita namakivaky ny efitra niaraka tamin’i Mosesy ary ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. Samy nahasoa azy rehetra anefa ity toetran’i Jehovah mahafinaritra ity, dia ny fahari-po. Raha tsy nisy azy io, dia ny ain’ny sasany no ho nanefa. Mety ho ny aintsika koa no hanefa raha tsy noho ny fahari-pon’i Jehovah.
2 Inona moa ny fahari-po? Oviana i Jehovah no maneho azy io, ary nahoana? Ny hoe ‘mahari-po’ dia miaritra mizaka ny tsy mety na ny filana ady ataon’ny hafa, sady tsy manary toky mihitsy fa mbola hihatsara ilay fifandraisana. Noho izany, dia misy tanjona tratrarina amin’ilay toetra, dia ny hahasoa an’ilay nampisy ny olana. Tsy manala tsiny ny fanaovan-dratsy anefa ny fahari-po. Mifarana àry ny fahari-po, rehefa tratra ilay tanjona nanehoana fahari-po, na rehefa tsy misy intsony antony tokony handeferana amin’ilay toe-javatra.
3. Inona no tanjon’i Jehovah tamin’ny fahari-pony, ary hatraiza ny fetran’izy io?
3 Mety hahari-po ny olombelona, fa i Jehovah no ohatra fara tampony amin’io toetra io. Hatramin’ny nanimban’ny ota ny fifandraisan’i Jehovah sy ny olona noforoniny, dia niaritra nizaka izany ny Mpamorona antsika, ary nisy fomba narahiny mba hahafahan’izay mibebaka hanatsara ny fifandraisany aminy. (2 Petera 3:9; 1 Jaona 4:10) Rehefa tratran’Andriamanitra anefa ilay tanjona nanehoany fahari-po, dia handray fepetra amin’ireo minia manao ratsy izy ka hamarana ity tontolo ratsy ity.—2 Petera 3:7.
Mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra lehibe indrindra
4. a) Ahoana no ilazana ny fahari-po ao amin’ny Soratra Hebreo? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.) b) Ahoana no ilazan’i Nahoma an’i Jehovah, ary inona no asehon’izany momba ny fahari-pon’i Jehovah?
4 Roa ny teny ilazana ny fahari-po ao amin’ny Soratra Hebreo. Midika ara-bakiteny hoe “halavan’ny vavorona” ireo teny roa ireo ary mandika azy ireo hoe “tsy mora tezitra” ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. * Hoy i Nahoma mpaminany momba ny fahari-pon’Andriamanitra: “Mahari-po Jehovah sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloka.” (Nahoma 1:3) Tsy fahalemena àry ny fahari-pon’i Jehovah ary misy fetrany izy io. Manao fanahy iniana mifehy tena ilay Andriamanitra Tsitoha matoa izy mahari-po kanefa be hery. Manan-kery hanafay izy, nefa minia tsy manao izany avy hatrany mba hahafahan’ilay manao ratsy hiova. (Ezekiela 18:31, 32) Miseho amin’ny fahari-pon’i Jehovah àry ny fitiavany sy ny fahendreny rehefa mampiasa ny heriny.
5. Nahoana ny fahari-pon’i Jehovah no mifanaraka amin’ny fitiavany ny rariny?
5 Mifanaraka amin’ny fitiavan’i Jehovah ny rariny sy ny fahitsiany koa ny fahari-pony. Nasehony tamin’i Mosesy fa izy dia “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady Eksodosy 34:6) Nihira fiderana an’i Jehovah toy izao i Mosesy, taona maro tatỳ aoriana: “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4) Eny, mifandrindra tsara ny famindram-pon’i Jehovah, ny fahari-pony sy ny fitiavany ny rariny, ary ny fahitsiany.
be famindrampo sy fahamarinana.” (Ny fahari-pon’i Jehovah talohan’ny Safo-drano
6. Nahoana no niavaka ny fahari-pon’i Jehovah tamin’ny taranak’i Adama sy i Eva?
6 Tapaka tanteraka ny fifandraisan’i Adama sy i Eva tamin’i Jehovah, ilay Mpamorona be fitiavana, noho ny fikomiany tany Edena. (Genesisy 3:8-13, 23, 24) Nisy fiantraikany izany teo amin’ny taranany nandova ota sy tsy fahalavorariana ary fahafatesana. (Romana 5:17-19) Navelan’i Jehovah hiteraka ihany ilay mpivady voalohany na dia ninia nanota aza. Nasiany fomba ahafahan’ny taranak’i Adama sy i Eva hihavana aminy indray, tatỳ aoriana, noho ny fitiavany. (Jaona 3:16, 36) Hoy ny fanazavan’ny apostoly Paoly: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika. Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.”—Romana 5:8-10.
7. Ahoana no nanehoan’i Jehovah fahari-po talohan’ny Safo-drano, ary nahoana no rariny ny nandringanana ilay taranaka nisy tamin’izany?
7 Nahari-po i Jehovah tamin’ny andron’i Noa. Maherin’ny zato taona talohan’ny Safo-drano, dia “hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” (Genesisy 6:12) Na izany aza, dia nahari-po tamin’ny olombelona nandritra ny fotoana voafetra, i Jehovah. Hoy izy: “Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko, fa amin’ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.” (Genesisy 6:3) Ireo 120 taona ireo no nahatonga an’i Noa hanam-potoana hiterahana sy hanamboarana sambo fiara ary hilazana ny fiavian’ny Safo-drano tamin’ireo mpiara-belona taminy, rehefa fantany ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Izao no nosoratan’ny apostoly Petera: “Niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano.” (1 Petera 3:20) Marina fa tsy nisy niraharaha ny fitorian’i Noa, ankoatra ny ankohonany. (Matio 24:38, 39) Noho i Noa nasaina nanao ny sambo fiara sy ‘nitory ny fahamarinana’ nandritra ny taona maro anefa, dia nomen’i Jehovah fotoana ampy ny mpiara-belona taminy mba hibebahana tamin’ny fanaony feno herisetra, sy hanompoana Azy. (2 Petera 2:5; Hebreo 11:7) Rariny tanteraka ny nandringanana ilay taranaka ratsy fanahy tamin’ny farany.
Fahari-po fakan-tahaka tamin’ny Isiraely
8. Ahoana no nanehoan’i Jehovah fahari-po tamin’ny firenen’ny Isiraely?
8 Naharitra kokoa noho ny 120 taona ny fahari-pon’i Jehovah tamin’ny Isiraely. Nandritra ireo 1 500 taona mahery naha vahoaka voafidin’Andriamanitra ny Isiraelita, dia mahalana no tsy nisedran’izy ireo ny fetran’ny fahari-pon’i Jehovah. Nanompo sampy sahady izy ireo, herinandro vitsivitsy monja taorian’ilay fanafahana nahagaga tany Ejipta. Nasehony fa tena tsy nohajaina mihitsy ilay Mpamonjy azy. (Eksodosy 32:4; Salamo 106:21) Nandritra ireo taona nanaraka, ny Isiraelita dia nimenomenona ny amin’ilay sakafo mahagaga nomen’i Jehovah tany an’efitra, nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Arona, nanohitra an’i Jehovah ary nijangajanga tamin’ny mpanompo sampy, ka nivavaka tamin’i Bala mihitsy aza. (Nomery 11:4-6; 14:2-4; 21:5; 25:1-3; 1 Korintiana 10:6-11) Rariny raha tonga dia nandringana ny vahoakany i Jehovah, nefa nahari-po tamin’izy ireo izy.—Nomery 14:11-21.
9. Ahoana no nisehoan’i Jehovah ho Andriamanitra mahari-po tamin’ny andron’ny Mpitsara sy ny mpanjaka?
9 Imbetsaka no nanompo sampy ny Isiraelita, tamin’ny andron’ireo Mpitsara. Navelan’i Jehovah ho azon’ny fahavalony izy ireo rehefa nanao izany. Rehefa nibebaka sy niantso vonjy taminy anefa izy ireo, dia nahari-po sy nanangana mpitsara hanafaka azy, i Jehovah. (Mpitsara 2:17, 18) Vitsy koa ny mpanjaka nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah. Ary na tamin’izany aza, dia matetika nafangaron’ny vahoaka ny fivavahana marina sy ny diso. Nisy mpaminany nalefan’i Jehovah hampitandrina azy ireo ny amin’ny fivadihany, nefa naleony nihaino ny mpisorona tia tsolotra sy ny mpaminany sandoka. (Jeremia 5:31; 25:4-7) Tena nenjehin’ny Isiraelita ireo mpaminan’i Jehovah, ary novonoiny mihitsy aza ny sasany. (2 Tantara 24:20, 21; Asan’ny Apostoly 7:51, 52) Nahari-po hatrany anefa i Jehovah.—2 Tantara 36:15.
Tsy nifarana ny fahari-pon’ i Jehovah
10. Oviana no nifarana ny fahari-pon’i Jehovah?
10 Asehon’ny tantara anefa fa misy fetrany ny fahari-pon’Andriamanitra. Navelan’i Jehovah ho resy sy hoentin’ny Asyrianina an-tsesitany ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely, tamin’ny 740 al.f.i. (2 Mpanjaka 17:5, 6) Navelany koa ny Babylonianina hanafika ny fanjakan’ny foko roan’i Joda, ary handrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny, zato taona mahery kely taorian’izay.—2 Tantara 36:16-19.
11. Ahoana no nanehoan’i Jehovah fahari-po na dia nampihatra ny didim-pitsarany aza izy?
11 Tsy hadinon’i Jehovah anefa ny fahari-pony, na dia nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny Isiraely sy Joda aza izy. Efa nampilazain’i Jehovah tamin’i Jeremia mpaminany ny hampodiana ny vahoaka nofidiny. Hoy izy: “Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin’i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin’ity tany ity hianareo. Eny, ho hitanareo Aho, ... ary hampodiko avy amin’ny fahababoana hianareo, ka hangoniko avy any amin’ny firenena rehetra sy avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako anareo.”—12. Ahoana no ahitana fa nataon’i Jehovah nifandray ny fampodiana ny sisa tamin’ny Jiosy tany Joda sy ny fiavian’ny Mesia?
12 Tena nisy sisa tamin’ny Jiosy tany an-tsesitany tokoa tafaverina tany Joda. Novelominy indray tao Jerosalema ny fivavahana tamin’i Jehovah, tao amin’ny tempoly voaorina indray. Ho toy ny “ando avy amin’i Jehovah”, izay mitondra famelombelomana sy fanambinana io sisa io, rehefa ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah. Hahery fo sy hatanjaka toy ‘ny liona amin’ny biby an’ala’ koa izy io. (Mika 5:6, 7) Tanteraka angamba ireo teny ireo tamin’ny fotoana nitondran’ny fianakaviana Makabeo ny Jiosy, ka nandroahan’izy ireo ny fahavalony hiala tao amin’ny Tany Nampanantenaina sy nanokanany indray ilay tempoly voaloto. Koa voaro àry ilay tany sy ilay tempoly mba hahafahan’ny sisa nahatoky hafa handray tsara ny Zanak’Andriamanitra, rehefa ho avy toy ny Mesia izy.—Daniela 9:25; Lioka 1:13-17, 67-79; 3:15, 21, 22.
13. Ahoana no nanehoan’i Jehovah hatrany fahari-po tamin’ny Jiosy na dia novonoin’izy ireo aza ny Zanany?
13 Na dia rehefa avy namono ny Zanany aza ny Jiosy, dia mbola nahari-po taminy telo taona sy tapany ihany i Jehovah, ka nanome azy ireo tombontsoa manokana ho tonga anisan’ny taranak’i Abrahama ara-panahy. (Daniela 9:27) * Nisy Jiosy nanaiky io antso io taloha sy taorian’ny taona 36 am.f.i., hany ka nilaza i Paoly tatỳ aoriana fa ‘nisy sisa ihany araka ny fifidianana amin’ny fahasoavana.’—Romana 11:5.
14. a) Iza koa no nomena tombontsoa ho tonga anisan’ny taranak’i Abrahama ara-panahy, tamin’ny 36 am.f.i.? b) Ahoana no nilazan’i Paoly izay tsapany momba ny fifidianan’i Jehovah ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy?
14 Sambany tamin’ny 36 am.f.i. vao nomena olona tsy Jiosy sy tsy proselyta ny tombontsoa ho tonga anisan’ny taranak’i Abrahama ara-panahy. Nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy fahari-po koa izay rehetra nanaiky izany. (Galatiana 3:26-29; Efesiana 2:4-7) Tena nankasitrahan’i Paoly ilay fahendrena sy zava-nokendren’i Jehovah tamin’ny fahari-pony sy ny famindram-pony. Tamin’izany no namenoan’i Jehovah ny isan’ireo voantso mba ho tonga Isiraely ara-panahy. Hoy i Paoly: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!”—Romana 11:25, 26, 33; Galatiana 6:15, 16.
Fahari-po noho ny anarany
15. Inona indrindra no anton’ny fahari-pon’Andriamanitra, ary inona ilay raharaha nilana fotoana ny fandaminana azy?
15 Nahoana i Jehovah no mahari-po? Voalohany indrindra, dia mba hankalazana ny anarany masina, sy hanamarinana ny zony hitondra. (1 Samoela 12:20-22) Resaka fitondran-tena no napoitran’i Satana hanakianana ny fomba fitondran’i Jehovah, ka nila fotoana ny fandaminana tsara azy io teo anatrehan’ny zavaboary rehetra. (Joba 1:9-11; 42:2, 5, 6) Hoy àry i Jehovah tamin’i Farao, rehefa nampahorina tany Ejipta ny vahoakany: “Izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.”—Eksodosy 9:16.
16. a) Nahoana ny fahari-pon’i Jehovah no nahafahana nanomana olona hankalazana ny anarany? b) Ahoana no hanamasinana ny anaran’i Jehovah sy hanamarinana ny zony hitondra?
16 Nanonona ny tenin’i Jehovah tamin’i Farao ny apostoly Paoly, rehefa nanazava ny ifandraisan’ny fahari-pon’Andriamanitra sy ny fankalazana ny anarany masina. Izao no nosoratan’i Paoly avy eo: “Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindrampo, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ny jentilisa koa, araka izay lazainy eo amin’i Hosea hoe: ‘Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho.’ ” (Romana 9:17, 22-25) Noho i Jehovah nahari-po, dia afaka naka olona avy amin’ny firenena mba “hankalazana ny anarany” izy. (Asan’ny Apostoly 15:14) Hotarihin’i Jesosy Kristy Filohany ireo ‘olo-masina’ ireo, ary handova ilay Fanjakana hampiasain’i Jehovah mba hanamasinana ny anarany lehibe sy hanamarinana ny zony hitondra.—Daniela 2:44; 7:13, 14, 27; Apokalypsy 4:9-11; 5:9, 10.
Mahavonjy ny fahari-pon’i Jehovah
17, 18. a) Rehefa maninona isika no mety hanakiana tsy nahy an’i Jehovah noho ny fahari-pony? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny fahari-pon’i Jehovah?
17 Nasehon’i Jehovah fa Andriamanitra mahari-po izy hatramin’ny nanotan’ny olombelona voalohany ka hatramin’izao. Nahafahana nampitandrina tsara ny olona, sy nanorina fitaovam-pamonjena, ny fahari-pony talohan’ny Safo-drano. Nisy fetrany anefa izy io, ka tonga ny Safo-drano. Be fahari-po toy izany koa i Jehovah ankehitriny, ary maharitra ela kokoa noho ny nieritreretan’ny sasany azy izy io. Tsy tokony hanary toky noho izany anefa isika. Toy ny hoe manakiana an’Andriamanitra noho ny fahari-pony isika raha manao izany. Nanontany toy izao i Paoly: “Sa hamavoinao ny haren’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?”—Romana 2:4.
18 Tsy misy amintsika mahalala ny fahari-pon’Andriamanitra mbola ilaintsika mba hahazoana antoka fa hankasitrahana isika ka hovonjeny. Nanoro hevitra antsika i Paoly mba ‘hiasa amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena antsika.’ (Filipiana 2:12) Izao no nosoratan’ny apostoly Petera ho an’ny Kristianina namany: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.”—2 Petera 3:9.
19. Ahoana no azontsika anararaotana ny fahari-pon’i Jehovah?
19 Aoka àry isika tsy ho sorena amin’ny fomba itantanan’i Jehovah zavatra. Aoka harahintsika kosa ny torohevitra fanampiny nomen’i Petera ka ‘hekentsika ny fahari-pon’ny Tompontsika ho famonjena.’ Famonjena an’iza? Famonjena antsika sy ny hafa tsy hita isa izay mbola mila mandre ny ‘filazantsaran’ny fanjakana.’ (2 Petera 3:15; Matio 24:14) Hanampy antsika hankasitraka ny haben’ny fahari-pon’i Jehovah izany, ary hanosika antsika hahari-po rehefa mifampiraharaha amin’ny hafa.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Mampiseho ny fahatezerana ny teny hebreo (ʼaph) milaza hoe “orona” na “vavorona.” Sempotsempotra na misefosefo tokoa mantsy ny olona tezitra mafy dia mafy.
^ feh. 13 Misy fanazavana fanampiny momba io faminaniana io, ao amin’ilay boky hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela!, pejy faha-190-194, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Hainao Hazavaina Ve?
• Inona no dikan’ny hoe “mahari-po” ao amin’ny Baiboly?
• Ahoana no nanehoan’i Jehovah fahari-po talohan’ny Safo-drano sy taorian’ny fahababoana tany Babylona ary tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?
• Inona avy no antony lehibe nanehoan’i Jehovah fahari-po?
• Ahoana no tokony hiheverantsika ny fahari-pon’i Jehovah?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 9]
Nanome fotoana ampy mba hibebahan’ny olona ny fahari-pon’i Jehovah talohan’ny Safo-drano
[Sary, pejy 10]
Nandray soa tamin’ny fahari-pon’i Jehovah ny Jiosy, taorian’ny nianjeran’i Babylona
[Sary, pejy 11]
Nandray soa tamin’ny fahari-pon’i Jehovah ny Jiosy sy ny tsy Jiosy tamin’ny taonjato voalohany
[Sary, pejy 12]
Manararaotra ny fahari-pon’i Jehovah ny Kristianina ankehitriny