Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manankarena Amin’ny Fanompoana an’i Jehovah

Manankarena Amin’ny Fanompoana an’i Jehovah

Tantaram-piainana

Manankarena Amin’ny Fanompoana an’i Jehovah

NOTANTARAIN’I RUSSELL KURZEN

Teraka tamin’ny 22 Septambra 1907 aho, fito taona talohan’ilay vanim-potoana manokana, izay nanomboka tamin’ny ady lehibe voalohany. Nanana harena hafa kely ny fianakavianay. Mino aho fa hanaiky izany ianao, rehefa avy mamaky ny tantaranay.

MBOLA kely i Kurzen, Renibenay, dia efa nitady ny marina momba an’Andriamanitra. Talohan’ny naha zatovo azy, dia nitety fiangonana maromaro izy, tany Spiez, Soisa, tany niaviany. Anisan’ireo olona maro be nifindra teto Etazonia ry Kurzen mianakavy tamin’ny 1887, taona vitsivitsy taorian’ny nanambadian’i Nenibe.

Nanorim-ponenana tany Ohio, ry zareo, ka tany no nahitan’i Nenibe ilay harena nokatsahiny. Tany amin’ny taona 1900 tany ho any izany. Tao anatin’ilay boky nosoratan’i Charles Russell hoe Le temps est proche, tamin’ny teny alemà, io harena io. Tsapan’i Nenibe avy hatrany fa ny fahamarinana ara-baiboly no novakiny. Zara raha nahay teny anglisy izy, nefa nanao famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’io fiteny io. Sady nianatra bebe kokoa ny fahamarinana ara-baiboly àry izy, no nianatra ny teny anglisy. Tsy liana tamin’ny zavatra ara-panahy toa an’i Nenibe mihitsy i Dadabe.

I John sy i Adolph ihany no nankasitraka ilay harena ara-panahy hitan’i Nenibe Kurzen, tamin’ireo zanany 11. I John no raiko. Vita batisa tamin’ny 1904 izy, nandritra ilay fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly (na, Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) tany Saint Louis, Missouri. Tsy nanam-bola firy ireo Mpianatra ny Baiboly. Natao tamin’ny fotoanan’ny Foara Iraisam-pirenena, tany Saint Louis, àry ilay fivoriambe, mba hanararaotan’izy ireo ny fihenan’ny saran-dalamby. Vita batisa tamin’ny 1907 i Dadatoa Adolph, nandritra ny fivoriambe iray tany Niagara Falls, New York. Nazoto erỳ i Dada sy i Dadatoa, nizara izay zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly. Lasa mpanompo manontolo andro izy ireo tatỳ aoriana (izany hoe mpisava lalana ankehitriny).

Koa efa nanankarena tamin’ny heviny ara-panahy àry ny fianakaviako, rehefa teraka aho tamin’ny 1907. (Ohabolana 10:22) Mbola zaza aho tamin’ny 1908, fony nentin’i John sy i Ida, ray aman-dreniko, namonjy ilay fivoriambe hoe “Mandroso ho Amin’ny Fandresena”, tany Put-in-Bay, Ohio. I Joseph Rutherford no mpitari-draharahan’ny fivoriambe. Mpiandraikitra mpitety faritany izy tamin’izany fotoana izany. Nitsidika anay tany Dalton, Ohio, izy, herinandro vitsivitsy talohan’izay, ary nanao lahateny ho an’ny Mpianatra ny Baiboly tany.

Olon-kafa no nampahatsiahy ahy ireny rehetra ireny, fa tadidiko kosa ilay fivoriambe tany Mountain Lake Park, Maryland, tamin’ny 1911. Tany izahay sy i Esther zandriko vavy no nifankahita tamin’i Charles Russell, prezidàn’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly maneran-tany.

Nipoaka ny ady maneran-tany tamin’ny 28 Jona 1914, rehefa nisy namono ny Printsy Ferdinand sy ny vadiny, tany Sarajevo. Tamin’io andro io anefa dia nanatrika fivoriambe nilamina tsara izahay mianakavy, tany Columbus, Ohio. Nanatrika fivoriamben’ny vahoakan’i Jehovah maro aho, hatramin’ny fahazazako. Zato teo ho eo ny mpanatrika indraindray. Ny hafa kosa nisy mpanatrika tsy tambo isaina, tao amin’ny sasany tamin’ireo kianja lehibe indrindra eto an-tany.

Tsara toerana ny tranonay

Nanomboka tamin’ny 1908 ka hatramin’ny 1918, dia nanaovana fivoriana tao amin’ilay tranonay tany Dalton, izay teo anelanelan’i Pittsburgh any Pennsylvania, sy i Cleveland any Ohio. Natao fandraisana mpandahateny nitety faritany koa ny tranonay. Nofatoran’izy ireo tao ambadiky ny fitahirizam-bokatray ny soavaliny sy ny voatiriny. Nitantarany ny zavatra hitany na harena ara-panahy hafa tena nampientam-po ny olona nivory teo. Tena nampahery izany!

Mpampianatra i Dada, nefa ilay fampianarana lehibe indrindra, dia ny fanompoana kristianina, no tena mamin’ny fony. Niezaka mafy izy mba hampianatra ny fianakaviany momba an’i Jehovah, ary niara-nivavaka izahay mianakavy isan-kariva. Nivarotra ny soavalinay sy ny voatirinay i Dada tamin’ny 1919, ary nividianany fiara Ford 1914 ny vola 175 dolara (1 157 500 FMG eo ho eo), mba hitoriany amin’ny olona maro kokoa. Io fiara io no nitondra anay mianakavy tany amin’ireo fivoriambe niavaka, nataon’ny Mpianatra ny Baiboly tany Cedar Point, Ohio, tamin’ny 1919 sy 1922.

Samy mpitory izahay mianakavy: i Neny, i Dada, i Esther, i John zandriko lahy ary ny tenako. Tsaroako tsara ny fotoana voalohany nametrahan’olona fanontaniana tamiko momba ny Baiboly. Fito taona teo ho eo aho tamin’izay. “Hono ho aho ry tovolahy kely, inona no atao hoe Haramagedona?”, hoy ilay rangahy. Nanampy ahy kely i Dada, ka afaka nanome valin-teny avy tao amin’ny Baiboly aho.

Fanompoana manontolo andro

Nanatrika ilay fivoriambe tany Columbus, Ohio, izahay mianakavy tamin’ny 1931, ary faly tokoa nandray ilay anarana vaovao hoe Vavolombelon’i Jehovah, tamin’izay. Nientam-po erỳ i John, ka nilaza fa tokony hirotsaka ho mpisava lalana izahay mirahalahy. * Nanao izany izahay, ary toy izany koa i Neny sy i Dada ary i Esther. Harena tokoa izany hoe fianakaviana tafaray amin’ilay asa mahafaly, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakan’Andriamanitra izany! Misaotra an’i Jehovah mandrakariva aho, noho izany fanomezana sarobidy izany. Efa tena sambatra izahay tamin’izay, nefa mbola hisy zavatra hafa hahafaly anay.

Nanomboka nanompo teto amin’ny Foibe Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah (antsoina hoe Betela) teto Brooklyn, New York aho, tamin’ny Febroary 1934. Tonga teto koa i John, herinandro vitsivitsy taorian’izay. Iray efitra foana izahay, talohan’ny nanambadiany an’i Jessie, vady malalany, tamin’ny 1953.

Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany amin’ny faritra maro manerana an’i Etazonia ny ray aman-dreninay, taorian’ny nandehananay sy i John tatỳ amin’ny Betela. Niaraka tamin’izy ireo i Esther sy i George Read vadiny. Nanao ny asan’ny mpisava lalana foana ny ray aman-dreninay, mandra-pahafatin’izy ireo, tamin’ny taona 1963. Nahay nitaiza ny zanany ry Esther mivady, ary tena tiako tokoa ny zanaka aman-jafiny.

Asa sy namana teto amin’ny Betela

Nampiasa ny fahaizany ara-teknika i John teto amin’ny Betela. Niara-niasa tamin’ny betelita hafa izy, tamin’ny tetik’asa sasany toy ny fanamboarana grafofaonina fitondra mandeha. Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro no nampiasa azy ireny rehefa nitory isan-trano. Nanampy koa i John tamin’ny famoronana milina natao hamonosana gazety sy hametahana ny anaran’ny mpanao famandrihana.

Tao amin’ny fanakambanam-boky no niasako voalohany. Mbola miasa ao amin’ny Betela foana ny tovolahy maro niasa tao amin’ny fanontam-pirinty tamin’izany fotoana izany. Anisan’izany i Carey Barber sy i Robert Hatzfeld. Tsaroako tsara koa ireo rahalahy nahafinaritra ahy, efa maty, toa an-dry Nathan Knorr, Karl Klein, Lyman Swingle, Klaus Jensen, Grant Suiter, George Gangas, Orin Hibbard, John Sioras, Robert Payne, Charles Fekel, Benno Burczyk, ary John Perry. Nanao io asa io izy ireo mandavantaona, tsy nitaraina na nanantena “hisondrotra.” Maromaro tamin’ireo Kristianina nahatoky voahosotry ny fanahy ireo anefa no nahazo andraikitra lehibe kokoa, rehefa nitatra ny fandaminana. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aza ny sasany taminy.

Naka lesona lehibe aho, rehefa niara-niasa tamin’ireo rahalahy feno fahafoizan-tena ireo. Mandray karama ny olona manao asa fivelomana. Izany no valisoany. Ahazoana fitahiana ara-panahy tondraka ny fanompoana eto amin’ny Betela, ary ny lehilahy sy ny vehivavy araka ny fanahy ihany no mahatakatra sy mankasitraka izany valisoa izany.​—1 Korintiana 2:6-16.

Mbola zatovo i Nathan Knorr rehefa tonga teto amin’ny Betela, tamin’ny 1923. Mpiandraikitra ny fanontam-pirinty izy nandritra ireo taona 1930. Nitety ny toeram-piasana izy isan’andro ary niarahaba ny mpiasa tsirairay. Nankasitrahanay vaovao tao amin’ny Betela mihitsy izany fanehoam-piheverana manokana izany. Nahazo milina fanontam-pirinty vaovao avy tany Alemaina izahay, tamin’ny 1936. Nanahirana ny rahalahy tanora sasany ny nanakambana azy io. Nanaovan’ny Rahalahy Knorr àry ny salôpetiny, ary niara-niasa tamin’izy ireo nandritra ny iray volana mahery izy, mandra-pandehan’izy io.

Tena nazoto niasa ny Rahalahy Knorr, ka tsy nisy naharaka azy ny ankamaroanay. Nahay niala voly koa anefa izy. Lasa prezidàn’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny Janoary 1942. Taorian’izay anefa, dia mbola niara-nilalao baolina tamin’ny betelita sy ny mpianatra ho misioneran’i Gileada ihany izy indraindray, tao amin’ilay fonenan’ny mpianatra, tao akaikin’i South Lansing, New York.

Nifindra tao amin’ny 124 Columbia Heights eto Brooklyn, New York, ny fianakavian’ny Betela, tamin’ny Aprily 1950. Trano vaovao nisy rihana folo izy io. Antonona anay rehetra ilay efitrano fisakafoana vaovao. Tsy afaka nanao ny fanompoam-pivavahana maraina izahay, nandritra ireo telo taona nanorenana an’io trano io. Akory moa ny hafalianay rehefa nisy indray io fandaharana io! Nasain’ny Rahalahy Knorr nipetraka teo akaikiny aho, teo amin’ny latabatry ny mpitari-draharaha, mba hanoroako azy ny anaran’ny betelita vaovao. Io foana no toerako tamin’ny fanompoam-pivavahana sy ny sakafo maraina, nandritra ny 50 taona. Nakatona io efitrano fisakafoana io tamin’ny 4 Aogositra 2000. Nafindra tao amin’ny iray tamin’ireo efitrano fisakafoana nohavaozina, izay Hotely Towers teo aloha, aho.

Nisy fotoana niasako tany amin’ny fanontam-pirinty tamin’ireo taona 1950. Nanomana ireo andalan-tsoratra tamin’ny milina linotype no asako. Ireny indray no atambatra ho pejy, mba hanaovana ny takela-by hanaovana pirinty. Tsy tiako io asa io, saingy tena tsara fanahy tamiko i William Peterson, mpiandraikitra ireo milina, ka lasa nankafiziko ihany ny niasa tao. Nilaina ny mpiasa an-tsitrapo, tamin’ny 1960, mba handoko ilay trano vaovao teo amin’ny 107 Columbia Heights. Faly aho fa afaka nanampy tamin’ny fanomanana azy io ho an’ny fianakavian’ny Betela nihanitombo.

Taoriana kelin’izay, rehefa voaloko io trano io, dia sady gaga aho no faly, satria notendrena ho mpandray ny mpitsidika ny Betela. Tena nahafinaritra, toy ny taona hafa rehetra niasako teto amin’ny Betela, ireo 40 taona farany naha mpandray olona ahy. Na mpitsidika na betelita vaovao no tonga teo am-baravarana, dia nientam-po foana aho nisaintsaina ny vokatry ny ezaka natao, mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana.

Mpianatra Baiboly mazoto

Manankarena ara-panahy ny fianakavian’ny Betelanay, satria tia Baiboly ny mpikambana ao. Raha vao tonga teto amin’ny Betela aho, dia nanontany an’i Emma Hamilton, mpitsara ny tsipelin-teny, hoe impiry namaky Baiboly izy. Namaly izy hoe: “Indimy amby telopolo, fa tsy voaisako intsony ny taorian’izay.” Nilaza toy izao matetika i Anton Koerber, Kristianina nahatoky hafa, niara-nanompo tamin’i Emma teto amin’ny Betela. “Ataovy mora raisina foana ny Baiboly.”

Rehefa maty ny Rahalahy Russell tamin’ny 1916, dia nandimby azy i Joseph Rutherford. Mpandahateny nahay sy avo feo i Rutherford. Mpisolovava izy, ka nandahatra raharaha momba ny Vavolombelon’i Jehovah, teo anoloan’ny Fitsarana Tampony, teto Etazonia. Rehefa maty izy tamin’ny 1942, dia nisolo azy i Nathan Knorr, izay niezaka mafy mba hanatsara ny fahaizany mandaha-teny. Matetika no reko namerimberina ny lahateniny izy, satria teo akaikin’ny efitra nisy azy no nisy ahy. Lasa mpandahateny nahay izy vokatr’izany ezaka izany.

Nisy fandaharana natomboky ny Rahalahy Knorr tamin’ny Febroary 1942, mba hanampiana ny rahalahy rehetra teto amin’ny Betela hahay hampianatra sy handaha-teny kokoa. Ny fikarohana ara-baiboly sy ny fanaovana lahateny no nampianarina anay tao amin’io sekoly io. Nasaina nanao lahateny fohy, mahakasika olona ao amin’ny Baiboly ny tsirairay, tamin’ny voalohany. Momba an’i Mosesy ny lahateniko voalohany. Nisy sekoly nitovy tamin’io koa natomboka tany amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1943, ary mbola mitohy izy io hatramin’izao. Mbola antitranterina eto amin’ny Betela foana ny fandraisana fahalalana ny Baiboly sy ny fanatsarana ny fahaiza-mampianatra.

Nanomboka tamin’ny Febroary 1943 ny kilasy voalohany tamin’ny sekolin’i Gileada mampiofana misionera. Vao nahazo ny diplaomany ny kilasy faha-111 ankehitriny! Nampiofana olona maherin’ny 7 000 ho misionera maneran-tany io sekoly io, nandritra ireo 58 taona nisiany. Marihina fa tamin’ny 1943, rehefa nanomboka ilay sekoly dia maherin’ny 100 000 monja ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Maherin’ny 6 000 000 anefa izy ireo izao no mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakan’Andriamanitra!

Mankasitraka ny lovako ara-panahy aho

Notendrena hitsidika fiangonana manerana an’i Etazonia ny telo taminay betelita, taloha kelin’ny nanokafana ny sekolin’i Gileada. Nijanona iray andro, na andro vitsivitsy, na herinandro mihitsy aza izahay, mba hampahery an’ireny fiangonana ireny tamin’ny ara-panahy. Nantsoina hoe mpanompon’ny rahalahy izahay (mpiandraikitra ny faritra no iantsoana azy io ankehitriny). Nasaina niverina anefa aho, taoriana kelin’ny nisokafan’ny Sekolin’i Gileada, mba hampianatra taranja sasantsasany. Mpampianatra ny kilasy faha-2 ka hatramin’ny faha-5 aho, ary mpisolo toerana ny iray tamin’ireo mpampianatra ny kilasy faha-14. Vao mainka nankasitraka ny lovako ara-panahy aho, rehefa niara-nanao indray mitopy maso tamin’ny mpianatra, ireo fisehoan-javatra niavaka, tamin’ny tantaran’ny fandaminan’i Jehovah ankehitriny. Afaka nitantara ny maro tamin’ireny aho, satria niainako ilay izy.

Nahazo tombontsoa hafa koa aho, satria nanatrika fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tao anatin’ireny taona maro ireny. Nisy solontena 500 niaraka tamiko nitety an’izao tontolo izao tamin’ny 1963, mba hanatrika ireo fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay.” Anisan’ireo fivoriambe nanan-tantara natrehiko ilay tany Varsovie, Polonina, tamin’ny 1989; ilay tany Berlin, Alemaina, tamin’ny 1990 ary ilay tany Moscou, Rosia, tamin’ny 1993. Nisy rahalahy sy anabavy, niaritra fampijaliana an-taonany maro, teo ambanin’ny fitondrana nazia na kominista, na izy roa miaraka. Afaka niresaka tamin’ny sasany tamin’ireo rahalahy sy anabavy malala ireo aho, nandritra ireo fivoriambe ireo. Tena nanatanjaka ny finoako izany!

Nanankarena tokoa aho tamin’ny fanompoana an’i Jehovah! Tsy hisy farany mihitsy ny fitahiana ara-panahy. Tsy toy ny harena ara-nofo izy io, fa arakaraka ny izaranao azy no vao mainka itomboany. Misy milaza indraindray hoe naleony tsy notezaina tao amin’ny fahamarinana. Lazainy fa mety ho nankafy bebe kokoa ny fahamarinana ara-baiboly izy ireo, raha toa ka efa nahita fiainana ivelan’ny fandaminan’Andriamanitra aloha.

Sosotra foana aho rehefa mandre tanora milaza zavatra toy izany, satria toa te hilaza izy ireo fa aleo tsy notezaina tao amin’ny lalan’i Jehovah. Eritrereto anefa ireo fahazarana sy fisainana ratsy rehetra tsy maintsy ialan’ny olona, rehefa mianatra Baiboly izy atỳ aoriana. Tena velom-pankasitrahana foana aho, satria notezain’ny ray aman-dreniko tao amin’ny fahamarinana izahay telo mianadahy. Nanompo an’i Jehovah foana i John mandra-pahafatiny tamin’ny Jolay 1980. Vavolombelona mahatoky i Esther hatramin’izao.

Tena faly aho mahatsiaro ireo Kristianina mahatoky maro be, namako. Maherin’ny 67 taona izao no nitoerako teto amin’ny Betela. Na dia tsy nanambady mihitsy aza aho, dia manana zanaka aman-jafy ara-panahy maro be. Faly koa aho fa mbola hahita ireo mpikambana vaovao sady sarobidy, ao amin’ny fianakaviana ara-panahy maneran-tany. Marina tokoa ilay teny hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany”!​—Ohabolana 10:22.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Vita batisa tamin’ny 8 Martsa 1932 aho, izany hoe efa tapaka ny hevitra fa hirotsaka ho mpisava lalana aho vao natao batisa.

[Sary, pejy 20]

Ankavia miankavanana: i Dada miampofo an’i John, i Esther, izaho, ary i Neny

[Sary, pejy 23]

Nampianatra tany Gileada tamin’ny 1945

Ambony ankavanana: Mpampianatra tao amin’ny Sekolin’i Gileada: i Eduardo Keller, i Fred Franz, izaho, ary i Albert Schroeder

[Sary, pejy 24]

Misaintsaina ny harena azoko tamin’ny fanompoana an’i Jehovah aho