Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mitafia Fahari-po’

‘Mitafia Fahari-po’

‘Mitafia Fahari-po’

“Mitafia famindrampo sy ... fandeferana.”​—KOLOSIANA 3:12.

1. Mitantarà ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fahari-po.

TONGA Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Régis, mipetraka any atsimoandrefan’i Frantsa, tamin’ny 1952. Nanao izay rehetra afany ny vadiny nandritra ny taona maro, mba hanakantsakanana ny fiezahany hanompo an’i Jehovah. Nandraman’ilay ramatoa novakina ny pnen’ny fiarany mba tsy handehanany hivory. Narahiny mihitsy azy izy indray mandeha, fony nitory ny Baiboly isam-baravarana, ka nesoiny rehefa niresaka ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ny tompon-trano. Nahari-po hatrany anefa i Régis na dia teo aza izany fanoherana tsy an-kijanona izany. Koa ohatra tsara dia tsara ho an’ny Kristianina rehetra àry i Régis, satria takin’i Jehovah amin’ny mpivavaka aminy rehetra ny fahari-po rehefa mifampiraharaha amin’ny hafa.

2. Inona no dika ara-bakitenin’ilay teny grika hoe “mahari-po”, ary inona no tondroin’io teny io?

2 Midika ara-bakiteny hoe “fahalavan-tsaina” ny teny grika hoe “fahari-po.” Ny Fandikan-teny Malagasy dia mandika azy io intsivy hoe “fahari-po”, intelo hoe “faharetana” ary indroa hoe “fandeferana.” Samy ahitana ilay hevitra hoe maharitra sy mahatsindry fo ary tsy mora tezitra ny teny hebreo sy grika nadika hoe “mahari-po.”

3. Inona no tsy nitovian’ny fiheveran’ny Kristianina sy ny Grika tamin’ny taonjato voalohany momba ny fahari-po?

3 Tsy toetra nahafinaritra ny Grika tamin’ny taonjato voalohany ny fahari-po. Tsy nampiasa io teny io mihitsy ny filozofa stôika. Araka ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe William Barclay, ny fahari-po dia “tena mifanipaka amin’ny hatsaran-toetra grika”, izay anisan’ny nanindrahindra ny “tsy fandeferana raha misy manompa na mamely.” Hoy izy: “Tamin’ny Grika, ny tena lehilahy dia izay manao izay afany mba hamaliana faty. Tamin’ny Kristianina kosa, ny tena lehilahy dia izay tsy mety mamaly faty na dia afaka manao izany aza.” Mety ho nihevitra ny fahari-po ho fahalemena ny Grika. Kanefa amin’io lafiny io, toy ny amin’ny zavatra hafa, dia hita fa “ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’Andriamanitra mahery noho ny olona.”​—1 Korintiana 1:25

Kristy: Ohatra ny amin’ny fahari-po

4, 5. Inona no ohatra tena mampiaiky navelan’i Jesosy momba ny fahari-po?

4 Manaraka avy hatrany an’i Jehovah, dia i Kristy Jesosy no ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fahari-po. Nampiaiky ny fifehezan-tenan’i Jesosy fony izy niharam-panerena mafy. Izao no faminaniana momba azy: “Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy,​—eny, tsy niloa-bava Izy.”​—Isaia 53:7.

5 Niavaka tokoa ny fahari-pon’i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany! Niaretany na ireo fanontaniana fandrika nataon’ny fahavalony, na ny fanevatevan’ny mpanohitra. (Matio 22:15-46; 1 Petera 2:23) Nanam-paharetana tamin’ny mpianany izy, na dia tsy nitsahatra niady ny amin’izay lehibe azy izy ireo. (Marka 9:33-37; 10:35-45; Lioka 22:24-27) Mendri-piderana tokoa ny fifehezan-tenan’i Jesosy ny alina namadihana azy, fony resin-tory i Petera sy i Jaona izay vao avy nilazana mba ‘hiari-tory’!​—Matio 26:36-41.

6. Ahoana no nandraisan’i Paoly soa tamin’ny fahari-pon’i Jesosy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

6 Mbola nahari-po ihany i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Nahatsapa manokana an’izany ny apostoly Paoly, noho izy mpanenjika ny Kristianina teo aloha. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany. Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon’i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.” (1 Timoty 1:15, 16) Na nanao ahoana na nanao ahoana ny fiainantsika tamin’ny lasa, dia hahari-po amintsika i Jesosy raha mino azy isika. Mazava ho azy fa antenainy koa ny hanaovantsika “asa miendrika ny fibebahana.” (Asan’ny Apostoly 26:20; Romana 2:4) Asehon’ny hafatra nalefan’i Kristy ho an’ireo fiangonana fito tany Azia Minora fa, na dia mahari-po aza izy, dia manantena fanatsarana.​—Apokalypsy, toko faha-2 sy 3.

Vokatry ny fanahy

7. Inona no ifandraisan’ny fahari-po sy ny fanahy masina?

7 Ampifanoherin’i Paoly ny asan’ny nofo sy ny vokatry ny fanahy ao amin’ny toko fahadimy amin’ny taratasiny ho an’ny Galatiana. (Galatiana 5:19-23) Koa satria anisan’ny toetran’i Jehovah ny fahari-po, dia avy aminy izy io ary vokatry ny fanahiny. (Eksodosy 34:6, 7) Eny, fahefatra amin’ny vokatry ny fanahy notanisain’i Paoly ny fahari-po, miaraka amin’ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, ... fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po.” (Galatiana 5:22, 23) Ny fanahy masina àry no mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra haharitra na hahari-po sahala aminy.

8. Ahoana no ahafahantsika mamboly ny vokatry ny fanahy, anisan’izany ny fahari-po?

8 Tsy midika anefa izany fa manery ny olona handray ny fanahiny i Jehovah. Tsy maintsy manaiky an-tsitrapo ny fitarihan’izy io isika. (2 Korintiana 3:17; Efesiana 4:30) Mamela ny fanahy hiasa eo amin’ny fiainantsika isika rehefa mamoa ny vokatr’izy io amin’izay rehetra ataontsika. Rehefa avy nitanisa ny asan’ny nofo sy ny vokatry ny fanahy i Paoly, dia nanampy hoe: “Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.” (Galatiana 5:25; 6:7, 8) Raha tiantsika ny hamboly fahari-po, dia tsy maintsy ambolentsika koa ny vokatry ny fanahy masina hafa.

“Ny fitiavana mahari-po”

9. Inona no mety ho antony nilazan’i Paoly tamin’ny Korintiana fa “ny fitiavana mahari-po”?

9 Nasehon’i Paoly fa mifandray manokana ny fitiavana sy ny fahari-po rehefa nilaza izy hoe: “Ny fitiavana mahari-po.” (1 Korintiana 13:4) Milaza i Albert Barnes, manam-pahaizana momba ny Baiboly, fa nanantitrantitra izany i Paoly satria nisy fifandirana sy fifandrafiana tao amin’ny fiangonana kristianina tany Korinto. (1 Korintiana 1:11, 12) Hoy i Barnes: “Ilay teny ampiasaina [ho an’ny fahari-po] eto dia mifanohitra amin’ny hoe maimaika: mifanohitra amin’ny teny na eritreritra feno fahatezerana, ary koa amin’ny fahasosorana. Milaza toe-tsaina afaka MIZAKA MAHARITRA fahoriana sy fihantsiana izy io.” Mampitombo be dia be ny fiadanana eo anivon’ny fiangonana kristianina, ny fitiavana sy ny fahari-po.

10. a) Nahoana ny fitiavana no manampy antsika hahari-po, ary inona no torohevitry ny apostoly Paoly momba izany? b) Ahoana no nanazavan’ny manam-pahaizana iray ny fahari-pon’Andriamanitra sy ny hatsaram-panahiny? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

10 “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana ... tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra.” Koa manampy antsika amin’ny fomba maro mba hahari-po àry ny fitiavana. * (1 Korintiana 13:4, 5) Ny fitiavana dia mahatonga antsika hanam-paharetana sy hifandefitra, ary hahatadidy fa samy tsy lavorary isika ka manao diso avokoa. Manampy antsika hihevitra ny hafa sy hamela heloka izy io. Ampirisihin’ny apostoly Paoly isika mba handeha “amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.”​—Efesiana 4:1-3.

11. Nahoana no tena zava-dehibe eo amin’ny samy Kristianina ny fahari-po?

11 Mampisy fiadanana sy fahasambarana eo anivon’ny samy Kristianina ny fahari-pon’ny Kristianina tsirairay, na any amin’ny Efitrano Fanjakana izany, na any amin’ny Betela, na tranona misionera, na eo amin’ny ekipa mpanao fanorenana, na any amin’ireo sekoly alamin’ny Fikambanana. Mety hisy toe-javatra hahasorena indraindray noho ny tsy fitovian’ny toetra, ny fitiavan-javatra, ny fanabeazana sy ny fahalalam-pomba, ary na dia eo amin’ny fahadiovana mihitsy aza. Mety hitranga eo anivon’ny fianakaviana koa izany. Tena zava-dehibe ny hoe tsy mora tezitra. (Ohabolana 14:29; 15:18; 19:11) Mila mahari-po ny rehetra, izany hoe mizaka amim-paharetana ilay toe-javatra sady manantena fa hisy fihatsarana.​—Romana 15:1-6.

Manampy antsika hiaritra ny fahari-po

12. Nahoana no zava-dehibe ny fahari-po ao anatin’ny tarehin-javatra misedra?

12 Ny fahari-po dia manampy antsika hiaritra toe-javatra misedra izay toa tsy mety tapitra, na toa tsy ho voalamina vetivety. Izany no hitan’i Régis, voaresaka tetsy am-piandohana. Nanohitra ny fiezahany hanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro ny vadiny. Nitomany anefa izy nanatona an’i Régis indray mandeha sady nilaza hoe: “Fantatro fa io no fahamarinana. Ampio aho. Te hianatra Baiboly aho.” Vavolombelona vita batisa izy tamin’ny farany. Hoy i Régis: “Izany no porofo fa notahin’i Jehovah ireny taona maro niadiana sy niaretana ireny.” Novalian-tsoa ny fahari-pony.

13. Inona no nanampy an’i Paoly haharitra, ary nahoana ny ohatra nomeny no manampy antsika hiaritra?

13 Ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fahari-po ny apostoly Paoly, tamin’ny taonjato voalohany. (2 Korintiana 6:3-10; 1 Timoty 1:16) Nampitandrina an’i Timoty, namany tanora izy, rehefa nadiva ho faty, fa hiatrika fisedrana ny Kristianina rehetra. Ny tenany no nalain’i Paoly ho ohatra, ka natorony ireo toetra kristianina fototra, tena ilaina mba hiaretana. Izao no nosoratany: “Fa hianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako [na fahari-poko], ny fitiavako, ny faharetako, ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany. Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (2 Timoty 3:10-12; Asan’ny Apostoly 13:49-51; 14:19-22) Mila finoana sy fitiavana ary fandeferana na fahari-po isika rehetra, mba hiaretana.

Mitafy fahari-po

14. Nampitovin’i Paoly tamin’inona ny fahari-po, ary inona no toroheviny ho an’ny Kristianina tany Kolosia?

14 Ny fahari-po sy ny toetra tsara hafa dia nampitovin’ny apostoly Paoly tamin’ny akanjo tokony hanaovan’ny Kristianina rehefa avy nanary ny fanao mampiavaka “ny toetra taloha” izy ireo. (Kolosiana 3:5-10) Izao no nosoratany: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana [na fahari-po], araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.”​—Kolosiana 3:12-14.

15. Inona no vokany rehefa ‘mitafy’ fahari-po sy toetra tsara hafa ny Kristianina?

15 Rehefa ‘mitafy’ fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy sy fahari-po ary fitiavana ny Kristianina, dia afaka mandamina olana sady afaka miara-mandroso eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ny mpiandraikitra kristianina indrindra no mila mahari-po. Mety hisy fotoana ilany hanitsy Kristianina hafa, kanefa misy fomba maro samy hafa azo anaovana izany. Nolazain’i Paoly ny toe-tsaina tsara indrindra rehefa nanoratra tamin’i Timoty izy hoe: “Mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.” (2 Timoty 4:2) Eny, tokony hoentina amim-pahari-po sy amim-pahamendrehana ary amim-pitiavana foana ny ondrin’i Jehovah.​—Matio 7:12; 11:28; Asan’ny Apostoly 20:28, 29; Romana 12:10.

“Mandefera amin’ny olona rehetra”

16. Inona no mety ho vokany rehefa ‘mandefitra amin’ny olona rehetra’ isika?

16 Mahatonga antsika hanana adidy ‘handefitra amin’ny olona rehetra’ ny fahari-pon’i Jehovah amin’ny olombelona. (1 Tesaloniana 5:14) Midika izany hoe manam-paharetana amin’ny mpianakavy tsy Vavolombelona, amin’ny mpiara-monina sy mpiara-miasa ary mpiara-mianatra isika. Nandresy fitsarana an-tendrony maro ny Vavolombelona niaritra an-taonany maro ny esoeson-teny na fanoherana mivantana avy tamin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra. (Kolosiana 4:5, 6) Izao no nosoratan’ny apostoly Petera: “Ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.”​—1 Petera 2:12.

17. Ahoana no azontsika anahafana ny fitiavana sy ny fahari-pon’i Jehovah, ary nahoana isika no tokony hanao izany?

17 Hahavonjy olona an-tapitrisany maro ny fahari-pon’i Jehovah. (2 Petera 3:9, 15) Raha manahaka ny fitiavana sy ny fahari-pon’i Jehovah isika, dia hanohy hitory amim-paharetana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hampianatra ny hafa hanaiky hofehezin’ny Fanjakan’i Kristy. (Matio 28:18-20; Marka 13:10) Raha mitsahatra tsy mitory isika, dia toy ny hoe tiantsika hoferana ny fahari-pon’i Jehovah, ary tsy ekentsika fa ny hampibebaka ny olona no kendreny.​—Romana 2:4.

18. Inona no vavaka nataon’i Paoly ho an’ny Kolosianina?

18 Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Kolosia, any Azia Minora: “Ary noho izany izahay koa hatramin’ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony hianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra, ary ampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana [na fahari-po] amin’ny hafaliana.”​—Kolosiana 1:9-11.

19, 20. a) Inona no azo atao mba tsy hiheverana ny fahari-pon’i Jehovah ho fisedrana? b) Inona avy no soa avy amin’ny fahari-pontsika?

19 Tsy ho lasa fisedrana ho antsika ny fahari-pon’i Jehovah na ny faharetana mitohy asehony raha toa isika ka ‘feno fahalalana tsara ny sitrapony’, dia ny ‘hamonjena ny olona rehetra ka hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.’ (1 Timoty 2:4) ‘Hahavokatra amin’ny asa tsara rehetra’ isika, indrindra fa eo amin’ny fitoriana “ity filazantsaran’ny fanjakana ity.” (Matio 24:14) Raha manohy manao izany amim-pahatokiana isika, dia ‘hampahatanjaka antsika amin’ny hery rehetra’ i Jehovah, mba hanampiana antsika ‘hiaritra amin’ny fomba feno sy handefitra amin’ny hafaliana.’ Amin’izay isika dia ‘handeha mendrika ny Tompo’, ka hilamin-tsaina satria mahafantatra fa ‘manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra.’

20 Enga anie isika hiaiky tanteraka fa fahendrena ny fahari-pon’i Jehovah. Mahavonjy antsika sy ireo mihaino ny fitoriana sy fampianarantsika, izy io. (1 Timoty 4:16) Hanampy antsika hahari-po amim-pifaliana ny fambolena ny vokatry ny fanahy, dia ny fitiavana, ny hatsaram-panahy, ny fanaovan-tsoa, sy ny fahalemem-panahy ary ny fahononam-po. Ho afaka hihavana kokoa amin’ny mpianakavintsika isika, ary koa amin’ny rahalahintsika sy anabavintsika eo anivon’ny fiangonana. Hanampy antsika hanam-paharetana amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra amintsika koa ny fahari-po. Hanan-java-kendrena koa ny fahari-pontsika, dia ny hamonjy ny mpanao ratsy sy hanome voninahitra an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahari-po.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Manazava ny tenin’i Paoly hoe “ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy” i Gordon Fee, manam-pahaizana momba ny Baiboly. Hoy izy: “Mampiseho ireo lafiny roa amin’ny fihetsik’Andriamanitra manoloana ny olombelona ireo [fahari-po sy ny hatsaram-panahy], ao amin’ny teolojian’i Paoly (jereo Rom. 2:4.) Miharihary fa be fitiavana Andriamanitra ka manindry fo satria mifehy ny fahatezerany manoloana ny fikomian’olombelona; hita koa anefa etsy an-kilany, fa tsara fanahy izy satria be dia be ny famindram-pony. Izany no mahatonga an’i Paoly hanomboka ny filazalazany ny fitiavana amin’ireo lafin-toetran’Andriamanitra anankiroa ireo. Nasehon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy tokoa mantsy fa mahatsindry fo sy tsara fanahy amin’ireo mendrika ny fanamelohany izy.”

Hainao Hazavaina Ve?

• Amin’ny lafiny inona avy i Kristy no ohatra mampiaiky raha ny amin’ny fahari-po?

• Inona no hanampy antsika hamboly fahari-po?

• Ahoana no anampian’ny fahari-po ny fianakaviana sy ny samy Kristianina ary ny anti-panahy?

• Nahoana ny fahari-pontsika no hitondra soa ho antsika sy ho an’ny hafa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nanam-paharetana tamin’ny mpianany i Jesosy na dia niharam-panerena mafy aza

[Sary, pejy 16]

Ampirisihina ny mpiandraikitra kristianina mba ho fakan-tahaka amin’ny fahari-po rehefa mifampiraharaha amin’ny rahalahiny

[Sary, pejy 17]

Hanohy hitory ny vaovao tsara isika raha manahaka ny fitiavana sy ny fahari-pon’i Jehovah

[Sary, pejy 18]

Nivavaka i Paoly mba ‘handefitra amin’ny hafaliana’ ny Kristianina