Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanimba Ala

Mpanimba Ala

Mpanimba Ala

NOHEVERINA ho fananana sarobidy ny hazo, tamin’ny andron’ny Baiboly. Rehefa nividy tany mba handevenany an’i Saraha vady malalany, ohatra, i Abrahama, dia tafiditra tao amin’ilay fifanekena ara-barotra ny hazo teo amin’ilay tany.​—Genesisy 23:15-18.

Mbola heverina fa sarobidy foana ny hazo amin’izao fotoana izao, ka mifantoka amin’ny fiarovana azy io ny ankamaroan’ny olona maneran-tany. Hoy ilay boky hoe Toe-draharaha Eran-tany 1998 (anglisy): “Manahy ny amin’ny ala any amin’ny tany mafana ny firenena any amin’ny ila bolan-tany avaratra, kanefa toa tsy hitany akory fa vitsy kely sisa sady efa simba ny ala ao amin’ny taniny, raha oharina amin’ny karazana ala rehetra.” Nahoana no tandindomin-doza ny ala any amin’ny faritra avaratr’i Eoropa sy any Amerika avaratra? Betsaka no milaza fa ny fandripahana ny ala no anton’izany, kanefa tsy tsikaritry ny olona akory fa misy hery hafa manimba ny ala, azo lazaina hoe manintsana tsirairay ny raviny mihitsy aza. Fa inona izany hery izany? Ny fandotoana ny rivotra sy ny orana asidra. Afaka mampahalemy tsikelikely ny hazo ka mahatonga azy ho mora simban’ny bibikely sy ny aretina ireny loto ireny.

Efa nampitandrina ny amin’ny ilana hiarovana ny tontolo iainana ireo mpiaro izany sy ny olon-kafa, nandritra ny am-polony taona maro. Rehefa avy nianatra ny vokatry ny fandotoana ny rivotra sy ny orana asidra eo amin’ny tontolo iainana ny mpahay siansa tany Alemaina, tamin’ireo taona 1980, dia nilaza toy izao: ‘Raha tsy manao zavatra isika, dia eo amin’ny sary sy amin’ny sarimihetsika sisa no hahitantsika ala amin’ny taona 2000.’ Soa ihany fa manan-kery mba hiarovana ny ala ihany ny tany hatramin’izao.

Andriamanitra anefa no tena hanome vahaolana maharitra mba hiarovana ny tontolo iainantsika. “Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin’ny tranony ambony Izy” ary “mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy ... sy anana hahasoa ny olona.” Nampanantena ny ‘hanimba izay manimba ny tany’ koa izy. (Salamo 104:13, 14; Apokalypsy 11:18) Tena hahafinaritra tokoa rehefa hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo tsy misy fandotoana intsony ny mponina maneran-tany!​—Salamo 37:9-11.