Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Any Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra Mihaona”

“Any Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra Mihaona”

“Any Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra Mihaona”

“Ho an’i Rupert, namako tsy foiko! Voaheloka ho faty aho androany. Aza malahelo noho ny amiko. Tia anao sy ianareo rehetra ao an-trano aho. Any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mihaona.”

FOTOANA fohy talohan’ny nitifiran’ny miaramila nazia azy, tamin’ny 8 Jona 1942, no nanoratan’i Franc Drozg an’ireo teny ireo. Nahoana izy no notifirina?

Tsy nety nirotsaka ho Wehrmannschaft, mpanampy ny andia-miaramila alemà izay nifehy an’i Slovenia, io lehilahy 38 taona, mpanefy vy, io, araka ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Tranombakoka Momba ny Fanafaham-pirenena, any Maribor, Slovenia. Izy dia Bibelforscher, na Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay faritra tamin’izany. Tsy nanohana ny adin’ny Nazia izy, satria nankatò ny Isaia 2:4. Nilaza ny tenany ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa izy.—Matio 6:33.

Fantatra ho mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra be zotom-po i Franc tany Ptuj, tanàna niaviany. (Matio 24:14) Tsy nitsahatra nitory mihitsy izy, mandra-pisambotra azy tamin’ny May 1942, na teo aza ny zava-tsarotra maro.

Vavolombelon’i Jehovah maro tany Slovenia no nenjehin’ny Nazia mafy. Anisan’ny notifirina voalohany noho ny finoany i Franc. Nanatanjaka azy, toy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ireto teny ireto: “Tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 14:22) Nino izy fa tena misy io fitondram-panjakana any an-danitra io araka ny teniny farany hoe: “Any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mihaona.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Franc Drozg: Photo Archive-Museum of National Liberation Maribor, Slovenia; letter: Original kept in Museum of National Liberation Maribor, Slovenia