Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ahoana no nampirisihan’ny menarana an’i Eva handika ny lalàn’Andriamanitra momba ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy?

Milaza toy izao ny Genesisy 3:1: “Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Hevitra samihafa no naroso raha ny amin’ny fomba nety ho niresahan’ny menarana tamin’i Eva. Misy milaza fa nanao izany tamin’ny alalan’ny fihetsehana izy. Nanazava toy izao, ohatra, ilay mpitondra fivavahana atao hoe Joseph Benson: “Toa tena azo inoana fa natao tamin’ny alalan’ny fihetsehana izany. Nisy nihevitra fa nahay nisaina sy niteny ny menarana tamin’izay, nefa tsy misy porofo ny amin’io.”

Raha nampiasa fihetsehana fotsiny anefa ilay menarana, ahoana no nahafahany nampita tamin’i Eva ilay hevitra hoe ho tahaka an’Andriamanitra izy, ka ho afaka hanapa-kevitra ny amin’izay tsara sy izay ratsy, rehefa mihinana ny voankazo voarara? Nandray anjara tamin’ilay resaka koa i Eva ka namaly ny fanontanian’ilay menarana. (Genesisy 3:2-5) Raha marina ny hoe nampiasa fihetsehana fotsiny ilay menarana fony niresaka tamin’i Eva, dia tsy maintsy manatsoaka hevitra isika fa namaly tamin’ny alalan’ny fihetsehana koa i Eva. Lazain’ny Baiboly anefa fa niteny izy.

Nampitandrina ny Kristianina namany toy izao ny apostoly Paoly, rehefa niresaka momba an’io fisehoan-javatra io: “Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’ny Kristy, toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.” Avy tamin’ny “apostoly sandoka” na “mpiasa mamitaka” ilay loza noresahin’i Paoly. Tsy tamin’ny fihetsehana ihany no namitahan’ireo “Apostoly ambony indrindra” ireo ny hafa, fa tamin’ny teny feno hafetsen-dratsy koa.​—2 Korintiana 11:3-5, 13, Fandikan-teny Katolika.

Marina fa nofitahina tamin’ny alalan’ny teny i Eva tao amin’ny saha Edena. Tsy te hilaza akory izany fa nanana hoza-peo ilay menarana. Tsy nila an’izany izy. Rehefa niresaka tamin’i Balama tamin’ny alalan’ny boriky iray ny anjelin’i Jehovah, dia tsy nila lohatraoka toy ny an’ny olombelona io biby io. (Nomery 22:26-31) Miharihary fa noho ny hery avy tamin’ny faritra ara-panahy no nahaizan’ilay ‘boriky moana nanao feon’olona.’​—2 Petera 2:16.

Antsoin’ny Baiboly hoe “ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana,” ny zavaboary ara-panahy tao ambadik’ilay menarana niresaka tamin’i Eva. (Apokalypsy 12:9) Avy tamin’i Satana, izay “mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava”, no niavian’ireo teny ren’i Eva sy novaliany.​—2 Korintiana 11:14.

[Sary, pejy 27]

“Ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy”