Mampianatra Antsika Hanisa ny Androntsika i Jehovah
Mampianatra Antsika Hanisa ny Androntsika i Jehovah
“Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry.”—SALAMO 90:12.
1. Nahoana no mety ny mangataka an’i Jehovah mba hampianatra antsika ‘hanisa ny androntsika’?
MPAMORONA sy Mpanome aina antsika i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 36:9; Apokalypsy 4:11) Koa izy àry no tsara toerana indrindra mba hampianatra antsika hampiasa amim-pahendrena ireo taona iainantsika. Mety àry ny niangavian’ny mpanao salamo an’Andriamanitra hoe: “Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry.” (Salamo 90:12) Tena mendrika hodinihina tsara ny Salamo faha-90 misy an’io fitalahoana io. Andao aloha hataontsika bango tokana vetivety io hira ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io.
2. a) Iza no nanoratra ny Salamo faha-90, ary mety ho oviana izany? b) Ahoana no tokony ho fahitantsika ny fiainana, raha jerena ny Salamo faha-90?
2 Miantso azy io hoe “fivavak’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra” ny teny mampiditra ny Salamo faha-90. Antitranterin’io salamo io fa fohy ny androm-piainan’ny olona. Azo inoana àry fa nosoratana taorian’ny nanafahana ny Isiraelita tany Ejipta izy io, nandritra ny diany 40 taona tany an’efitra. An’arivony maro no maty tamin’izay, ka ripaka ny taranaka iray tsy nanam-pinoana. (Nomery 32:9-13) Na izany na tsy izany anefa, dia asehon’ny Salamo faha-90 fa fohy ny fiainan’ny olona tsy lavorary. Mazava àry fa tokony hampiasaintsika amim-pahendrena ny andro sarobidy iainantsika.
3. Inona no votoatin’ny Salamo faha-90?
3 Ampahafantarin’ny Salamo faha-90, andininy 1 ka hatramin’ny faha-6 fa fonenantsika mandrakizay i Jehovah. Asehon’ny andininy faha-7 ka hatramin’ny faha-12 izay tokony hataontsika mba hampifaly azy ny fampiasantsika ireo taona mihelina iainantsika. Ary araka ny andininy faha-13 ka hatramin’ny faha-17, dia irintsika mafy ny hotahin’i Jehovah sy hanehoany hatsaram-panahy sy fitiavana. Mazava ho azy fa tsy milaza izay zavatra diavin’ny mpanompon’i Jehovah isam-batan’olona io salamo io. Na izany aza, dia tokony hotahafintsika ilay fitiavam-
bavaka hita ao. Aoka àry isika hijery tsara an’io Salamo faha-90 io, toy ny fijerin’ireo nanolo-tena ho an’Andriamanitra.Jehovah no tena ‘fonenantsika’
4-6. Nahoana i Jehovah no tena ‘fonenantsika’?
4 Manomboka amin’ireto teny ireto ilay mpanao salamo: “Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra Hianao. Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.”—Salamo 90:1, 2.
5 Tena ‘fonenantsika’, na fialofantsika ara-panahy, i Jehovah, ilay “Andriamanitra mandrakizay.” (Romana 16:26) Tsy manana ahiahy isika satria vonon-kanampy antsika foana ilay “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) ‘Miaro ny fontsika sy ny hevitsika ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra’, satria isika mametraka ny fanahiantsika amin’ilay Raintsika any an-danitra amin’ny alalan’ny Zanany malala.—Filipiana 4:6, 7; Matio 6:9; Jaona 14:6, 14.
6 Voaro ara-panahy isika satria toy ny hoe tena ‘fonenantsika’ i Jehovah. Misy koa ‘efi-trano’ omeny, izay azo inoana fa mifandray amin’ny fiangonan’ny vahoakany. Ireny ‘efi-trano’ ireny dia fialofana ara-panahy ahitana mpiandry be fitiavana izay mampitombo ny tsy fananantsika ahiahy. (Isaia 26:20; 32:1, 2; Asan’ny Apostoly 20:28, 29) Ankoatra izany, dia misy amintsika anisan’ny fianakaviana izay efa ela no nanompo an’Andriamanitra ka mahatsapa mivantana fa ‘fonenana hatramin’ny taranaka rehetra’ izy.
7. Inona no hevitra tafiditra amin’ny hoe “ary” ny tendrombohitra sy ‘voaforona’ ny tany?
7 Efa nisy i Jehovah fony mbola tsy “ary” ny tendrombohitra na ‘voaforona’ ny tany. Amin’ny olombelona, dia tena ezaka be no ilaina mba hamoronana ny tany mbamin’izay rehetra mampiavaka azy sy ny toetoetrany simika ary ny fomba fiasany be pitsiny. Koa ny filazan’ilay mpanao salamo hoe “ary” ny tendrombohitra sy ‘voaforona’ ny tany, dia mampiseho fa nohajainy fatratra ny asa mafy nataon’i Jehovah fony namorona azy ireny. Tsy tokony hanaja sy hankasitraka toy izany koa ny asa tanan’ilay Mpamorona ve isika?
Vonon-kanampy antsika foana i Jehovah
8. Inona no dikan’ny hoe “Andriamanitra hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay” i Jehovah?
8 “Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay”, hoy ny hiran’ilay mpanao salamo. Ny teny tany am-boalohany nadika hoe “mandrakizay” dia mety hilaza zavatra misy farany saingy tsy fantatra hoe rahoviana. (Eksodosy 31:16, 17; Hebreo 9:15) Midika hoe tsy manam-pahataperana kosa izy io, ao amin’ny Salamo 90:2 sy amin’ny toeran-kafa ao amin’ny Soratra Hebreo. (Mpitoriteny 1:4) Tsy takatry ny saintsika ny hoe efa nisy foana Andriamanitra hatramin’izay. Tsy nanam-piandohana anefa i Jehovah, sady tsy hanam-piafarana. (1 Timoty 1:17) Ho velona foana izy ary ho vonon-kanampy antsika.
9. Nampitovin’ny mpanao salamo tamin’inona ny arivo taona amin’ny olombelona?
9 Nahazo tsindrimandry ilay mpanao salamo mba hampitovy ny arivo taona amin’ny olombelona, amin’ny fotoana fohy dia fohy eo imason’ilay Mpamorona mandrakizay. Hoy izy tamin’Andriamanitra: “Mamerina ny olona ho amin’ny vovoka Hianao ka manao hoe: Miverena, ry zanak’olombelona. Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly, ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina.”—Salamo 90:3, 4.
10. Ahoana no ‘hamerenan’Andriamanitra ny olona ho amin’ny vovoka’?
10 Mety maty ny olona, ka ‘mamerina azy ho amin’ny vovoka’ Andriamanitra, izany hoe, miverina ho “vovoka”, na poti-tany, ny olombelona. Toy ny nilaza i Jehovah hoe: ‘Miverena any amin’ny vovo-tany izay nanaovana anao.’ (Genesisy 2:7; 3:19) Mihatra amin’ny rehetra izany, na matanjaka izy na osa, na manankarena izy na mahantra, satria tsy misy olona tsy lavorary ‘mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony mba ho velona mandrakizay.’ (Salamo 49:6-9) Velom-pankasitrahana kosa anefa isika noho ny ‘nanomezan’Andriamanitra ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay’!—Jaona 3:16; Romana 6:23.
11. Nahoana isika no afaka milaza fa fohy dia fohy amin’Andriamanitra ny fotoana lava amintsika?
11 Tsy ampy iray andro akory tamin’i Jehovah ny niainan’i Metosela, na dia velona 969 taona aza izy. (Genesisy 5:27) Toy ny fandalon’ny omaly, izany hoe 24 ora, ny arivo taona amin’Andriamanitra. Resahin’ilay mpanao salamo koa fa toy ny fiambenana toby adiny efatra amin’ny alina izy io. (Mpitsara 7:19) Mazava àry fa fohy dia fohy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra mandrakizay, ny fotoana lava amintsika.
12. Nahoana no lazaina fa ‘indaosin’Andriamanitra’ ny olona?
12 Tena fohy tokoa ny fiainan’ny olona ankehitriny raha ampitahaina amin’ny fisian’Andriamanitra mandrakizay. Hoy ilay mpanao salamo: “Manindao azy tahaka ny riaka Hianao; torimaso izy; amin’ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy. Amin’ny maraina mamony izy, nefa mora miova; amin’ny hariva voajinja izy ka maina.” (Salamo 90:5, 6) Isiraelita an’arivony maro no hitan’i Mosesy maty tany an’efitra, naringan’Andriamanitra toy ny hoe ‘nindaosin’ny riaka.’ Nisy nandika io tapany tamin’ny salamo io toy izao: “Indaosinao ao amin’ny torimason’ny fahafatesana ny olona.” (Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena [anglisy]) Ankoatra izany, dia “torimaso” vetivety fotsiny ny androm-piainan’ny olombelona tsy lavorary, toy ny torimaso indray alina monja.
13. Nahoana isika no toy ny “ahitra”, ary inona no tokony ho fiantraikan’izany eo amin’ny fisainantsika?
13 Isika dia toy ny ‘ahitra mamony amin’ny maraina’ nefa malazo ny hariva, noho ny hafanan’ny andro migaingaina. Eny, mihelina toy ny ahitra malazo ao anatin’ny iray andro ny fiainantsika. Aoka àry isika tsy handanilany foana izany fananana sarobidy izany. Tokony hitady ny tari-dalan’Andriamanitra kosa isika, ny amin’ny fomba tokony hampiasantsika ireo taona sisa ahavelomantsika amin’izao fiainana izao.
Manampy antsika ‘hanisa ny androntsika’ i Jehovah
14, 15. Ahoana no nahatanterahan’ny Salamo 90:7-9 teo amin’ny Isiraelita?
14 Hoy koa ilay mpanao salamo tamin’Andriamanitra: “Fa lanin’ny fahatezeranao izahay, ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao. Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, ary ny fahotanay miafina teo amin’ny fahazavan’ny tavanao. Fa ny andronay rehetra efa lasa amin’ny fahatezeranao; efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.”—Salamo 90:7-9.
15 ‘Lanin’ny fahatezeran’Andriamanitra’ ny Isiraelita tsy nanam-pinoana. ‘Raiki-tahotra noho ny fahavinirany’ izy. Nisy “naringana tany an-efitra” noho ny didim-pitsaran’Andriamanitra. (1 Korintiana 10:5) ‘Nataon’i Jehovah teo anatrehany ny helony.’ Nanaovany ampamoaka ny zava-dratsy nataon’izy ireo an-karihary, nefa na ny ‘fahotany miafina’ aza, dia ‘teo amin’ny fahazavan’ny tavan’i Jehovah.’ (Ohabolana 15:3) ‘Lany toy ny eritreritra ny taonan’ireo Isiraelita tsy nibebaka’ noho izy ireo niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. Toy ny eritreritra miserana koa ny hafohin’ny androm-piainantsika.
16. Inona no tokony hataon’ny olona nanao fahotana miafina?
16 Raha sanatria nisy tamintsika nanao fahotaOhabolana 28:13; Jakoba 5:14, 15) Aleo lavitra izany, toy izay ‘ho lany toy ny eritreritra ny taonantsika’, ka hotandindomin-doza ny fanantenantsika fiainana mandrakizay!
na miafina, dia mety ho afaka nanafina izany tamin’ny hafa isika nandritra ny fotoana kelikely. Eo ‘amin’ny fahazavan’ny tavan’i Jehovah’ anefa ny zava-dratsy miafina nataontsika, ka hanimba ny fifandraisantsika aminy. Mba hihavanana indray amin’i Jehovah, dia mila mangata-pamelana aminy amin’ny vavaka isika, ka tsy mamerina ilay ratsy intsony, ary manaiky sy mankasitraka ny fanampiana ara-panahy omen’ny anti-panahy kristianina. (17. Maharitra hafiriana ny androm-piainan’ny olona amin’ny ankapobeny, ary feno inona ny taonantsika?
17 Hoy ilay mpanao salamo momba ny androm-piainan’ny olona tsy lavorary: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” (Salamo 90:10) Maharitra 70 taona ny androm-piainan’ny olona amin’ny ankapobeny, koa niresaka ny amin’ny tanjany niavaka i Kaleba, izay 85 taona. Nisy olona niavaka toa an-dry Arona (123 taona), Mosesy (120 taona), ary Josoa (110 taona). (Nomery 33:39; Deoteronomia 34:7; Josoa 14:6, 10, 11; 24:29) Fa raha ny amin’ilay taranaka tsy nanam-pinoana nivoaka avy tany Ejipta kosa, dia maty tao anatin’ny 40 taona ireo 20 taona no ho miakatra. (Nomery 14:29-34) Mitovy amin’ny halavan’ny androm-piainan’ny olona noresahin’ny mpanao salamo ny androm-piainan’ny olona any amin’ny tany maro ankehitriny. Feno “fahasasarana sy zava-poana” ny taonantsika. Mihelina faingana izany, ka ‘lasa manidina isika.’—Joba 14:1, 2.
18, 19. a) Inona no dikan’ny hoe ‘manisa ny androntsika, hahazoantsika fo hendry’? b) Hanosika antsika hanao inona ny fahendrena?
18 Mihira toy izao avy eo ilay mpanao salamo: “Iza no mahafantatra ny herin’ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao araka izay tokony ho fahatahorana Anao? Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry.” (Salamo 90:11, 12) Tsy misy amintsika mahalala tsara ny herin’ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny fahavinirany, ka tokony hatahotra sy hanaja kokoa an’i Jehovah isika noho izany. Tokony ho voatosika mihitsy aza isika hangataka aminy ny fomba azontsika ‘anisana ny androntsika mba hahazoana fo hendry.’
19 Ireo tenin’ny mpanao salamo ireo dia vavaka amin’i Jehovah mba hampianarany ny vahoakany ho hendry rehefa mandinika sy mampiasa ny andro sisa iainany, amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra. Manantena ny hiaina 25 500 andro eo ho eo ny olona velona 70 taona. Na firy taona anefa isika na firy taona, dia ‘tsy mahalala ny ho ampitso, fa zavona ihany isika, izay miseho vetivety, dia levona.’ (Jakoba 4:13-15) Tsy afaka milaza isika hoe hafiriana no hahavelomantsika satria ‘ny fotoana sy ny sampona samy mahazo antsika rehetra.’ Aoka àry isika hivavaka mba hahazoana fahendrena hiatrehana fisedrana, sy hitondrana tsara ny hafa, ary hanaovana izay tsara indrindra vitantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah dieny izao, eny, anio dia anio! (Mpitoriteny 9:11; Jakoba 1:5-8) Mitarika antsika i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany. (Matio 24:45-47; 1 Korintiana 2:10; 2 Timoty 3:16, 17) Ny fahendrena dia manosika antsika ‘hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha’ ary hampiasa ny androntsika mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah sy hampifaliana ny fony. (Matio 6:25-33; Ohabolana 27:11) Marina fa tsy hanafoana ny olana rehetra mahazo antsika ny fanompoana azy amin’ny fo rehetra, kanefa azo antoka fa tena hahafaly izany.
Mahafaly ny fitahian’i Jehovah
20. a) Amin’ny heviny ahoana Andriamanitra no hoe ‘manenina’? b) Inona no hataon’i Jehovah amintsika, raha manao fahadisoana lehibe isika, nefa tena mibebaka?
20 Hahafinaritra tokoa raha mba afaka ny hifaly isika mandritra ny andro sisa iainantsika! Miangavy toy izao indrindra i Mosesy: “Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ny mpanomponao. Vokiso ny famindramponao [na, “fitiavana tsy mivadika” ] nony maraina izahay, mba hihobianay Salamo 90:13, 14) Tsy manao fahadisoana mihitsy Andriamanitra. ‘Manenina’ anefa izy ka ‘mitsahatra’ amin’ny fahatezerany sy ny fanasaziana, rehefa manova fihetsika sy fitondran-tena ny mpanota nibebaka, noho ny fampitandremany. (Deoteronomia 13:18) Koa na dia manao fahadisoana lehibe aza isika nefa tena mibebaka, dia ‘hovokisan’i Jehovah ny famindram-pony isika’, ka ‘hihoby.’ (Salamo 32:1-5) Ary raha manao ny marina hatrany isika, dia ho tsapantsika fa tsy miova ny fitiavan’i Jehovah antsika, ary ho afaka ny ‘hifaly amin’ny andro rehetra iainantsika isika’, eny, mandritra ny andro sisa iainantsika.
sy hifalianay amin’ny andro rehetra hiainanay.” (21. Inona no mety ho nangatahin’i Mosesy tao amin’ny Salamo 90:15, 16?
21 Nivavaka mafy toy izao ilay mpanao salamo: “Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay sy ny taona nahitanay loza. Aoka hiseho amin’ny mpanomponao ny asanao, ary ny voninahitrao amin’ny zanany.” (Salamo 90:15, 16) Mety ho nangataka tamin’Andriamanitra i Mosesy mba hitovy amin’ny andro nampahoriana ny Isiraely sy ny taona nahitany loza, ny faharetan’ny fotoana hampifalin’Andriamanitra azy. Nangatahiny mba haseho amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny ‘asa’ nitahiany ny Isiraelita, ary mba hiseho amin’ny zanak’izy ireo, na ny taranany, ny voninahiny. Azontsika atao koa ny mivavaka mba hirotsahan’ny fitahiana amin’ny olombelona mpankatò, ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra.—2 Petera 3:13.
22. Inona no azontsika angatahina tsara amin’ny vavaka, araka ny Salamo 90:17?
22 Mifarana amin’izao fiangaviana izao ny Salamo faha-90: “Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray; ary ampitoeSalamo 90:17) Asehon’ireo teny ireo fa azontsika atao tsara ny mivavaka mba hitahian’Andriamanitra ny ezaka ataontsika eo amin’ny fanompoana azy. Na Kristianina voahosotra isika na “ondry hafa” namany, dia faly satria mitoetra eo amintsika ‘ny fahasoavan’i Jehovah.’ (Jaona 10:16) Faly erỳ isika satria ‘nampitoerin’Andriamanitra ny asan’ny tanantsika’ teo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy tamin’ny fomba hafa koa!
ro aminay ny asan’ny tànanay; eny, ny asan’ny tànanay, ampitoero izy.” (Aoka isika hanisa hatrany ny androntsika
23, 24. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fisaintsainana ny Salamo faha-90?
23 Vao mainka tokony hiankina bebe kokoa amin’i Jehovah, ‘fonenantsika’ isika, rehefa misaintsaina ny Salamo faha-90. Rehefa eritreretintsika izay lazainy momba ny hafohin’ny fiainana, dia vao mainka tokony ho tsapantsika fa ilaina ny tari-dalan’Andriamanitra rehefa manisa ny androntsika. Azo antoka fa hanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy sy fitiavana ary fitahiana isika, raha manohy mitady sy maneho fahendrena araka an’Andriamanitra.
24 Hanohy hampianatra antsika hanisa ny androntsika i Jehovah. Ho afaka hanao izany mandrakizay isika raha manaiky ny toromariny. (Jaona 17:3) Tsy maintsy manao an’i Jehovah ho fiarovantsika anefa isika raha te hiaina mandrakizay. (Joda 20, 21) Araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia manazava tsara an’io hevitra io ireo teny mampahery ao amin’ny Salamo faha-91.
Ahoana no Havalinao?
• Nahoana i Jehovah no tena ‘fonenantsika’?
• Nahoana isika no afaka milaza fa vonon-kanampy antsika foana i Jehovah?
• Ahoana no anampian’i Jehovah antsika ‘hanisa ny androntsika’?
• Inona no mahatonga antsika ‘hifaly amin’ny andro rehetra iainantsika’?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 10]
Efa Andriamanitra i Jehovah “fony tsy mbola ary ny tendrombohitra”
[Sary, pejy 12]
Tsy ampy iray andro akory tamin’i Jehovah ny niainan’i Metosela 969 taona
[Sary, pejy 14]
‘Nampitoerin’i Jehovah ny asan’ny tanantsika’