Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanameloka Izao Tontolo Izao ny Finoan’i Noa

Nanameloka Izao Tontolo Izao ny Finoan’i Noa

Nanameloka Izao Tontolo Izao ny Finoan’i Noa

EFA renao ve ny tantaran’i Noa? Lehilahy natahotra an’Andriamanitra izy ary nanorina sambo fiara namonjena olona nandritra ny safo-drano iray naneran-tany. Tantara tranainy izany, nefa fantatry ny olona an-tapitrisany maro. Betsaka anefa no tsy mahafantatra fa misy heviny ho antsika rehetra ny fiainan’i Noa.

Nahoana no tokony hahaliana antsika ny zava-niseho efa an’arivony taona lasa izay? Misy itoviana ve ny zavatra niainan’i Noa sy ny antsika? Raha eny, inona ny soa azontsika raha manahaka ny ohatra navelany isika?

Ny tontolo tamin’ny andron’i Noa

Araka ny fandaharan-taonan’ny Baiboly dia tamin’ny 2970 al.f.i. no teraka i Noa, izany hoe 126 taona taorian’ny nahafatesan’i Adama. Feno herisetra ny tany tamin’izany, ary nifidy ny hanahaka ny ohatry ny razany naniasia ny ankamaroan’ny taranak’i Adama. Koa “hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.”​—Genesisy 6:5, 11, 12.

Tsy ny fikomian’ny olona ihany no nahasosotra an’i Jehovah. Manazava toy izao ny Genesisy: “Hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy. ... Ny Nefilima nitoetra tambonin’ny tany tamin’izany andro izany, sy taorian’izany koa, raha nivady tamin’ny zanakavavin’ny olona ny zanak’Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.” (Genesisy 6:2-4) Raha ampitahaina ireo andininy ireo sy izay nosoratan’ny apostoly Petera, dia hita fa anjely tsy nankatò ireo “zanak’Andriamanitra” ireo. Ny Nefilima kosa dia safiotra, nateraky ny firaisana tsy ara-dalàna teo amin’ireo vehivavy sy ireo anjely nivadika izay nitafy nofo.​—1 Petera 3:19, 20.

Midika hoe “Mpanjera” ny hoe “Nefilima”, ary mampiseho olona nanao izay hianjeran’ny hafa. Lozabe sady mpampijaly kely izy ireo, ary nampitovina tamin’ny fanao mamoafady tao Sodoma sy Gomora ny fahotan’ireo ray aman-dreniny tia ny fahafinaretan’ny nofo. (Joda 6, 7) Izy rehetra ireo no nampirongatra ny faharatsiana tsy azo noleferina intsony teto an-tany.

‘Tsy nisy tsiny teo amin’ny mpiara-belona taminy’

Nanjaka ny faharatsiana, ka tapa-kevitra ny handringana ny olona Andriamanitra. Hoy anefa ny fitantarana ara-tsindrimandry: ‘Noa nahita fitia teo imason’i Jehovah. Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa.’ (Genesisy 6:8, 9) Ahoana no nahafahana “niara-nandeha tamin’Andriamanitra”, teo amin’ny tontolo tsy natahotra an’Andriamanitra voatokana ho amin’ny fandringanana?

Azo antoka fa betsaka ny zavatra nianaran’i Noa tamin’i Lameka rainy, lehilahy nanam-pinoana niara-belona tamin’i Adama. Naminany toy izao i Lameka, rehefa nanome ny anaran’i Noa (mety ho midika hoe “Fitsaharana” na “Fampiononana”): “Ity no hampionona antsika amin’ny asantsika sy ny fisasaran’ny tànantsika noho ny tany izay voaozon’i Jehovah.” Tanteraka io faminaniana io rehefa nofoanan’Andriamanitra ny fanozonana ny tany.​—Genesisy 5:29; 8:21.

Tsy voatery ho tia zavatra ara-panahy anefa ny ankizy manana ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra. Ny tsirairay no tsy maintsy manao izay hananany fifandraisana amin’i Jehovah. “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra” i Noa, noho izy nanana fitondran-tena nankasitrahan’Andriamanitra. Voatosika hanompo an’Andriamanitra izy, noho izay nianarany momba Azy. Tsy nanozongozona ny finoany, ny fahafantarany ny fikasan’Andriamanitra ‘handringana ny nofo rehetra amin’ny safo-drano.’​—Genesisy 6:13, 17.

Nino i Noa fa hitranga izany loza mbola tsy nisy toa azy izany, ka nankatoaviny ny didin’i Jehovah hoe: “Manaova sambo-fiara ho anao amin’ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.” (Genesisy 6:14) Tsy mora ny nanatanteraka ny tsipiriany nomen’Andriamanitra momba ny sambo fiara. Nefa dia “nataon’i Noa izany.” Eny tokoa, “araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” (Genesisy 6:22) Nanampy azy ny vadiny sy i Sema sy i Hama ary i Jafeta, zanany lahy, ary ireo vinantovaviny. Nitahy ny finoany i Jehovah. Ohatra tsara dia tsara ho an’ny fianakaviana amin’izao andro izao izany!

Inona avy no tafiditra tamin’ny fanorenana ilay sambo fiara? Nomen’i Jehovah toromarika i Noa mba hanorina vata hazo makadiry iray, tsy tantera-drano, misy rihana telo, 133 metatra ny lavany, 22 metatra ny sakany ary 13 metatra ny haavony. (Genesisy 6:15, 16) Nety ho nahazaka entana mitovitovy amin’ny zakan’ny sambo mpitondra entana amin’izao andro izao izy io.

Andraikitra goavana izany! Azo inoana fa hazo an’arivony maro no nokapaina sy notaomina tany amin’ny toeram-panorenana, ary notapatapahina ho hazo fisaka na rairaindrihana. Tao koa ny fanorenana kombarika, fanamboarana hombo, fanangonana dity hahatonga ilay izy tsy ho tantera-drano, fanaovana fitaovam-piasana sy fitoeran’entana, sy ny sisa. Nilaina angamba ny nifampiraharaha tamin’ny mpivarotra sy nividy entana ary nanarama olona. Miharihary fa nila fahaizana ny fandrafetana ny hazo, mba ho mafy tsara ilay sambo. Ary eritrereto ange e! Mety ho naharitra 50 na 60 taona ilay fanorenana!

Tsy maintsy ho nisahana ny fanomanana sakafo sy sakafom-biby ampy tsara indray i Noa avy eo. (Genesisy 6:21) Tsy maintsy ho nanangona sy nandamina ireo biby maro be nankao amin’ny sambo fiara izy. Notanterahin’i Noa izay rehetra nandidian’Andriamanitra, ka vita ny asa. (Genesisy 6:22) Nitahy ny fanatontosana azy io Jehovah.

“Mpitory ny fahamarinana”

Nanorina sambo fiara i Noa sady nampitandrina ny olona. Nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana tamin’ny naha “mpitory ny fahamarinana” izy. Nefa ny olona ‘tsy nahafantatra [na tsy niraharaha] mandra-pihavin’ny safo-drano izay nandringana azy rehetra.’​—2 Petera 2:5; Matio 24:38, 39.

Fantatra fa nahantra ara-panahy sady ambany toetra ary tsy nanam-pinoana ny olona tamin’izany. Tsy mahagaga raha nety ho lasibatry ny fihomehezana sy ny fanesoana ary ny fitenenan-dratsy nataon’ny mpiara-monina taminy ny fianakavian’i Noa. Tsy maintsy nihevitra azy ireo ho adala ny olona. Hain’i Noa anefa ny nampahery sy nanohana ara-panahy ny ankohonany, ka na dia nahery setra, naloto fitondran-tena, mpikomy sady tsy natahotra an’Andriamanitra aza ny mpiara-monina, dia tsy mba nanahaka azy ireo ny fianakavian’i Noa. Nanameloka ny tontolo tamin’izany andro izany ny tenin’i Noa sy ny fihetsiny nampiseho finoana.​—Hebreo 11:7.

Voaro tamin’ny Safo-drano

Nasain’Andriamanitra niditra tao amin’ny sambo fiara i Noa, taloha kelin’ny nanombohan’ny oram-batravatra. “Narindrin’i Jehovah” ny varavarana, rehefa tafiditra i Noa sy ny fianakaviany ary ny biby rehetra, ary voahidy tany ivelany ny mpanaraby mpaniratsira rehetra. Rehefa tonga ny Safo-drano, dia inoana fa niova ho voary ara-panahy indray ireo anjely tsy nankatò, ka tsy ringana. Nanao ahoana ny olon-kafa? Maty daholo ny zavaboary velona rehetra tetỳ an-tany, izay tany ivelan’ny sambo fiara, anisan’izany ny Nefilima! I Noa sy ny fianakaviany no sisa velona.​—Genesisy 7:1-23.

Herintaona mahery kely i Noa sy ny ankohonany no tao anatin’ny sambo fiara. Namahana ny biby sy nanadio no nataon’izy ireo, teo am-piandrasana ny hivoahana ny sambo fiara. Ao amin’ny Genesisy daholo ny daty marina ny amin’ny fizotran’ny Safo-drano, mitovy amin’ireny fitanana an-tsoratra any anaty sambo ireny. Midika izany fa tantara marina ilay izy.​—Genesisy 7:11, 17, 24; 8:3-14.

Tao anatin’ny sambo fiara, dia azo inoana fa nitarika dinidinika ara-panahy sy nivavaka niaraka tamin’ny fianakaviany i Noa. Miharihary fa ry zareo no nitahiry ny tantaram-piainana talohan’ny Safo-drano. Nahasoa azy ireo nandritra ny Safo-drano ny nandinika ny lovantsofina marina sy ireo tantara voarakitra an-tsoratra nananany.

Tsy maintsy ho faly erỳ ry Noa mianakavy tonga teny amin’ny tany maina indray! Nanorina alitara no zavatra voalohany nataon’i Noa, ary nanao fisoronana ho an’ny fianakaviany izy ka nanolotra fanatitra ho an’Ilay namonjy azy ireo.​—Genesisy 8:18-20.

“Tahaka ny andron’i Noa”

Hoy i Jesosy Kristy: “Tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:37) Mpitory ny fahamarinana koa ny Kristianina amin’izao andro, ka mampirisika ny olona hibebaka. (2 Petera 3:5-9) Ekentsika izany fitoviana izany, ka mety ho tiantsika ny hahafantatra izay tao an-tsain’i Noa talohan’ny Safo-drano. Nisy fotoana ve nieritreretany fa tsy nila nitory izy? Vizana ve izy indraindray? Tsy milaza izany ny Baiboly. Lazaina amintsika fotsiny fa nankatò an’Andriamanitra i Noa.

Hitanao ve fa mihatra amin’ny fiainantsika ny toe-javatra nisy an’i Noa? Nankatò an’i Jehovah izy na teo aza ny fanoherana sy ny zava-tsarotra, hany ka nihevitra azy ho olo-marina i Jehovah. Tsy fantatr’i Noa sy ny fianakaviany hoe rahoviana marina no hahatonga ilay Safo-drano Andriamanitra. Fantatr’izy ireo anefa fa ho avy izany. Ny finoana ny tenin’Andriamanitra no nanohana an’i Noa tamin’ny asa lavitra ezaka nataony sy ny fitoriany toa tsy namokatra. Lazaina amintsika tokoa mantsy hoe: “Finoana no nanamboaran’i Noa sambo-fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.”​—Hebreo 11:7.

Ahoana no nananan’i Noa finoana toy izany? Azo inoana fa nosaintsaininy foana sady navelany hitari-dalana azy, izay zavatra fantany momba an’i Jehovah. Azo antoka fa nivavaka tamin’Andriamanitra i Noa. Lasa nifandray be tamin’i Jehovah izy, raha ny marina, ka “niara-nandeha tamin’Andriamanitra.” Raim-pianakaviana i Noa, ka faly izy nanokana fotoana ho an’ny ankohonany sy niahy azy ireo tamim-pitiavana. Tafiditra tamin’izany ny fiahiana izay nilaina ara-panahy ho an’ny vadiny sy ny zanany telo lahy ary ireo vinantovaviny.

Toa an’i Noa, ny tena Kristianina ankehitriny dia mahafantatra fa hofoanan’i Jehovah tsy ho ela ity tontolo tsy matahotra azy ity. Tsy fantatsika na ny andro na ny ora, saingy takatsika kosa fa “famonjena ny fanahy” no vokany, raha toa isika manahaka ny finoana sy ny fankatoavan’iny “mpitory ny fahamarinana” iny.​—Hebreo 10:36-39.

[Efajoro, pejy 29]

Tena Nisy ve Izany?

Angano 270 momba ny safo-drano, saika avy amin’ny foko sy ny firenena rehetra, no voangon’ny manam-pahaizana. Nilaza ny manam-pahaizana iray atao hoe Claus Westermann, fa “misy maneran-tany ny tantara momba ny safo-drano. Toy ny fitantarana momba ny famoronana, dia anisan’ny kolontsaina fototra nolovantsika koa izy io. Mahavariana mihitsy fa na aiza na aiza eto an-tany, dia ahitana tantara momba ny tondra-drano be.” Nahoana? Hoy i Enrico Galbiati, mpanazava teny: “Firenena samihafa sy mifanalavitra be nefa samy ahitana foana ny lovantsofina momba ny safo-drano. Izany no porofo fa tantara tena nisy no fototr’izany lovantsofina izany.” Na dia eo aza anefa izay lazain’ny mpanazava teny, dia zava-dehibe kokoa amin’ny Kristianina ny fahafantarana fa i Jesosy mihitsy no niresaka momba ny Safo-drano ho toy ny zavatra tena nisy teo amin’ny tantaran’ny olombelona.​—Lioka 17:26, 27.

[Efajoro, pejy 30]

Misy Angano Momba ny Nefilima Ve?

Fahita teo amin’ny teolojia grika, ejipsianina, orgatika, orianiana, sy mezopotamianina ny tantaran’ireo andriamanitra nanambady olombelona. Ao koa ny tantaran’ireo “mahery fo” na ireo “sady andriamanitra no olona”, teraka avy tamin’ireny fanambadiana ireny. Mitovy amin’ny olona, sady tsara tarehy be ireo andriamanitra amin’ny angano grika. Nihinana izy ireo, nisotro, natory, nanao firaisana, nifanditra, niady, nandrokidroky sy nametaveta olona. Mba noheverina ho masina izy ireo, nefa nahavita namitaka sy nanao heloka bevava. Nolazaina fa sady andriamanitra no olona, ary mahery noho ny olombelona ireo mahery fo toa an’i Achille, nefa maty ihany izy ireny. Ny fitantaran’ny Genesisy momba ny Nefilima àry dia mahatonga antsika hahatakatra ny mety ho niandohan’ireny angano ireny.