Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Skytianina​—Vahoaka Nahagaga Fahiny

Ny Skytianina​—Vahoaka Nahagaga Fahiny

Ny Skytianina​—Vahoaka Nahagaga Fahiny

MIRIOTRA mamakivaky vovoka ireo mpitaingin-tsoavalin’ilay mponina mpifindrafindra monina, ary feno entana azo babo ny kitapony. Nifehy ny faritry ny tany lemak’i Eorazia io vahoaka nahagaga io, tamin’ny 700 ka hatramin’ny 300 al.f.i. tany ho any. Nanjavona anefa izy ireo rehefa avy namela soritra kely teo amin’ny tantara. Miresaka kely momba azy ireo na dia ny Baiboly aza. Ny Skytianina izany.

Efa nandritra ny taonjato maro ireo mpifindrafindra monina sy ny andian-tsoavalin’izy ireo no nitety ny tany lava volo nanomboka teo amin’ireo Tendrombohitra Carpates any Eoropa Atsinanana ka hatrany atsimoatsinanan’i Rosia ankehitriny. Natosiky ny miaramilan’i Hsüan, Emperora sinoa, niankandrefana ilay fifindra-monina, tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i. Niankandrefana ny Skytianina ka niady sy nandroaka ny Simerianina, izay nifehy an’i Caucase sy ny faritra avaratry ny Ranomasina Mainty.

Nanafika an’i Ninive, renivohitry ny Asyrianina ny Skytianina, noho ny fitadiavany harena. Niray dina tamin’i Asyria indray anefa izy, tatỳ aoriana, mba hiady tamin’i Media sy i Babylonia ary firenena hafa. Nanafika hatrany avaratr’i Ejipta mihitsy aza izy ireo. Nanjary nantsoina hoe Scythopolis ny tanànan’i Beti-sana any avaratratsinanan’i Israely tatỳ aoriana, ka mety hidika izany fa efa nisy fotoana nifehezan’ny Skytianina azy io.​—1 Samoela 31:11, 12.

Nijanona teo amin’ny tany lemak’i Romania sy i Moldavia sy i Ukraine ary i Rosia atsimo ankehitriny ny Skytianina, tamin’ny farany. Nanjary nanankarena izy ireo satria nanakalo ny entan’ny Grika tamin’ny an’ny mpamboly sy mpiompy avy any Ukraine sy Rosia atsimo ankehitriny. Natakalony divay, lamba, fitaovam-piadiana ary asa tanana grika ny voa madinika, tantely, hodi-biby ary biby fiompy. Nangoron-karena mihitsy izy ireo tamin’izany.

Mpitaingin-tsoavaly tena kinga

Rameva no fampiasan’ny mponina any an’efitra, fa soavaly kosa ny an’ireto mpiady eny amin’ny tany lemaka ireto. Mpitaingin-tsoavaly tena kinga ny Skytianina, ary anisan’ireo voalohany nampiasa lasely sy vy fitoeran-tongotra. Nihinana henan-tsoavaly sy nisotro rononon-tsoavaly izy ireo. Nampiasa soavaly hatao fanatitra dorana ho an’ny andriamaniny mihitsy izy ireo. Rehefa nisy mpiady skytianina maty, dia novonoina ny soavaliny ary nomem-boninahitra be rehefa nalevina, satria noravahana lamba tsara niampy ny laseliny.

Nanana fombafomba mahatsiravina ny Skytianina, araka an’i Hérodote mpahay tantara. Anisan’izany ny fampiasana ny karandohan’ny olona novonoiny mba hisotroana zavatra. Nandringana ny fahavalony izy ireo rehefa nanafika, ka nampiasa sabatra vy, famaky lehibe fiadiana, lefona sy zana-tsipìka nisy lohany nifaingoka, mba handrovitana nofo.

Fonenana mandrakizay

Nanao ody ratsy sy majika ny Skytianina, ary nivavaka tamin’ny afo sy tamin’ny andriamani-bavy reny. (Deoteronomia 18:10-12) Nino izy ireo fa fonenan’ny maty ny fasana. Natao sorona ny andevo sy ny biby rehefa maty ny tompony. Nolazaina fa nanaraka ny lehibeny tany “ankoatra” ny harena sy ny mpiasa. Hita tao amin’ny fasan’ny mpanjaka iray ny fatin’ny mpiasa lahy dimy. Natsotra nanatrika ny tompony ny tongotr’izy ireo, toy ny hoe vonona hitsangana sy hiasa avy hatrany.

Nalevina niaraka tamin’ny fanomezana be dia be ny mpitondra. Nandatsaka ny rany ny Skytianina ary nanapa-bolo, nandritra ny fotoana fisaonana. Hoy i Hérodote: “Andrombinany ny sofiny, solany ny lohany, didiany ny sandriny, tatahany ny handriny sy ny orony, ary lavahany amin’ny zana-tsipìka ny tanany havia.” Izao kosa anefa ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraelita tamin’izany fotoana izany: “Aza mitetika ny tenanareo noho ny maty.”​—Levitikosy 19:28.

Namela fasana vita tamin’ny vato mifanongoa maro be ny Skytianina. Maro tamin’ireo ravaka hita tany amin’izy ireny no mampiseho ny fiainana andavanandron’izy ireo. Nanomboka nanangona ireny ravaka mamirapiratra ireny i Pierre le Grand, tsar rosianina, tamin’ny 1715, ka hita ao amin’ny tranombakoka any Rosia sy Ukraine izao izy ireny. Anisan’ireny “biby zavakanto” ireny ny soavaly, voromahery, saka, pantera, serfa, na biby ao amin’ny angano, manana vatana biby misy elatra na tsia, kanefa manana loham-biby hafa.

Ny Skytianina sy ny Baiboly

Indray mandeha ihany ny Baiboly no manonona mivantana ny Skytianina. Izao no lazain’ny Kolosiana 3:11: “Tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra.” Tsy firenena iray voafaritra tsara no resahin’ilay teny grika hoe “Skytiana” nolazain’i Paoly, apostoly kristianina, teo, fa ny olona ratsy toetra indrindra. Nohamafisiny kosa fa afaka mitafy toetra tsara na dia ny olona toy izany aza, rehefa ampian’ny fanahy masin’i Jehovah.​—Kolosiana 3:9, 10.

Misy arkeology mihevitra fa mitovy dika amin’ny teny asyrianina hoe Ashguzai, ilay hoe Askenaza, voalazan’ny Jeremia 51:27. Nantsoina hoe Ashguzai mantsy ny Skytianina. Misy takelaka misy soratra miendri-pantsika manonona fifanekena nifanaovan’izy ireo tamin’ny Miny, mba hikomiana tamin’i Asyria, tamin’ny taonjato fahafito al.f.i. Nandalo an’i Joda ny Skytianina, fa tsy nanafika azy ireo, rehefa handeha ho any Ejipta sy niverina avy tany, taloha kelin’ny naminanian’i Jeremia. Maro tamin’ireo nandre azy naminany ny hanafihana an’i Joda avy any avaratra àry no mety ho nisalasala ny amin’ny fahamarinan’ny teniny.​—Jeremia 1:13-15.

Misy manam-pahaizana mihevitra fa manisy firesahana ny Skytianina ny Jeremia 50:42, manao hoe: “Tsipìka sy lefona no entiny; lozabe sy tsy mamindra fo izy; ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, hamely anao, ry Babylona zanakavavy.” Ny Medianina sy ny Persanina, nandresy an’i Babylona tamin’ny 539 al.f.i., anefa no resahin’io andininy io voalohany indrindra.

Nisy nilaza fa ny foko skytianina no lazaina hoe “tany Magoga” ao amin’ny Ezekiela toko faha-38 sy 39. Tsy ara-bakiteny anefa ilay “tany Magoga” resahina ao. Izy io dia mampiseho ny manodidina ny tany, izay faritra nandefasana an’i Satana sy ny anjeliny, taorian’ilay ady tany an-danitra.​—Apokalypsy 12:7-17.

Tafiditra tamin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Nahoma momba ny faharavan’i Ninive ny Skytianina. (Nahoma 1:1, 14) Nandrava an’i Ninive ny Kaldeanina sy ny Skytianina ary ny Medianina tamin’ny 632 al.f.i., ka namotika tanteraka ny fanjakan’ny Asyrianina.

Nanjavona nefa tsy fantatra

Tsy hita intsony ny Skytianina. Fa nahoana? “Tsy fantatsika mihitsy izay nitranga”, hoy ny mpitarika arkeology iray avy any Ukraine. Misy mihevitra fa nihanalemy tsikelikely izy ireo noho ny fitiavany harena, ka resin’ny Sarmatianina, antokona mpifindrafindra monina hafa avy any Azia, tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa al.f.i.

Misy koa milaza fa nihananjavona noho ny ady an-trano izy ireo. Mbola misy koa milaza fa mety ho taranaka Skytianina ny sasany amin’ireo mponina ossète any Caucase. Na ahoana na ahoana, dia namela marika teo amin’ny tantara io mponina nahagaga io, dia ny hoe mampiseho habibiana ny anarana hoe Skytianina.

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

□ Tanàna Fahiny

• Tanàna Vaovao

Danube

SKYTIA LALAN’NY MPIFINDRAFINDRA MONINA

• Kiev

Dniepr

Dniestr

Ranomasina Mainty

OSSÈTE

Tendrombohitra Caucase

Ranomasina Caspienne

ASYRIA LALAN’NY MPANAFIKA

□ Ninive

Tigra

MEDIA LALAN’NY MPANAFIKA

MEZOPOTAMIA

BABYLONIA LALAN’NY MPANAFIKA

□ Babylona

Eofrata

FANJAKANA PERSANINA

□ Sosa

Hoala Persika

PALESTINA

• Beti-sana (Scythopolis)

EJIPTA LALAN’NY MPANAFIKA

Nil

Ranomasina Mediterane

GRESY

[Sary, pejy 25]

Vahoaka mpiady ny Skytianina

[Sary nahazoan-dalana]

The State Hermitage Museum, St. Petersburg

[Sary, pejy 26]

Natakalon’ny Skytianina asa tanana grika ny entany, ka nanjary nanankarena be izy ireo

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of the Ukraine Historic Treasures Museum, Kiev