“Diso Nomerao Ianao”
Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
“Diso Nomerao Ianao”
MISY trano fonenan’ny olona efa misotro ronono atsy Johannesburg, Afrika Atsimo. Sarotra idirana izy io. Nifandimby nitory an-telefaonina tamin’izay nipetraka tao i Leslie sy i Caroline. Tsy dia nahazo olona firy ry zareo, ary tsy dia nahaliana olona loatra ny hafatra kristianina nampitainy. Narisika indray i Caroline rehefa nisy ramatoa namaly.
“Ramatoa B— ve izao?”, hoy i Caroline.
“Tsia tompoko”, hoy ny feo nahafinaritra iray, “Ramatoa G— aho. Diso nomerao ianao.”
Feon’olona tsara fanahy no ren’i Caroline, ka hoy izy: “Aoka àry hohazavaiko aminao izay zavatra saika holazaiko tamin-dRamatoa B—.” Nanomboka niresaka momba ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakan’Andriamanitra ho avy izy. Rehefa avy nifanao fotoana ry zareo mba hanaterana ilay bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, dia nanontany Ramatoa G— hoe: “Fa hono ho aho, inona no fivavahanareo?”
“Vavolombelon’i Jehovah izahay”, hoy i Caroline.
“Io fivavahana io ve? Aleo ihany isika tsy mihaona ka.”
Hoy anefa i Caroline: “Ô Ramatoa G—, efa 20 minitra izao no niresahako taminao momba ilay fanantenana mahatalanjona indrindra, ary nohazavaiko taminao izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona, araka ny Baiboly. Faly erỳ ianao nandre izany, ary nientam-po mihitsy aza, ka te hahafantatra bebe kokoa. Inona moa no tena fantatrao mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah? Raha marary ianao, any amin’ny mpanamboatra fiarakodia indray ve ianao no handeha? Koa tsy izaho mihitsy ve no tokony havelanao hilaza izay inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?”
Nangina kely izy ary namaly hoe: “Marina ny teninao. Tongava àry e. Aoka ho fantatrao anefa, fa tsy ho afaka hampivadi-pinoana ahy mihitsy ianao!”
“Tsy ho afaka hampivadi-pinoana anao mihitsy aho Ramatoa G— na dia te hanao izany aza”, hoy i Caroline. “I Jehovah ihany no afaka manao izany.”
Noraisin-dRamatoa G— (Betty) tsara ilay bokikely, ary nanaiky hotsidihina indray izy. Nony niverina i Caroline, dia nanazava i Betty fa nolazainy tamin’ireo vehivavy niara-nisakafo taminy hoe niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Tsy nino ry zareo ka nanontany hoe: “Dia tena niresaka tamin’ireny ve ianao? I Jesosy aza tsy inoan’ireny!”
Nampahatsiahivin’i Caroline azy avy hatrany ny hevitra fototra iray nodinihin’izy ireo farany, mahakasika ny Fanjakan’Andriamanitra.
“Iza moa no ho Mpanjaka?”, hoy i Caroline.
“I Jesosy ka”, hoy i Betty.
“Izay mihitsy”, hoy i Caroline. Nanazava izy avy eo fa mino an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy tsy mitovy amin’Andriamanitra kosa izy ary tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray.—Marka 13:32; Lioka 22:42; Jaona 14:28.
Fantatra taorian’ny fitsidihana vitsivitsy, fa hay tsy salama i Betty, na dia falifaly lava aza. Voan’ny kansera izy raha ny marina ary natahotra ny ho faty. “Tahaka izay aho mba nahafantatra izany, taona maro taloha kokoa, sy nanam-pinoana tahaka anareo”, hoy izy. Nampahery azy i Caroline rehefa nasehony ireo andinin-teny manazava fa toy ny torimaso lalina ny fahafatesana, ka ho afaka hifoha ny maty rehefa hatsangana indray. (Jaona 11:11, 25) Tena nampahery an’i Betty izany ary mianatra Baiboly tsy tapaka izy izao. Ny fahasalamany tsizarizary ihany no manakana azy tsy hamonjy fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana.
Hoy i Caroline: “Marina tokoa, fa ny anjely no mitarika ity asa ity. Kisendrasendra ihany no nahazoana an’i Betty, sady amin’izay efa 89 taona izy!”—Apokalypsy 14:6.