Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Moa ve ny toromarik’Andriamanitra ao amin’ny Jeremia 7:16, midika fa tsy mety amin’ny Kristianina ny mivavaka ho an’ny olona voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana, satria hoe mpanota tsy nibebaka izy?

Rehefa avy nilaza ny didim-pitsarany tamin’ny Joda nivadika i Jehovah, dia hoy izy tamin’i Jeremia: “Aza mivavaka ho an’ity firenena ity hianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona amiko; fa tsy hihaino anao Aho.”​—Jeremia 7:16.

Nahoana i Jehovah no nandrara an’i Jeremia tsy hivavaka ho an’ny Isiraelita? Satria nibaribary ny fahotan’izy ireo. Tsy tahotra tsy henatra izy ireo dia ‘nangalatra, namono olona, nijangajanga, nianian-tsy to, nandoro ditin-kazo manitra ho an’i Bala, sady nanaraka andriamani-kafa.’ Koa nilaza tamin’ireo Jiosy tsy nanam-pinoana àry i Jehovah hoe: “Hesoriko hiala eto anatrehako hianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’i Efraima rehetra.” Tsy nety mihitsy àry raha i Jeremia, na olon-kafa, no hangataka amin’i Jehovah amin’ny vavaka mba hanafoana ny didim-pitsarany.​—Jeremia 7:9, 15.

Mifanaraka amin’izany, dia nanoratra momba ny vavaka eken’Andriamanitra ny apostoly Jaona. Nanome toky ny Kristianina aloha izy hoe: “Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.” (1 Jaona 5:14) Momba ny vavaka ho an’ny hafa kosa, dia hoy izy avy eo: “Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an’izay manao ota tsy mahafaty. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’izany izy.” (1 Jaona 5:16) Niresaka ny amin’ny ota ‘tsy hahazoana famelan-keloka’ koa i Jesosy, dia ny ota amin’ny fanahy masina.​—Matio 12:31, 32.

Nisy ireo tsy nibebaka ka voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina, nefa midika ve izany fa ota “mahafaty” no nataon’izy rehetra ireny ka tsy tokony hivavaka ho azy isika? Tsy voatery ho izany, satria tsy ota mahafaty indraindray ny fahadisoana toy izany. Tena sarotra ny mamantatra hoe ota mahafaty ve ilay izy sa tsia. Mampiseho tsara an’izany ny ohatr’i Manase Mpanjakan’i Joda. Nanorina alitara ho an’ireo andriamani-diso izy, nataony fanatitra ny zanany naterany, nifandray tamin’ny fanahy ratsy, ary nanisy sarin-javatra voasokitra tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Lazain’ny Baiboly mihitsy fa ny zavatra nataon’i Manase sy ny vahoaka dia “ratsy mihoatra noho ny nataon’ny jentilisa, izay naringan’i Jehovah tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Isiraely.” Izany rehetra izany no nahatonga an’i Jehovah hanafay an’i Manase, ka handefa azy ho babo, tany Babylona.​—2 Mpanjaka 21:1-9; 2 Tantara 33:1-11.

Lehibe loatra ve ny fahotan’i Manase, ka tena mety ho karazan’ilay ota mahafaty? Miharihary fa tsia, satria izao ny tohin’ny fitantarana momba azy: “Nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin’i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’Andriamanitry ny razany ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin’ny fanjakany. Ka dia fantatr’i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.”​—2 Tantara 33:12, 13.

Tsy tokony ho maika loatra àry isika hanatsoaka hevitra hoe ota mahafaty no vitan’ilay olona matoa izy voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana. Mety ho elaela vao ho hita izay tena toe-pony. Raha ny marina aza, dia lazaina matetika fa ny hahatonga saina an’ilay mpanota, sy ny fanantenana fa mbola hibebaka izy ka hiova indray, no anisan’ny zava-kendren’ny fandroahana.

Koa satria tsy anisan’ny fiangonana intsony ilay olona, dia ireo olona akaiky azy, toy ny vadiny na ny mpianakaviny, no mety hahita voalohany fa miova ny toe-pony sy ny toe-tsainy. Izay mahita izany fiovana izany dia mety hanatsoaka hevitra fa tsy nanao ota mahafaty ilay mpanota. Mety ho voatosika izy ireo hivavaka mba hahazoan’ilay olona tanjaka avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy hanaovan’i Jehovah zavatra ho azy araka ny sitrapony.​—Salamo 44:21; Mpitoriteny 12:14.

Mety hisy olona afaka mahita porofo fa tena nibebaka ny mpanota iray, nefa tsy mahafantatra izany ny fiangonana, amin’ny ankapobeny. Noho izany dia mety ho very hevitra, sy ho sahiran-tsaina, ary ho tafintohina mihitsy aza ny fiangonana raha mandre an’izany olona izany mivavaka ampahibemaso ho an’ilay voaroaka. Koa raha misy àry te hivavaka ho an’ny olona voaroaka, dia tokony hataony manokana izany, ary havelany eo am-pelatanan’ireo anti-panahy tompon’andraikitra ao amin’ny fiangonana ny fizotran-javatra manaraka rehetra.

[Sary, pejy 31]

Voavela ny fahotana lehibe nataon’i Manase, rehefa nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah izy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Reproduced from Illustrirte Pracht - Bibel/Heilige Schrift des Alten und Neuen Testaments, nach der deutschen Uebersetzung D. Martin Luther’s