Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matahora An’i Jehovah ary Tandremo ny Didiny

Matahora An’i Jehovah ary Tandremo ny Didiny

Matahora An’i Jehovah ary Tandremo ny Didiny

“Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.”​—Mpitoriteny 12:13.

1, 2. a) Mety hiaro antsika amin’ny inona ny tahotra? b) Nahoana ny ray aman-dreny hendry no miezaka mampianatra ny zanany hanana tahotra mahasoa?

“METY hampidi-doza ny herim-po, fa miaro ny aina kosa ny tahotra”, hoy ilay olo-malaza atao hoe Léonard de Vinci. Tsy mahalala izay hahafaty azy ny olona sahisahy ratsy, fa mitandrina kosa ny olona matahotra. Hihemotra avy hatrany, ohatra, isika sao mianjera, rehefa eo amoron’ny hantsana. Miaro antsika amin’ny loza koa ny tahotra an’Andriamanitra, fa tsy vitan’ny hoe mahatonga antsika hifandray tsara aminy fotsiny, araka ny nianarantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha.

2 Tsy mampahatahotra antsika avy hatrany anefa ny loza sasany, ka tsy maintsy mianatra hatahotra izany isika. Tsy fantatry ny ankizy, ohatra, fa mety hampidi-doza ny herinaratra na ny fifamoivoizan’ny fiarakodia, ka mety hiharan-doza izy. * Miezaka mampianatra ny zanany hanana tahotra mahasoa àry ny ray aman-dreny hendry, ka mampitandrina azy ireo matetika amin’ny loza manodidina. Fantatry ny ray aman-dreny fa mety hiaro ny ain-janany mihitsy io tahotra io.

3. Nahoana i Jehovah no mampitandrina antsika momba ny loza ara-panahy? Amin’ny fomba ahoana no anaovany izany?

3 Miahy izay hahasoa antsika toy izany koa i Jehovah. Ray be fitiavana izy, ka mampianatra antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany, mba hahitantsika soa. (Isaia 48:17) Anisan’io fampianarany io ny fampitandremana antsika “matetika” momba ny fandrika ara-panahy, mba hatahorantsika ireny loza ireny. (II Tantara 36:15 Fandikan-teny Katolika; 2 Petera 3:1) Maro ny loza ara-panahy sy ny fahoriana azo nosorohina, raha ‘mba nanana fo natahotra an’Andriamanitra ny olona, ka nitandrina ny didiny rehetra mandrakariva.’ (Deoteronomia 5:26) Inona no hanampy antsika hianatra hatahotra an’Andriamanitra, ka hanalavitra ny loza ara-panahy, amin’izao “andro mahory” izao?​—2 Timoty 3:1.

Halaviro ny ratsy

4. a) Inona no tokony hankahalain’ny Kristianina? b) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fahotana? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

4 Hazavain’ny Baiboly fa “ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah.” (Ohabolana 8:13) Milaza ny rakibolana iray momba ny Baiboly fa ny hoe mankahala eto dia midika hoe “manohitra, tena tsy tia, manamavo, ary tsy te hifandray mihitsy amin’ilay olona na ilay zavatra ankahalaina.” Mankaloiloy na maharikoriko ny olona matahotra an’Andriamanitra àry izay rehetra ratsy amin’i Jehovah. * (Salamo 97:10) Manosika antsika hiala amin’ny ratsy izany, toy ny rehefa eo amoron’ny hantsana isika, ka mihemotra, satria tonga ho azy ny tahotra. “Ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy”, hoy ny Baiboly.​—Ohabolana 16:6.

5. a) Inona no hanampy antsika hampitombo ny fahatahorantsika an’Andriamanitra sy ny fankahalantsika ny ratsy? b) Inona no ianarantsika momba izany, avy amin’ny tantaran’ny firenen’ny Isiraely?

5 Azontsika ampitomboina io tahotra mahasoa io sy ny fankahalantsika ny ratsy, rehefa mandinika ny voka-dratsy tsy maintsy ateraky ny fahotana isika. Lazain’ny Baiboly fa tsy maintsy hijinja izay afafintsika isika, na mamafy ho an’ny nofo, na mamafy ho an’ny fanahy. (Galatiana 6:7, 8) Nohazavain’i Jehovah tsara àry izay tsy maintsy hitranga rehefa tsy mankatò ny didiny sy miala amin’ny fivavahana marina ny olona. Tsy afaka niaro tena tamin’ireo firenena lozabe sady nahery nanodidina azy ny firenena kelin’ny Isiraely, rehefa tsy narovan’Andriamanitra. (Deoteronomia 28:15, 45-48) Tantaraina amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Baiboly ny loza nanjo ny Isiraelita noho ny tsy fankatoavany, mba ho “fananarana antsika”, ka hianarantsika hatahotra an’Andriamanitra.​—1 Korintiana 10:11.

6. Inona no ohatra ao amin’ny Soratra Masina tsara hodinihina mba hianarantsika hatahotra an’Andriamanitra? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

6 Tsy izay nitranga tamin’ny firenen’ny Isiraely ihany no tantarain’ny Baiboly, fa lazainy koa izay nanjo ny olona nialona, na naloto fitondran-tena, na matimatin-karena, na niavonavona. * Efa nanompo an’i Jehovah hatramin’ny taona maro ny sasany tamin’izy ireny, nefa nanjary tsy natahotra an’Andriamanitra toy ny taloha intsony, ka nangidy ny vokany. Manjary tapa-kevitra tsara tsy hamerina fahadisoana toy ireny isika, rehefa misaintsaina ireny ohatra ao amin’ny Soratra Masina ireny. Hampalahelo tokoa mantsy raha miandry ho voa isika, vao handray am-po ny torohevitr’Andriamanitra! Misy mihevitra fa ny ataonao no tena ahafahanao miana-javatra. Tsy marina anefa izany, indrindra fa raha manaram-po amin’izay tiantsika isika.​—Salamo 19:7.

7. Iza no asain’i Jehovah ho ao amin’ny tabernakeliny ara-panahy?

7 Antony lehibe tokony hatahorana an’Andriamanitra koa ny faniriana hifandray tsara aminy foana. Matahotra ny hampahasosotra an’i Jehovah isika, satria sarobidy amintsika ny fihavanantsika aminy. Iza no raisin’Andriamanitra ho namany, ka mety hasainy ho ao amin’ny tabernakeliny ara-panahy? “Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy” ihany. (Salamo 15:1, 2) Tombontsoa lehibe ny hoe mihavana amin’ny Mpamorona antsika. Hiezaka handeha tsy misy tsiny àry isika, raha sarobidy amintsika izany.

8. Inona no mampiseho fa nisy Isiraelita tsy nihevitra ny fihavanany tamin’Andriamanitra ho sarobidy, tamin’ny andron’i Malakia?

8 Mampalahelo fa nisy Isiraelita tsy nihevitra ny fihavanany tamin’Andriamanitra ho sarobidy, tamin’ny andron’i Malakia. Tsy natahotra na nanome voninahitra an’i Jehovah izy ireo, fa nanolotra biby mandringa sy marary teo amin’ny alitarany. Hita tamin’ny fiheveran’izy ireo ny fanambadiana koa fa tsy natahotra an’Andriamanitra izy ireo. Antony tsy nisy dikany no nisarahany tamin’ny vadiny mba hanambadiana vehivavy tanora kokoa. Nilaza tamin’izy ireo i Malakia fa halan’i Jehovah ny “fisaoram-bady” ary nampihataka azy ireo tamin’Andriamanitra koa ny toe-tsainy mamitaka. Ahoana moa no haneken’Andriamanitra ny sorona nataon’izy ireo, nefa ny alitarany aza toy ny hoe kotsan’ny ranomason’ireo vehivavy nilaozam-badiny? Fanazimbazimbana an-kitsirano ny fitsipik’i Jehovah izany, ka nahatonga azy hanontany hoe: “Aiza izay tahotra Ahy?”​—Malakia 1:6-8; 2:13-16.

9, 10. Ahoana no azontsika ampisehoana fa sarobidy amintsika ny fihavanantsika amin’i Jehovah?

9 Hitan’i Jehovah koa ankehitriny ny ratram-pon’ireo vady sy ankizy maro be vonton’alahelo, satria tia tena na naloto fitondran-tena ny vadiny na ny rainy na ny reniny mihitsy aza. Tena mampalahelo an’i Jehovah izany. Hitovy fomba fihevitra amin’Andriamanitra kosa izay sakaizany, ka hiezaka hanamafy ny fatoram-panambadiany. “Handositra ny fijangajangana” koa izy, fa tsy hanahaka izao tontolo izao, manamaivana ny fatoram-panambadiana.​—1 Korintiana 6:18.

10 Ankasitrahan’i Jehovah ny olona mihevitra ny fihavanana aminy ho sarobidy indrindra sady mankahala izay rehetra lazainy fa ratsy, na amin’ny resaka fanambadiana izany na amin’ny lafiny hafa. Nanantitrantitra ny apostoly Petera hoe: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Maro ny fitantarana ao amin’ny Soratra Masina mampiseho fa nahatonga olona hanao ny tsara ny tahotra an’Andriamanitra, eny fa na dia voasedra aza izy ireo.

Olona telo natahotra an’Andriamanitra

11. Nahoana i Abrahama no lazaina fa “matahotra an’Andriamanitra”?

11 Misy lehilahy iray ao amin’ny Baiboly nantsoin’i Jehovah hoe sakaizany. Tsy iza izany fa i Abrahama. (Isaia 41:8) Nampanantena Andriamanitra fa i Isaka no hahatonga ny taranak’i Abrahama ho firenena maro. Notsapaina anefa raha tena natahotra an’Andriamanitra izy na tsia, ka nasain’Andriamanitra natao sorona i Isaka zanany lahitokana. (Genesisy 12:2, 3; 17:19) Hahavita izany ve ilay “Sakaizan’Andriamanitra”? (Jakoba 2:23) Rehefa hanainga ny antsiny hamono an’i Isaka iny indrindra i Abrahama, no nilaza ny anjelin’i Jehovah hoe: “Aza maninjitra ny tànanao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao; fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.”​—Genesisy 22:10-12.

12. Inona no nahatonga an’i Abrahama hatahotra an’Andriamanitra, ary ahoana no ahafahantsika manahaka azy?

12 Efa nasehon’i Abrahama fa natahotra an’Andriamanitra izy. Niavaka mihitsy anefa ny fomba nanaporofoany izany tamin’iny indray mitoraka iny. Tsy vitan’ny hoe nampiseho fanajana sy fankatoavana an’Andriamanitra izy, rehefa vonona ny hanao sorona an’i Isaka. Nanao izany koa i Abrahama, satria natoky tanteraka fa hanantanteraka ny fampanantenany ilay Rainy any an-danitra, ka hanangana an’i Isaka amin’ny maty, raha nilaina izany. Araka ny nosoratan’i Paoly, dia “natoky indrindra [i Abrahama] fa izay nolazainy [Andriamanitra] dia hainy hatao koa.” (Romana 4:16-21) Vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra koa ve isika, na dia tsy maintsy manao sorona lehibe aza? Matoky tanteraka ve isika fa hahazo soa maharitra, rehefa mankatò toy izany, satria fantatsika fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” i Jehovah? (Hebreo 11:6) Izany no tena atao hoe tahotra an’Andriamanitra.​—Salamo 115:11.

13. Nahoana i Josefa no afaka nilaza ny tenany ho ‘natahotra an’Andriamanitra’?

13 Ndeha indray isika handinika ny ohatr’i Josefa. Andevon’i Potifara izy, ary naka fanahy sy nitarika azy isan’andro mba hanao firaisana maloto taminy ny vadin’ny tompony. Toa tsy nisy fomba nialana tamin’io vehivavy io. “Nisambotra azy” ravehivavy nony farany, nefa “nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.” Nahoana izy no nandositra avy hatrany? Azo antoka fa ny tahotra an’Andriamanitra no tena nahatonga azy hifady ny ratsy. Tsy tiany koa ny hanao “izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra.” (Genesisy 39:7-12) Afaka nilaza ny tenany ho ‘natahotra an’Andriamanitra’ àry i Josefa.​—Genesisy 42:18.

14. Inona no mampiseho fa natahotra an’Andriamanitra i Josefa, rehefa namindra fo?

14 Nifanatri-tava tamin’ny rahalahiny i Josefa, taona maro tatỳ aoriana. Ireo ratsy fanahy ireo no nivarotra azy ho andevo. Tsy nanan-kohanina izy ireo tamin’izay, ary afaka namaly faty azy ireo i Josefa. Tsy mampijaly ny hafa anefa ny olona matahotra an’Andriamanitra. (Levitikosy 25:43) Namindra fo tamin’izy ireo àry i Josefa, rehefa hitany fa tena niova izy ireo. Hanosika antsika hamaly ny ratsy amin’ny soa, toy ny tamin’i Josefa koa, ny fahatahorantsika an’Andriamanitra, sady hiaro antsika amin’ny fakam-panahy.​—Genesisy 45:1-11; Salamo 130:3, 4; Romana 12:17-21.

15. Nahoana no nampifaly ny fon’i Jehovah ny fitondran-tenan’i Joba?

15 Niavaka koa ny fahatahoran’i Joba an’Andriamanitra. Hoy i Jehovah tamin’ny Devoly: “Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” (Joba 1:8) Efa ela no nampifaly ny fon’ilay Rainy any an-danitra ny fahamarinan’i Joba. Natahotra an’Andriamanitra izy satria fantany fa izay no tokony hatao ary izay koa no fomba fiaina tsara indrindra. “Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena”, hoy i Joba, “ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana.” (Joba 28:28) Nanambady i Joba, ka tsy nijerijery tovovavy hiarahana, sady tsy nieritreritra hijangajanga koa. Tsy nitoky tamin’ny harenany izy, na dia nanankarem-be aza. Nandosirany koa ny karazana fanompoan-tsampy rehetra.​—Joba 31:1, 9-11, 24-28.

16. a) Ahoana no nampisehoan’i Joba ny hatsaram-panahiny? b) Ahoana no nampisehoan’i Joba fa namela heloka izy?

16 Sady manao ny tsara anefa ny olona matahotra an’Andriamanitra no miala amin’ny ratsy. Tsara fanahy tamin’ny jamba sy ny kilemaina ary ny mahantra, ohatra, i Joba. (Levitikosy 19:14; Joba 29:15, 16) Fantany fa ‘hahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha’ ny olona tsy miantra ny namany. (Joba 6:14) Ny hoe tsy miantra dia mety hidika hoe tsy mamela heloka na mitahiry lolompo. Nahazo toromarika tamin’Andriamanitra i Joba, ka nivavaka ho an’ireo namany telo lahy, na dia nanao izay nampalahelo azy aza izy ireo. (Joba 42:7-10) Afaka manahaka an’i Joba ve isika, ka ho vonona hamela ny heloky ny mpiray finoana mety ho nandratra ny fontsika? Hanampy antsika tsy hitahiry lolompo ny vavaka amim-pahatsorana ho an’io mpiray finoana io. Ireo fitahiana azon’i Joba noho izy natahotra an’Andriamanitra, dia mampiseho ‘ny haben’ny zava-tsoan’i Jehovah izay voarakitra ho an’izay matahotra Azy.’​—Salamo 31:19; Jakoba 5:11.

Tahotra an’Andriamanitra sy tahotra olona

17. Inona no vokatry ny tahotra olona, nefa nahoana no azo lazaina fa tsy mandinika tsara isika, raha matahotra olona?

17 Manosika antsika hanao ny tsara ny tahotra an’Andriamanitra, fa mampihena ny finoantsika kosa ny tahotra olona. Nilaza toy izao àry i Jesosy, rehefa nampirisika ny apostoly mba hazoto hitory ny vaovao tsara: “Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo.” (Matio 10:28) Nohazavain’i Jesosy fa tsy mandinika tsara isika raha matahotra olona, satria tsy afaka manafoana ny fanantenantsika ny olona. Matahotra an’Andriamanitra kosa isika, satria fantatsika fa manan-kery lehibe izy, ary tsinontsinona kosa ny herin’ireo firenena. (Isaia 40:15) Matoky tanteraka toa an’i Abrahama isika fa manan-kery hananganana ny mpanompony mahatoky i Jehovah. (Apokalypsy 2:10) Afaka milaza amim-pahatokiana àry isika hoe: “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?”​—Romana 8:31.

18. Inona no valisoa omen’i Jehovah ny olona matahotra azy?

18 Na havana na mpampijaly kely any am-pianarana no manohitra antsika, dia ho hitantsika fa “ny fahatahorana an’i Jehovah dia fiarovana mahatoky.” (Ohabolana 14:26) Afaka mivavaka amin’i Jehovah isika mba hahazo hery, satria fantatsika fa hihaino antsika izy. (Salamo 145:19) Tsy hohadinoin’i Jehovah velively ny olona matahotra azy. Manome toky antsika toy izao, tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany, izy: “Tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.”​—Malakia 3:16.

19. Inona no tahotra hanjavona, nefa inona no tahotra haharitra mandrakizay?

19 Kely sisa dia hanompo an’i Jehovah ny olon-drehetra eto an-tany, ka hanjavona amin’izay ny tahotra olona. (Isaia 11:9) Tsy hisy intsony hatahotra ny hanoanana na ny aretina na ny heloka bevava na ny ady. Haharitra mandrakizay kosa ny tahotra an’Andriamanitra, satria hanohy hanaja sy hankatò ary hanome voninahitra azy, araka izay mendrika azy, ny mpanompony mahatoky rehetra, na ny any an-danitra na ny eto an-tany. (Apokalypsy 15:4) Eo am-piandrasana izany anefa, dia aoka isika rehetra hankatò izao torohevitra ara-tsindrimandry nomen’i Solomona izao: “Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; fa matahora an’i Jehovah mandritra ny andro; fa raha mbola hisy koa ny farany, dia tsy ho foana ny fanantenanao.”​—Ohabolana 23:17, 18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Misy olon-dehibe tsy matahotra loza intsony, satria zatra toe-javatra mety hampidi-doza izy any am-piasany. Nisy mpanao asa tanana za-draharaha nanontaniana hoe nahoana no maro ny mpandrafitra tapaka rantsantanana. Namaly tsotra fotsiny izy hoe: “Tsy matahotra tsofa elektrika mandeha haingana intsony izy ireo.”

^ feh. 4 Mahatsiaro rikoriko toy izany koa i Jehovah. Milaza, ohatra, ny Efesianina 4:29 fa “teny maloto” ny teny vetaveta. Ny tena hevitry ny teny grika nadika hoe “maloto” eto dia hoe voankazo lo na trondro lo, na hena masiso. Tokony hankaloiloy antsika toy izany mihitsy ny teny ratsy na vetaveta. Toy izany koa fa ny teny hoe “diky” no ilazana ny sampy ao amin’ny Deoteronomia 29:16 sy ny Ezekiela 6:9, tamin’ny fiteny nanoratana azy voalohany. Hitantsika araka izany fa tena mahatsiravina an’Andriamanitra ny karazana fanompoan-tsampy rehetra.

^ feh. 6 Diniho, ohatra, ny fitantarana momba an’i Kaina (Genesisy 4:3-12), i Davida (2 Samoela 11:2–12:14), i Gehazy (2 Mpanjaka 5:20-27), ary i Ozia (2 Tantara 26:16-21).

Tadidinao Ve?

• Inona no manampy antsika hankahala ny ratsy?

• Inona no nataon’ny Isiraelita tamin’ny andron’i Malakia, ka nampiseho fa noheveriny ho sarobidy ny fihavanany tamin’i Jehovah?

• Inona no ianarantsika momba ny tahotra an’Andriamanitra, avy amin’ny ohatr’i Abrahama sy i Josefa ary i Joba?

• Inona ilay tahotra tsy hanjavona mandrakizay, ary nahoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 19]

Mampianatra ny zanany hanana tahotra mahasoa ny ray aman-dreny hendry

[Sary, pejy 20]

Manampy antsika hisoroka loza ny tahotra. Mampiala antsika amin’ny ratsy koa ny tahotra an’Andriamanitra

[Sary, pejy 23]

Natahotra an’Andriamanitra foana i Joba na dia teo anoloan’ny namana sandoka aza

[Sary nahazoan-dalana]

From the Bible translation Vulgata Latina, 1795