Mitondra Valisoa ny Fanekena ny Fanasan’i Jehovah
Tantaram-piainana
Mitondra Valisoa ny Fanekena ny Fanasan’i Jehovah
NOTANTARAIN’I MARIA DO CÉU ZANARDI
“Fantatr’i Jehovah izay ataony. Tokony hanaiky amim-panetren-tena ianao, rehefa nandefa fanasana ho anao izy.” Nanampy ahy ireo tenin’i Dada tamin’ny 45 taona lasa ireo mba hanaiky ny fanasana voalohany avy tamin’ny fandaminan’i Jehovah, dia ny hanompo manontolo andro. Mbola mankasitraka an’io torohevitr’i Dada io foana aho hatramin’izao, satria nitondra valisoa betsaka ny nanekeko ireny fanasana ireny.
NANAO famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana i Dada, tamin’ny 1928, ary nanomboka liana tamin’ny Baiboly. Boky sy gazety nalefa paositra ary Baibolin’ny ray aman-dreniny no hany nifandraisany tamin’ny fiangonan’Andriamanitra satria nipetraka tany afovoan’i Portogaly izy. Nifindra teto Brezila, tanindrazan’i Neny, ny fianakavianay tamin’ny 1949, fony aho 13 taona, ka nipetraka tany akaikin’i Rio de Janeiro.
Nanasa anay hiangona tany aminy ny mpiara-monina taminay, ka nankany izahay indraindray. Nanontanian’i Dada momba ny afobe sy ny fanahy ary ny hoavin’ny tany izy ireo, fa tsy nanan-kavaly. Izao foana no tenin’i Dada taminay: “Tsy maintsy miandry ny tena mpianatra ny Baiboly isika.”
Indray andro, dia nisy lehilahy jamba tonga tao aminay nanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Naverin’i Dada taminy ireo fanontaniany ary hainy ny namaly izany avy tao amin’ny Baiboly. Nisy Vavolombelon’i Jehovah hafa nitsidika anay ny herinandro nanaraka. Rehefa avy namaly fanontaniana maromaro Matio 13:38 fa ilaina hatao manerana an’izao tontolo izao io asa io. Nanontany i Dada hoe: “Afaka mandeha koa ve aho?” “Mazava ho azy”, hoy izy. Faly erỳ izahay nahita indray ny fahamarinana ara-baiboly! Vita batisa tamin’ny fivoriambe nanaraka i Dada, ary tsy ela taorian’izay dia natao batisa koa aho, tamin’ny Novambra 1955.
izy dia nangata-dalana ka nilaza fa mbola ho eny amin’ny saha mba hitory. Nasehony avy tao amin’nyFanekena ny fanasana voalohany
Nahazo valopy lehibe volontsôkôlà avy tamin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rio de Janeiro aho, herintaona sy tapany tatỳ aoriana. Fanasana ahy mba ho tonga mpitory manontolo andro no tao anatiny. Tena tsy salama i Neny tamin’izay, ka naka hevitra tamin’i Dada aho. Hentitra ny valin-teniny: “Fantatr’i Jehovah izay ataony. Tokony hanaiky amim-panetren-tena ianao rehefa nandefa fanasana ho anao izy.” Nampahery ahy ny teniny ka nofenoiko ilay fangatahana ary nanomboka ny fanompoana manontolo andro aho tamin’ny 1 Jolay 1957. Tany Três Rios, any amin’ny Fanjakan’i Rio de Janeiro, no nanendrena ahy voalohany.
Nisalasala ny hihaino anay ny mponina tany Três Rios tamin’ny voalohany, satria tsy nampiasa Baiboly katolika izahay. Voavaha ny olana rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly taminay i Geraldo Ramalho, Katolika nafana fo. Afaka nahazo Baiboly nisy ny sonian’ny mompera mantsy izy, mba hampiasaiko. Nanomboka teo, dia asehonay an’izay olona nitady hanohitra ny sonian’ilay mompera, ka tsy nisy sahy nanontany intsony. Natao batisa i Geraldo tatỳ aoriana.
Faly be aho rehefa nisy fivoriamben’ny faritra natao tany afovoan’i Três Rios tamin’ny 1959. Nametaka banderôla nanerana ny tanàna mihitsy aza ny sefon’ny polisy izay nianatra Baiboly mba hampahafantarana ilay izy. Nasaina ho any Itu, tokony ho 110 kilaometatra any andrefan’i São Paulo, aho rehefa avy niasa telo taona tany Três Rios.
Boky mena, boky manga, boky mavo
Nahita trano tsara tany afovoan-tanàna izahay sy ilay namako, rehefa nitady elaela. An’i Maria, mpitondratena tsara fanahy, izy io. Nitondra anay toy ny zanany izy. Tsy ela anefa, dia nitsidika azy ny eveka katolika tany Itu ary nilaza taminy mba handroaka anay. Hentitra ny valin-teniny: “Fa inona moa no mba nataonareo, tamin’ny vadiko maty? Ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo kosa dia nanampy ahy na dia tsy mpiara-mivavaka aminy aza aho.”
Nisy vehivavy nilaza taminay fa nandrara ny mpiangona tsy handray an’ilay “boky mena momba ny Devoly” ny mompera tao Itu. Ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, napetrakay nandritra ilay herinandro, no tiany holazaina. Niomana ny hametraka ilay boky manga (“Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao”) indray àry izahay, satria “voararan’ny” mompera ilay boky mena. Ilay boky mavo (Inona no Nataon’ny Fivavahana ho An’ny
Olombelona?) indray kosa no nampiasainay, rehefa ren’ny mpitondra fivavahana ilay fanovana, ary toy izany hatrany no nataonay. Tena tsara mihitsy ny fananana boky samy hafa loko!Rehefa avy niasa herintaona teo ho eo tany Itu aho, dia nahazo telegrama nanasa ahy hiasa tsy maharitra tany amin’ny Betela, na biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rio de Janeiro. Nanomana ny fivoriambe mantsy izahay tamin’izay. Faly aho nanaiky izany.
Tombontsoa hafa sy zava-tsarotra
Tsy lany asa mihitsy ny Betela, ary faly aho nanao izay asa nomena ahy. Nampahery erỳ ny nanatrika ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro isa-maraina sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ataon’ny fianakavian’ny Betela isaky ny alatsinainy hariva! Nanohina ahy lalina ny vavaka tamim-pahatsorana nataon’i Otto Estelmann sy ny Betelita za-draharaha hafa.
Nangorona entana handeha hiverina tany Itu aho taorian’ny fivoriambe, kanefa, tsy nampoiziko fa nanome ahy taratasy nanasa ahy ho tonga Betelita maharitra i Grant Miller, mpikarakara ny sampana. Ny rahavavy Hosa Yazedjian no niray efitra tamiko, ary mbola manompo ao amin’ny Betelan’i Brezila izy. Vitsy ny mpianakavin’ny Betela tamin’izany, satria 28 monja, ary mpinamana be daholo.
Tonga mba hiofana tao amin’ny Betela i João Zanardi, tanora mpanompo manontolo andro, tamin’ny 1964. Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany teo amin’ny manodidina izy tamin’izany. Nihaona izahay indraindray rehefa nitondra tatitra tany amin’ny Betela izy. Namela azy hanatrika ny fianaram-pianakaviana isaky ny alatsinainy hariva ny mpikarakara ny sampana, ka afaka nifanerasera izahay. Natao tamin’ny Aogositra 1965 ny mariazinay sy i João. Nanaiky tamim-pifaliana ny fanasana hanaraka azy tany amin’ny asa fitetezam-paritra aho.
Raharaha be ihany ny fitetezam-paritany tany afovoan’i Brezila tamin’izany. Tsy hadinoko mihitsy ny fitsidihanay antoko-mpitory tany Aranha, any amin’ny Fanjakan’i Minas Gerais. Nandeha fiarandalamby izahay, ary avy eo dia nandeha an-tongotra mandra-pahatonga tany, niaraka tamin’ny valizy, milina fanoratana, fitaovana fandefasana sary maizina, kitapo fitondra mitory, ary boky sy gazety. Faly erỳ izahay fa tonga teo amin’ny gara foana i Lourival Chantal, anadahy zokiolona, nanampy anay nitondra entana.
Trano nohofana no nivoriana tany Aranha. Natory tao amin’ny efitra kely tao ambadik’io trano io izahay. Nanao afo kitay teo an-tsisin’ilay efitra izahay mba handrahoana sakafo sy hanafanana rano notaterin’ireo anadahy tamin’ny siô. Nasianay lavaka tao anaty saham-bolotsangana teo akaiky teo mba hatao fivoahana. Nandrehitra jiro solitany izahay nandritra ny alina mba handroahana ny bibikely mety hamindra ny aretin’i Chagas. Maintin’ny setroka foana ny vavoronay rehefa maraina ny andro. Tsy dia fahita loatra ilay izy!
Nahazo valopy lehibe volontsôkôlà avy tamin’ny biraon’ny sampana indray izahay fony nanompo tany amin’ny Fanjakan’i Paraná. Mbola fanasana anay avy tamin’ny fandaminan’i Jehovah koa io mba hanompo tany PorLioka 14:28, ka handinika izay tafiditra amin’izany, alohan’ny hanekena io fanendrena io, satria voarara ny asantsika kristianina tany, ary efa nisy Vavolombelona maro nosamborin’ny fanjakana portogey.
togaly! Nanoro hevitra anay ilay taratasy mba hijery ny toro lalana ao amin’nyHo any amin’ny tany misy fanenjehana toy izany ve izahay? Hoy i João hoe: “Raha vitan’ireo rahalahintsika portogey ny miaina any sy manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana, nahoana no tsy ho vitantsika?” Tadidiko ny fampaherezan’ny raiko ka hoy aho: “Rehefa nandefa fanasana ho antsika i Jehovah, dia tokony hanaiky isika ka hitoky aminy.” Tonga tany amin’ny Betelan’i São Paulo izahay taoriana kelin’io, mba handray toromarika fanampiny sady hikarakara ny taratasy nilaina tamin’ny dia.
João Maria sy Maria João
Niainga tamin’ny 6 Septambra 1969, avy tao amin’ny seranan’i Santos, eto amin’ny Fanjakan’i São Paulo, ny sambo Eugênio C nitondra anay. Tonga tany Portogaly izahay rehefa afaka sivy andro. Niara-niasa tamin’ny mpitory za-draharaha aloha izahay nandritra ny volana vitsivitsy, rehefa nitory teny amin’ny lalana tery tany Alfama sy Mouraria, any amin’ny faritr’i Lisbonne. Nampianarin’izy ireo ho mailo izahay, mba tsy ho mora tratran’ny polisy.
Natao tany an-tranon’ny Vavolombelona ny fivorian’ny fiangonana. Rehefa tsikaritray fa nanomboka niahiahy ny mpiara-monina, dia nafindra haingana tany an-toeran-kafa ny fivoriana mba tsy hanaovan’ny polisy bemidina ao amin’ilay trano sy hisamborany an’ireo mpivory. Nantsoinay hoe fitsangantsanganana ny fivoriambe, ary nataonay tany amin’ny Zaridainan’i Monsanto, any akaikin’i Lisbonne, sy tany anaty ala tany Costa da Caparica, any amoron-tsiraka, izy ireny. Nanao akanjo fitena izahay, ary nisy mpikarakara ny mpanatrika nitazana tsara ny manodidina. Raha nisy olona nampiahiahy nandalo, dia namorona kilalao izahay, na mody nisakafo, na nihirahira.
Tsy nampiasa ny tena anaranay izahay mba tsy hahafantaran’ny polisy miafina anay. João Maria sy Maria João no niantsoan’ny mpiara-manompo anay mivady. Tsy nampiasaina tamin’ny taratasy na ny firaketana an-tsoratra ny anaranay, fa nomena nomerao kosa izahay. Niezaka mafy aho mba tsy hitadidy ny adiresin’ny mpiara-manompo. Amin’izay dia tsy ho afaka
hamadika azy ireo aho raha sanatria ka voasambotra.Niezaka mafy nitady izay fomba rehetra itoriana izahay sy i João, dieny mbola afaka nanao izany. Nianatra niantehitra tamin’i Jehovah Raintsika any an-danitra izahay. Izy no Mpiaro anay, ka nampiasainy ny anjeliny mba hahatsapanay fa ‘nahita Izay tsy hita’ izahay.—Hebreo 11:27.
Nampandroso anay tao an-tranony ny lehilahy iray, rehefa nitory isan-trano tany Porto izahay, indray mandeha. Nandroso avy hatrany ilay rahavavy niaraka tamiko, ka voatery nanaraka azy koa aho. Natahotra be aho rehefa nahita fa nisy sarin’olona nanao fanamiana miaramila teo amin’ny lalantsara. Inona no hatao? Nanasa anay hipetraka ilay lehilahy, ary nanontany ahy hoe: “Avelanao hanao miaramila ve ny zanakao raha voantso?” Nilana fitandremana ny famaliana ilay fanontaniana. Nivavaka nangina aho, ary tony tsara namaly hoe: “Tsy manan-janaka aho, ary mino aho fa raha anontaniako zavatra tsy tena misy toy izany koa ianao, dia hitovy amin’izay ny valin-teninao.” Tsy nahateny izy. Hoy àry aho hoe: “Fa raha manontany ahy kosa ianao hoe ahoana izany maty ray na anadahy izany, dia haiko ny mamaly anao satria efa maty avokoa ny raiko sy ny anadahiko.” Nanganohano ny masoko teo am-pilazana izany, ary hitako fa efa saika hitomany koa izy. Nilaza izy fa maty vao haingana ny vadiny. Nihaino tsara izy rehefa nanazava ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty aho. Nanao veloma azy tamim-panajana izahay avy eo, ary lasa soa aman-tsara, sy nametraka ilay raharaha ho eo an-tanan’i Jehovah.
Nisy olona tso-po nampianarina ny fahamarinana na dia teo aza ny fandrarana. Nanomboka fianarana tamin’i Horácio, mpandraharaha tany Porto ny vadiko. Nandroso haingana i Horácio. Niandany tamin’i Jehovah sy natao batisa koa i Emílio zanany, izay dokotera. Tena tsy misy mahasakana ny fanahin’i Jehovah tokoa.
“Tsy fantatrareo izay hataon’i Jehovah”
Nasaina nanatrika ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe “Ny Fandresen’Andriamanitra”, natao tany Bruxelles any Belzika, izahay sy i João, tamin’ny 1973. Vavolombelona espaniola sy belza, an’arivony no tonga, ary nisy koa solontena avy any Mozambika, Angola, Cap-Vert, Madère, ary Açores. Nampirisika toy izao ny Anadahy Knorr, avy tany amin’ny foibe any New York, tamin’ny lahateny famaranana nataony: “Manompoa an’i Jehovah amim-pahatokiana hatrany. Tsy fantatrareo izay hataon’i Jehovah. Iza no mahalala raha any Portogaly indray ianareo no hanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenena manaraka?”
Nekena ho ara-dalàna ny asa fitoriana tany Portogaly ny taona nanaraka. Tanteraka ny tenin’ny Anadahy Knorr, satria nanao fivoriambe iraisam-pirenena voalohany tany Lisbonne tokoa izahay, tamin’ny 25 Aprily 1978. Tena to
mbontsoa ny nilahatra teny amin’ny araben’i Lisbonne, nitory tamin’ny alalan’ny takelaka misy soratra sy tamin’ny gazety, sady nizara fanasana ho amin’ny lahateny ho an’ny besinimaro! Tanteraka ihany ny nofinofinay.Nanjary tianay kokoa ireo rahalahinay portogey. Niaritra fanaovana an-tranomaizina sy kapoka ny maro tamin’izy ireo, noho ny tsy fombany ny atsy na ny aroa. Naniry hijanona tany Portogaly foana izahay, kanefa tsy afaka. Tratran’ny aretim-po mafy i João, ka nanoro hevitra anay mba hiverina teto Brezila ny biraon’ny sampana.
Fotoam-pisedrana
Tena nanohana anay ny anadahy tao amin’ny biraon’ny sampan’i Brezila ka nanendry anay hanompo tany amin’ny Fiangonana Quiririm, any Taubaté, eto amin’ny Fanjakan’i São Paulo. Niharatsy vetivety ny fahasalaman’i João ka tsy afaka nivoaka ny trano intsony izy. Tonga tao an-trano ny olona liana rehefa hianatra Baiboly. Nasiana fivoriana alohan’ny fanompoana isan’andro sy fianarana boky isan-kerinandro koa tao aminay. Nanampy anay ho salama ara-panahy hatrany ireny fandaharana ireny.
Nanohy nanompo an’i Jehovah araka izay azony natao i João mandra-pahafatiny tamin’ny 1 Oktobra 1985. Nalahelo aho sady somary ketraka, kanefa tapa-kevitra ny hanohy ny asako. Nisy vato misakana indray tamin’ny Aprily 1986, satria nisy namaky ny tranoko ka very daholo ny ankamaroan’ny entako. Mbola tsy nahatsapa ho irery sy natahotra toy izany mihitsy aho hatramin’izay niainako. Nisy mpivady nanasa ahy tamim-pitiavana hipetraka tany aminy nandritra ny fotoana kelikely, ary tena nankasitrahako tokoa izany.
Nisy fiantraikany teo amin’ny fanompoako an’i Jehovah koa ny nahafatesan’i João sy ilay vaky trano. Tsy natoky tena intsony aho teny amin’ny fanompoana. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana ny amin’ilay zava-manahirana aho, ka nasaina nipetraka tany amin’ny Betela mandra-pihatsaran’ny toe-poko. Tena fotoana nampahery tokoa ireny!
Raha vao nihatsara kely ny fahasalamako, dia nanaiky ny hanompo tany Ipuã, eto amin’ny fanjakan’i São Paulo aho. Variana tamin’ny asa fitoriana aho, nefa kivy indraindray. Niantso an-telefaonina ny anadahy tany Quiririm aho tamin’ny fotoana toy ireny, ary nisy fianakaviana nitsidika ahy nandritra ny andro vitsivitsy. Nampahery tokoa ireny fitsidihana ireny! Nandritra ny taona voalohany naha tany Ipuã ahy, dia anadahy sy rahavavy 38 no nanao dia lavitra mba hitsidihana ahy.
Nahazo fanasana hafa avy tamin’ny fandaminan’i Jehovah aho tamin’ny 1992, enin-taona taorian’ny nahafatesan’i João. Fanasana hanompo eto Franca, eto amin’ny Fanjakan’i São Paulo ilay izy. Tena mamokatra ny faritany eto. Nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny ben’ny tanàna aho tamin’ny 1994. Nanao fampielezan-kevitra mba hahazoana toerana tao amin’ny antenimieram-pirenena izy tamin’izany. Nianatra isaky ny alatsinainy hariva izahay, na dia be atao aza izy. Vonoiny ny telefaonina mba tsy hisy hanelingelina an’ilay fianarana. Faly erỳ aho fa niala tsikelikely tamin’ny politika izy, ary noho ny fanampian’ny fahamarinana, dia nifampody izy mivady! Vita batisa tamin’ny 1998 izy ireo.
Afaka milaza aho rehefa mandinika ny fiainako nanompoako manontolo andro fa feno fitahiana sy tombontsoa izany. Nitondra valisoa betsaka ho ahy ny nanekeko ny fanasan’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaminany. Ary vao mainka aho izao vonona ny hanaiky izay fanasana mety homeny ahy amin’ny hoavy.
[Sary, pejy 25]
Izaho fony nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’ny 1957, sy ankehitriny
[Sary, pejy 26]
Niaraka tamin’ny fianakavian’ny Betelan’i Brezila tamin’ny 1963
[Sary, pejy 27]
Mariazinay tamin’ny Aogositra 1965
[Sary, pejy 27]
Fivoriambe tany Portogaly tamin’ny fotoanan’ny fandrarana
[Sary, pejy 28]
Fitoriana teny amin’ny araben’i Lisbonne nandritra ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe “Finoana Mandresy” tamin’ny 1978