Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tandremo ny Aretim-po Ara-panahy

Tandremo ny Aretim-po Ara-panahy

Tandremo ny Aretim-po Ara-panahy

Safotra ka maty tampoka nandritra ny fanazaran-tena ilay atleta nalaza sy tena nahay sady toa salama tsara. Sergei Grinkov no anarany, ary indroa izy no nahazo meday volamena tamin’ny lalao Olympika, taranja fikorisana ambony ranomandry. Vita hatreo ny hoaviny, raha mbola vao nanomboka fotsiny, satria 28 taona monja izy. Loza izany marina! Fa naninona izy? Nihetsika ny aretim-pony. Nisy nilaza fa tsy nampoizina mihitsy ny hahafatesany, satria toa tsy nisy famantarana hoe narary fo izy. Hitan’ny dokotera anefa fa efa nihanibontsina ny fony, ary nisy lalan-dra lehibe tsentsina.

MILAZA ny dokotera fa saika misy famantarana foana ny fihetsehan’ny aretim-po, na dia toa mitranga tampoka aza ny fihetsehany. Matetika anefa no odian-tsy hita ireny famantarana ireny sy ny zavatra mahatonga ilay aretina, toy ny hoe mora sempotra ilay olona, matavy loatra, ary manaintaina ny tratrany. Koa na dia tsy maty aza ireo mihetsika aretim-po, dia maro kosa no nitondra kilema mandra-pahafatiny.

Mila mitandrina tsara ny sakafo sy ny fomba fiaina ny olona marary fo, ary mila manao fizaham-pahasalamana tsy tapaka, araka ny torohevitry ny dokotera. * Tena ilaina izany fepetra izany sy ny fahavononana hiova, mba hisorohana ny voka-dratsin’ny aretim-po.

Misy lafiny hafa amin’ny fontsika ilaintsika hotandremana kokoa noho izany anefa. Mampitandrina antsika ny Baiboly hoe: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23) Mazava ho azy fa tsy ny fo ara-bakiteny, fa ny fo ara-panahy no tena resahin’io andininy io. Tokony ho hentitra isika rehefa miaro ny fontsika ara-bakiteny, kanefa mbola tokony ho mailo kokoa isika raha tiantsika ny hiaro ny fontsika ara-panahy, mba tsy ho azon’ny aretina mahafaty ara-panahy.

Inona no mahatonga ny aretim-po ara-panahy?

Toy ny amin’ny aretim-po ara-bakiteny, dia ilaina koa ny mamantatra ny antony mahatonga ny aretim-po ara-panahy, sy ny manao zavatra momba izany, raha tiana ny hisoroka azy io. Andeha àry isika hamakafaka ny sasany amin’ireo antony fototra mahatonga aretim-po, na fo ara-bakiteny izany, na fo ara-panahy.

Sakafo. Eken’ny maro fa tsy mahasalama loatra ny haninkanina, na dia toa mampilendalenda aza. Mora azo sy toa manaitra toy izany koa ny haninkanina ara-panahy, kanefa manimba ny fahasalamana ara-panahy. Anaovana dokam-barotra amin-kafetsena ny zavatra mampiseho firaisana tsy ara-dalàna, ny zava-mahadomelina sy ny herisetra ary ny asan’ny maizina. Ho faty ny fontsika ara-panahy raha mamahana ny saintsika amin’ireny zavatra ireny isika. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”​—1 Jaona 2:16, 17.

Tsy dia manintona ny olona tia haninkanina ny sakafo mahasalama toy ny voankazo sy ny legioma. Mety tsy hanintona ny olona zatra mamahana ny sainy sy ny fony amin’ny zavatr’izao tontolo izao koa ny ventin-kanina ara-panahy tsara. Mety ho velon’ny “ronono” amin’ny Tenin’Andriamanitra izy, mandritra ny fotoana kelikely. (Hebreo 5:13) Tsy mihamatotra ara-panahy mihitsy anefa izy, rehefa mandeha ny fotoana, ka tsy vitany intsony ny miantsoroka ny andraikitra ara-panahy mahazatra eo amin’ny fiangonana kristianina sy ny fanompoana. (Matio 24:14; 28:19; Hebreo 10:24, 25) Navelan’ny Vavolombelona sasany hihena toy izany ny heriny ara-panahy, ka nanjary tsy niasa intsony izy ireo!

Loza koa ny fitaky ny fisehoana ivelany. Mety ho toa mbola manao asa kristianina ihany ilay olona, ka tsy hita ny aretina mikiky ny fony. Mihamalemy ihany ny fony, satria misoko mangina ao aminy ny toe-tsaina tia vola, na manao fialam-boly mampiseho fitondran-tena maloto na herisetra na asan’ny maizina izy. Toa tsy misy vokany firy amin’ny fahasalamana ara-panahy izany, nefa mety hampahalemy ny fo ara-panahy, tsy misy hafa amin’ny sakafo ratsy mety hanamafy ny lalan-dra sy hanimba ny fo ara-bakiteny. Nampitandrina i Jesosy fa mampidi-doza ny mamela ny fanirian-dratsy hiditra ao am-po. Hoy izy: “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” (Matio 5:28) Mety hampihetsika ny aretim-po ara-panahy tokoa ny sakafo ara-panahy ratsy. Misy zavatra hafa mampanahy koa anefa.

Fanazaran-tena. Fantatry ny besinimaro fa mety hihetsika ny aretim-po, raha tsy mampiasa vatana loatra. Mety hisy vokany ratsy toy izany koa ny tsy fihetsehana loatra eo amin’ny ara-panahy. Mety handray anjara kely amin’ny fanompoana kristianina angamba ny olona iray, kanefa ferany izany mba tsy dia hanelingelina loatra ny fiainany, hany ka zara fa miezaka, na tsy miezaka mihitsy izy, mba ho tonga “mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” (2 Timoty 2:15) Mety hanatrika fivoriana koa ny olona iray, nefa zara raha manomana sy mandray anjara amin’izany. Mety tsy hanan-java-kendrena ara-panahy mihitsy izy, na tsy hazoto homana ara-panahy mihitsy. Halemy sy ho faty mihitsy izay mety ho finoana nananany, satria tsy nanao zavatra ara-panahy firy izy. (Jakoba 2:26) Nilaza momba io loza io ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo. Nisy toa nanjary tsy nanao zavatra ara-panahy mantsy ny sasany tamin’izy ireo. Mariho ny fampitandremany momba ny hoe mety hanimba ny fahasalaman’izy ireo ara-panahy izany. “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona; fa mifananara isan-andro, raha mbola atao hoe ‘Anio’; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.”​—Hebreo 3:12, 13.

Fanahiana. Anisan’ny mampihetsika ny aretim-po ara-bakiteny koa ny fanahiana tafahoatra. Mora manimba ny fo ara-panahy koa ny fanahiana, na ny “fiahiahian’izao fiainana izao”, ka mahatonga ilay olona tsy hanompo an’Andriamanitra intsony mihitsy. Mety indrindra izao fampitandreman’i Jesosy izao: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.” (Lioka 21:34) Mety ho simban’ny eritreritra manenjika antsika koa ny fontsika ara-panahy, raha nanota isika ka nanafina izany nandritra ny fotoana naharitra. Fantatr’i Davida Mpanjaka tokoa ny fanaintainana vokatr’izany, rehefa nilaza izy hoe: “Tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako. Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.”​—Salamo 38:3, 4.

Fatokian-tena tafahoatra. Maro tamin’ireo nihetsika aretim-po no natoky fa salama tsara izy. Matetika no tsy nieritreritra na tsy niraharaha ny hanao fizaham-pahasalamana na fitsirihana mihitsy izy, satria noheveriny hoe tsy nilainy izany. Mety ho nisy nihevitra fa tsy haninona mihitsy ny fahasalamany ara-panahy, satria efa elaela ihany izy no Kristianina. Tsy nihevitra ny hizaha ny fahasalamany ara-panahy, na handini-tena izy, raha tsy tonga ny loza ara-panahy. Mahasoa ny mitadidy ity torohevitra tsara momba ny fatokian-tena tafahoatra, nomen’ny apostoly Paoly ity: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” Fahendrena ny manaiky fa tsy lavorary isika, ary mila mandini-tena ara-panahy foana.​—1 Korintiana 10:12; Ohabolana 28:14.

Aza odian-tsy hita ny fampitandremana

Rariny raha tena asongadin’ny Baiboly ny fahasalaman’ny fo ara-panahy. Hoy ny Jeremia 17:9, 10: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany.” Tsy mandinika ny fontsika fotsiny anefa i Jehovah, fa manampy antsika amim-pitiavana mba handini-tena koa.

Omena fampitandremana tena ilaina amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” isika. (Matio 24:45) Anisan’ny fomba lehibe amitahan’ny fontsika antsika ny fanaovany izay hahatonga antsika hanana ny nofinofin’izao tontolo izao. Eritreritra zavatra tsy misy izany, na nofy ririnina, na eritreritra tsy misy dikany. Mety ho tena hanimba izany, indrindra fa raha mahatonga eritreritra maloto. Tokony tsy handefa eritreritra toy izany mihitsy àry isika. Hiambina ny fontsika tsy hisy nofinofin’izao tontolo izao isika, raha mankahala ny heloka toa an’i Jesosy.​—Hebreo 1:8, 9.

Manampy antsika amim-pitiavana koa ny anti-panahin’ny fiangonana kristianina. Ny tenantsika ihany anefa no voalohany tokony hikarakara ny fontsika ara-panahy, na dia tena ankasitrahantsika aza ny fiahian’ny hafa. Anjarantsika tsirairay ny ‘mamantatra ny zavatra rehetra’, sy mijery raha “mitoetra amin’ny finoana” isika.​—1 Tesaloniana 5:21; 2 Korintiana 13:5.

Arovy ny fo

Mihatra amin’ny fo ara-bakiteny sy ara-panahy koa ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe “izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7) Matetika ireo loza ara-panahy heverina fa tampoka no vokatry ny fanaovan-javatra manimba ara-panahy nafenina nandritra ny fotoana naharitra. Anisan’izany ny fijerena sary vetaveta, ny fitiavam-bola na ny fitadiavana laza na fahefana.

Tokony hotandremana àry ny sakafo ara-panahy, mba hiarovana ny fo. Vokiso amin’ny Tenin’Andriamanitra ny saina sy ny fo. Aza mameno ny saina amin’ny zavatra mora raisina sy manaitra ny nofo, nefa mahatonga ny fo ara-panahy tsy hihontsina. Izao no teny fampitandremana mety sy mahasalama, nataon’ny mpanao salamo: “Matavy tahaka ny menaka ny fony”, ka tsy mihontsina.​—Salamo 119:70.

Miezaha mafy hiala amin’ny ota miafina nandritra ny fotoana naharitra, fa raha tsy izany dia hanentsina ny lalan-dra ara-panahy izany. Saintsaino ny torohevitra feno fahendren’ny apostoly Paoly, raha manomboka toa manintona anao izao tontolo izao satria toa be fahafinaretana sy fifaliana. Hoy izy: “Izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ... izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon’izao fiainana izao.” (1 Korintiana 7:29-31) Raiso am-po koa izao tenin’i Joba izao, raha manomboka manintona anao ny harena: “Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô; (dia heloka hanamelohan’ny mpitsara koa izany; fa ho nihatsaravelatsihy tamin’Andriamanitra Izay any ambony aho).”​—Joba 31:24, 28; Salamo 62:10; 1 Timoty 6:9, 10.

Izao no fampitandreman’ny Baiboly momba ny fahazarana tsy miraharaha ny torohevitra miorina aminy: “Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.” (Ohabolana 29:1) Rehefa mikarakara tsara ny fontsika ara-panahy kosa isika, dia hahita fahafinaretana sy fiadanan-tsaina, noho ny fananana fiainana tsotra sy milamina. Izany foana no tokony ho fomba fiainan’ny Kristianina marina. Nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao tokoa ny apostoly Paoly: “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.”​—1 Timoty 6:6-8.

Ho azo antoka fa hanana fo salama sy matanjaka ara-panahy isika, raha mampiofana sy manazatra ny tenantsika mba hanana toe-panahy araka an’Andriamanitra, izany hoe mifikitra aminy. Tsy ho afaka hanimba ny fahasalamantsika ara-panahy ny fomba sy ny toe-tsaina manimban’izao tontolo izao, raha mitandrina ny sakafo ara-panahy raisintsika isika. Ambonin’ny zava-drehetra anefa, dia aoka isika hanao fizahana ny fontsika ara-panahy, izany hoe hanaiky ny fandaharan’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany. Hanampy be dia be mba hanalavirana ny voka-dratsin’ny aretim-po ara-panahy ny fahazotoana manao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Crise cardiaque​—Que faire?” tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 8 Desambra 1996, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 10]

METY HAMPAHALEMY NY FO ARA-PANAHY NY SAKAFO ARA-PANAHY RATSY, TSY MISY HAFA AMIN’NY SAKAFO RATSY METY HANAMAFY NY LALAN-DRA SY HANIMBA NY FO ARA-BAKITENY

[Teny notsongaina, pejy 10]

METY HISY VOKANY RATSY NY TSY FIHETSEHANA LOATRA EO AMIN’NY ARA-PANAHY

[Teny notsongaina, pejy 11]

MORA MANIMBA NY FO ARA-PANAHY NY “FIAHIANA MOMBA IZAO FIAINANA IZAO”

[Sary, pejy 11]

Mety ho tena hampalahelo ny vokatry ny fanaovana tsirambina ny fahasalamana ara-panahy

[Sary, pejy 13]

Miaro ny fo ara-panahy ny fahazarana ara-panahy tsara

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

AP Photo/​David Longstreath