Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ataon’ny Olona ho Iza moa Aho?”

“Ataon’ny Olona ho Iza moa Aho?”

“Ataon’ny Olona ho Iza moa Aho?”

KRISMASY indray ny andro. Mankalaza andro nahaterahana iray ny olona eran-tany. Andro nahaterahan’iza? Ilay Zanak’Andriamanitra ve? Sa Jiosy nafana fo nikasa hanavao ny fivavahana nanjaka tany amin’ny taniny, tamin’ny taonjato voalohany? Mpiaro ny mahantra ve sa mpikomy novonoina satria nanohintohina ny Fanjakana Romanina? Sa olon-kendry nanantitrantitra fa zava-dehibe ny fahafantarana tsara ny tena sy ny hananana fahendrena feno? Rariny ianao raha hanontany tena hoe ‘iza marina moa i Jesosy Kristy?’

I Jesosy koa aza mba te hahafantatra izay navalin’ny olona an’io fanontaniana io, ka nanontany ny mpianany izy indray mandeha hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa Aho?” (Marka 8:27) Nahoana no nipetraka izany fanontaniana izany? Betsaka ny olona efa nandao an’i Jesosy. Nisy koa angamba sahiran-tsaina sy diso fanantenana noho izy ireo niezaka hanao an’i Jesosy ho mpanjaka, kanefa nolaviny. Ambonin’izany, rehefa nisalasala ny aminy ny fahavalony, dia tsy nanome famantarana avy tany an-danitra izy mba hanaporofoana hoe iza izy.

Ahoana àry no navalin’ny apostoliny an’io fanontaniana io? Nilaza ny sasany tamin’ny hevitry ny ankamaroan’ny olona tamin’izany andro izany izy ireo: “Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ny mpaminany.” (Matio 16:13, 14) Tsy nolazain’izy ireo ny anaram-bosotra niantsoana an’i Jesosy nanerana an’i Palestina; anisan’izany ny hoe mpiteny ratsy an’Andriamanitra, mpisoloky, mpaminany sandoka, ary koa hoe lehilahy adala mihitsy aza.

Hevitra maro momba an’i Jesosy

Mety ho izao no filazan’i Jesosy azy, raha mametraka an’io fanontaniana io izy amin’izao andro izao: “Ataon’ny manam-pahaizana ho iza moa aho?” Angamba ho azo atao bango tokana toy izao indray koa ny valiny: Misy hevitra samy hafa maro be. Nilaza i David Tracy, ao amin’ny Oniversiten’i Chicago, fa ny olona rehetra dia samy manana ny heviny sy ny filazany momba an’i Jesosy sy ny teniny ary ny nataony. Nandritra ny zato taona farany, dia niezaka ny manam-pahaizana hamorona valin’ilay fanontaniana hoe ‘iza marina moa i Jesosy?’ Fomba sarotra maro be, mifandray amin’ny fiaraha-monina sy ny maha izy ny olona ary ny haisoratra, no nampiasain’izy ireo. Vokatr’izany, nihevitra an’i Jesosy ho iza marina moa izy ireo?

Misy manam-pahaizana mbola manizingizina fa ilay Jesosy resahin’ny tantara, dia Jiosy mpaminany momba ny fara andro, nampirisika ny olona hibebaka. Tsy manaiky hiantso azy hoe Zanak’Andriamanitra na Mesia na Mpanavotra anefa izy ireo. Tsy atokisan’ny manam-pahaizana maro ny fitantaran’ny Baiboly hoe avy any an-danitra i Jesosy, sy ny hoe natsangana tamin’ny maty izy. Ny hafa nihevitra fa ny fomba fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany fotsiny no nanan-kery tamin’ny fivavahana maro nahaforona ny Kristianisma, tatỳ aoriana. Milaza ny gazety Teolojia Ankehitriny (anglisy) fa misy koa mihevitra an’i Jesosy ho “mpiahiahy olona, olon-kendry mpirenireny, na olona ambany nifandray tamin’Andriamanitra; mpandrindra ny fiaraha-monina, poety nanakiana ny rafi-piaraha-monina, na mpampirisika fikomiana nahay naneho hevitra an-karihary tany amin’ireo vohitra nitokana sy nisavorovoro ary nahantra, izay nisy mponina tsy tohinina tany Palestina.”

Mbola misy koa hevitra hafakely momba an’i Jesosy. Misy sarin’i Jesosy mainty hoditra izany, ohatra, miseho amin’ny mozika rap, amin’ny zavakanto any amin’ny tanàn-dehibe, amin’ny dihy koa aza. * Ny sasany manombantombana hoe tena vehivavy i Jesosy. Nisy sarivongan’i “Christie”, Jesosy vavy miboridana teo amin’ny lakroa, hitan’ny mpitsidika ny Tsenabem-paritra tany Kalifornia, tamin’ny taona 1993. Tokony ho tamin’izay koa no nisy “Jesosy” vavy nantsoina hoe “Christa”, nofantsihina teo amin’ny lakroa, naseho tany New York. Niteraka adihevitra be ireo sarivongana roa ireo. Nisy boky hitan’ny mpividy teo am-piandohan’ny taona 1999, miresaka momba ny “fifankatiavan’i Jesosy Zaza sy ny alikany, nantsoina hoe Angel.” Lazaina fa tena ‘mampihetsi-po lalina ny fifandraisan’izy ireo, sady mampiseho fa samy vonona ho faty ho an’ny andaniny avy na i Jesosy na ny alikany.’

Tokony hofantarina ve ny marina momba an’i Jesosy?

Nahoana ianao no tokony ho liana hahafantatra ny momba azy taloha sy ankehitriny? Voalohany, araka ny nambaran’i Napoléon, dia satria ‘tsy nanatri-maso i Jesosy nefa nanan-kery tamin’ireo mpanompony sy nibaiko azy ireo.’ Nahery ny fampianaran’i Jesosy, ary niaina nifanaraka tamin’izany izy, ka nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona an’arivo tapitrisa izany, nandritra ny roa arivo taona teo ho eo izao. Nety ny nilazan’ny mpanoratra iray hoe: ‘Mbola tsy nisy mihitsy zavatra nanan-kery toy izany teo amin’ny fiainan’ny olona teto an-tany, na dia atambatra daholo aza ny tafika rehetra nisy hatramin’izay, ny tafika an-dranomasina rehetra naorina sy ny parlemanta rehetra najoro ary ny mpanjaka rehetra nitondra.’

Tokony ho fantatrao koa ny momba an’i Jesosy taloha sy ankehitriny, satria miankina amin’izany ny hoavinao. Azonao atao ny ho tonga olom-pehezin’ny fanjakana iray efa miorina any an-danitra, dia ilay Fanjakan’Andriamanitra entin’i Jesosy. Simba ny tanintsika, ka izy no hiandraikitra ny fanavaozana azy ity indray ho tontolo iainana mahafinaritra feno zavamiaina isan-karazany. Manome toky antsika ny faminaniana ara-baiboly fa hamahana ny noana, hikarakara ny mahantra, hanasitrana ny marary, ary hamelona indray ny maty, ny Fanjakan’i Jesosy.

Azo antoka fa tianao ho fantatra hoe manao ahoana ny mpitondra an’izany karazam-panjakana tena ilaina izany. Hanampy anao hahafantatra bebe kokoa ny marina momba an’i Jesosy ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Misy lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! 8 Desambra 1998, miresaka hoe “Toy Inona ny Bika Aman’endrik’i Jesosy?”