Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy tokony hivadika amin’Andriamanitra ny vehivavy kristianina, nefa mila manaiky ny vadiny koa izy. Inona àry no hataony raha mankalaza fety ara-pivavahana ny vadiny?

Tokony ho hendry sy handinika tsara izy rehefa mitranga izany. Tsara raha miezaka manefa ireo adidy roa ireo izy. Nanoro hevitra toy izao i Jesosy rehefa nisy zava-nitranga toy izany: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Matio 22:21) Marina fa niresaka momba ny adidy amin’ny fanjakana izy ary nasaina nankatò ny fanjakana ny Kristianina tatỳ aoriana. (Romana 13:1) Tokony hampihatra io toroheviny io koa anefa ny vehivavy miezaka hanefa ny adidiny amin’Andriamanitra, sady miezaka hanaiky ny vadiny, na dia tsy mpino aza io vadiny io.

Antitranterin’ny Baiboly fa ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra no adidin’ny Kristianina voalohany indrindra. Tsy handa izany izay mahafantatra tsara ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 5:29) Matetika anefa no afaka manao izay angatahin’ny olona tsy mpino, manana fahefana, ilay mpivavaka marina no sady tsy mandika ny lalàn’Andriamanitra.

Afaka mandray lesona avy amin’ny ohatr’ireo Hebreo telo lahy ao amin’ny Daniela toko faha-3 isika. Nandidy azy ireo sy ny hafa i Nebokadnezara Mpanjaka mba ho any amin’ny lemak’i Dora. Azo inoana fa naleon’ireo Hebreo telo lahy tsy niseho tany, rehefa fantany fa fanompoam-pivavahan-diso no hatao. Nahita hirika tsy handehanana tany angamba i Daniela, fa tsy nahita kosa izy telo lahy. * Nanatrika fotsiny àry izy telo lahy, saingy sady tsy te handray anjara no tsy nandray anjara tamin’ny fanao ratsy mihitsy.​—Daniela 3:1-18.

Toy izany koa, fa mety hisy zavatra angatahin’ny lehilahy tsy mpino hataon’ny vadiny kristianina rehefa fety, nefa aleon’ilay vehivavy tsy manao izany. Ohatra: Asain’ilay rangahy mahandro sakafo hankalazan’izy sy ny hafa ilay fety izy. Na mety hasainy hiaraka aminy izy mianakavy (anisan’izany ny vadiny) amin’io andro io, mba hiaraka hisakafo amin’ny havana na hamangy azy ireo fotsiny. Na dia alohan’ilay fety aza, dia mety hilaza izy fa misy zavatra tsy maintsy vidin’ny vadiny, rehefa miantsena: sakafo natao ho an’ilay fety, ohatra, na zavatra hataony fanomezana, na taratasy famonosana fanomezana sy karatra paositaly.

Tokony ho tapa-kevitra ny tsy hitsabaka mihitsy amin’ny fanaon’ny fivavahan-diso ilay vehivavy kristianina, nefa ahoana raha mangataka zavatra toy izany ny vadiny? Lohan’ny fianakaviana izy, ary hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo.” (Kolosiana 3:18) Rehefa izany no mitranga, afaka hanaiky ny vadiny ve ilay vehivavy, nefa koa tsy hivadika amin’Andriamanitra? Tsy maintsy manapa-kevitra izy hoe inona no hataony, satria te hankatò an’i Jehovah izy voalohany indrindra, nefa te hankatò ny vadiny koa.

Na dia tsy fety aza ny andro, dia mety hisy sakafo hangatahin’ny vadiny handrahoina; mety ho ny sakafo tiany indrindra io, na sakafo fihinany amin’ny andro sasany. Te haneho fitiavana sy fanajana ny fahefan’ny vadiny ilay vehivavy. Afaka manao izany ve izy, na dia natao hankalazana fety aza ilay sakafo? Misy vehivavy kristianina mety hanao izany nefa hadio eritreritra, satria toy ny fanaovana sakafo isan’andro ihany no fiheverany izany. Azo antoka fa tsy hampifandray izany amina fety mihitsy ny Kristianina mahatoky, na dia manao izany aza ny vadiny. Mety hasainy hiaraka aminy hitsidika havana izy isam-bolana na isan-taona. Afaka manao izany ve izy na dia amin’ny andro fety aza? Sa tsy mampaninona azy ve ny miantsena ho an’ny vadiny, ka tsy eritreretiny izay hataon’ny vadiny amin’ireo entana vidiny ho azy?

Tokony hihevitra ny hafa ny vehivavy kristianina, izany hoe tokony hieritreritra izay ho vokatry ny ataony amin’ny olona. (Filipiana 2:4) Tsy ho tiany ny hieritreretan’ny olona hoe mankalaza ilay fety izy. Azo inoana koa fa naleon’ireo Hebreo telo lahy tsy hitan’ny olona nankany amin’ny Lemak’i Dora. Afaka miresaka amin’ny vadiny àry ilay vehivavy, ka mangataka aminy mba hikarakara ny sasany amin’ny zavatra ilainy amin’ilay fety, noho ny fiheverany ny fihetseham-pony, satria sady tia azy izy no manaja azy. Azon’ilay lehilahy atao, ohatra, ny misoroka toe-javatra mety hahasanganehana azy roa, satria fantany fa handa tsy handray anjara amin’ny raharahan’ny fivavahan-diso ny vadiny. Eny, afaka mahita vahaolana tsara izy ireo, rehefa miresaka milamina dieny mialoha.​—Ohabolana 22:3.

Tsy maintsy mandinika tsara àry ilay Kristianina mahatoky, ary avy eo manapa-kevitra ny amin’izay hataony. Toy ireo Hebreo telo lahy dia Andriamanitra no tsy maintsy hankatoaviny voalohany indrindra. (1 Korintiana 10:31) Na dia mitadidy izany aza ny Kristianina tsirairay, dia tsy maintsy manapa-kevitra hoe inona amin’ireo zavatra angatahin’ny olona manana fahefana ao amin’ny fianakaviana, na eo amin’ny fiaraha-monina no azony atao, nefa tsy haharatsy laza azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2001.